“Tena Ampy Fitaovana ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra”
1 Voatahy amin’ny fahazoana sakafo ara-panahy fy tondraka ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao. (Isaia 25:6). Misy fanazavana araka ny Soratra Masina be dia be azo raisina amin’ny alalan’ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana, sy any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, ary any amin’ireo fivoriambe. Moa ve anefa isika manararaotra amin’ny fomba feno ireo rehetra ireo mba hanjary “[hanana fahaizana feno, ho tena ampy fitaovana, NW ] ho amin’ny asa tsara rehetra”? — 2 Tim. 3:17.
2 Eritrereto fotsiny ny sakafo ara-panahy nomanina ho an’ny taona 1998 izay efa misasaka sahady! Amin’ny alalan’ireo fivorian’ny kongregasiona isan-kerinandro isika dia mandinika hevi-dehibe sasany avy ao amin’ny boky 23 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, sy mijery indray ny fampianarana lehibe navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Mandinika ny ampahatelon’ny boky Fahalalana koa isika, saiky ny toko rehetra ao amin’ny boky Fahasambaram-pianakaviana, ary ny boky Tenin’Andriamanitra iray manontolo. Fanampin’izany, dia misy ny nomerao 12 amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, sy ny lahatsoratra natao hianarana 52 ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ary ny lahateny ampahibemaso momba ny foto-kevitra ara-baiboly maro samihafa, mitovitovy isa amin’izany, mamahana antsika ara-panahy koa. Manampy izany rehetra izany ny fandaharana tsara dia tsara any amin’ireo fivoriambe. Zava-tsoa ara-panahy tondraka re izany natao ho antsika izany!
3 Ankasitraho ireo fandaharana nataon’i Jehovah: Mba handraisan-tsoa feno, dia mila ny mahatakatra ny antony anomezan’i Jehovah zavatra ara-panahy tondraka toy izany isika. Mampiorina ny finoantsika sy manatanjaka ny fifandraisantsika aminy ny famahanantsika tena amin’ireny zava-tsoa ireny. (1 Tim. 4:6). Kanefa, tsy natao hampianarana antsika fotsiny ny sakafo ara-panahy. Izy io dia manosika antsika, minisitry ny vaovao tsara, hizara ny fahamarinana amin’ny hafa, sy manomana antsika hahay hahita vokatra amin’ny fanaovana toy izany. — 2 Tim. 4:5.
4 Aoka àry isika tsy hanao tsirambina ireo zavatra ilaintsika ara-panahy, fa hamboly mandrakariva faniriana an’ireo fandaharana tsara dia tsara sy mahafa-po eo amin’ny lafiny ara-panahy avy amin’ny latabatr’i Jehovah. (Matio 5:3; 1 Pet. 2:2). Mba handraisana soa feno, dia tena ilaina ny manokana fotoana ampy ho an’ireo raharaha lehibe toy ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana ara-baiboly tsy tapaka ary ny fanatrehana ireo fivoriana tsy tapaka. (Efes. 5:15, 16). Ny vokatra mahafaly aterak’izany dia hifanaraka amin’ilay fampaherezana ara-tsindrimandry nosoratan’i Paoly ho an’ireo Kristianina hebreo, ary voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Hebreo 13: 20, 21.