Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
1 Inona moa no zavatra iombonan’ny mpitsabo mpanampy iray any Tanzania sy ny zazavavy iray any Arzantina, ary ny reny iray any Letonia? Mitatitra ny Diary 1997 (pejy 8, 46, ary 56) fa samy nanao fandrosoana haingana teo amin’ny fianarany Baiboly izy telo ireo, noho ny fahavononany hianatra nihoatra ny indray mandeha isan-kerinandro, tamin’ny boky Fahalalana. Notoroana hevitra ireo mpitory fa, isaky ny azo atao, dia tokony hiezaka handinika toko iray amin’ilay boky mandritra ny fotoam-pianarana tsirairay, izy ireo. Kanefa, mahita ny sasany fa sarotra ny manao izany. Na dia be dia be aza no hiankina amin’ny toe-javatra misy ny mpianatra tsirairay sy ny fahaizany, dia nahita fahombiazana ireo mpampianatra za-draharaha tamin’ny fanarahana ireto fanoloran-kevitra manaraka ireto:
2 Araka ny nohazavain’ny takelaka fanampiny tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, dia tena ilaina ny mampiofana ireo mpianatra mba hiomana ho amin’ilay fianarana. Eo am-piandohana mihitsy, dia ho tsara ny hanazavana sy hampisehoana ny fomba anaovana izany. Asehoy azy ny boky Fahalalana ampiasainao manokana. Miaraha manomana ny lesona voalohany aminy. Ampio ireo mpianatra hahita ireo teny na fitambaran-teny fototra izay mamaly mivantana ny fanontaniana vita pirinty, ary avy eo dia hanipika azy ireny. Ny mpitory sasany aza nanome mihitsy an’ireo mpianatra, stylo feutre mba hampiasaina. Ampirisiho izy ireo hijery ireo andinin-teny rehetra eo am-panomanany ilay fianarana mihitsy. Amin’ny fanaovana toy izany, dia hampiofana azy ireny koa ianao, hanomana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. — Lioka 6:40.
3 Ny mpampianatra mahay dia hampiteny ilay mpianatra, ary tsy hiteny be loatra. Tsy voasarika hiresaka momba ny hevitra madinika izy. Mahalana izy vao hampiditra fanazavana avy any ivelany. Manasongadina ireo hevi-dehibe ao amin’ilay lesona kosa izy. Ny sasany nanome an’ireo mpianatra zavatra vita an-tsoratra fanampiny mba hanampiana azy ireny hahita ny valiny ho an’ny fanontaniany. Ankoatra izany, dia handray fanazavana fanampiny amin’ny an-tsipiriany ireo olona liana, amin’ny fanatrehany ireo fivorian’ny kongregasiona.
4 Mety tsy hilaina ny hijery ireo andinin-teny voalaza rehetra ao amin’ny lesona. Ny hevi-dehibe sasany dia ho azo hazavaina avy amin’ny andinin-teny voatonona ao amin’ny fehintsoratra. Mandritra ny famerenana, dia asongadino ireo andinin-teny fototra izay nodinihina ary ampirisiho ilay mpianatra hitadidy azy ireny.
5 Hafiriana no tokony haharetan’ny fotoam-pianarana tsirairay?: Tsy ilaina hoferana ho adiny iray ilay fianarana. Manam-potoana ny tompon-trano sasany ka mety haniry hianatra ela kokoa. Na koa, mety haniry hianatra mihoatra ny indray mandeha isan-kerinandro ilay mpianatra. Izany dia hahasoa an’ireo izay afaka manao izany.
6 Araka ny asehon’ny Isaia 60:8, ankehitriny dia mpidera an’i Jehovah vaovao ana hetsiny maro no “manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny” mba hiditra ao amin’ny kongregasionan’ny vahoakany. Aoka isika rehetra samy hanao ny anjarantsika amin’ny fiaraha-miasa akaiky amin’i Jehovah, eo am-panafainganany ny fanangonana ireo olona toy ny ondry. — Isaia 60:22.