Fitarihana Fianaram-pianakaviana Ara-Baiboly Misy Heviny
1 Iray amin’ireo asa lehibe indrindra tanterahin’ny ray aman-dreny ny fampianarana ireo zanany ny fahamarinana. Adidiny avy amin’i Jehovah izy io. (Deot. 6:6, 7). Mila fitarihana sy tari-dalana mba handehanana amim-pahitsiana ny ankizy, eo anivon’ny tontolo iray tsy miraharaha an’Andriamanitra. Mila mianatra ny ho tia an’i Jehovah sy ny fahamarinana izy ireo sy ho tapa-kevitra ny hifikitra amin’izy io. Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1988, pejy faha-11, dia nanambara hoe: ‘Na dia eo aza ireo andraikitrareo hafa na ireo fahasahiranan-tsaina atrehinareo, ny fiaraha-mandany fotoana amin’ireo zanakareo dia mila homena ny laharam-pahamehana. Ny fotoana iarahana amin’ireo zanakareo dia hamela anareo handentika ao an-tsainy fari-pitsipika ara-panahy izay hiaro ny fon’ireo zanakareo sady hametraka azy ireo eo amin’ny lalana tsara.’
2 Raha tiana hanaraka ireo toro lalana omena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fianakaviana, dia tsy maintsy misy fotoana atokana tsy tapaka ho an’ny fianaram-pianakaviana. Ny loham-pianakaviana dia mila manome ny laharam-pahamehana ho an’ny fikarakarana ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviany. Raha tsy asiany fiheverana araka ny tokony ho izy izay ilain’ny ankohonany ara-panahy ankehitriny, dia tena azo inoana fa tsy maintsy hahita zava-manahirana lehibe ireo ray aman-dreny amin’ny hoavy.
3 Zavatra ianarana sy fomba fianatra: Inona no tokony hianarana? Ilay loham-pianakaviana no tsara toerana indrindra mba hahafantatra izay ilain’ny fianakaviany. Afaka manontany izay heverin’ny hafa ho mahasoa izy ary manisy fiheverana ny fanipazan-kevitr’izy ireo. Ny fahaiza- manovaova zavatra araka izay ilaina dia hahatonga ny fianaram-pianakaviana ho azo ampiharina sy handrisika. Fianakaviana maro no mifidy ny hanomana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana fanao isan-kerinandro. Kanefa, mety hilaina indraindray ny miresaka foto-kevitra voafaritra tsara, mahafaoka ireo zava-manahirana atrehin’ny tanora any an-tsekoly. Ny fanazavana navoaka mikasika ny hoe ‘mampiaraka’, ireo zavatra fanao ivelan’ny fianarana sy ny fanatanjahan-tena ary ny fironana maloto dia azo dinihina amin’ny fomba mampandroso sy mampahery. Zava-dehibe ny hamerenan’ilay loham-pianakaviana handinika hatrany izay fanazavana ilain’ny fianakaviany sy izay fomba tsara indrindra hanohinana ny fon’izy ireo amin’ny alalan’izy io. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Desambra 1971, pejy 743-744 na 1 Septambra 1971, pejy 518-519 (frantsay).
4 Ahoana no tokony hitarihana ny fianarana? Manolokoloa rivo-piainana tony kanefa feno fanajana. Halaviro ny fanaovan-javatra amim-pahazarana sy manaraka fitsipika henjana loatra. Manaova fanontaniana fanampiny, ka mampiasà fanoharana ho fampisaintsainana sy ho fampidirana ny rehetra, amin’ilay fianarana. Ny zavatra hita maso, toy ny sarintany sy tabilao dia azo ampiasaina mba hanamafisana ilay fianarana. Azo tendrena hanao fikarohana ao amin’ny Index na ny boky Auxiliaire, arakaraka ny taonany sy ny fahaizany ireo ankizy. Ampidiro ao anatin’ilay dinidinika ireo ankizy mbola kely kokoa raha vao afaka mamaly izy ireo. Azo atao amin’izy ireo ny fanontaniana tsotra tsy mitaky afa-tsy teny vitsivitsy monja ho valiny. Aza ampiasaina handevilevena an’ireo ankizy ny fotoana fianarana. Derao kosa izy ireo ka manehoa fankasitrahana ny ezaka ataony, ary aoka ianao hafana fo amin’ny fampitana fomba fijery ara-panahy amin’izy ireo.
5 Ahoana no ahafahanao mahazo antoka fa manohina ny fon’ireo ankizy ianao? Ampirisiho ny rehetra mba hanome valin-teny amin’ny fomba fiteniny manokana. Mampiasà amim-pahaiza-mandanjalanja fanontaniana hahalalana fomba fihevitra mba hamantarana ny toe-pony. Azonao atao ny manontany hoe: “Ahoana ny fahitan’ny ankizy any am-pianarana an’io raharaha io? Efa mba nanana fisalasalana tamin’io lafiny io ve ianareo?” Mitandrema mba tsy hisafoaka amin’ny mety ho valin-tenin’ny ankizy amin’ireo fanontaniana hahalalana fomba fihevitra. Raha tsy izany dia mety hisalasala ny haneho ny heviny amim-pahatsorana ireo zanakao. Omeo fotoana izy mba hitenenany. Ny fahafantarany fa miahy ny aminy sy ireo zava-manahirana azy ianao dia hahatonga ny ezaka ataonao mba hampianarana azy ho mora kokoa. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Febroary 1987, pejy 23-25.
6 Tadidio ao an-tsaina fa ny tena zava-kendrena amin’ny fianaram-pianakavianao dia ny handentika ao an-tsaina ny fihevitr’i Jehovah fa tsy ny hahitana valin-teny haverina tsianjery any amin’ny fivorian’ny kongregasiona fotsiny. (Efes. 3:17-19). Izany dia midika ho fanaovana ezaka mba handatsahana ilay fanazavana ao am-po. Omeo antony tokony haniriany hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy ny maha-fomba fiaina tsara indrindra an’izany, ny fianakavianao.
7 Ny fianaram-pianakaviana ara-baiboly tsy tapaka dia tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana. Mampiofana sy hampiomana tsara ny ankizy hiatrika ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana izy io. Ianareo ray aman-dreny no tsara toerana indrindra mba hanampy ireo zanakareo. Tontosay io andraikitra nomen’Andriamanitra io. Azo antoka fa hitahy anareo i Jehovah raha manao ny ezaka rehetra mba tsy hiovaovana amin’ny fitarihana fianaram-pianakaviana ara-baiboly misy heviny, ianareo.