Fanompoana An’i Jehovah Amin’ny Toe-tsaina Feno Fahafoizan-tena
“Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.” — MATIO 16:24.
1. Ahoana no nampahafantaran’i Jesosy ireo mpianany ny amin’ny fahafatesany nadiva hitranga?
TEO amin’ny faritra akaikin’ ny Tendrombohitra Hermona nisy tendro rakotry ny ranomandry, dia tonga teo amin’ny dingana tena lehibe iray teo amin’ny fiainany i Jesosy Kristy. Tsy nanana afa-tsy herintaona latsaka hahavelomana izy. Fantany izany; tsy nahafantatra izany ireo mpianany. Tonga izao ny fotoana tokony hahafantaran’izy ireo izany. Marina fa efa nanisy fitenenana tsy nivantana ny amin’ny fahafatesany nadiva hitranga i Jesosy taloha, saingy vao voalohany izy izao no niresaka mazava tsara ny amin’izany. (Matio 9:15; 12:40). Vakina toy izao ny fitantaran’i Matio: “Hatramin’izany no vao natoron’i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.” — Matio 16:21; Marka 8:31, 32.
2. Nanao ahoana ny fihetsik’i Petera teo anatrehan’ny tenin’i Jesosy momba ny fijaliany ho avy, ary ahoana no nandraisan’i Jesosy izany?
2 Kely sisa ny andro hiainan’i Jesosy. Nisafoaka anefa i Petera teo anatrehan’izany toa hevitra nanjombona izany. Tsy azony nekena ny hoe tena hovonoina tokoa ny Mesia. Noho izany, dia sahy niteny mafy ny Tompony i Petera. Natosiky ny fikasana faran’izay tsara izy, ka maimay nampirisika hoe: “Mbà tsara fanahy amin’ny tenanao, Tompo ô; tsy hanjo anao velively izany fiafaran-javatra izany.” Nolavin’i Jesosy avy hatrany anefa ny hatsaram-panahy diso toerana nasehon’i Petera, toy ny azo antoka fa anitsahan’ny olona iray ny lohan’ny bibilava misy poizina. “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato fahatafintohinana ho ahy ianao, satria tsy misaina ny fisainan’Andriamanitra ianao, fa ny an’olona.” — Matio 16:22, 23, NW.
3. a) Ahoana no nanaovan’i Petera tsy nahy ny tenany ho irak’i Satana? b) Ahoana no nahatonga an’i Petera ho vato fahatafintohinana ho an’ny fiainana iray feno fahafoizan-tena?
3 Nanao ny tenany ho irak’i Satana tsy nahy i Petera. Ny valin-teny henjana nataon’i Jesosy dia feno fahatapahan-kevitra toy ny fony izy namaly an’i Satana tany an’efitra. Tamin’izay ny Devoly dia nanandrana naka fanahy an’i Jesosy tamin’ny fiainana mora, tamin’ny fahatongavana ho mpanjaka tsy misy fijaliana. (Matio 4:1-10). Izao i Petera dia nampirisika azy mba halemy fanahy amin’ny tenany. Fantatr’i Jesosy fa tsy izany no sitrapon’ny Rainy. Ny fiainany dia tsy maintsy feno fahafoizan-tena fa tsy ho fitadiavana fahafinaretana sy fahafaham-po ho an’ny tenany. (Matio 20:28). Nanjary vato fahatafintohinana ho an’ny fiainana toy izany i Petera; nanjary fandrika ilay fangoraham-po feno fikasana tsara nananany.a Hitan’i Jesosy tsara anefa fa, raha nanolokolo hevitra momba ny fiainana iray tsy misy fanaovana sorona izy, dia tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra noho izy ho azon’ilay vahoho mahafaty amin’ny fandrik’i Satana.
4. Nahoana no tsy natao ho an’i Jesosy sy ireo mpanara-dia azy ny fiainana tia mampanaram-po tena amin’ny zavatra mampiadana?
4 Nila fanitsiana àry ny fisainan’i Petera. Ny teniny tamin’i Jesosy dia nampiseho hevitr’olombelona, fa tsy ny an’Andriamanitra. Tsy natao ho an’i Jesosy na ho an’ireo mpanara-dia azy ny fiainana tia mampanaram-po tena amin’ny zavatra mampiadana, sy fialana mora foana amin’ny fijaliana, satria hoy izy avy eo tamin’i Petera sy ny sisa tamin’ny mpianany: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.” — Matio 16:24.
5. a) Inona ilay zava-tsarotra tsy maintsy resena amin’ny fanarahana ny fiainana kristiana? b) Zavatra tena ilaina telo inona avy no tsy maintsy iomanan’ny Kristiana hatao?
5 Niverimberina imbetsaka tamin’izao loha hevitra lehibe izao i Jesosy: zava-tsarotra tsy maintsy resena ny fanarahana ny fiainana kristiana. Mba hahatongavana ho mpanara-dia an’i Jesosy, ny Kristiana dia tsy maintsy manompo an’i Jehovah amin’ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena toy ilay Mpitarika azy ireo. (Matio 10:37-39). Noho izany, i Jesosy dia nitanisa zavatra tena ilaina telo tsy maintsy iomanan’ny Kristiana hatao: 1) fandavana ny tena, 2) fitondrana ny hazo fijaliany, ary 3) fanarahana Azy hatrany.
“Raha misy olona ta-hanaraka Ahy”
6. a) Ahoana no handavan’ny olona iray ny tenany? b) Iza no tokony hampifalintsika mihoatra noho ny tenantsika?
6 Inona no dikan’ny hoe mandà ny tena? Izany dia midika fa tsy maintsy mandà tanteraka ny tenany izy, karazana fahafatesana ho an’ny tena izany. Ny dikan-teny fototr’ilay teny grika nadika hoe “mandà” dia “milaza hoe tsia”; izy io dia midika hoe “tsy manaiky tanteraka”. Noho izany, raha manaiky ilay zava-tsarotra tsy maintsy resena amin’ny fiainana kristiana ianao, dia hafoinao an-tsitrapo ny fanirianao manokana hahavita zavatra, ny zavatra mampiadana anao, ireo fanirianao, ny fahasambaranao ary ny fahafinaretanao manokana. Amin’ny fotony, dia manome ny fiainanao manontolo sy izay zava-drehetra tafiditra amin’izany ho an’i Jehovah Andriamanitra ianao, amin’ny fotoana rehetra. Ny fandavana ny tena dia midika ho zavatra lehibe kokoa noho ny tsy fanomezana fahafinaretana sasany ho an’ny tena indraindray. Izany kosa dia midika fa ny olona iray dia tsy maintsy manolotra ny maha-tompon’ny tenany azy ho an’i Jehovah. (1 Korintiana 6:19, 20). Ny olona iray nanda ny tenany dia velona mba hampifaly an’Andriamanitra, fa tsy ny tenany. (Romana 14:8; 15:3). Izany dia midika fa amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainany, dia milaza hoe tsia amin’ny faniriany feno fitiavan-tena izy, ary milaza hoe eny amin’i Jehovah.
7. Inona no hazo fijalian’ny Kristiana, ary ahoana no itondrany izany?
7 Ny fitondrana ny hazo fijalianao àry dia mahatafiditra zava-dehibe. Ny fitondrana tsato-kazo iray dia enta-mavesatra sy marika famantarana fahafatesana. Ny Kristiana dia vonona ny hijaly raha ilaina izany, na hitondra henatra na hampijalijalina na hovonoina ho faty mihitsy aza noho izy mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. Hoy i Jesosy: “Izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.” (Matio 10:38). Tsy hoe mitondra hazo fijaliana daholo akory izay rehetra mijaly. Mety ho betsaka ny “fanaintainan’ny” ratsy fanahy, kanefa dia tsy manana hazo fijaliana izy ireo. (Salamo 32:10). Ny fiainan’ny Kristiana kosa anefa, dia fiainana ho fitondrana ilay hazo fijalian’ny fanompoana toy ny sorona ho an’i Jehovah.
8. Modelim-piainana toy inona no navelan’i Jesosy ho an’ireo mpanara-dia azy?
8 Ilay fepetra farany notononin’i Jesosy dia ny hanarahantsika azy hatrany. Tsy vitan’ny hoe takin’i Jesosy ny hanekentsika sy hinoantsika izay nampianariny, fa takiny koa ny hanarahantsika ilay modely nomeny mandritra ny fiainantsika manontolo. Ary inona avy moa ny sasany amin’ireo toetra miavaka hita teo amin’ilay modelim-piainana navelany? Rehefa nanome ny asa nanirahana farany hataon’ireo mpanara-dia azy izy, dia niteny hoe: “Koa mandehana hianareo, dia [manaova, NW ] mpianatra (...), mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Nitory sy nampianatra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana i Jesosy. Toy izany koa no nataon’ireo mpianany akaiky sy, mazava ho azy, ny kongregasiona kristiana voalohany iray manontolo. Io asa feno zotom-po io, niampy ny tsy naha-anisan’izao tontolo izao azy, dia nitondra teo amin’izy ireo ny fankahalana sy ny fanoheran’izao tontolo izao, ka nahatonga ny fitondrana ilay hazo fijaliana havesatra kokoa mihitsy aza. — Jaona 15:19, 20; Asan’ny Apostoly 8:4.
9. Ahoana no nitondran’i Jesosy ny hafa?
9 Modely misongadina hafa iray hita teo amin’ny fiainan’i Jesosy ny fomba nitondrany ny hafa. Tsara fanahy sy “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy. Araka izany, dia nahatsiaro tena ho velombelona indray ara-panahy ireo mpihaino azy, sady nahazo fampaherezana tamin’ny naha-teo azy. (Matio 11:29). Tsy nampahatahotra azy ireo izy mba hanarahan’ireo azy na nandidy azy ireo hankato fitsipika maro be ny amin’ny fomba tokony hanaovany izany, na nahatonga fiheveran-tena ho meloka teo amin’izy ireo mba hanerena azy ho tonga mpianany. Na dia teo aza ny fiainan’izy ireo feno fahafoizan-tena, dia nanana tena fifaliana marina izy ireo. Fifanoheran-javatra miavaka toy inona moa izany oharina amin’ireo izay manana ny toe-tsain’izao tontolo izao tia mampanaram-po tena, izay manamarika ny “andro farany”! — 2 Timoty 3:1-4, NW.
Ampitomboy sy tano ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena nananan’i Jesosy
10. a) Araka ny Filipiana 2:5-8, ahoana no nandavan’i Kristy ny tenany? b) Raha mpanara-dia an’i Kristy isika, dia toe-tsaina manao ahoana no tsy maintsy asehontsika?
10 Ny tenan’i Jesosy mihitsy no namela ohatra teo amin’ny fandavana ny tena. Nandray ny hazo fijaliany izy ary nitondra izany hatrany tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy. Nanoratra toy izao ho an’ny Kristiana tany Filipy i Paoly: “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana.” (Filipiana 2:5-8). Iza no afaka handa ny tenany amin’ny fomba feno kokoa noho izany? Raha an’i Kristy Jesosy ianao ka iray amin’ireo mpanara-dia azy, dia tsy maintsy mitana toe-tsaina mitovy amin’izany ianao.
11. Ny fananana fiainana feno fahafoizan-tena dia midika ho fiainana ho an’ny sitrapon’iza?
11 Milaza amintsika i Petera, apostoly hafa iray, fa satria nijaly sy maty ho antsika i Jesosy, ny Kristiana dia tokony hamatsy fiadiana ny tenany, toy ny miaramila tsara fiomanana, amin’ny toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Kristy. Nanoratra toy izao izy: “Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota; mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.” (1 Petera 3:18; 4:1, 2). Ny fiainana feno fahafoizan-tena nananan’i Jesosy dia nampiseho mazava tsara izay tsapany momba ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy voazarazara izy tamin’ny fanoloran-tenany, nametraka mandrakariva ny sitrapon’ny Rainy talohan’ny an’ny tenany, hatramin’ny fahafatesana nahafa-baraka mihitsy aza, izy. — Matio 6:10; Lioka 22:42.
12. Naharikoriko an’i Jesosy ve ny fiainana feno fahafoizan-tena? Hazavao.
12 Na dia fomba fiaina mafy sady nisetrana zava-tsarotra ho azy aza ny fiainan’i Jesosy feno fahafoizan-tena, dia tsy nihevitra izany ho naharikoriko izy. Nahita fahafinaretana kosa i Jesosy tamin’ny fanekeny ny sitrapon’Andriamanitra. Taminy, ny fanaovana ny asan’ny Rainy dia toy ny sakafo. Nahita tena fahafaham-po avy tamin’izany izy, toy ny olona iray mahita fahafaham-po avy amin’ny sakafo tsara iray. (Matio 4:4; Jaona 4:34). Araka izany, raha irinao ny hahatsiaro tena ho afa-po tokoa eo amin’ny fiainanao, dia tsy misy zavatra tsaratsara kokoa azonao atao afa-tsy ny manaraka ny ohatr’i Jesosy amin’ny fambolena ny fironana ara-tsaina nananany.
13. Amin’ny ahoana ny fitiavana no hery manosika ao ambadiky ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena?
13 Inona marina tokoa no hery manosika ao ambadiky ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena? Raha lazaina amin’ny teny tokana dia: ny fitiavana. Hoy i Jesosy: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’.” (Matio 22:37-39). Tsy afaka hitady ny tombontsoan’ny tenany manokana ny Kristiana iray no sady hankato ireo teny ireo. Ny fahasambarany sy ny tombontsoany manokana dia tsy maintsy tapahin’ny fitiavany an’i Jehovah aloha voalohany indrindra, ary avy eo dia tapahin’ny fitiavany ny namany. Toy izany ny fomba niainan’i Jesosy ny fiainany, ary izany no antenainy avy amin’ireo mpanara-dia azy.
14. a) Andraikitra inona avy no voazava ao amin’ny Hebreo 13:15, 16? b) Inona no mampirisika antsika hitory ny vaovao tsara amin-jotom-po?
14 Nahatakatra io lalàn’ny fitiavana io ny apostoly Paoly. Izao no nosoratany: “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay [manao fanambarana ampahibemaso momba, NW ] ny anarany. Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.” (Hebreo 13:15, 16). Tsy manolotra fanatitra biby na ny toy izany ho an’i Jehovah ny Kristiana; noho izany dia tsy mila mpisorona olombelona ao amin’ny tempoly ara-batana iray izy ireo mba hikarakara eo amin’ny fanompoam-pivavahana ataony. Amin’ny alalan’i Kristy Jesosy no anolorana ny fanati-piderana ataontsika. Amin’ny alalan’io fanati-piderana io indrindra, dia io fanambarana ampahibemaso momba ny anarany io, no anehoantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Ny toe-tsaintsika tsy misy fitiavan-tena mifototra amin’ny fitiavana indrindra no mampirisika antsika hitory ny vaovao tsara amin-jotom-po, haniry mafy ny hanolotra ho an’Andriamanitra ny vokatry ny molotsika. Amin’izany fomba izany, dia maneho fitiavana ny namantsika koa isika.
Mitondra fitahiana manana amby ampy ny fahafoizan-tena
15. Fanontaniana lalina mikasika ny fahafoizan-tena inona avy no azontsika atao amin’ny tenantsika?
15 Miatoa kely ary eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Moa ve ny modelim-piainako amin’izao fotoana izao mampiharihary fiainana feno fahafoizan-tena? Mitodika ho amin’ny fiainana toy izany ve ireo zava-kendreko? Moa ve ireo mpikambana amin’ny fianakaviako mijinja anjara ara-panahy avy amin’ny ohatra omeko? (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:8.) Ahoana ny amin’ireo kamboty sy mpitondratena? Moa ve izy ireo koa mandray soa avy amin’ny toe-tsaiko feno fahafoizan-tena? (Jakoba 1:27). Moa ve aho afaka manitatra ny fotoana laniko eo amin’ny fanati-piderana ampahibemaso ataoko? Moa ve aho afaka miezaka handroso ho amin’ny tombontsoa hanao ny asan’ny mpisava lalana, ny asa ao amin’ny Betela na ny asa misionera, sa aho afaka mifindra toerana mba hanompo any amin’ny faritra izay ilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa?
16. Ahoana no ahafahan’ny fahaizana mahita hevitra manampy antsika hanana fiainana feno fahafoizan-tena?
16 Indraindray dia fahaizana mahita hevitra kely fotsiny no ilaina mba hahatratrarana ny faran’izay mety ho vitantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena. Ohatra, i Janet, mpisava lalana maharitra any Ekoatera, dia nanao asa tsy ara-pivavahana manontolo andro. Tsy ela ny fandaharam-potoanany dia nanasarotra ny famenoany tamin’ny toe-tsaina falifaly ny ora notakina tamin’ny mpisava lalana maharitra. Nanapa-kevitra ny hanazava ilay zava-nanahirana tamin’ny mpampiasa azy izy ary nangataka fampihenana ny ora fiasana. Koa satria tsy vonona ny hampihena ny ora fiasany ilay mpampiasa, dia nentiny niaraka taminy avy eo i Maria izay nitady asa tapa-potoana mba hahafahany hanao ny asan’ny mpisava lalana. Samy nanolotra ny hiasa tapak’andro avy izy roa vavy, nifampizara andro fiasana feno iray. Nanaiky ilay fanoloran-kevitra ilay mpampiasa. Samy mpisava lalana maharitra izao izy mirahavavy. Rehefa nahita io vokany nahatalanjona io i Kaffa, izay reraka koa tamin’ny fiasana manontolo andro ho an’io kaompania io ihany sady nikely aina mba hanatratra ny ora amin’ny maha-mpisava lalana azy, dia nitondra niaraka taminy an’i Magali ary nanao fanolorana nitovy tamin’izany. Nekena koa izy io. Noho izany, dia anabavy efatra no afaka manao ny asan’ny mpisava lalana, fa tsy roa izay nadiva hiala tamin’ny fanompoana manontolo andro. Ahitana vokany mahasoa ny fahaizana mahita hevitra sy ny fanombohana manao zavatra.
17-21. Ahoana no nanombanan’ny mpivady iray indray ny fikasany teo amin’ny fiainana, ary inona no vokany?
17 Ankoatra izany, dia hevero ny fomba fiaina feno fahafoizan-tena narahin’i Evonne nandritra ireo folo taona lasa. Nanoratra izao manaraka izao ho an’ny Fikambanana Watch Tower izy tamin’ny May 1991:
18 “Nitsidika ny Betelan’i Brooklyn izaho sy ny fianakaviako tamin’ny Oktobra 1982. Ny fahitana izany dia nahatonga ahy haniry hanolo-tena hiasa ao. Namaky ilay taratasy fangatahana aho dia nisy fanontaniana iray tsara homarihina tao: ‘Firy ny antsalany amin’ny ora laninao teo amin’ny asa fanompoana tao anatin’ireo enim-bolana lasa? Raha latsaka ny folo ny antsalany, dia hazavao ny antony.’ Tsy afaka nahita antony azo nekena aho noho ny ora kely dia kely vitako, koa nametra zava-kendrena ny hanatratra izany nandritra ny dimy volana aho.
19 “Na dia afaka nahita fialan-tsiny vitsivitsy mba tsy hanaovana ny asan’ny mpisava lalana aza aho, dia resy lahatra aho rehefa namaky tao amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1983 fa ny hafa dia nandresy vato misakana lehibe kokoa noho ny ahy mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana. Koa tamin’ny 1 Aprily 1983, dia niala tamin’ny asa manontolo andro nahazoako vola aho ka tonga mpisava lalana mpanampy, ary niditra tao amin’ny laharan’ireo mpisava lalana maharitra aho tamin’ny 1 Septambra 1983.
20 “Tatỳ aoriana, dia faly aho nanambady mpikarakara momba ny asa tsara dia tsara iray tamin’ny Aprily 1985. Telo taona tatỳ aoriana, ny lahateny iray tamin’ny fivoriamben’ny distrika momba ny asan’ny mpisava lalana dia nanosika ny vadiko hibitsibitsika tamiko nanontany hoe: ‘Mahita antony tsy tokony hanombohako ny asan’ny mpisava lalana amin’ny 1 Septambra ve ianao?’ Niaraka tamiko tamin’io asa io izy tao anatin’ireo roa taona nanaraka.
21 “Nanolo-tena hanao asa fanorenana tao amin’ny Betelan’i Brooklyn nandritra ny tapa-bolana koa ny vadiko ary nanao fangatahana ho amin’ny Fandaharam-panorenana Iraisam-pirenena. Koa tamin’ny May 1989, dia nankany Nigéria nandritra ny iray volana izahay mba hanampy tamin’ny fanorenana sampana. Rahampitso izahay dia handeha ho any Alemaina, ka any dia hokarakaraina ny fahazoan-dalana hidiranay any Polonina. Mientam-po izahay tafiditra amin’ny tetik’asa fanorenana lehibe sy tsy hay hadinoina toy izany, sy ny ho anisan’io karazany vaovao amin’ny fanompoana manontolo andro io.”
22. a) Ahoana no mety hahatonga antsika ho vato fahatafintohinana tsy nahy, sahala amin’i Petera? b) Tsy miankina amin’inona ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena?
22 Raha tsy afaka manao ny asan’ny mpisava lalana ny tenanao manokana, moa ve ianao afaka mampirisika ireo izay ao amin’ny fanompoana manontolo andro mba hifikitra amin’ny tombontsoan’izy ireo ary angamba hanampy azy ireo hanao izany mihitsy aza? Sa ianao sahala amin’ny mpianakavy na namana tsara fikasa sasany izay, sahala amin’i Petera, dia mety hiteny amin’ny mpanompo manontolo andro iray mba hiala sasatra sy hanana fiainana mampiadana, mba ho tsara fanahy amin’ny tenany, amin’ny tsy fahatakarana akory ny fomba mety hahatongavan’izany ho vato fahatafintohinana? Marina fa raha tandindomin-doza lehibe ny fahasalaman’ny mpisava lalana iray na raha toa izy ka manao tsirambina ny andraikiny kristiana, dia mety ho voatery hiala amin’ny fanompoana manontolo andro mandritra ny fotoana kelikely izy. Ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena dia tsy miankina amin’ny anarana toy ny hoe mpisava lalana, na Betelita, na hafa. Izany kosa dia miankina amin’ny maha-isika antsika amin’ny maha-olona — ny fomba fisainantsika, izay ataontsika, ny fomba fitondrantsika ny hafa, ny fomba fitondrantsika ny fiainantsika.
23. a) Ahoana no ahafahantsika manohy manana fifaliana amin’ny maha-mpiara-miasa amin’Andriamanitra? b) Fanomezan-toky inona no hitantsika ao amin’ny Hebreo 6:10-12?
23 Raha tena manana toe-tsaina feno fahafoizan-tena marina isika, dia hanana ny fifaliana ho tonga mpiara-miasa amin’Andriamanitra. (1 Korintiana 3:9). Hanana fahafaham-po isika amin’ny fahafantarana fa mampifaly ny fon’i Jehovah. (Ohabolana 27:11). Ary mahazo toky isika fa tsy hanadino na hahafoy antsika na oviana na oviana i Jehovah raha mbola mitoetra ho mahatoky eo anatrehany koa isika. — Hebreo 6:10-12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny fiteny grika, ny hoe “vato fahatafintohinana” (σκάνδαλον, skanʹda·lon) tany am-boalohany dia “anaran’ilay tapany amin’ny fandrika izay ipetahan’ny jono, noho izany, dia ilay fandrika mihitsy”. — Vine’s Expository Dictionary of Old and New Testament Words.
Ahoana no Eritreritrao?
◻ Ahoana no nahatongavan’i Petera tsy nahy ho vato fahatafintohinana ho an’ny fiainana feno fahafoizan-tena?
◻ Inona no dikan’ny hoe mandà ny tena?
◻ Ahoana no hitondran’ny Kristiana iray ny hazo fijaliany?
◻ Ahoana no hampitomboantsika sy hitanantsika toe-tsaina feno fahafoizan-tena?
◻ Inona ilay hery manosika ao ambadiky ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena?
[Sary, pejy 10]
Moa ve ianao vonona ny handa ny tenanao, hitondra ny hazo fijalianao, ary hanaraka an’i Jesosy hatrany?