Mila Antsika Rehetra ny Fahavitana Ilay Asa
1 Tokony hahatakatra ny mpianatr’i Jesosy Kristy tsirairay fa ny fiezahany hanohana sy handray anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana dia tena zava-dehibe. Takatr’i Jesosy fa hamoa voan’ilay Fanjakana amin’ny habetsahany samy hafa ny mpianany. (Matio 13:23). Na dia ampahany lehibe amin’ny asa fitoriana aza no tanterahin’ireo mpisava lalana maro miasa mafy, dia deraina ny rehetra izay manohy amim-pahadodonana manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny famokarana vokatra betsaka araka izay azo atao. — Jaona 15:8.
2 Mahatanteraka be ny ezaka ifarimbonana: Nanambara mialoha i Jesosy fa hanatanteraka asa lehibe noho ny nataony ny ezaka mitambatra ataon’ny mpianany rehetra. (Jaona 14:12). Na mametra izay mety ho vitantsika ny toe-javatra misy antsika na mamela antsika hanokana fotoana betsaka ho amin’ny fitoriana ilay Fanjakana, dia mila antsika rehetra ny fahavitana ilay asa. Izany dia araka ny nambaran’i Paoly hoe: “Izy no itomboan’ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiàsan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara-asany avy”. — Efes. 4:16.
3 Mety hahatsapa ny sasany fa tsy mahavita be izy. Kanefa, ny zava-dehibe eo imason’i Jehovah dia ny hoe ataontsika amin’ny fanahy manontolo ny fanompoantsika. Sarobidy sy ankasitrahana ny zavatra rehetra ataontsika ho azy. — Ampitahao amin’ny Lioka 21:1-4.
4 Manohiza manohana ilay asa: Manana tombontsoa hanohana amin’ny lafiny ara-nofo an’ilay asa maneran-tany isika rehetra. Afaka manampy eo amin’ny asa ara-batana ho fanohanana ny asan’ilay Fanjakana koa ny sasany. Afaka miezaka ny tsirairay mba hanome valin-teny voaomana tsara any amin’ireo fivoriana, ary mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Raha manararaotra ireo fahafahana hampaherezana ny hafa isika, dia zavatra sarobidy no ataontsika amin’izany mba hampitomboana ny fahasalamana ara-panahin’ny kongregasiona, ary izany dia manatsara ny fahaizany hanatanteraka ilay asa nankinina taminy.
5 Eny, mila antsika rehetra ny fahavitana ilay asa. Tsy misy olona tokony hahatsapa ho tsy ilaina. Ny ezaka ifarimbonana lehibe sy kely ataontsika, eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia mampiavaka antsika ho ilay hany mpivavaka marina amin’i Jehovah. (Mal. 3:18). Afaka manana anjara misy heviny ny tsirairay amintsika mba hanomezana voninahitra an’i Jehovah sy mba hanampiana ny hafa hahafantatra sy hanompo azy.