Fanolorana Ny Tenantsika Amim-pahazotoana
1 Naminany i Davida mpanao salamo fa ny vahoakan’i Jehovah dia ‘hazoto hanolo-tena’ izany hoe ho “olona mailaka ny hirotsaka an-tsitrapo”. (Sal. 110:3, NW, f.a.p.). Azo antoka fa tanteraka eo anivon’ny fikambanan’ireo rahalahintsika maneran-tany izany. Nandritra ny tsirairay avy tamin’ireo taom-panompoana efatra lasa, ny vahoakan’i Jehovah dia nanokana ora arivo tapitrisa mahery mba hampielezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Ary misy fomba maro, fanampin’ny fitoriana sy ny asa fanaovana mpianatra, izay azontsika anolorana ny tenantsika amim-pahazotoana mba hanampy ny hafa.
2 Fomba azontsika ampisehoana ny fahazotoantsika: Mety hila fanampiana ny sasany ao amin’ny kongregasiona mba hahatongavana any amin’ireo fivoriana. Nahoana raha mirotsaka an-tsitrapo haka azy ireny miaraka aminao? Ny hafa mety ho marary, ho osa, na hotsaboina any amin’ny hopitaly. Ho afaka hanao ny dingana voalohany hitsidika na hanampy azy ireny amin’ny fomba iray ve ianao? Mety hisy olona iray na fianakaviana iray mila fampaherezana. Efa nieritreritra ny hanolotra fanasana ho an’ny olona toy izany mba hanatrika ny fianaram-pianakavianao indraindray ve ianao? Mety hila namana eo amin’ny fanompoana ny mpisava lalana na mpitory iray. Nahoana raha manolotra ny hiara-miasa aminy eo amin’ny fanompoana? Ny sasany amin’ireo fomba azontsika anaovana soa an-tsitrapo amin’ny mpianakavin’ny finoana ireo. — Gal. 6:10.
3 Ireo rahalahy dia afaka mampiseho ny fahazotoany hampiasaina ao amin’ny fandaminan’i Jehovah amin’ny fiezahana mba hahafeno ireo fepetra takina amin’ny loholona sy amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana. (1 Tim. 3:2-10, 12, 13; Tit. 1:5-9). Arakaraka ny hitomboan’ny isantsika, no hilana rahalahy mahafeno fepetra izay mazoto hitari-dalana eo amin’ny fitoriana sy ny fampianarana ary ny asa fiandrasana ireo kongregasiona. — 1 Tim. 3:1.
4 Angamba ny sasany amintsika afaka manao izay hahafahan’ny tenantsika ho azo ampiasaina bebe kokoa eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, amin’ny fidirana ao amin’ny laharan’ny mpisava lalana mpanampy indraindray. Avy eo indray, raha manisy fanitsiana araka ny antonona vitsivitsy eo amin’ny fandaharam-potoanantsika isika, dia ho azontsika atao ny hanao azy io amin’ny fomba mitohy na ny hirotsaka ao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra mihitsy aza. Moa ve ny toe-javatra misy antsika ahafahantsika mifindra any amin’ny faritra ilana fanampiana bebe kokoa? Moa ve isika ho afaka hanao izay hahafahan’ny tenantsika hanompo ao amin’ny Betela ka amin’izany dia handray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny asa maneran-tany? Misy zavatra betsaka koa azo atao eo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana, Efitrano Fivoriambe, sy tranon’ny sampana manerana ny tany, izay ilana mafy fahazotoana miasa. Ireo izay nanolotra ny tenany hanao ireny asa tsara dia tsara ireny dia ankasitrahana betsaka, ary notahina tamin’ny fomba tondraka! — Lioka 6:38.
5 Fotoana mampientam-po izao. Amin’ny alalan’ny fanahiny, i Jehovah dia manatanteraka asa mahatalanjona iray eto an-tany miaraka amin’ny vahoakany feno fahazotoana! Na rahoviana na rahoviana i Jehovah, amin’ny alalan’ny fandaminany, no manolotra fanasana handraisana anjara amin’ny asan’ilay Fanjakana bebe kokoa hatrany dia manao tsara isika raha manontany tena hoe: ‘Mbola manolo-tena amim-pahazotoana ihany ve aho?’ Tokony handinika amim-bavaka ny fontsika sy ny toe-javatra misy antsika isika avy eo. Ny fifikirantsika amin’Andriamanitra dia hanosika antsika hanao izay rehetra azontsika atao eo amin’ny fanompoana masina, ka amin’izany dia hampifaly aoka izany ny fon’i Jehovah! — Zef. 3:17.