Ny Fanompoantsika — Fanehoana ny Tena Fitiavana
1 Amin’ny alalan’ny fanompoantsika isika dia mampiseho ny fankatoavantsika an’ireo didy roa lehibe indrindra. (Matio 22:37-39). Ny fitiavantsika an’i Jehovah dia manosika antsika hiresaka zavatra tsara momba azy. Ny fitiavantsika ny mpiara-belona amintsika dia manosika antsika hampirisika azy ireo hitady ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany, mba hahafahany ho tia an’i Jehovah sy ho tsara toerana mba hahazo ny lokan’ny fiainana mandrakizay, tahaka antsika. Koa, amin’ny alalan’ny fanompoantsika àry, isika dia manome voninahitra ny anaran’i Jehovah sy mizara ny fanantenana sarobidy ny amin’ilay Fanjakana amin’ny mpiara-belona amintsika. Eny, ny fanompoantsika dia fanehoana ny tena fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona.
2 Ny fitiavantsika dia manosika antsika hiresaka amin’ny karazan’olona rehetra, sy amin’ny karazana toe-javatra rehetra. (1 Kor. 9:21-23). Indro misy ohatra: Teny ambony fiaramanidina, ny loholona kristiana iray dia nipetraka teo anilan’ny pretra katolika iray. Nampiresaka an’ilay pretra ilay loholona tamin’ny fametrahana fanontaniana vitsivitsy tamim-pahaiza-mandanjalanja, ary avy eo dia nitarika ilay resaka ho amin’ilay Fanjakana. Talohan’ny nialan’ilay pretra tamin’ilay fiaramanidina, dia nandray roa tamin’ireo bokintsika izy. Fiafarana tsara dia tsara re izany noho ny nanehoan’ilay loholona ny tena fitiavana ny mpiara-belona taminy!
3 Manosika antsika hitory ny tena fitiavana: Ireo izay manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy sy manontolo andro dia azo antoka fa maneho ny tena fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Manao sorona ny fotoanany sy ny heriny mandrakariva ireo mpisava lalana, mba hanampiana ny hafa amin’ny ara-panahy. Inona no manosika azy ireo hanao izany? Hoy ny mpisava lalana iray: “Fantatro fa vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fitiavana. Koa raha tsy nisy izy io, dia tsy ho ao amin’ny fahamarinana mihitsy aho, ary tsy ho mpisava lalana mahita fahombiazana mihitsy. Nahatonga ahy hiahy ny olona, sy hahita izay ilainy ny fitiavana, ary takatro fa manana fihetsika tsara eo anoloan’ny fitiavana ny olona.” Nampiseho fitiavana ny olona toy izany i Jesosy. Indray mandeha, rehefa nankany amin’ny toerana iray mba ‘hiala sasatra kelikely’ i Jesosy sy ny mpianany trotraka, dia tonga tany talohan’izy ireo ny vahoaka. Inona no nataon’i Jesosy? “Onena azy” izy, ka nampandefitra ny zavatra nilainy manokana mba ‘hampianatra azy ireo zavatra maro’. — Marka 6:30-34.
4 Na dia rehefa mandà ny vaovao tsara atolotsika aza ny olona, dia mahita fifaliana anaty isika, amin’ny fahafantarana fa, noho isika natosiky ny fitiavana, dia nanao araka izay fara herintsika isika mba hanampiana azy ireo hahazo ny famonjena. Rehefa hotsarain’i Kristy isika rehetra amin’ny farany, dia ho faly aoka izany, satria nampiseho ny tena fitiavana, tamin’ny ‘fanatanterahana [tamin’ny fomba feno, NW ] ny fanompoantsika’. — 2 Tim. 4:5.