FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/96 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Desambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Desambra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 2 Desambra
  • Herinandron’ny 9 Desambra
  • Herinandron’ny 16 Desambra
  • Herinandron’ny 23 Desambra
  • Herinandron’ny 30 Desambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 12/96 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Desambra

Herinandron’ny 2 Desambra

Hira 134, Hira 75

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

15 min: “Iza no Hihaino ny Hafatra Entintsika?” Fanontaniana sy valiny.

20 min: “Manome Tari-dalana ny Tenin’Andriamanitra”. (Fehintsoratra 1-6). Ataovy fampidirana an’ilay anjara ny fehintsoratra 1-2. (Ampidiro eto ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 77-79, ka sorito vetivety ireo ‘antony efatra tokony handinihana ny Baiboly’.) Manasà mpitory mahay hanao fampisehoana an’ireo fomba fampiseho anoloran-kevitra ao amin’ny fehintsoratra 3-6. Asao ny mpanatrika hanazava fohy momba ny hoe 1) tamin’ny ahoana ireo fanontaniana napoitra no nanampy mba hanairana fahalianana, 2) tamin’ny ahoana ireo andinin-teny nampiasaina no nifanaraka tamin’ny loha hevitra noresahina, 3) tamin’ny ahoana ny fiverenana mitsidika no nanaraka ho azy ny resaka voalohany, ary 4) ahoana no nanaovana ny fanolorana fampianarana.

Herinandron’ny 9 Desambra

Hira 100, Hira 197

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.

15 min: Fanampiana Ireo Be Taona Handray Anjara Amin’ny Fanompoana. Mpitory be taona mahatoky maro no manana faniriana mafy handray anjara amin’ny fitoriana miaraka amin’ny kongregasiona, nefa misy zavatra mametra azy ireny eo amin’ny lafiny ara-batana noho ny taona mandroso sy ny tsy fahasalamana. Misy fomba ahafahantsika mampiseho fiheverana azy ireny mba hampidirana azy ireny ho ao amin’ny antokon’olona amin’ny fanompoana: Manolora ny hitondra azy amin’ny fiara; alamino ny hiasany amin’ireo trano izay tsy misy afa-tsy zanatohatra vitsy kokoa iakarana; hazòny ho eo akaiky ny fiara mba hahafahany hiala sasatra rehefa vizana izy; manolora ny hitondra azy ireny amin’ireo fiverenana mitsidika ataony; ampahafantaro azy fa hitondra azy mody ianao rehefa mahatsapa izy fa tsy afaka manohy. Mankasitraka ny fanampiana atolotra azy ireo be taona. Manonòna fomba hafa hampisehoanao fiheverana toy izany eo an-toerana. Diniho indray ireo hevi-dehibe ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ankasitrahantsika Ireo Olona Be Taona”, hita ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1986, pejy 28-29.

20 min: “Manome Tari-dalana ny Tenin’Andriamanitra”. (Fehintsoratra 7-9). Manaova fanazavana momba ny hoe “Ilaina ny fitarihana” izay ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1993, pejy 3. Hazavao ny antony tokony hanamafisan’ny fomba fampisehontsika ny maha-zava-dehibe ny hitadiavana fanampiana avy amin’ny loharano ambony kokoa iray — dia Andriamanitra. Manasà mpitory iray hanao fampisehoana an’ireo fomba fampiseho eo amin’ny fehintsoratra 7-8. Antitrantero fa ny tanjontsika dia tokony ho ny hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny alalan’ny boky Fahalalana amin’ny farany.

Herinandron’ny 16 Desambra

Hira 209, Hira 41

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manomeza fanoloran-kevitra sasany ny amin’ny fomba hamaliana amim-pahaiza-mandanjalanja ny fiarahabana amin’ny fety. Milazà fandaharam-panompoana manokana eny amin’ny saha ho amin’ny 25 Desambra.

15 min: “Fanolorana ny Tenantsika Amim-pahazotoana”. Fanontaniana sy valiny. Mampidira fanazavana avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1984, pejy 24.

20 min: “Fifaliana Noho ny Fitomboana Omen’Andriamanitra”. Lahateny feno hafanam-po ataon’ny loholona iray. Manonòna fanandraman-javatra na porofon’ny fitomboana any amin’ireo tany aseho, araka ny omena ao amin’ny Diary vao haingana.

Herinandron’ny 23 Desambra

Hira 93, Hira 166

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Mampisehoa hevitra azo resahina sasany ao amin’ny gazety vao haingana izay azo ampiasaina eo amin’ny fanompoana amin’itỳ herinandro itỳ. Milazà fandaharam-panompoana manokana eny amin’ny saha ho amin’ny 1 Janoary.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na manao lahateny iray ny loholona iray, momba “Ny Fisotroan-dronono — Varavarana Iray Misokatra ho Amin’ny Asa Teokratika Ve?” avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1996, pejy 24-25. — Jereo Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible pejy 1298, fehintsoratra 8-9.

20 min: “Fisoratana Anarana ho Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Manomeza tarehimarika eo an-toerana momba ny fisoratana anarana, ary ampirisiho izay rehetra afaka misoratra anarana mba hanao izany. Diniho indray ny toromarika ho an’ny anjaran’ny mpianatra nomena ao amin’ny “Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1997”.

Herinandron’ny 30 Desambra

Hira 223, Hira 137

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Raha tokony hampifamadika ora fivoriana amin’ny hafa ny kongregasionanareo ho amin’ny taona vaovao, dia manomeza fampaherezana feno hatsaram-panahy izay hampirisika ny rehetra hanao ny fanitsiana ilaina sy hanohy hanatrika tsy tapaka miaraka amin’ny kongregasiona amin’ny ora fivoriany vaovao.

20 min: “Fanampiana Amin’ny Fotoana Mety”. Fanontaniana sy valiny. Asehoy ireo hevitra sarobidy misongadina ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra vaovao tsirairay.

15 min: Diniho ny Zavatra Atolotra Amin’ny Janoary. Amin’ny fampiasana ny boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-9-14, dia mandiniha vetivety fampidiran-dresaka izay mifanentana amin’ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Anaovy fampisehoana ny fomba fampiseho iray na roa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara