Mandresy ny Fialonana sy ny Fahasarotam-piaro Tsy Araka ny Tokony ho Izy ny Fitiavana
“Ny fitiavana tsy mialona [sy tsy saro-piaro]”. — 1 KORINTIANA 13:4.
1, 2. a) Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany momba ny fitiavana? b) Mety hisy ve ny hoe sady be fitiavana no saro-piaro, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?
MARIKA famantarana ny Kristianisma marina ny fitiavana. “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia”, hoy i Jesosy Kristy. (Jaona 13:35). Nahazo tsindrimandry mba hanazava ny fomba fiantraikan’ny fitiavana eo amin’ny fifandraisana kristiana ny apostoly Paoly. Nanoratra toy izao izy, ankoatra ny zavatra hafa: “Ny fitiavana tsy mialona [sy tsy saro-piaro]”. — 1 Korintiana 13:4.
2 Rehefa nanoratra ireo teny ireo i Paoly, dia nanisy firesahana ny amin’ny fialonana sy ny fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy. Raha tsy izany dia tsy ho afaka nilaza tamin’io kongregasiona io ihany toy izao izy: “Fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo”. (2 Korintiana 11:2).a Taitra ny ‘fahasarotam-piarony araka an’Andriamanitra’ noho ny fisian’ny lehilahy izay tonga hery nanimba tao amin’ilay kongregasiona. Izany dia nanosika an’i Paoly hanoratra taratasy faharoa ara-tsindrimandry nirakitra torohevitra tena feno fitiavana ho an’ireo Kristiana korintiana. — 2 Korintiana 11:3-5.
Fialonana teo anivon’ireo Kristiana
3. Ahoana no nitomboan’ny zava-nanahirana iray nahatafiditra ny fialonana teo amin’ireo Kristiana korintiana?
3 Tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, i Paoly dia voatery nandamina zava-nanahirana iray izay nisakana ireo Kristiana vaovao ireo tsy hifanaraka teo amin’izy samy izy. Nanandratra lehilahy sasany izy ireo, ‘nirehareha niandany tamin’olona anankiray ka nanabanty anankiray hafa’. Izany dia nahatonga fisaratsarahana tao anatin’ny kongregasiona, ka ny sasany niteny hoe: “Izaho an’i Paoly”, “Izaho an’i Apolosy”, “Izaho an’i Kefasy”. (1 Korintiana 1:12; 4:6, DIEM ). Teo ambanin’ny fitarihan’ny fanahy masina, dia afaka nahatakatra ny fototr’ilay zava-nanahirana ny apostoly Paoly. Nanao zavatra toy ny olona tsy nisaina afa-tsy ny amin’ny nofo ireo Korintiana, fa tsy sahala amin’“izay araka ny Fanahy”. Noho izany, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Mbola araka ny nofo ihany hianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va hianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona?” — 1 Korintiana 3:1-3.
4. Fanoharana inona no nampiasain’i Paoly mba hanampiana ireo rahalahiny hahatakatra ilay fomba fijery mety ny amin’ny hafa avy, ary lesona inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
4 Nanampy ireo Korintiana mba hahatakatra ilay fomba fijery mety ny amin’ireo talenta sy fahaizan’ireo olona samihafa tao amin’ny kongregasiona, i Paoly. Nanontany toy izao izy: “Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany hianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?” (1 Korintiana 4:7). Ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-12 i Paoly dia nanazava fa ireo anisan’ny kongregasiona dia toy ireo rantsambatana samy hafa amin’ny vatan’olombelona, toy ny tanana sy ny maso ary ny sofina. Nasehony fa nataon’Andriamanitra ireo rantsambatana, tamin’ny fomba izay nahatonga azy ireo hifampikarakara. Nanoratra toy izao koa i Paoly: “Raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.” (1 Korintiana 12:26). Ny mpanompon’Andriamanitra rehetra amin’izao andro izao dia tokony hampihatra io fotopoto-pitsipika io eo amin’ny fifandraisany amin’izy samy izy. Tsy hialona olon-kafa iray isika noho fanendrena azony na noho ny zava-bitany eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, fa tokony hiara-paly amin’izany olona izany kosa isika.
5. Inona no aharihary ao amin’ny Jakoba 4:5, ary ahoana no ampisongadinan’ny Soratra Masina ny fahamarinan’ireo teny ireo?
5 Ekena aloha fa mora tenenina izany fa tsy mora atao. Mampahatsiaro antsika i Jakoba mpanoratra ao amin’ny Baiboly fa mitoetra ao amin’ny olombelona mpanota rehetra ny “fironana hitsiriritra”. (Jakoba 4:5, NW ). Nitranga ny fahafatesan’olombelona voalohany noho i Kaina nanaiky ho resin’ny fialonany. Nanenjika an’i Isaka ny Filistina noho izy ireo nitsiriritra ny fitomboan’ny fanambinana azy ara-nofo. Nialona ny fiterahan’ny rahavaviny zanaka maro i Rahely. Nialona ny tombontsoa manokana nomena an’i Josefa zandriny lahy, ireo zanakalahin’i Jakoba. Niharihary fa nialona ny zaobaviny tsy Isiraelita i Miriama. Tamim-pitsiriritana, i Kora sy i Datana ary i Abirama dia namorona fiokoana tamin’i Mosesy sy i Arona. Nanjary nialona ny fahombiazan’i Davida ara-tafika i Saoly Mpanjaka. Tsy isalasalana fa ny fialonana koa no antony iray nahatonga ireo mpianatr’i Jesosy hiady hevitra imbetsaka ny amin’izay lehibe indrindra teo amin’izy ireo. Ny zava-misy dia ny hoe tsy misy olombelona tsy lavorary afaka tanteraka amin’ilay “fironana hitsiriritra” izay feno ota. — Genesisy 4:4-8; 26:14; 30:1; 37:11; Nomery 12:1, 2; 16:1-3; Salamo 106:16; 1 Samoela 18:7-9; Matio 20:21, 24; Marka 9:33, 34; Lioka 22:24.
Ao amin’ny kongregasiona
6. Ahoana no ahafahan’ireo loholona mifehy ny fironana hitsiriritra?
6 Mila miaro tena amin’ny fitsiriritana sy fialonana sy ny fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy ny Kristiana rehetra. Izany dia mahatafiditra ireo fitambaran-doholona voatendry hikarakara ny kongregasionan’ny vahoakan’Andriamanitra. Raha manana saina tsy manambony tena ny loholona iray, dia tsy hanandrana amim-panirian-daza hisongona ny hafa izy. Etsy an-danin’izany, raha misy loholona iray manana fahaizana miavaka amin’ny maha-mpandamin-javatra azy na amin’ny maha-mpandahateny ampahibemaso azy, dia hiara-paly aminy ny amin’izany ny hafa, amin’ny fiheverana izany ho fitahiana ho an’ny kongregasiona. (Romana 12:15, 16). Mety hanao fandrosoana tsara dia tsara ny rahalahy iray, mety hanome porofon’ny famokarana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany izy io. Rehefa mandinika ireo fepetra fenony ireo loholona, dia tokony hitandrina mba tsy hampitombo fahadisoana madinika sasany mba hanamarinana ny tsy fanolorana azy ho mpanampy amin’ny fanompoana na ho loholona. Izany dia hampiseho tsy fahampiam-pitiavana sy tsy fahalalana ny antonona.
7. Zava-manahirana inona no mety hitombo rehefa misy Kristiana mahazo fanendrena teokratika sasany?
7 Raha misy olona mahazo fanendrena teokratika na fitahiana ara-panahy, ny hafa ao amin’ny kongregasiona dia mila miaro tena amin’ny fitsiriritana. Ohatra, ny anabavy mahay iray dia mety hampiasaina matetika kokoa noho ny hafa mba hanao fampisehoana ao amin’ireo fivoriana kristiana. Mety hampipoitra fialonana eo amin’ny anabavy sasany izany. Nety ho nisy zava-nanahirana mitovy amin’izany teo amin’i Eodia sy i Syntike, tao amin’ny kongregasionan’i Filipy. Mety hila fampirisihana amin-katsaram-panahy avy amin’ny loholona ny vehivavy toy izany amin’izao andro izao mba hanetry tena sy “hiray saina ao amin’ny Tompo”. — Filipiana 2:2, 3; 4:2, 3.
8. Afaka mitarika ho amin’ny asa ratsy inona ny fialonana?
8 Ny Kristiana iray dia mety hahafantatra ny fahadisoana tamin’ny lasa nataon’ny olona iray izay ankehitriny dia omena tombontsoa ao amin’ny kongregasiona. (Jakoba 3:2). Noho ny fialonana, dia mety hisy ny fakam-panahy hiresaka amin’ny hafa ny amin’izany ka hisalasala ny amin’ny fanendrena io olona io ao amin’ny kongregasiona. Izany dia hifanohitra amin’ny fitiavana izay “manarona fahotana maro”. (1 Petera 4:8). Ny resaka feno fialonana dia afaka manakorontana ny filaminan’ny kongregasiona. “Raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo”, hoy ny fampitandreman’i Jakoba mpianatra, dia “aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia.” — Jakoba 3:14, 15.
Ao anatin’ny fianakavianao
9. Ahoana no ahafahan’ireo mpivady mifehy ny fahatsapany fahasarotam-piaro?
9 Tsy mahomby ny fanambadiana maro noho ny fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy. Tsy fanehoam-pitiavana ny tsy fahampiam-patokiana ny vady. (1 Korintiana 13:7). Etsy an-danin’izany, ny iray amin’ny mpivady dia mety tsy hahatsapa ny fahasarotam-piaron’ny ankilany. Ny vehivavy iray manambady, ohatra, dia mety ho saro-piaro noho ny fiheverana asehon’ny vadiny amin’olon-kafa tsy lahy toa azy. Na ny lehilahy iray manambady dia mety hanjary ho saro-piaro noho ny habetsahan’ny fotoana lanin’ny vadiny amin’ny fikarakarana havana sahirana iray. Sanganehana noho izany fihetseham-po izany ireo mpivady ka mety hangina ary hampiseho ny fahakiviany amin’ny fomba maro izay manasarotra ilay zava-manahirana. Mila ny mifampiresaka sy miaiky amim-pahatsorana ny fihetseham-pony kosa anefa ny vady saro-piaro iray. Ho setrin’izany, ilay ankilany dia mila mahatakatra ny fihevitry ny hafa, ary hanome toky indray ny amin’ny fitiavany. (Efesiana 5:28, 29). Samy mety hila hampihena ny fahatsapana fahasarotam-piaro izy roa, amin’ny fanalavirana ireo tarehin-javatra izay mampipoitra azy io. Indraindray ny mpiandraikitra kristiana iray dia mety hila ny hanampy ny vadiny hahatakatra fa maneho fiheverana voafetra sy araka ny tokony ho izy amin’ny olona iray tsy lahy toa azy izy, mba hanatanterahany ny andraikiny amin’ny maha-mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra azy. (Isaia 32:2). Mazava ho azy fa ny loholona dia tokony hitandrina mba tsy hanome mihitsy antony marim-pototra mahatonga fahasarotam-piaro. Izany dia mitaky fahaiza-mandanjalanja, fanaovana izay hahazoana antoka fa mandany fotoana anatanjahana ny fifandraisany ao amin’ny fanambadiany izy. — 1 Timoty 3:5; 5:1, 2.
10. Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny manampy ny zanany hiezaka handresy ny fahatsapana fialonana?
10 Ireo ray aman-dreny dia tsy maintsy manampy koa ny zanany mba hahatakatra ilay hevitra momba ny fialonana sy fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy. Matetika ireo ankizy dia rafitra amin’ny fifamaliana izay mivadika ho ady. Ny fialonana matetika no antony fototra. Noho ny maha-manokana ny zavatra ilain’ny ankizy tsirairay, dia tsy azo entina amin’ny fomba mitovy ireo ankizy. Ambonin’izany, ny ankizy dia mila mahatakatra fa ny tsirairay amin’izy ireo dia samy manana lafiny mampahatanjaka sy lafiny mampahalemy tsy mitovy. Raha ampirisihina foana ny ankizy iray mba hanao zavatra mitovy amin’ny iray hafa, dia mety hampitombo fitsiriritana ao amin’ny iray izany, ary fieboeboana ao amin’ilay hafa. Noho izany, ireo ray aman-dreny dia tokony hampiofana ireo zanany mba handrefy ny fandrosoany amin’ny fandinihana ireo ohatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny fifaninanana eo amin’izy samy izy. Hoy ny Baiboly: “Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona. Fa aoka [kosa] ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa.” (Galatiana 5:26; 6:4). Zava-dehibe indrindra ny ilan’ireo ray aman-dreny kristiana hanampy ny zanany amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka, amin’ny fampisongadinana ireo ohatra tsara sy ratsy voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. — 2 Timoty 3:15.
Ohatra amin’ny fifehezana ny fialonana sy ny fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy
11. Tamin’ny ahoana i Mosesy no ohatra tsara dia tsara teo amin’ny fifehezana ny fahasarotam-piaro?
11 Tsy mba sahala amin’ireo filoha liam-pahefana eo amin’itỳ tontolo itỳ i Mosesy fa “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”. (Nomery 12:3). Rehefa nanjary enta-mavesatra tsy zakan’i Mosesy irery ny fitarihana ny Isiraelita, dia nataon’i Jehovah izay hiasan’ny fanahiny tamin’ny Isiraelita 70 hafa, ka nanome azy ireo fahefana mba hanampy an’i Mosesy izy. Rehefa nanomboka nanao zavatra toy ny mpaminany ny roa tamin’ireny lehilahy ireny, dia nihevitra i Josoa fa izany dia nampivily hiala tamin’ny fomba tsy mety tamin’ny fitarihan’i Mosesy. Naniry hisakana ireo lehilahy i Josoa, kanefa dia nanjohy hevitra tamim-panetren-tena toy izao i Mosesy: “Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’i Jehovah rehetra, ka halatsak’i Jehovah aminy ny Fanahiny!” (Nomery 11:29). Eny, faly i Mosesy rehefa nahazo tombontsoam-panompoana ny hafa. Tsy saro-piaro tamin’ny voninahitra ho an’ny tenany izy.
12. Inona no nahatonga an’i Jonatana ho afaka nanalavitra fahatsapana fialonana?
12 Nomen’i Jonatana, zanak’i Saoly Mpanjaka isiraelita, ny ohatra tsara dia tsara iray ny amin’ny fomba andresen’ny fitiavana izay mety ho fahatsapana fialonana sy fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy. I Jonatana no teo amin’ny laharana nanaraka mba handova ny seza fiandrianan-drainy, kanefa dia nifidy an’i Davida zanak’i Jese i Jehovah ho mpanjaka nanaraka. Maro no ho nialona an’i Davida, ho nihevitra azy ho toy ny rafy, raha teo amin’ny toeran’i Jonatana. Ny fitiavan’i Jonatana an’i Davida anefa dia nisakana ny fihetseham-po toy izany tsy hanapaka azy mihitsy. Rehefa nandre ny amin’ny nahafatesan’i Jonatana i Davida, dia afaka niteny toy izao izy: “Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra hianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy.” — 2 Samoela 1:26.
Ireo ohatra miavaka indrindra
13. Iza no ohatra tsara indrindra raha ny amin’ny fahasarotam-piaro, ary nahoana?
13 I Jehovah Andriamanitra no ohatra miavaka indrindra amin’izay manana fahefana hifehy na dia ny fahasarotam-piaro araka ny mety aza. Mitana izany fihetseham-po izany eo ambany fifehezana tanteraka izy. Izay mety ho fisehoan’ny fahasarotam-piaro avy amin’Andriamanitra dia mifanaraka foana amin’ny fitiavana sy ny rariny ary ny fahendren’Andriamanitra. — Isaia 42:13, 14.
14. Ohatra inona no navelan’i Jesosy, mifanohitra amin’i Satana?
14 Ny ohatra miavaka faharoa amin’izay nanana fahefana hifehy ny fialonana sy ny fahasarotam-piaro dia i Jesosy Kristy, ilay Zanaka malalan’Andriamanitra. “Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza” i Jesosy, “dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra”. (Filipiana 2:6). Endre ny fifanoheran’izany mazava tsara amin’ny lalam-pitondran-tena narahin’ilay anjely mpaniry laza izay tonga Satana Devoly! Sahala amin’ny “mpanjakan’i Babylona”, i Satana dia naniry tamim-pialonana ny “ho tahaka ny Avo Indrindra” tamin’ny fanandratana ny tenany ho andriamanitra mpifaninana nanohitra an’i Jehovah. (Isaia 14:4, 14; 2 Korintiana 4:4). Nandraman’i Satana natao mihitsy aza izay hahatonga an’i Jesosy ‘hiankohoka ka hanolotra fanompoam-pivavahana indray mandeha’ taminy. (Matio 4:9, NW ). Tsy nisy anefa na inona na inona afaka nampivily an’i Jesosy tamin’ilay lalam-pitondran-tena feno fanetren-tena narahiny, dia ny fanekena ny fiandrianan’i Jehovah. Nifanohitra tamin’i Satana, i Jesosy dia ‘nanafoana ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana’. Nanandratra ny naha-ara-dalàna ny fanapahan-dRainy i Jesosy, nanda tanteraka ny lalam-pitondran-tenan’ny Devoly, dia ny fiavonavonana sy ny fialonana. Noho ny fahatokian’i Jesosy “no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray”. — Filipiana 2:7-11.
Fifehezana ny fialonanao sy ny fahasarotam-piaronao
15. Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina mba hifehy ny fahatsapana fialonana sy fahasarotam-piaro?
15 Tsy sahala amin’Andriamanitra sy i Kristy ny Kristiana fa tsy lavorary. Noho izy ireo mpanota, dia mety hatosiky ny fialonana sy ny fahasarotam-piaro ratsy izy ireo indraindray. Tsy hamela ny fialonana sy ny fahasarotam-piaro hanosika antsika hanakiana ny mpiray finoana amintsika momba ny fahadisoana madinika sasany na momba ny ratsy noheverina fa nataony àry isika fa, zava-dehibe kosa ny isaintsainantsika an’ireto teny ara-tsindrimandry ireto: “Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no ho simbanao ny tenanao?” — Mpitoriteny 7:16.
16. Torohevitra tsara dia tsara momba ny fialonana sy ny fahasarotam-piaro inona no nomena tao amin’ny nomerao iray tamin’itỳ gazety itỳ tamin’ny lasa?
16 Mikasika ilay foto-kevitra hoe fialonana sy fahasarotam-piaro, dia nampitandrina toy izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Martsa 1911 (anglisy): “Na dia tokony ho tena be zotom-po, ho tena saro-piaro aza isika amin’ny fikasan’ny Tompo, dia tsy maintsy tena mahazo antoka isika fa tsy raharaha manokana [ny fahalemen’ny Kristiana hafa]; ary tokony hodinihintsika raha ‘mpitsofotsofoka amin’ny fiainan’ny hafa’ isika na tsia. Avy eo koa dia tokony hodinihintsika raha mety ho zavatra tsara hokarakarain’ny loholona ilay izy, ary raha adidintsika na tsia ny mankany amin’ireo loholona. Samy tokony hanana fahasarotam-piaro lehibe ny amin’ny fikasan’ny Tompo sy ny asan’ny Tompo avy isika rehetra, kanefa dia mitandrema tsara mba tsy ho ilay karazany ratsy izany (...) raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe, tokony ho tena azontsika antoka fa tsy fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy, na fialonana ny hafa, ilay izy, fa fahasarotam-piaro ny amin’ny hafa, [dia fahasarotam-piaro] ny amin’ny tombontsoany sy ny amin’izay mahasoa azy indrindra.” — 1 Petera 4:15.
17. Ahoana no ahafahantsika manalavitra ireo asa ratsin’ny fialonana sy fahasarotam-piaro?
17 Amin’ny maha-Kristiana antsika, ahoana no ahafahantsika manalavitra ny fiavonavonana sy ny fialonana sy ny fahasarotam-piaro ary ny fitsiriritana? Ny fanafodiny dia ny famelana ny fanahy masin’Andriamanitra hikoriana malalaka eo amin’ny fiainantsika. Ohatra, ilaintsika ny mivavaka mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra sy ny fanampiana eo amin’ny fampisehoana ireo vokany tsara. (Lioka 11:13). Ilaintsika ny manatrika ireo fivoriana kristiana izay atomboka amin’ny vavaka ka mahazo ny fanahy sy ny fitahian’Andriamanitra eo aminy. Ambonin’izany, dia ilaintsika ny mianatra ny Baiboly izay nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16). Ary ilaintsika ny mandray anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana izay atao noho ny herin’ny fanahy masin’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 1:8). Ny fanampiana ireo Kristiana tahaka ny tena izay torotoro fo noho ny zava-dratsy sasany niainany dia fomba hafa iray fanekena ny fitaomana tsara ampiharin’ny fanahin’Andriamanitra. (Isaia 57:15; 1 Jaona 3:15-17). Ny fanatanterahana amin-jotom-po an’ireny adidy kristiana rehetra ireny dia hanampy mba hiarovana antsika amin’ireo asa ratsin’ny fialonana sy fahasarotam-piaro, satria izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo.” — Galatiana 5:16.
18. Nahoana isika no tsy ho voatery foana hiady amin’ny fahatsapana fialonana sy fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy?
18 Ny fitiavana no tanisaina voalohany eo amin’ireo vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra. (Galatiana 5:22, 23). Ny fanehoana fitiavana dia hanampy antsika hifehy ireo fironan-dratsy ankehitriny. Fa ahoana ny amin’ny hoavy? Mpanompon’i Jehovah an-tapitrisany maro no manana ilay fanantenana fiainana ao amin’ny Paradisa an-tany ho avy, ka ao izy ireo dia ho afaka hiandrandra ny hasandratra ho amin’ny fahalavorarian’olombelona. Ao amin’io tontolo vaovao io, dia hanjaka ny fitiavana ary tsy hisy ho resin’ny fahatsapana fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy na fialonana, satria “izao zavatra ary rehetra izao dia hovotsorana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana ka hahazo ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. — Romana 8:21, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Teny grika iray ihany no adika eto hoe fialonana sy fahasarotam-piaro.
Hevitra Hosaintsainina
◻ Fanoharana inona no nampiasain’i Paoly mba hanampiana hanoherana ny fialonana?
◻ Ahoana no mety hanakorontanan’ny fialonana ny filaminan’ny kongregasiona?
◻ Ahoana no azon’ireo ray aman-dreny ampiofanana ireo zanany mba hiezaka handresy ny fialonana?
◻ Ahoana no ahafahantsika manalavitra ireo asa ratsin’ny fialonana sy fahasarotam-piaro?
[Sary, pejy 16]
Aza mamela ny fialonana hanakorontana ny filaminan’ny kongregasiona
[Sary, pejy 17]
Afaka mampiofana ireo zanany mba hiezaka handresy ny fahatsapana fialonana ireo ray aman-dreny