FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/99 p. 1
  • Ny Fisehoana Ivelany Ihany ve no Hitanao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fisehoana Ivelany Ihany ve no Hitanao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Ho Voavonjy ny Karazan’olona Rehetra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Tsy mijery afa-tsy ny fisehoana ivelany ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Aza Mitsara Ivelany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • “Mijery ny Fo” Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 6/99 p. 1

Ny Fisehoana Ivelany Ihany ve no Hitanao?

1 Rehefa manao fanompoana ampahibemaso isika, ny zavatra tsapantsika voalohany momba ny olona sasany dia mety hahatonga antsika hisalasala hizara ny vaovao tsara amin’izy ireny. Ahoana, ohatra, no ho fihetsikao rehefa mibanjina anao foana amim-piahiahiana ny lehilahy iray hita ho masiaka, rehefa mitsidika ny mpifanila trano aminy izay nampiseho fahalianana tamin’ny fahamarinana ianao? Nanapa-kevitra ny hanatona ilay lehilahy sy hiresaka taminy, ny anabavy mpisava lalana iray izay sendra izany. Nibetroka ilay lehilahy niarahaba azy. Nahagaga anefa fa nihaino ny hafatra ao amin’ny Baiboly sy nanaiky tamim-pientanam-po hianatra izy. Ho vokatry ny tsy fitsaran’ilay anabavy azy araka ny fisehoany ivelany, dia nisokatra ho an’io lehilahy io sy ny vadiny ny fahafahana hahafantatra ny fahamarinana.

2 Natahotra ny fisehoana ivelan’ny tovolahy lava volo iray ny anabavy hafa iray tamin’ny voalohany, nefa dia nikiry mba hanao fanambarana fohy taminy izy, isaky ny tonga tao amin’ny fivarotana niasany ilay tovolahy. Nisy vokany ny ezaka nataony, ary Vavolombelona vita batisa izao ilay tovolahy. Inona no hisakana antsika tsy ho maika hanatsoaka hevitra hoe tsy handray ny olona toy izany?

3 Fanahafana ny ohatr’i Jesosy: Fantatr’i Jesosy fa hanome ny ainy ho an’ny rehetra izy. Noho izany, dia tsy nampihemotra azy ny fisehoana ivelan’ny hafa. Takany fa na dia ireo izay manana laza ratsy aza dia mety ho vonona ny hiova, raha omena fanampiana sy fandrisihana araka ny tokony ho izy. (Matio 9:9-13). Na ny nahantra na ny nanankarena dia samy nezahiny nampiana avokoa. (Matio 11:5; Marka 10:17-22). Aoka isika tsy hitsara ny olona hitantsika eny amin’ny fanompoana araka ny fisehoany ivelany, ka hanajamba ny tenantsika tsy hahita izay olona mety hanana toe-po tsara. (Matio 7:1; Jaona 7:24). Inona no manampy antsika hanahaka ny ohatra miavak’i Jesosy?

4 Tamin’ny fianarantsika ny Baiboly, dia nanjary takatsika fa manana ny hery hanovana ny fisainana sy ny fitondran-tena ary ny toetran’ny olona iray ny Tenin’Andriamanitra. (Efes. 4:22-24; Heb. 4:12). Noho izany, na dia maneho fitandremana tsara aza isika, dia tokony hihazona fihetsika manorina, ka hametraka ny sisa eo am-pelatanan’i Jehovah, Ilay mahay mamaky ny ao am-pon’ny olombelona. — 1 Sam. 16:7; Asa. 10:34, 35.

5 Enga anie ka hanampy ho amin’ny asa fijinjana lehibe amin’izao andro farany izao, ny tsy fizahantsika tavan’olona, rehefa mizara ny vaovao tsara amin’ny karazan’olona rehetra isika, na manao ahoana na manao ahoana fisehoany ivelany. — 1 Tim. 2:3, 4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara