Ataovy ho Voninahitr’Andriamanitra ny Zava-drehetra
1 Mamelombelona toy inona moa ny fiarahana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika malala! (1 Kor. 16:17, 18). Manao izany isika any amin’ireo fivoriana sy any amin’ireo fivoriambe ary eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Miaraka amin’izy ireo koa isika amin’ny fotoana tsy arahina fombafomba be, toy ny rehefa manam-bahiny isika mitsidika any an-tokantranontsika. Amin’ny fanaovana toy izany dia mampiseho fahaizana mampiantrano vahiny sy mifampahery isika. (Rom. 12:13; 1 Pet. 4:9). Rehefa mandamina fanasana amin’ny fanambadiana dia tadidio ao an-tsaina ny torohevitra tsara dia tsara ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1984.
2 Ireo Fotoam-piaraha-mikorana voalamina: Na ‘mihinana na misotro isika, na inona na inona ataontsika’ dia tokony ‘hataontsika ho voninahitr’Andriamanitra’ izany. (1 Kor. 10:31-33). Io torohevitra io dia tsy arahin’ny sasany, ka manjary mitombo hatrany ny zava-manahirana noho ireo fiaraha-mikorana be olona loatra ka tsy voara-maso araka ny tokony ho izy. Amin’ny tarehin-javatra sasany, dia olona an-jatony maromaro no asaina amin’ny fiaraha-mikorana be pitsipitsiny izay anasongadinana fialam-boly araka an’izao tontolo izao. Indraindray ireo tonga eo dia angatahina handoa vola fidirana na vola hafa. Ny fikoranana toy izany dia misy itoviana akaiky amin’ny fotoam-pikoranana araka an’izao tontolo izao, izay ny toe-tsainy dia tsy mifanaraka amin’ny fahamendrehana sy ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. — Rom. 13:13, 14; Efes. 5:15-20.
3 Nanaovana tatitra fa Vavolombelona maro be no nivory tany amin’ny trano nohofana ka tao dia tsy mahasoa sy araka an’izao tontolo izao ny fialam-boly ary tsy nisy ny fanaraha-maso. Nisy zavatra nitovitovy tamin’izany nampahafantarina tamin’ny olona ho faran’ny herinandron’ny “Vavolombelon’i Jehovah”, natao tany amin’ny hotely na tany amin’ny toeram-pialam-boly. Noho ny maha-sarotra ny fanaraha-maso araka ny tokony ho izy ny antokon’olona maro be toy izany, dia nanjary nisy zava-nanahirana. Indraindray izany dia niafara tamin’ny fitabatabana, fanaranam-po tafahoatra tamin’ny zava-pisotro misy alkaola sy fahalotoam-pitondran-tena mihitsy aza. (Efes. 5:3, 4). Ny fiaraha-mikorana izay itrangan’ny fitondran-tena toy izany dia tsy manome voninahitra an’i Jehovah. Mitondra fahafaham-baraka eo amin’ny laza tsaran’ny kongregasiona kosa izany, ary manafintohina ny hafa. — 1 Kor. 10:23, 24, 29.
4 Ny Kristiana dia ampirisihina haneho fahaizana mampiantrano vahiny , nefa ny zavatra antitranterina dia tokony hafantoka amin’ny fifanakalozana ara-panahy. (Rom. 1:11, 12). Mazàna dia ny fivoriana kely no tsara indrindra. Ny boky Voalamina dia milaza toy izao eo amin’ny pejy faha-134-136: “Asaina ao amin’ny tokantrano iray indraindray ny fianakaviana vitsivitsy mba handany fotoana kely amin’ny fiarahana kristiana. (...) Ara-dalàna raha toa ireo kristiana manasa ka mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’izay mitranga. Noho ny fahatsapana izany, ireo kristiana maneho fahaiza-manavaka dia nihevitra fa fahendrena ny hamerana ny isan’ny olona hasaina sy ny faharetan’ny fanasana.” I Jesosy dia nilaza fa tsy ilaina ny zavatra be pitsipitsiny rehefa ny hampirisika ny namantsika amin’ny lafiny ara-panahy no tanjontsika. — Lioka 10:40-42.
5 Zavatra tsara dia tsara ny hanehoana fahaizana mampiantrano vahiny amin’ireo Kristiana tahaka antsika. Kanefa, misy fahasamihafana lehibe amin’ny fikoranana maotina ao an-tokantranontsika sy ny fotoam-pikoranana be pitsipitsiny manome taratry ny toe-tsaina araka an’izao tontolo izao any amin’ny trano nohofana. Rehefa manasa ny hafa mba ho vahininao any aminao ianao, dia tokony ho azonao antoka fa afaka miantsoroka andraikitra feno amin’izay hitranga ianao. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1992, pejy faha-17-20.
6 Marina tokoa fa i Jehovah dia nitahy antsika tamin’ny fananana firahalahiana, ka avy amin’izany no ahazoantsika fampaherezana mamelombelona izay manosika antsika hanohy amin’ny asa tsara dia tsara. (Matio 5:16, NW; 1 Pet. 2:12, NW). Amin’ny fanehoana fahamaotinana sy fahalalana ny antonona amin’ireo zavatra atao miaraka dia hanome voninahitra an’Andriamanitsika foana isika ary hampandroso ny hafa. — Rom. 15:2.