Ny Fisotroan-dronono — Varavarana Iray Misokatra ho Amin’ny Asa Teokratika Ve?
NY FISOTROAN-DRONONO — ho an’ny maro izy io dia mandrindrina ny varavarana amin’ny fe-potoana ela nisian’ny fihenjanana sy fahasosorana. Rehefa avy nofehezin’ny fanaovan-javatra nahazatra nanasatra na nampikorontana ny maro, dia miandrandra ny hamohan’ny fisotroan-dronono varavarana iray ho amin’ny taona maro fitsaharana sy fahalalahana manokana. Tena matetika anefa dia mitarika ho amin’ny sorisory sy ny fahosana io varavarana io. Ny fanarian-dia sy ny fanaovana ireo zavatra ankafizina manokana fotsiny dia tsy manome ilay fahatsapan-tena ho mendrika izay omen’ny asa.
Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny fisotroan-dronono dia afaka manokatra “varavarana lehibe iray izay mitarika ho amin’ny asa”. (1 Korintiana 16:9, NW ). Na dia ao aza ireo zava-manahirana sy fetra ateraky ny taona mandroso, dia hitan’ireo be taona sasany fa afaka mampitombo ny fanompoany an’i Jehovah izy ireo noho ny fanampiany. Diniho ny fanandraman-javatra hitan’ny Kristiana be taona sasany tany Holandy. Nandritra ny taom-panompoana 1995, ny 269 amin’ireo mpisava lalana (mpitory ilay Fanjakana manontolo andro) maherin’ny 1 223, dia 50 taona na mihoatra. Amin’izy ireo, dia 81 no 65 taona na mihoatra.
Ny sasany dia afaka manao ny asan’ny mpisava lalana amin’ny fanohizana ny fomba fanao be atao naoriny fony izy nanao asa ara-nofo. (Ampitahao amin’ny Filipiana 3:16.) Mahatsiaro toy izao ny Kristiana iray misotro ronono antsoina hoe Karel: “Fony aho niasa ara-nofo, dia nahazatra ahy ny nanomboka niasa tamin’ny 7.30 maraina. Rehefa nanomboka nisotro ronono aho, dia nanapa-kevitra hihazona ny fomba fanaovan-javatra nahazatra. Nanomboka ny andro aho, tamin’ny fanaovana fanambarana amin’ny gazety eny amin’ny arabe isa-maraina amin’ny fito ora, manoloana ny garan-damasinina.”
Ny fanaovana fandaharana mialoha amim-pitandremana koa dia fanalahidy iray ho amin’ny fahombiazana. (Ohabolana 21:5). Ohatra, afaka nanokana vola ampy ny sasany mba hanohanana ny tenany amin’ny fanompoany. Ny hafa dia nanapa-kevitra ny hampihena ny zavatra laniny manokana sy hahazo asa tapa-potoana. Diniho i Theodore sy i Ann. Nanomboka ny fiainan’ny mpivady tamin’ny naha-mpisava lalana izy ireo mandra-pahatongan’ny fotoana tsy maintsy nijanonany tamin’ny asan’ny mpisava lalana noho ireo adidy ara-pianakaviana. Mbola velona anefa ny toe-tsain’ny mpisava lalana nananany! Rehefa nihalehibe ny zanany vavy, dia nampirisihin’izy ireo lalandava hanao ny asan’ny mpisava lalana. Mbola zava-dehibe kokoa, nanome ohatra tsara i Theodore sy i Ann, matetika tamin’ny fanompoana tamin’ny naha-mpisava lalana mpanampy. Rehefa nihalehibe kokoa ireo ankizivavy, dia nanomboka nampihena ny asa ara-nofo i Theodore sy i Ann mba hananana fotoana bebe kokoa ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha.
Taorian’ny nidiran’ireo zanany vavy tamin’ny fanompoana manontolo andro sy nandaozany ny tokantrano, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana i Ann. Indray andro izy dia nampirisika an’i Theodore hiala tamin’ny asany. “Afaka ny ho mpisava lalana isika roa”, hoy ny fanipazan-keviny. Nilaza tamin’ny mpampiasa azy ny amin’ny zavatra nokasainy hatao i Theodore. Gaga izy fa nanolotra ny hanampy azy ny lehibeny, tamin’ny fanomezana azy asa tapa-potoana, ka nanao hoe: “Heveriko fa maniry hiasa manontolo andro ho an’ny lehibenao any ambony any [any an-danitra] ianao.” Ankafizin’i Theodore sy i Ann ankehitriny ny miara-manao ny asan’ny mpisava lalana.
Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana ny sasany noho ny toe-javatra nitranga teo amin’ny fiainany. Ny fahafatesana nahatsiravina nahazo ny zanany vavy sy ny zafikeliny vavy dia nahatonga ny mpivady iray be taona hisaintsaina amim-pitandremana ny fomba hampiasany ireo taonany sisa. (Mpitoriteny 7:2). Tsy nanaiky ho difotry ny alahelo izy ireo, fa nanomboka ny fanompoana manontolo andro izay ankafiziny efa hatramin’ny valo taona kosa izao!
Ekena fa mitaky tena fahatapahan-kevitra ny mijanona ao amin’ny fanompoana manontolo andro. Ohatra, i Ernst sy i Riek vadiny dia nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana raha vantany vao nandao ny tokantrano ireo zanany. Fotoana fohy taorian’izay, dia nanolotra an’i Ernst asa iray ahazoana tombony ny mpiara-nanao fandraharahana iray taminy teo aloha. Namaly toy izao i Ernst: “Manana ny mpampiasa tsara indrindra misy izahay, ary tsy vonona hiala aminy!” Noho i Ernst sy ny vadiny nijanona tao amin’ny ‘asan’i’ Jehovah, dia nisokatra ho azy ireo tombontsoam-panompoana hafa. Nanompo tao amin’ny asan’ny fizaran-tany nandritra ny 20 taona mahery izy ireo ary manohy hatramin’izao amin’ny maha-mpisava lalana. Manenina amin’ny lalan’ny fahafoizan-tena narahiny ve izy ireo? Tsy ela izay, dia nanoratra toy izao ilay mpivady: “Raha sitrapon’i Jehovah, rehefa afaka telo volana, dia manantena hankalaza ny faha-50 taonan’ny fanambadianay izay antsoina matetika hoe mariazy volamena izahay. Amim-piekena mafy tanteraka anefa no ilazanay fa nanomboka fony izahay nanao ny asan’ny mpisava lalana ireo taona tena volamena ho anay.”
Maro no mahita fa ilay varavarana mitarika ho amin’ny asa mitombo dia mitarika ho amin’ny fifaliana mitombo koa! Milaza toy izao ny rahalahy iray izay nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, tapa-bolana taorian’ny nahatratrarany ny faha-65 taonany: “Tsy maintsy milaza aho fa tsy nahita fe-potoana feno fitahiana tondraka aoka izany mihitsy teo amin’ny fiainako, toy ny tamin’ireo folo taona lasa nanaovako ny asan’ny mpisava lalana.” Hoy ny mpivady iray izay mpisava lalana nandritra ny fito taona mahery: “Inona indray no tokony hataon’ny mpivady amin’ny taonanay sy ao anatin’ny toe-javatra misy anay? Matetika izahay dia mahita olona tahaka anay ao amin’ny faritany — mihaminkamina ao an-tokantrano, mihamatavy sy mihantitra ary mihagodra fotsiny. Mihazona anay ho salama ara-tsaina sy ara-batana ny fanompoana. Miaraka foana izahay. Mihomehy matetika izahay ary mankafy ny fiainana.”
Mazava ho azy fa tsy ny be taona rehetra no ao anatin’ny toe-javatra izay mamela azy hanao ny asan’ny mpisava lalana. Afaka mahazo toky ireny Kristiana ireny fa i Jehovah dia mankasitraka izay rehetra mety ho vitany ao amin’ny fanompoana azy. (Ampitahao amin’ny Marka 12:41-44.) Ohatra, ny anabavy malemy iray dia voatana ao amin’ny toeram-ponenana fikarakarana ny be antitra sy ny marary. Kanefa, mbola nivoha ho azy ny varavarana iray ho amin’ny asa! Nisy dokotera nanontany azy ny fomba ataony mba handaniany ny fotoanany. Mitantara toy izao izy: “Nilaza taminy aho fa tsy ampy fotoana foana. Tsy nety azony izay hevitr’izany. Nilaza taminy aho fa izany dia satria feno tamin’ny asa nahafa-po ny androko. Tsy manirery aho, nefa mitady ny hafa izay manirery ka miezaka milaza amin’izy ireny izay tahirizin’Andriamanitra ho an’ny olombelona.” Milaza fohy toy izao ny toe-javatra izy: “Tsy afaka manantena zavatra be loatra avy amin’ny olona iray efa ho 80 taona ny tena. Mivavaha ho ahy mbola hahafahako hitarika olona maro ho amin’i Jehovah.”
Eo amin’ny taona fisotroan-dronono ve ianao? Mety ho tena hanintona ny varavarana ho amin’ny fanaovana asa kely kokoa, nefa tsy varavarana ho amin’ny fitahiana ara-panahy izany. Asio fiheverana ao amin’ny vavaka ny toe-javatra misy anao. Mety ho afaka hiditra amin’ilay varavarana mitarika ho amin’ny asa lehibe kokoa ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah ianao.
[Sary, pejy 25]
Afaka mitarika ho amin’ny asa mitombo ao amin’ny fanompoana ny fisotroan-dronono