FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Aoka isika hilaza ny voninahitry ny fiandrianan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Janoary
    • Aoka isika hilaza ny voninahitry ny fiandrianan’Andriamanitra

      “Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao.” — SALAMO 145:11.

      1. Noho ny fikendrena inona indrindra moa no nanomezan’Andriamanitra ny teny?

      NOHO ny fikasana hentitra no nanomezan’i Jehovah antsika ny teny (Eksodosy 4:11). Ny zava-nokendreny lehibe indrindra dia ny hahatonga ny lelantsika “hiboiboika fiderana” azy (Salamo 119:171, 172). Izao no nambaran’i Davida mpanao salamo: “Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao, mba hampahafantarina ny zanak’olombelona ny herinao sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary hihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.” — Salamo 145:10-13.

      2. Amin’ny fomba ahoana avy no ahatsiarovantsika ho voatosika ‘hampiboiboika fiderana’?

      2 Ireo mpianatr’i Jesosy Kristy izay voahosotry ny fanahy masina sy ireo namany anisan’ny “olona betsaka” dia maniry mafy ny hidera an’i Jehovah, ilay “Mpanjaka mandrakizay”. (Apokalypsy 7:9; 15:3.) Noho ny fianarana amim-paharisihana ny Baiboly amin’ny alalan’ny Ny Tilikambo Fiambenana mbamin’ny zavatra voasoratra kristiana hafa koa, dia afaka mahazo fahalalana marina an’Andriamanitra, izay toy ny loharano madio sy mamelombelona ary mahavonjy, isika. Araka izany, raha ny amintsika, ‘ny loharanon’ny fahendrena dia tonga rano miboiboika’. (Ohabolana 18:4.) Mahatsiaro ho voatosika ‘hampiboiboika fiderana’ isan-trano sy amin’ny lafiny hafa amin’ny fitoriana isika. Ny fanambarana tampotampoka koa dia manana fanorenana mafy araka ny Baiboly.

      Ohatra harahina araka ny Baiboly

      3. Manonòna ohatra ny amin’ny fanambarana tampotampoka nataon’i Jesosy.

      3 Tany aminy no nitorian’i Jesosy voalohany taorian’ny nanosorana azy tamin’ny fanahy masina. Nasainy Jaona, Andrea, ary toa Petera koa. Izy telo ireo dia nandany ny andro niarahana taminy, ary azo inoana fa nahazo fanambarana feno izy ireo tamin’io toe-javatra niseho io (Jaona 1:35-42). Tamin’ny fomba tampotampoka koa, “raha nandeha lavidavitra kokoa” i Jesosy no nahatazana an’i Matio teo amin’ny birao famorian-ketra, ka nilaza taminy hoe: “Andeha hanaraka Ahy”; ary nahazo valiny nanaiky izy. — Matio 9:9,MN.

      4. Inona moa no fanambarana nataon’i Jesosy tamin’ny vehivavy Samaritana iray, ary nahatonga azy ho afaka hanao inona izany?

      4 Jesosy no ohatra tsara indrindra ny amin’ny ‘ranom-pahendrena miboiboika’. Nipetraka teo anoloan’ny fantsakan’i Jakoba, teo akaikin’i Sykara, izy, ary, na dia noana sy sasatra aza, dia nanao fanambarana tamin’ny vehivavy Samaritana iray tonga mba hantsaka. “Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay, hoy izy; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” Ny fanambarana tampotampoka nataon’i Jesosy dia nahatonga azy ho afaka hitory tamin’ny antokon’olona nivory rehefa nasain’io vehivavy io mba hihaino an’i Jesosy. — Jaona 4:6-42.

      5. Ohatra inona avy ny amin’ny fanambarana tampotampoka moa no navelan’i Filipo evanjelistra sy ny apostoly Paoly?

      5 Filipo evanjelisitra dia nanao fanambarana tampotampoka tamin’ny lehilahy iray izay nandeha tamin’ny kalesiny ka namaky faminanian’Isaia iray. Nasaina hiakatra ho eo amin’ny kalesy i Filipo ka nanambara “ny vaovao tsara ny amin’i Jesosy” tamin’io ionoka etiopiana io, izay nandray azy tsara ary natao batisa (Asan’ny apostoly 8:26-38, MN ). Fony natao an-tranomaizina tany Filipy ny apostoly Paoly, dia nisy horohorontany lehibe nitranga, izay nanafaka azy tamin’ny fatorany, ka nanao fanambarana tampotampoka tamin’ny mpiandry tranomaizina izy. Ho vokatr’izany, dia “natao batisa tamin’izay izy mbamin’ny azy rehetra”. — Asan’ny apostoly 16:19-34.

      6. Taorian’ny nitoraham-bato an’i Stefana, inona moa no anjara azo inoana fa noraisin’ny fanambarana tampotampoka teo amin’ny asan’ireo mpianatr’i Jesosy?

      6 Amin’izao andro izao, any amin’ny tany anasiana fameperana amin’ny asantsika kristiana, dia ny fanambarana tampotampoka no fomba mandaitra fanambarana ny vaovao tsara. Na dia enjehina aza isika, ny fontsika dia manosika antsika ‘hilaza ny voninahitry ny fiandrianan’Andriamanitra’. Taorian’ny nitoraham-bato an’i Stefana, dia nenjehina ireo mpianatra ary niely patrana ny ankamaroany. Nanohy nanambara ny vaovao tsara anefa izy ireo, ary, tamin’ny fiezahany mba hitory ilay Fanjakana, dia tsy isalasalana fa tsy nataony tsirambina ny fanambarana tampotampoka. — Asan’ny apostoly 8:4-8; 11:19-21.

      7. Inona moa no nataon’i Paoly rehefa tao an-trano niambenana azy izy? Mametraka fanontaniana hoe ahoana izany?

      7 Raha any an-tranomaizina isika na voatana ao an-tranontsika noho ny aretina na takaitra sasany, ny fanambarana tampotampoka dia mahatonga antsika ho afaka ‘hilaza ny voninahitry ny fiandrianan’Andriamanitra’. Nandritra ny roa taona i Paoly dia tao an-trano niambenan’ny Romana azy. Tsy nanaiky ho ketraka anefa izy, fa nampitady olona hiresahana ary “nandray tsara izay rehetra nankeo aminy, dia nitory ny fanjakan’Andriamanitra ka nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo tamin’ny fahasahiana be”. (Asan’ny apostoly 28:16-31.) Ohatra tsara re izany! Raha voatana ao an-tranonao ianao, ho afaka hanao asa sahala amin’izany ve ianao?

      8. Inona moa no vokatry ny fanambarana tampotampoka nataon’i Paoly?

      8 Koa satria niova hatrany hatrany ireo mpiambina an’i Paoly, dia be dia be no nandre azy niresaka tamin’olon-kafa ny voninahitry ny fiandrianan’Andriamanitra. Afaka matoky anefa isika fa nitory nivantana tamin’izy ireny koa i Paoly. Nandaitra aoka izany ny fanambarana tampotampoka nataony, hany ka afaka nanoratra toy izao ny tenany: “Izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa; ka ao amin’i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ny olona hafa rehetra; ary ny ankabiazan’ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin’ny tahotra.” (Filipiana 1:12-14). Raha manjary atao an-tranomaizina isika ary tsy afaka mitory isan-trano, dia ho afaka foana, sahala amin’i Paoly, ‘Hilaza ny fiandrianan’Andriamanitra’; ary herim-po toy inona no hampitaintsika amin’ireo rahalahintsika!

      9, 10. Inona avy moa no porofo ara-tantara ananantsika manamarina fa nanao fanambarana tampotampoka ireo kristiana voalohany?

      9 Niely aoka izany ny fanaovana fanambarana tampotampoka teo amin’ireo kristiana voalohany, hany ka, rehefa nisy firesahana ny amin’ireo mpandimby azy ireny, dia azo natao ny nilaza hoe: “Voarainay avy amin’ny mpanoratra kristiana iray ny fitantarana azo inoana fa nosoratana tany Carthage tany akaikin’ny taona 200, (...) [izay] mampiseho olona nahita fianarana tokoa. Ny mpahay lalàna tanora telo, mpinamana akaiky, dia nandany andro iray teny amoron-dranomasina. Kristiana ny roa tamin’izy ireny, ary mpanompo sampy ny fahatelo. Nitodika haingana tany amin’ny fivavahana ny resaka nifanaovan’izy ireo. (...) Nifarana toy izao ny fitantarana izany fifanakalozan-kevitra naharitra izany: ‘Nody tany an-tranonay samy faly izahay telo lahy: ny anankiray noho ny nahitany ny finoana kristiana, ireo roa hafa, satria nampahita azy izany.’ Tsy fihamboana ara-tantara akory izany filazana izany; soratra fanamarinana nosoratan’i Minucius Felix izany. Manazava tsara izay nitranga teo amin’ireo nanana indrindra anefa izany.” (Tantaran’ny Fiangonana 1 — Ny fotoana voalohany: 29-500 am. fan. ir., anglisy, John Foster, pp. 46, 48). Io fitantarana io dia mampiseho fa tsy maty teo amin’ireo kristiana tamin’izany fotoana izany ny fanambarana tampotampoka.

      10 Izao koa no nolazaina ny amin’ireo kristiana voalohany: “Tsy isalasalana mihitsy fa nihamaro hatrany ny kristiana nitory an’i Kristy na taiza na taiza nalehany, na nandeha hiasa izy ireny na nandositra ny fanenjehana (...). Maro be tamin’izy ireny no nahita tao amin’ny asany, na inona izany na inona, sy teo amin’ny raharahany isan’andro, fomba fanitarana ny finoany.” (Ny raharaha misionera, anglisy, Edwin Bliss, p. 14). Eny, ireo mpitory ilay Fanjakana voalohany dia sady nitory isan-trano no nitory tampotampoka.

      Ny fiomanana

      11. Inona moa no ampianarin’i Jesosy antsika ny amin’ny fomba fampisongadinana ny fahamarinan’Andriamanitra?

      11 Sahala amin’i Jesosy sy ireo mpianany voalohany, dia tokony hanao fanambarana isika, na isan-trano na amin’ny fomba tampotampoka. Mba hahitana vokatra amin’io asa io, dia ilaina ny hiomanana amin’izany. Fony izy nanao fanambarana tampotampoka na nampianatra, dia noresahin’i Jesosy ny amin’ny ankizy, sakafo, fitafiana, vorona, voninkazo, fotoana, asa (Matio 4:18, 19; 6:25-34; 11:16-19; 13:3-8; 16:1-4). Azontsika atao koa ny mampiasa saika ny foto-dresaka rehetra mba hampisongadinana ny fahamarinan’Andriamanitra.

      12. Rehefa misy dia omaninao, ahoana no azonao iomanana amin’ny fanaovana fanambarana tampotampoka?

      12 Azontsika atao ny manao fanambarana tampotampoka amin’olona mipetraka eo an-jaridaina, milahatra ao amin’ny magazay, ets. Fony tany Atena i Paoly, dia namakafaka “tamin’izay tafavory tany an-tsena isan-andro”. (Asan’ny apostoly 17:17.) Mitaky fiomanana anefa ny fanambarana tampotampoka. Ohatra, miomana ny handeha fiaramanidina, fiarandalamby na fiarabe ve ianao? Mitondrà Baiboly sy taratasy mivalona vitsivitsy, gazety na bokikely. Ny famakiana fotsiny zavatra voasoratra kristiana eny amin’ny fitateram-bahoaka na any amin’ny toerana hafa dia matetika no mahatonga ho afaka hitari-dresaka.

      13. Asehoy ny fomba ho azonao anombohan-dresaka amin’ny olona be taona iray eny amin’ny dia.

      13 Mazava fa tokony hampiseho fisakaizana ny fampidiran-dresaka ataontsika. Ilay boky fianarana hoe Comment raisonner à partir des Ecritures dia manolotra fampidiran-dresaka mety raha ampiasaina amin’ny fitoriana isan-trano, nefa ny sasantsasany amin’izy ireny dia azo ovana sy ampiharina amin’ny fitoriana tampotampoka. Aoka hataontsika, ohatra, fa hoe miara-dia amin’ny olona be taona iray ianao; ho azonao atao ny hilaza aminy hoe: “Ranona no anarako. Mieritreritra be dia be ny amin’ny zava-kendrena amin’ny fiainana aho. Olona be dia be no variana aoka izany mamelon-tena, hany ka tsy manam-potoana firy hieritreretana ny amin’io raharaha io. Arakaraka ny androsoantsika amin’ny fahalebiazana anefa, dia tsapantsika ny fahafohezan’ny fiainana, ary mety hanontany tena toy izao isika: ‘Izao ihany ve no hevitry ny fahavelomana?’ Raha ny tenanao manokana, heverinao ve fa manana fikasana ho an’ny olombelona Andriamanitra?” Avelao hamaly ilay olona. Rehefa avy eo dia ho azonao atao ny hiresaka ny amin’ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona ka hamakafaka ireo fampanantenana lehibe voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4. Raha tianao ny hahita vokatra eo amin’ny fanambarana tampotampoka, dia azonao atao koa ny mampihatra hevitra tsara hafa novelabelarina tamin’ireo fivorian’ny kongregasiona na tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana.

      Azo atao ny manantena vokatra tsara

      14. Inona no vokatra azon’ny rahalahy iray rehefa nanao fanambarana tampotampoka izy nandritra ny dia iray?

      14 Sahala amin’i Jesosy sy ireo mpianatra, dia azontsika atao ny mahita vokany tsara amin’ny fanaovana fanambarana tampotampoka. Ohatra, tamin’ny dia teny amin’ny fiaramanidina, ny Vavolombelona iray dia nitari-dresaka tamin’ny manamboninahitra iray nanambady hatramin’ny 20 taona. Nampiasa zavatra mahadomelina ny vadin’io lehilahy io, nanandrana namono tena imbetsaka ary nadiva handao azy mba hiara-miaina amin’ny lehilahy iray tanora kokoa. Noresahin’ilay Vavolombelona taminy ny fanampiana nentin’ny Baiboly ho azy tamin’ny alalan’ny gazety noraisiny, Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!. Nanaovan’ilay manamboninahitra famandrihana ny vadiny. Nisy mpandeha hafa nahare ny nolazain’ilay Vavolombelona izay, tamin’io fotoana io, dia nahazo famandrihana 22 sy nametraka gazety 45 sy boky 21.

      15, 16. a) Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ireo vokatra tsara mety ho azo rehefa manao fanambarana tampotampoka amin’ny mpiara-miasa. b) Manome hevitra inona anao izany vokatra izany?

      15 Azo atao koa ny manao fanambarana tampotampoka amin’ireo mpiara-miasa amin’ny tena. Ny kristiana iray dia namela tamin’ireo gazetintsika tao amin’ireo efitrano fidiovana tany amin’ny toeram-piasany. Namaky izany ny anankiray tamin’ireo mpiara-miasa taminy, nifandray taminy ary nanao famandrihana tamin’ireo revio roa. Ambonin’izany, dia nanaiky ny hianatra Baiboly io lehilahy io ary niala tamin’ny fiainany feno filalaovan-dratsy. Niala tao an-trano anefa ny vadiny isaky ny voatonona ny anaran’Andriamanitra. Koa satria io lehilahy io naniry hiala tamin’ny Fiangonany, dia tonga nitsidika azy ny mpitondra fivavahana iray mba hiady hevitra taminy ny amin’io raharaha io, nefa ny vadiny ihany no hitany tao an-trano. Ny tsy fahampiam-pinoan’io minisitra io sy ny lainga nolazainy ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanafintohina an-dravehivavy, satria izy nahatsapa fiovana ho tsara teo amin’ny vadiny. Izao àry no nolazainy taminy: “Afaka manoratra taratasy fialana ho ahy sy ireo zanako koa ianao!” Taty aoriana, io lehilahy io sy ny vadiny dia tonga Vavolombelon’i Jehovah.

      16 Taona vitsivitsy lasa izay, fony izy tany Angletera, ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay monina any Etazonia izao dia nanao fanambarana tampotampoka tamin’ny mpiara-miasa iray. Taty aoriana, dia nentiny hijery sarimihetsika nalefan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay zazalahy. Rehefa afaka iraika amby telopolo taona taty aoriana, dia naharay izao taratasy manaraka izao izy: “Ho tiako izao ny hilaza aminao, ny fanambarana nataonao [tamin’io zazalahy io] dia nisy vokany. Roa taona teo ho eo taty aoriana tokoa, dia niresaka taminy ny kristiana hafa iray; nametraka gazety taminy ary nitondra azy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana (...). Tonga Vavolombelon’i Jehovah izy ary natao batisa tamin’ny 1959. Loholona ao amin’ny kongregasionany izy ankehitriny (...) Rehefa afaka 14 taona teo ho eo, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah koa ny vadiny ary natao batisa. Roa taona taorian’izay, dia natao batisa ny zanany vavy. Mpitory maharitra mandavantaona izy izao any avaratr’i Derbyshire (...) Nanomboka tamin’ny fanambarana fohy nataonao taminy fony ianao tany Ashford, io zazalahy io, ny vadiny sy ny zanany vavy, zanak’olo-mpiraitampo iray sy ny zanany vavy, ny vadin’io sy ireo zanany dimy miampy zanaky ny zanakavavin’ilay zanak’olo-mpiraitampo hafa, dia tonga Vavolombelona. (...) Ho tiako ny hisaotra anao amim-pahatsorana, ry Ted, satria ilay mpandrafitra, dia izaho, ary ny tantara vao avy nolazaiko, dia ny ahy. Toy izany ny vokatry ny fanambarana nataonao.”

      17. Inona avy moa no fahafahana hanao fanambarana tampotampoka atolotra ireo mpanompon’i Jehovah tanora?

      17 Ireo mpanompon’i Jehovah tanora kosa dia manana eo amin’ireo mpiara-mianatra aminy sy ireo mpampianatra, faritany tsara azo iasana. Moa ve izy ireo mieritreritra foana ny hanao fanambarana tampotampoka amin’ireo asa an-tsoratra ataony, rehefa adinina am-bava izy, na amin’ny toe-javatra hafa koa? Ny zazavavy iray mpianatra any amin’ny “lycée” ekoatoriana izay nianatra Baiboly dia naka hevitra, mba hanaovana enti-mody iray, fitohitohizan-dahatsoratra nalaina avy amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 aogositra 1985. Io gazety io dia nitondra ny lohateny hoe: “Hiroshima: la leçon a-t-elle porté?”. Noderain’ny mpitsara ny fifaninanana iraisam-pirenena iray izy noho ny fanadinany ary nomena fahafahana ho any Japon. Mazava ho azy fa ny zava-kendren’ireo boky kristiana dia tsy ny hahazo amin’ny fifaninanana akory, nefa io tantara kely io dia manazava tsara ny hasarobidin’ny boky toy ireny sy ny fanambarana azo atao any an-tsekoly, ho fiderana an’Andriamanitra.

      18. Inona moa no vokatry ny fanambarana fohy natao tamin’ny olona iray izay nitady hanofa efitrano iray?

      18 Noho ny antony ara-bola, ny vehivavy kristiana iray dia voatery nanolotra efitrano iray hampanofaina. Ny vehivavy iray nandefa telefaonina mba hangataka fanazavana dia nilazany fa Vavolombelon’i Jehovah izy ary tsy havelany hisy fitondrantena maloto ao an-tranony. Raha misy olona mankao amin’ny mpanofa tranony, dia tokony hiala ao an-trano alohaloha izy ny hariva, ary raha lehilahy izy ireny, dia tokony ho hita mandritra ny fotoana fitsidihany rehetra. Nisalasala ilay vehivavy niresahany, avy eo dia hoy izy: “Nianatra Baiboly aho fony mbola zatovovavy, nefa tsy nisy vokany nampanapa-kevitra ho ahy izany; nankany amin’ny oniversite àry aho.” Nanontany azy io vehivavy kristiana io raha iriny ny hianatra indray ny Baiboly, ary dia nanaiky izy. Taty aoriana, io vehivavy io, ny reniny sy ny rahavaviny dia nanolo-tena ho an’i Jehovah. Izany rehetra izany dia satria nisy fanambarana tampotampoka natao.

      19. Inona no vokatry ny fanambarana tampotampoka natao tamin’ny vehivavy iray tany Bahamas?

      19 Ny vehivavy katolika iray tany Bahama dia tsy namonjy lamesa intsony hatramin’ny dimy taona ka tsy nandry ny fieritreretany noho izany. Indray alahady maraina àry dia nankany am-piangonana tao anatin’ny ranonorana nivatravatra izy. Ny Vavolombelona telo nandalo teo dia nandray azy tamin’ny fiarakodia ary nanao fanambarana taminy. Rehefa tonga teo amin’ny eglizy izy, dia naniry hahare bebe kokoa ny amin’izany ka nijanona niaraka tamin’izy ireo: haka mpianatra Baiboly izy ireo. Rehefa nandalo teo anoloan’ny eglizy indray izy ireo, dia tsy mbola afaka ihany ny hetahetam-pahalalana nananany, hany ka niaraka tamin’izy ireo hatrany amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Nifanaraka indrindra tamin’ny resaka nifanaovan’izy ireo tao anaty fiarakodia ny foto-kevitry ny lahateny ampahibemaso. Nanomboka nianatra ny Baiboly izy, nisaraka tamin’ny rain’ireo zanany efatra nanaovany tokantranomaso, ary natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray natao tany Nassau, tamin’ny 1986. Faly aoka izany izy noho ny nisian’olona nanao izany fanambarana tampotampoka izany taminy!

      Aoka isika hanohy ‘hilaza ny fiandrianan’Andriamanitra’

      20. a) Ahoana no tokony hiheverana ny fanambarana tampotampoka raha oharina amin’ny fitoriana isan-trano? b) Afaka manao inona moa izay tsy voatarika hanao fanambarana tampotampoka?

      20 Ny fanambarana tampotampoka dia tsy hahasolo ny fitoriana mahazatra isan-trano mifototra amin’ny Soratra masina ary nanaporofo ny tena fanomezany vokatra (Asan’ny apostoly 5:42; 20:20, 21). Na dia izany aza, dia manome vokatra ny fanambarana tampotampoka, ka tokony handray anjara amin’izany ireo mpanompon’i Jehovah. Ireo mpianakavintsika, ireo mpiara-mianatra amintsika, ireo mpiara-miasa amintsika mbamin’ny olon-kafa koa dia manome antsika fahafahana ny ‘hilaza ny voninahitry ny fiandrianan’Andriamanitra’. Noho izany, dia aoka isika tsy hanaiky ho voatanan’ny tahotra na ny hasarotan-kenatra (Ohabolana 29:25; 2 Timoty 1:6-8). Raha tsy manintona anao ny fanambarana tampotampoka, nahoana no tsy mivavaka, toy ny nataon’ireo mpianatr’i Jesosy fony izy ireo nenjehina? Nihiaka toy izao izy ireny indray andro: “Tompo [Jehovah, MN ] ô, (...) omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana [hatrany, MN ].” Nohenoina ve ny vavaka nataon’izy ireo? Eny, satria “nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana”. — Asan’ny apostoly 4:23-31.

      21. Inona moa no tokony hanosika antsika hanao fanambarana amin’ny fotoana rehetra?

      21 Araka izany àry, dia miezaha tsy hitompo teny fantatra ny amin’ny fanaovana fanambarana tampotampoka. Enga anie ny fitiavanao an’Andriamanitra hanosika anao hanao fanambarana amin’ny toe-javatra miseho rehetra. Manàna hafanam-po, ataovy izay azo lazaina hoe hampiboiboika ny fahamarinana amin’ny fotoana rehetra. Eny, manohiza ‘milaza ny voninahitry ny fiandrianan’Andriamanitra’.

      Ahoana no havalinao?

      ◻ Inona moa no fototra araka ny Baiboly niorenan’ny fanambarana tampotampoka?

      ◻ Ahoana no azontsika iomanana hanao fanambarana tampotampoka?

      ◻ Inona avy no vokatra azontsika antenaina avy amin’ny fanambarana tampotampoka?

      ◻ Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanambarana tampotampoka raha oharina amin’ny fitoriana isan-trano?

      [Sary, pejy 23]

      Raha voatana ao an-tranonao ianao, manao fanambarana sahala amin’ny nataon’i Paoly ve ianao?

      [Sary, pejy 25]

      Ny fiomanana dia hahatonga antsika ho afaka hanao fanambarana tampotampoka amin’ny fomba mandaitra.

  • Ny fandrosoan’ny asa any Gibraltar
    Ny Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Janoary
    • Ny fandrosoan’ny asa any Gibraltar

      TAZANA avy eo Gibraltar ny kianja — tokony ho iray kilaometatra sy sasany avy eo monja. Nandritra ny 13 taona mahery anefa, ireo mponina tao Gibraltar dia tsy maintsy nanao dia adiny folo fara fahakeliny mba hankanesana any. Tsy maintsy nandray sambo izy ireo, mba hankanesana ho any Afrika Avaratra aloha, avy eo dia mba hiverenana any Espaina, ary farany dia namita ny diany tamin’ny fiarabe izy ireo. Fa nahoana no manalavi-dalana be toy izany?

      Tamin’ny 1969, Espaina nentin’i Franco dia nanidy ny sisin-tany teo amin’ny andilan-tany ety nampitohy an’i Espaina tamin’i Gibraltar. Izany dia vokatry ny ady nampifanohitra an’i Espaina sy Grande-Bretagne raha ny amin’ny raharaha momba ny fiandrianana ao amin’ny faritanin’i Rocher, araka ny iantsoana matetika an’i Gibraltar. Tsy vaovao anefa izany tarehin-javatra nampananosarotra izany ho an’ny mponina tao Gibraltar. Noho ny halehibeny amin’ny maha-toeram-pamaharana tsy manam-paharoa, Gibraltar dia toerana voaro mafy izay matetika no tafasaraka tamin’ireo tany teny amin’ny manodidina.

      Tao am-piandohan’ny taonjato faha-8, dia nisy Maures notarihin’i Tarik nanafika an’io sila-tany io ka niantso azy hoe “djabal al-Tariq” (tendrombohitr’i Tarik), anarana izay niova hatramin’izay ho “Gibraltar”. Ny Maures dia nanamafy aoka izany an’i Rocher, izay manerinerina any amin’ny 430 metatra ambonin’ny ranomasina. Tao anatin’ireo taonjato, dia imbetsaka ny Maures sy ny Espaniola no nanafika azy. Tamin’ny farany ireo dia naka azy tamin’ny 1462 ary nijanona tao hatreo amin’ny 1704, daty nakan’ny Britanika azy sy nanorenany toeran’ny tafika an-dranomasina tao.

      Ankoatra ny miaramila, dia nisy olona avy

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara