Manaova Fiverenana Mitsidika Any Amin’izay Rehetra Nametrahana Boky Sy Bokikely
1 Angamba isika nanao resadresaka nahaliana tamin’ny tompon-trano iray izay nandray ny Boky ho An’ny Sekoly. Irintsika ny hihazona ny fahalianany sy ny hahatakarany ny maha-zava-dehibe ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra.
2 Ho azonao atao ny hanomboka indray ny fiaraha-midinika amin’ny “Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika” amin’izao fomba izao:
◼ “Faly aho mahita anao indray. Fony aho teto tamin’ny farany, dia niresaka isika fa avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra no nahazoana ny Baiboly. Mihevitra ve ianao fa sarotra inoana izany? [Avelao ilay olona hamaly.] Mariho ny voalazan’ny fehintsoratra faha-16 eo amin’ny pejy faha-19. [Vakio io fehintsoratra io.] Raha izany no izy, tsy heverinao ve fa mendrika ny hanokanantsika fotoana ny fandinihana azy io? [Avelao ilay olona hamaly.]” Raha mitohy ny fahalianany dia vakio aminy ny fehintsoratra faha-17 farany. Eny, aoka isika ho vonona hatrany hanampy ny hafa mba hahazoan’ireny olona ireny fahalalana ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana.
3 Ho azonao atao ny hanomboka indray ny fiaraha-midinika amin’ny “Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay”, amin’izao fomba izao:
◼ “Teo aloha aho dia afaka nampiseho taminao ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Tapany iray tena lehibe amin’ny fanompoam-pivavahantsika ny fahalalana sy ny fampiasana ny anarana hoe Jehovah.” Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-31 ilay bokikely, ary jereo indray ireo hevi-dehibe eo amin’ny fehintsoratra efatra farany, ary vakio ny Jaona 17:3 sy ny Mika 4:5. Hazavao fa isika dia manolotra fandaharam-pampianarana Baiboly izay afaka mampiseho ny fomba hanamasinana ny anaran’Andriamanitra araka ny tokony ho izy sy ny fomba hahafahantsika hahita ireo fitahiana ao amin’ny tany zary paradisa.
4 Koa ampitsimohy indray àry ny fiheveranao an’ireo izay nifandraisanao. Manàna fikirizana hiverina, ary manomàna zavatra mahasoa hozaraina. Afaka ny ho olona “mamoa ka vokatra” ianao amin’ny fanaovana mpianatra vaovao. — Matio 13:23.
[Loharanon-kevitra]
Sombin-dahatsoratra momba ny bokikely Ny Anaran’Andriamanitra avy ao amin’ny lahatsoratra hoe “Manaova Fiverenena Mitsidika any Amin’izay Rehetra Nametrahana Bokikely” ao amin’ny km-MG 7/95, pejy 4.