Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Jona
Herinandron’ny 1 Jona
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Vaovao Teokratika.
15 min: “Tena Ampy Fitaovana ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra”. Fanontaniana sy valiny. Manaova fanazavana fohy momba Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1989, pejy 22-24.
22 min: “Fitoriana amin’ny ‘Karazan’olona Rehetra’ ”. Manazava ny loholona iray fa na dia boky 192 pejy aza no nofidina hatolotra amin’ny Jona, dia tsara kokoa ny manolotra ny boky Lehilahy Niavaka, isaky ny mety. Miara-mandinika ireo fomba fampiseho anolorana hevitra ny loholona iray sy ny mpitory za-draharaha vitsivitsy. Hazavao vetivety hoe nahoana isika no tokony hanana foto-kevitra ao an-tsaina mba hanombohana resaka. Manaova fampisehoana fohy iray na roa.
Herinandron’ny 8 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: “Fikarakarana ny Fananan’ny Tompo”. Lahateny ataon’ny loholona iray, andinihana ny fanazavana ao amin’ny takelaka fanampiny.
20 min: “Mila Antsika Rehetra ny Fahavitana Ilay Asa”. Fanontaniana sy valiny. Hazavao hoe nahoana ireo loholona no miankina amin’ny mpiasa an-tsitrapo vonona maro mba hamitana ireo zavatra tena ilaina. Diniho ny zavatra ilaina eo an-toerana, toy ny fanadiovana sy ny fikojakojana ny Efitrano Fanjakana, sy ny fanampiana ny marary sy ny be taona, ary ny famitana ny faritany. Asao ireo loholona hilaza ny fankasitrahany ny fanohanana amim-pahavononana izay omen’ny mpitory. Antitrantero fa tena ilaina ny ezaky ny tsirairay.
Herinandron’ny 15 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
20 min: “Miadia Mafy”. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1986, pejy 10-14. Resaho ny maha-zava-dehibe ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra, ary ampirisiho ny hisoratana anarana mandra-pahatongan’ny 1 Septambra.
15 min: “Fanaovana Fanambarana Amin’ny Alalan’ny Fitondran-tena Tsara”. Fanontaniana sy valiny. Manadinadìna tanora fakan-tahaka sasany. Mitantara ny vokatra tsara nateraky ny fitondran-tenany kristianina teo amin’ny hafa izy ireo. Mitantarà zavatra niainan’ny mpitory iray na roa avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1995, pejy 24-25.
Herinandron’ny 22 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Lazao ny fotoana namitana ny fanamarinana ny kaontin’ny kongregasiona.
15 min: Ny Fomba Fanombohana Lalana Fizarana Gazety. Sorito izay ilaina: Raketo an-tsoratra ny zavatra voapetraka rehetra, miverena ao anatin’ny tapa-bolana, mampisehoa hevitra vaovao avy amin’ireo gazety farany mba hihazonana ny fahalianana. Manolora ny hampiditra ny mpifanila trano, ny mpiara-miasa, ny mpivarotra, ny mpivaro-dasantsy, ary ny toy izany ao amin’ny lalana fizarana gazety. Manolora famandrihana amin’ny olona rehetra mandray gazety. Manasà mpitory iray na roa hitantara zavatra hitany mampahery teo amin’ny lalana fizarana gazety.
20 min: Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana, izay mandinika ny fandaharana ny amin’ny mpisava lalana manampy manokana ny hafa. Hazavao ny fandaharam-panampiana natomboka tamin’ny lasa. (jv-F 100; km-F 10/79 1, 3). Mila fampiofanana ireo vaovao maherin’ny iray tapitrisa natao batisa tao anatin’ireo telo taona lasa. Ny fandaharana ny amin’ny “Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana” dia mampiasa ny fahaizana sy ny fampiofanan’ireo mpisava lalana maharitra sy manokana izay efa nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Ny zava-kendrena dia ny hanampian’ny mpisava lalana tsirairay mpitory roa isan-taona mba ho kinga kokoa eo amin’ny fanompoana sy hiezaka mba ho afaka handray anjara bebe kokoa. Ireo izay ampiana dia tsy manana antony tokony hatahorana; ny antitranterina dia ny fanomezana fampaherezana feno fitiavana sy hatsaram-panahy. Io fandaharana vaovao io dia manome fahafahana ho an’ny olona ana hetsiny maro ho tonga minisitra mahita vokatra kokoa.
Herinandron’ny 29 Jona
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany, tamin’ny Jona. Resaho ny zavatra hatolotra amin’ny Jolay.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana na Nampiadana ny Fanompoako ve Aho? Lahateny ataon’ny loholona iray miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1988, pejy 18, 19, fehintsoratra 14-16. Ampirisiho ireo izay narisika efa hatramin’ny taona maromaro mba hisaintsaina ny hatsarana sy ny habetsahan’ny fanompoana masina ataony.
20 min: Afaka Manao Fanambarana Tsy Ara-potoana Isika Rehetra. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1988, pejy 22-27. Asehoy fa ireo sahirana amin’ny andraikitra tsy ara-pivavahana, sy ara-pianakaviana na manokana dia afaka mahita fahafahana maro isan’andro mba hizarana ny vaovao tsara amin’ny hafa. Mitantarà zavatra hitan’ny mpitory sasany teo an-toerana.