FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/99 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Jona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Jona
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 7 Jona
  • Herinandron’ny 14 Jona
  • Herinandron’ny 21 Jona
  • Herinandron’ny 28 Jona
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 6/99 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Jona

Herinandron’ny 7 Jona

Hira 45, Hira 48

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Vaovao Teôkratika.

15 min: “Ampianarin’i Jehovah Isika”. Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary araho fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asao ny mpanatrika hitantara ny sasany amin’ireo soa noraisiny avy tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, sy ny toy izany. Hamafiso ny fomba nanampian’ireny sekoly ireny ny vahoakan’i Jehovah mba hahita vokatra kokoa eny amin’ny fanompoana.

20 min: “Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara ny Fotoananao”. Resadresaka ifanaovan’ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna, sy ny mpitory mahay iray na roa izay mitantara ny fomba andaminany ny fotoanany mba handraisany anjara amin’ny fomba feno araka izay azony atao eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Manazava ny maha zava-dehibe ny fandaharam-potoana azo ampiharina izy ireo ary manamafy fa tena ilaina izany. Milaza ny fomba analavirany ny fandanilaniam-potoana toy ny fanombohana tara, ny tsy fanaovana fandaharana tsara mialoha, na ny fifampiresadresahana be loatra mandritra ny fanompoana, izy ireo. Manomeza fanoloran-kevitra azo ampiharina ny amin’ny hampiasana amin’ny fomba tsara ny fotoana, rehefa mandinika ny tarehin-javatra eo an-toerana.

Herinandron’ny 14 Jona

Hira 63, Hira 53

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.

20 min: “Afaka Manolotra Fanampiana ve Ianao?” Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, tarihin’ny loholona iray. Ampidiro ireo fanoloran-kevitra omena ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 8 Oktobra 1995, pejy 8, 9, mba hanampiana ny ray na ny reny mitaiza irery ny zanany. Manasà mpitory sasany haneho ny fankasitrahany ny fanampiana feno fitiavana noraisiny avy tamin’ny hafa tao amin’ny kôngregasiôna.

Herinandron’ny 21 Jona

Hira 72, Hira 77

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Raha manana tahiry amin’ny boky Manontany ny Tanora na ny boky Fahatanoranao ny kôngregasiôna, dia asehoy ny fomba ahafahana mampiasa azy ireo amin’ny fomba mandaitra eny amin’ny fanompoana mandritra ireo volana ho avy, izay azo inoana fa hahitantsika zatovo ao an-tranony.

17 min: “Ataovy Azo Antoka fa Mametraka Ireo Zava-dehibe Indrindra eo Amin’ny Toerana Voalohany Ianao!” Lahateny ataon’ny loholona iray miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1998, pejy 19-21. Ampirisiho ny fametrahana ny zavatra ara-panahy ho eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainana.

18 min: “Ny Fisehoana Ivelany Ihany ve no Hitanao?” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hamafiso ireo antony tsy tokony hahamaimaika antsika hitsara ny olona hitantsika. Diniho vetivety ny lesona nampianarin’i Jehovah an’i Jona, izay nitsara tamin’ny fomba diso ireo izay noheveriny ho tsy mendrika. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1997, pejy 22, fehintsoratra 17-19.) Asao ny mpanatrika hiresaka ny amin’ireo karazan’olona izay hitany teny amin’ny faritany, ka hilaza ny fomba ihazonany fihetsika tsara manoloana azy ireo sy ametrahany ny fitsarana eo an-tanan’i Jehovah.

Herinandron’ny 28 Jona

Hira 85, Hira 75

12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany tamin’ny Jona. Diniho ny zavatra atolotra amin’ny Jolay. Asehoy ireo bokikely izay ananana tahiry ampy tsara eo an-toerana, ary milazà lafin-javatra iray na roa izay azontsika asongadina rehefa mitory isika. Manaova fampisehoana voaomana tsara.

13 min: “Tsy Naman’izao Tontolo Izao”. Lahateny ataon’ny loholona iray miorina amin’ny bokikely Fampianarana, pejy 20-24. Hazavao fa manaja ny fitondram-panjakana sy ireo manam-pahefana ao an-tsekoly ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zanany. Kanefa, raha ny amin’ny raharaha momba ny fanompoam-pivavahana, ny toerana tanany dia hoe ‘tsy naman’izao tontolo izao’. Amin’ny tarehin-javatra maro, dia tsara indrindra ny hanazavan’ny ray aman-dreny mialoha amin’ireo manam-pahefana ao an-tsekoly ny toerana tanantsika ny amin’ny raharaha momba ny fialanalanana.

20 min: Mandehana any Amin’izay Misy ny Olona! Lahateny miorina amin’ny Diary 1997, pejy 42-48. Na dia tokony hanohy handray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana isan-trano aza isika, dia may ny hitady fahafahana hanao fanambarana tsy ara-potoana — na rahoviana na rahoviana, ary na aiza na aiza. Milazà fitantarana avy ao amin’ilay Diary mba hampisehoana ny fomba nanaovan’ny hafa izany tamim-pahombiazana tsara, rehefa mandeha aotobisy, mandeha eny amin’ny arabe na eny amoron-dranomasina, manatona fiara mijanona, mandeha eny amin’ny toerana fijanonan’ny kamiao, mampiasa telefaonina, sy manoratra taratasy. Raha mamela ny fotoana, dia asao ny mpanatrika hitantara zavatra sasany hitan’ny tenany manokana. Ampirisiho ny rehetra hanararaotra ny fahafahana rehetra mba hanaovana fanambarana any amin’izay rehetra misy ny olona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara