Fivoriamben’ny Distrika 1997 “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”
1 Nampahatsiahy an’i Timoty ny apostoly Paoly fa ny “soratra rehetra [dia] nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. (2 Tim. 3:16). Koa satria nomen’ny tsindrimandry ny Tenin’Andriamanitra, dia manana ny antony rehetra inoana azy io isika. Ny loha hevitry ny fivoriamben’ny distrika amin’itỳ taona itỳ dia hoe: “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”. Hanatanjaka ny finoantsika ny Baiboly ny fandaharana, na efa an-taonany maro no nahafantarantsika ny Baiboly, na vao haingana no nifandraisantsika tamin’ny fandaminan’i Jehovah. Samy tokony hanao fandaharana isika rehetra mba hanatrehana azy io manontolo. Ho toy inona moa ny fampaherezana ho azontsika raha miara-manatrika amintsika ireo olona liana vao haingana, indrindra fa ireo miara-mianatra Baiboly amintsika!
2 Fivoriambe telo andro: Amin’itỳ taona itỳ, dia fivoriamben’ny distrika telo andro no nalamina mba handraisantsika soa. Amin’izao fotoana izao ianao dia efa nampahafantarina ny amin’ilay fivoriambe izay nanendrena ny kongregasionanao, ary tokony ho efa raikitra ny hanatrehanao ireo telo andro rehetra amin’ny fandaharana. Efa nanatona ny mpampiasa anao ve ianao mba hahazoana ireo andro tsy hiasana hilaina? Raha manan-janaka mbola mankany an-tsekoly ianao ary mifanitsy amin’ny fotoam-pianarana ny fivoriambenareo, moa ve ianao efa nampahafantatra tamin-katsaram-panahy ny mpampianatra azy ireo fa tsy ho tonga hianatra izy ireo ny zoma, noho io tapany lehibe amin’ny fampiofanana azy ara-pivavahana io? — Deot. 31:12.
3 Hanomboka amin’ny 9.30 maraina ny fandaharana isan’andro. Ho azo idirana ny toerana amin’ny valo ora maraina. Ny hany olona homen-dalana hiditra alohan’io dia ireo manana asa nanendrena azy, nefa tsy homen-dalana hamandrika toerana izy, raha tsy rehefa azon’ny rehetra idirana ilay toerana. — Fil. 2:4.
4 Mandiniha tsara: Nampahatsiahy an’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Petera fa hanao tsara izy ireo tamin’ny fandinihana ny teny faminaniana, dia toy ny fandinihana jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina iray. (2 Pet. 1:19). Marina koa izany raha ny amintsika. Toy ny hoe ao amin’ny toerana maizina iray isika miaina ao amin’itỳ tontolo tranainy eo ambanin’ny fifehezan’i Satana itỳ. Velom-pankasitrahana isika, satria nantsoina hiala tamin’ny haizina ara-panahy. (Kol. 1:13; 1 Pet. 2:9; 1 Jaona 5:19). Mba hitoerana ao amin’ny fahazavana, dia mila mihazona ny finoantsika ho matanjaka isika amin’ny fandinihana ny Teny ara-tsindrimandrin’i Jehovah. Ny fivoriamben’ny distrikantsika amin’itỳ taona itỳ dia hampirisika antsika hanao toy izany indrindra.
5 Mety hotakina ny hanaovantsika ezaka, raha tiantsika ny hifantoka amin’ny fandaharana, kanefa tena handray fitahiana isika amin’ny fanaovana toy izany. Tokony hiezaka ny ho afa-boly isika rehefa tonga ao amin’ny toerana hanaovana ny fivoriambe, ka ho matsilo saina mandritra ny fotoam-pivoriana. Makà fotoana ampy hahatongavana any amin’ny toerana hanaovana ny fivoriambe, isan’andro, mba ho efa eo amin’ny toeranao ianao, alohan’ny hanombohan’ny fandaharana. Amin’izay dia mandraisa anjara amin’ny hira sy ny vavaka fanokafana, eo am-panombohan’ny fandaharana isan’andro. Tokony hanome ohatra amin’izany ny olon-dehibe, ary tokony hampiofana ny zanany ny ray aman-dreny. — Efes. 6:4.
6 Raha mandinika ny lohatenin’ireo anjara alohan’ny hanombohan’ny fandaharana ho an’ny andro isika, dia afaka miezaka hisaintsaina mialoha ireo hevitra mety hatolotra mandritra ilay fotoam-pivoriana. Izany dia hampitombo ny fahalianantsika amin’ilay fanazavana rehefa hatolotra izy io. Mety hihaino tsara ireo hevitra izay hanampy antsika haneho amin’ny hafa ny antony inoantsika an’Andriamanitra sy ny fampanantenany azo antoka hamaly soa izay mazoto mitady azy, isika. (Heb. 11:1, 6). Notoroana hevitra isika handray an-tsoratra fohy mba hanampy antsika hitadidy ireo hevi-dehibe amin’ny fandaharana. Raha mandray an-tsoratra be loatra isika, dia mety tsy hahazo ireo hevitra fototra, satria revo manoratra.
7 Tamin’ny taon-dasa, dia mbola nisy olon-dehibe sy tanora sasany hita nandehandeha foana teny amin’ny fivoriambe nandritra ny fandaharana, fa tsy nihaino izay nomen’ny “mpanompo mahatoky sy malina” mba hahasoa antsika. Nampanantena ny hanome antsika sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety, i Jesosy. (Matio 24:45-47, NW ). Noho izany, dia tokony ho eo isika mba handray soa avy amin’izany sakafo izany, fa tsy hampiseho tsy fahaiza-mankasitraka. (2 Kor. 6:1). Toa hita koa fa rehefa manomboka tsy mety mipetraka ny ankizy sasany, dia matetika izy ireny no mangataka handeha any amin’ny toeram-pivoahana, mba hahafahana hitsangana sy handehandeha. Ny fampiofanana tsara any an-trano, mazàna dia hahatonga ny fivezivezena matetika any amin’ny toeram-pivoahana ho tsy ilaina. Indraindray, ireo zatovo dia miara-mipetraka any amin’ny fitoerana tsy talaky maso, ka miresaka sy mibitsibitsika ary mifandefa taratasy fohy. Ireo tanorantsika, izay miatrika fanerena maro amin’izao andro izao, dia mila mifantoka amin’ilay fanazavana atolotra, fa tsy hanao zavatra hafa mandritra ny fandaharana. Tokony hohalavirina ny filan’ny tanora fanahy izay tsy mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 2:22.) Ny fihainoana tsaran’ny rehetra, na ny olon-dehibe na ny tanora, dia hanome voninahitra an’i Jehovah sy hampifaly azy.
8 Raha manjary tena ilaina ny hanomezan’ny mpikarakara ny mpanatrika torohevitra ny olona iray ny amin’ireo raharaha ireo, dia tokony horaisina ho toy ny fandaharana feno fitiavana avy amin’i Jehovah ilay izy. (Gal. 6:1). Mila mitadidy ny rehetra fa ny antony hanaovantsika ezaka mba hanatrehana ny fivoriambe dia ny mba ‘hihainoantsika sy hianarantsika’. (Deot. 31:12). Afa-tsy izany koa, “ny hendry [dia] hihaino ka hitombo saina”. (Ohab. 1:5). Alohan’ny hanatrehanareo ny fivoriambe, dia aoka ny fianakaviana hiara-miresaka ny amin’ny ilana hiara-mipetraka sy ny hijanonana eo amin’ny toerana mandritra ny fandaharana ary ny hihainoana amim-pitandremana, mba handraisan-tsoa feno amin’ilay fandaharana.
9 Fihaingoana izay mampifaly an’i Jehovah: Atao ho fizahan’izao tontolo izao ny vahoakan’i Jehovah. (1 Kor. 4:9). Fantatra noho ny fomba fiakanjontsika sy ny fisehoantsika ankapobe tsara dia tsara isika mazàna. Ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina hita ao amin’ny 1 Timoty 2:9, 10 sy ny 1 Petera 3:3, 4 dia nahatonga fiovana lehibe teo amin’ny fisehoan’ny maro, raha ampitahaina amin’ny fisehoany talohan’ny nanombohany nifanerasera tamin’ny kongregasiona kristiana. Izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny fomba fiakanjo sy ny fisehoana ankapobe mihamikororosy hatrany hitantsika eo amin’izao tontolo izao. Irintsika ny hitandrina mba tsy ho tonga tahaka ny an’izao tontolo izao ny fisehoantsika — fanaovana fitafiana sampontsampona, fanarahana ny lamaodin’izao tontolo izao eo amin’ny taovolo, na koa fanaovana fitafiana tsy maotina. Ny fitafiantsika sy ny fisehoantsika ankapobe fakan-tahaka dia tokony hanampy an’ireo vaovao izay hanatrika ny fivoriambe, mba hahita ny fomba tokony hihaingoan’ny Kristiana.
10 Manàna fitondran-tena tsara: Marika famantarana ny Kristiana marina ny fitondran-tena tsara. (1 Pet. 2:12). Ny fitondran-tenantsika na aiza na aiza mety hisy antsika — any amin’ny fivoriambe, na any amin’ny hotely fisakafoana, ary koa rehefa manao dia — dia manao fanambarana tsara dia tsara no sady manampy ny hafa hahita izay azon’ny finoana an’Andriamanitra sy ny Teniny atao ho an’ny olona. Mety hanosika olona sasany ho tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah izany. (Ampitahao amin’ny 1 Petera 3:1, 2.) Manana tombontsoa hankalaza an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitondran-tenantsika isika. Ireo mpitantana hotely iray any Alabama, any Etazonia, dia nilaza fa ireo mpanatrika ny fivoriambentsika no “nahafinaritra indrindra sady nahalala fomba indrindra tamin’ny antokon’olona izay nampiantranoiny”. Nanampy teny toy izao izy ireo: “Ho tombontsoa ny handray anareo indray amin’ny hoavy.” Nanoratra toy izao ny birao iray mikarakara fivoriambe sy mpitsidika, any amin’ny faritra avaratra andrefan’i Etazonia: “Isan-taona dia andrasan’ny fiaraha-monina manontolo amim-pahadodonana ny fihaonamben’ny Fikambanana Watchtower. Tena mahafinaritra ireo mpikambana ao aminareo; mitondra tena amim-pahalalam-pomba sy fanajana tsy misy toy izany, izy ireo. Miaiky ny amin’izany ireo mpivarotra eto aminay, ka mankasitraka ny hiverenan’ny ‘fianakaviamben’ny’ vahininy isan-taona.” Fahafinaretana ny mamaky tatitra toy ireo, sa tsy izany? Mila mitandrina mafy anefa isika mba hiarovana ny laza tsaran’ny vahoakan’i Jehovah.
11 Fisahanana ireo fandaniana amin’ny fivoriambe: Samy hanao fandaniana hifandray amin’ny fanatrehana ny fivoriambe isika rehetra. Misy fandaniana iray hafa tokony hoheverintsika. Lafo vidy ireo toerana ampiasaina hanaovana ireo fivoriambe. Misy koa fandaniana hafa tsy maintsy karakaraina. Ankasitrahana be dia be ny fanomezana an-tsitrapo ataontsika amim-pahalalahan-tanana. — Asa. 20:35; 2 Kor. 9:7, 11, 13.
12 Toerana ipetrahana: Mbola mihatra hatrany ireo fitarihan-dalana nomena efa hatramin’ny taona maromaro hoe: IREO HAVANA AKAIKY SY IZAY METY HIRAY FIARA AMINAO IHANY NO AZONAO AMANDRIHANA TOERANA. Nahafinaritra ny nahita fa maro kokoa no manaraka an’ireo fitarihan-dalana ireo tato anatin’ireo taona faramparany, ary izany dia nanatsara ny rivo-piainana feno fitiavana naseho tany amin’ireo fivoriambe. Any amin’ny ankabeazan’ireo fivoriambe dia misy toerana ipetrahana tsy mampananosarotra kokoa noho ny hafa. Manehoa fiheverana, ka avelao ireo toerana tsy mampananosarotra kokoa ho an’ireo izay ao amin’ny toe-javatra mitaky an’izany.
13 Fakan-tsary, caméscopes sy magnétophones: Azo atao ny mampiasa fakan-tsary sy fitaovana hafa fakana feo sy sary any amin’ireo fivoriambe. Kanefa, tsy tokony hanelingelina ny mpanatrika hafa ny fampiasantsika azy ireny. Tsy tokony hivezivezy haka sary isika mandritra ny fotoam-pivoriana, satria hanelingelina ny hafa izay miezaka mifantoka amin’ny fandaharana izany. Tsy tokony hisy fitaovana fakana feo na inona na inona hampifandraisina amin’ny fanamafisam-peon’ny fivoriambe, no sady tsy tokony hisy fitaovana hanakantsakana ny lalan’ny olona na ny fahitan’ny hafa.
14 Fitsaboana vonjimaika: Natao ho an’ny toe-javatra ilana fitsaboana vonjimaika ihany io Sampan-draharaha io. Tsy afaka mikarakara ny aretina mitaiza izy io. Izany no antony tokony hanisiantsika fiheverana mialoha izay ilain’ny fahasalamantsika sy ny an’ny fianakaviantsika. Mitondrà aspirines, fitaovana fanaovana pansement, paingo-jaza sy ny toy izany, satria tsy hisy an’ireo zavatra ireo any amin’ny fivoriambe. Ny olona fantatra ho voan’ny androbe, na hypoglycémie avy amin’ny insuline (fanafodin’ny diabetika), na ny aretim-po, sy ny sisa dia tokony hanomana izay ilainy, araka izay azo atao. Tokony hanana ny fanafody ilainy izy ireo, ary tokony hisy mpianakavy na mpikambana ao amin’ny kongregasiona izay mahafantatra ny toe-javatra misy azy, hiaraka aminy amin’ny fotoana rehetra mba hanome ny fanampiana ilainy. Raha tsy manana mpianakavy afaka manampy azy, ireo manan-javatra manokana ilain’ny fahasalamany, dia haniry hanao izay hahazoana antoka fa tsy havela tsy hisy mpikarakara izy ireny. Raha tsy manana mpianakavy afaka manampy azy, ireo izay mila zavatra manokana ara-pahasalamana, dia hilaina hampahafantarina ny amin’ilay toe-javatra ny loholon’ny kongregasionany ka hanaovany izay fandaharam-panampiana ilaina.
15 Sakafo any amin’ny fivoriambe: Noho ny tsy fisian’ny fikarakarana sakafo any amin’ireo fivoriambe, dia olona maro kokoa no afaka mifantoka amin’ny sakafo ara-panahy mandritra ireo fotoam-pivoriana rehetra. Hatramin’ny niorenan’ilay fandaharana, dia nisy fanehoam-pankasitrahana maromaro voaray ny amin’io fanatsorana io. Tokony samy hiomana mialoha ny rehetra mba hitondra ny sakafony tsy manahirana sy mahasoa ho amin’ny fiatoana amin’ny antoandro, toy ireo nanipazan-kevitra tao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana May 1995, fehintsoratra faha-25. Tsy tokony hisy zava-pisotro misy alkaola hoentina any amin’ny toerana hanaovana ny fivoriambe. Tsy fanehoam-panajana ny mihinana sy misotro mandritra ny fandaharana. Tokony hohalavirina izany.
16 Ankasitrahantsika marina tokoa ny fanasana ara-panahy sy ny rivo-piainana tony sady feno fiadanana misy fisakaizana mandritra ireo fiatoantsika fohy amin’ny antoandro. Mifanaraka amin’ny zava-kendren’io fandaharana io, dia iangaviana ianao tsy handao ny toerana hanaovana ny fivoriambe amin’ny fiatoana amin’ny antoandro mba hividy sakafo, fa hitondra zavatra hohanina kosa. Amin’izay ianao dia hanam-potoana betsaka kokoa hankafizana ny fiarahana amin’ireo rahalahinao sy anabavinao.
17 Faly toy inona moa isika satria hanomboka tsy ho ela ny Fivoriamben’ny Distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”! Samy maniry hahazo antoka isika rehetra fa vita ny fiomanantsika amin’ny fanatrehana ny fandaharana manontolo, mba hahafahantsika hankafy amin’ny fomba feno ilay fanasana lehibe ara-panahy tsara dia tsara nomanin’i Jehovah ho antsika tamin’ny alalan’ny fandaminany. Amin’izany fomba izany isika dia hanjary ho “vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”. — 2 Tim. 3:17.
[Efajoro, pejy 6]
Fampahatsiahivana ny Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika
Batisa: Ireo mpilatsaka hatao batisa dia tokony hipetraka eo amin’ny faritra voatondro ho azy ireo, alohan’ny hanombohan’ny fandaharana ny asabotsy maraina. Maillot de bain maotina sy lamba famaohana no tokony hoentin’izay mikasa hatao batisa. Tamin’ny lasa dia nanao karazam-pitafiana tsy mendrika, ka tsy nampifantoka ny saina tamin’ilay fisehoan-javatra, ny sasany. Tokony hataon’ireo loholona izay miara-mandinika ireo fanontaniana ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika amin’ny mpilatsaka hatao batisa azo antoka fa mahatakatra ireo hevitra ireo ny tsirairay. Aorian’ny lahateny sy ny vavaka momba ny batisa ataon’ny mpandahateny, dia hanasa hanao hira iray ny mpitari-draharaha. Aorian’ny andininy farany, dia hitarika ny mpilatsaka hatao batisa ho any amin’ny toerana hanaovana ny fandrobohana ireo mpikarakara ny mpanatrika. Ny batisa ho mariky ny fanoloran-tenan’ny olona iray, dia raharaha manokana eo aminy sy i Jehovah. Araka izany, dia tsy mety ny hifampisakambinana na hifampitantanan’ny mpilatsaka hatao batisa eo am-panaovana batisa azy ireo.
Filasiana: Rehefa mangataka filasiana ianao, dia aoka hazava tsara ny daty hahatongavanao sy hiainganao, ny isan’ny olona hiaraka aminao sy ny taonan’izy ireo avy. Lazao raha vita batisa na tsia izy ireo sy ianao koa.
Fanompoana an-tsitrapo: Afaka manokana fotoana sasany ve ianao eny amin’ny fivoriambe mba hitondrana fanampiana ao amin’ny iray amin’ireo sampan-draharaha? Tena ilaina sy hitondra fahafaham-po lehibe ny fanompoana an’ireo rahalahintsika, na dia ora vitsivitsy monja aza. Raha afaka manampy ianao, dia manatòna, aza fady, ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana An-tsitrapo any amin’ny fivoriambe. Afaka mandray anjara tsara ireo ankizy latsaka ny 16 taona, amin’ny fiasana eo ambany fitarihan’ny rainy na ny reniny na ny olon-kafa mahay mandray andraikitra.
Insignes: Anaovy amin’ny fotoana rehetra, aza fady, ny insigne natao ho an’ny 1997, ao amin’ny tanàna hanaovana ny fivoriambe ary mandritra ny dianao mandroso sy miverina avy any. Izany matetika dia manome antsika fahafahana hanao fanambarana tsara dia tsara. Tokony horaisina amin’ny alalan’ny kongregasionanao ny insigne sy ny tranony, satria tsy hisy any amin’ny fivoriambe. Aza miandry andro vitsivitsy alohan’ny fivoriambe vao hangataka insignes ho anao sy ny fianakavianao. Tadidio ny hitondra ny karatrao tsy lany andro hoe Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra.
Teny fampitandremana: Mbà mailo hatrany ny amin’ireo zava-manahirana mety hitranga, mba hisorohana fahasahiranana tsy ilaina. Matetika ny mpangalatra sy ny olon-kafa maty eritreritra no miremby an’ireo olona vahiny. Ataovy azo antoka fa mihidy ny fiaranao amin’ny fotoana rehetra, ary aza mamela mihitsy zavatra hitan’ny maso ao anatiny, ka haka fanahy hamaky ilay fiara. Ireo mpangalatra sy mpangarom-paosy dia voasarik’ireo fihaonambe. Tsy ho fahendrena ny hamela zavatra sarobidy eo amin’ny toeranao. Tsy afaka mahazo antoka ianao fa Kristiana avokoa ny olona rehetra manodidina anao. Nahoana no hampiditra olona amin’ny fakam-panahy? Nisy tatitra voaray nilazana fa nisy olona avy tany ivelany nanandrana nitaona tamim-pitaka ankizy kely ho eny ivelany. ARAHO MASO IREO ZANAKAO AMIN’NY FOTOANA REHETRA.
Firarian-tsoa: Raha tsy misy antony manokana, dia tsy hovakina ireo firarian-tsoa avy amin’olona manokana. Azo vakina kosa anefa ireo firarian-tsoa avy amin’ireo sampana na kongregasiona na fivoriambe hafa.