FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/3 p. 23
  • Aiza no Mety Hahitana Tena Fahasambarana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aiza no Mety Hahitana Tena Fahasambarana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Momba ny Fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ny Fomba Hahitana ny Tena Fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ny Fahasambarana Marina eo Am-panompoana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Sambatra Izay Manompo An’ilay “Andriamanitra Falifaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/3 p. 23

Aiza no Mety Hahitana Tena Fahasambarana?

OLONA maro no mihevitra fa mety ho hita amin’ny fahazoana fananana ara-nofo ny fahasambarana. Ahoana no hevitrao? Na dia marina aza fa mety handray anjara amin’ny fahasambarantsika ireo zavatra ara-nofo, dia tsy miantoka izany kosa izy ireny; tsy manorina ny finoana na manome fahafaham-po amin’ireo zavatra ilaina ara-panahy koa ireo zava-mampiadana ara-nofo.

Tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, dia hoy i Jesosy Kristy: “Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy, satria azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:3, NW ). Hoy koa i Jesosy: “Miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana hianareo; fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” — Lioka 12:15.

Maro no mitady fahasambarana amin’ny fanaovana ny firaisana andrarana sy ireo “asan’ny nofo” hafa. (Galatiana 5:19-21). Kanefa, tsy mitondra tena fahasambarana maharitra ny fanaranam-po amin’ireo fahafinaretan’ny nofo. Raha ny marina, dia tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra ireo izay zatra manao zavatra toy izany. — 1 Korintiana 6:9, 10.

Amin’ny fikatsahany fahasambarana, dia mitodika any amin’ny tenany ihany ny hafa, ka miezaka mampitombo tsikelikely ny hajan’ny tenany manokana. Feno boky fianarana natao hampivelatra ny tena ireo tranomboky sy ireo fivarotam-boky, nefa tsy nitondra fahasambarana naharitra ho an’ny olona ny boky toy ireny. Koa aiza àry no mety hahitantsika tena fahasambarana?

Mba ho tena sambatra marina, dia tsy maintsy ekentsika fa manan-javatra ilaina ara-panahy voajanahary isika. Hoy i Jesosy: “Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy”. Mazava ho azy fa tsy hahasoa antsika raha mahatakatra fotsiny io zavatra ilaina io isika, ary avy eo dia tsy hanao na inona na inona mba hanomezana fahafaham-po izany. Indro misy ohatra: Inona no hitranga amin’ny mpifaninana amin’ny hazakazaka marathon iray izay tsy manome fahafaham-po ny fanirian’ny vatany rano aorian’ilay hazakazaka? Tsy tonga ve dia ho tojo fahaverezan-drano sy vokany lehibe hafa izy? Mitovy amin’izany koa, raha tsy manome fahafaham-po ny filantsika sakafo ara-panahy isika, dia ho maina ara-panahy amin’ny farany. Hitarika ho amin’ny famoizana fifaliana sy fahasambarana izany.

Niaiky tamin’ny fomba feno i Jesosy fa nila zavatra ara-panahy, ka nianatra sy nisaintsaina tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. Afaka nahita sy namaky mora foana ireo fizarana amin’ny Soratra Masina izy, ary nampianatra ny hafa hanao toy izany. (Lioka 4:16-21; ampitahao amin’ny Efesiana 4:20, 21.) Nampitovin’i Jesosy tamin’ny sakafo koa ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra. Nitondra fahasambarana be dia be ho azy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. — Jaona 4:34.

Eny, tsy mety ho tratra amin’ny fahazoana zavatra ara-nofo ny tena fahasambarana; tsy avy amin’ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny nofo lavo ny fahasambarana. Toe-po miorina amin’ny finoana marina sy ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra ny tena fahasambarana. Nety tokoa àry ny nihiran’i Davida mpanao salamo toy izao: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” — Salamo 144:15b.

[Sary, pejy 23]

Hitondra tena fahasambarana ho anao ny finoana sy ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara