FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Aprily
    • Fanontanian’ny Mpamaky

      Nisy Vavolombelon’i Jehovah sasany notolorana asa misy ifandraisany amin’ny trano ara-pivavahana na tany izay fananan’ny fivavahana. Ahoana ny fomba fijerin’ny Soratra Masina momba ny asa toy izany?

      Io raharaha io dia mety hatrehin’ny Kristianina izay maniry amim-pahatsorana hampihatra ny 1 Timoty 5:8, izay manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny hanomezana izay ilain’ny ankohonan’ny tena eo amin’ny ara-nofo. Na dia azo antoka aza fa tokony hampihatra io torohevitra io ny Kristianina, dia tsy manamarina ny fanekeny karazan’asa rehetra na inona na inona izany. Takatry ny Kristianina fa ilaina hasiana fiheverana ireo filazana hafa mahakasika ny sitrapon’Andriamanitra. Ohatra, ny fanirian’ny lehilahy iray hamelona ny fianakaviany dia tsy hanamarina ny fandikany izay lazain’ny Baiboly momba ny fahalotoam-pitondran-tena na ny famonoana olona. (Ampitahao amin’ny Genesisy 39:4-9; Isaia 2:4; Jaona 17:14, 16.) Tena zava-dehibe koa ny hanaovan’ny Kristianina zavatra mifanaraka amin’ilay didy mba hiala avy ao Babylona Lehibe, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. — Apokalypsy 18:4, 5.

      Miatrika toe-javatra maro momba ny asa, ny mpanompon’Andriamanitra, maneran-tany. Tsy hisy dikany no sady tsy anananay fahefana rahateo ny hanandramana hanao lisitr’izay mety hitranga rehetra sy ny hanaovana fitsipika henjana ny amin’izany. (2 Korintiana 1:24). Andeha anefa isika hanonona anton-javatra sasany izay tokony hodinihin’ny Kristianina rehefa manao fanapahan-kevitra manokana momba ny asa atao izy. Voasoritra fohifohy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1983, ao amin’ny lahatsoratra iray momba ny fandraisana soa avy amin’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra antsika, ireo anton-javatra ireo. Mampipoitra fanontaniana roa lehibe ny faritra voafefy iray, ary avy eo dia manao lisitra anton-javatra hafa mahasoa.

      Toy izao no fanontaniana voalohany: Ilay asa mihitsy ve no melohin’ny Baiboly? Rehefa nanazava momba izany ilay Tilikambo Fiambenana dia nanamarika fa manameloka ny halatra sy ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny ra, ary ny fanompoan-tsampy ny Baiboly. Ny Kristianina iray dia tokony hanalavitra ny asa izay mampandroso mivantana ireo fanao izay tsy ankasitrahan’Andriamanitra, toy ireo vao avy notononina teo ireo.

      Toy izao no fanontaniana faharoa: Mahatonga ny olona iray ho mpiray tsikombakomba amin’ny fanao melohina iray ve ny fanaovana io asa io? Mazava fa ho mpiray tsikombakomba amin’ny fanao iray tsy araka ny Soratra Masina ny olona iray miasa ao amin’ny toerana filokana, hopitaly fanalana zaza, na trano fivarotan-tena. Ho nandray anjara tamin’ny fanao iray izay melohin’ny Tenin’Andriamanitra izy, na dia ny mamafa trano sy ny mandray telefaonina fotsiny aza no asany any isan’andro.

      Kristianina maro miatrika fanapahan-kevitra momba ny asa no nahita fa ny famakafakana ireo fanontaniana ireo fotsiny dia manampy azy ireo handray fanapahan-kevitra manokana.

      Ohatra, avy amin’ireo fanontaniana roa ireo, ny olona iray dia afaka mahita ny antony tsy hahatonga ny mpivavaka marina iray ho mpiasa mivantana ao amin’ny fikambanana ara-pivavahana diso iray, ka hiasa ho an’ny fiangonana sy ao anatin’ny fiangonana iray. Milaza mazava izao didy izao ny Apokalypsy 18:4: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy”. Hiombona amin’ireo asa sy otan’i Babylona Lehibe ny olona iray, raha mpiasa tsy tapaka ao amin’ny fivavahana iray izay mampianatra fanompoam-pivavahana diso izy. Na mpanao zaridaina, na mpanadio, na mpanamboatra ny simba na mpanamarina kaonty, ilay mpiasa, dia hampandroso ny fanompoam-pivavahana izay mifanohitra amin’ny fivavahana marina ny asany. Ambonin’izany, ny olona izay hahita io mpiasa io miasa mba hanatsarana ilay fiangonana, hitana azy io ho voakojakoja, na hanatanteraka ny zava-kendreny ara-pivavahana, dia azo inoana fa hampifandray azy amin’izany fivavahana izany.

      Ahoana anefa ny amin’ny olona iray izay mpiasa tsy raikitra ao amin’ny fiangonana iray na fikambanana ara-pivavahana? Angamba antsoina izy mba hanao fotsiny asa fanamboarana maika ny fantson-drano vaky ao amin’ny lakalin’ny fiangonana. Izany ve tsy ho samy hafa amin’ny fanolorany hanao asa iray ao anatin’ny fifanekena, toy ny fametrahana taila, na fametrahana isolants amin’ny tafon’ny fiangonana?

      Eto indray koa, dia toe-javatra karazany maro be no azo heverina. Koa andeha àry isika hijery anton-javatra dimy izay voalaza mazava ao amin’io Tilikambo Fiambenana io:

      1. Moa ve ilay asa, fanampiana olona fotsiny, izay tsy manohitra ny Soratra Masina raha amin’izao fotsiny? Raiso ny ohatra ny amin’ny faktera iray. Ny fizarany taratasy dia tsy hidika velively fa mampandroso fanao melohina iray izy, raha toa ka fiangonana na hopitaly fanalana zaza ny trano iray ao amin’ny faritra iasany. Andriamanitra dia manome tara-masoandro izay mitaratra eo amin’ny varavarankelin’ny trano rehetra, anisan’izany ny fiangonana na ny hopitaly iray toy izany. (Asan’ny Apostoly 14:16, 17). Ny Kristianina iray izay faktera dia mety hanatsoaka hevitra fa manao asa fanampiana olona ho an’ny rehetra izy, isan’andro. Izany dia mety hitovy amin’ny Kristianina iray izay manao zavatra amin’ny fotoana ilana fikarakarana maika — toy ny mpametaka fantson-drano iray nantsoina mba hampitsahatra ny fihanaky ny rano tao amin’ny fiangonana iray, na mpiasa ao amin’ny fiara mpitondra marary nantsoina mba hikarakara olona iray izay safotra nandritra ny fotoam-pivavahana. Mety hihevitra izany ho fanampiana olona sendra naningana fotsiny, izy.

      2. Hatraiza ny fahefan’ilay olona eo amin’ilay zavatra atao? Tsy hanaiky velively hanafatra sy hivarotra sampy, ody atao fiaro, sigara, na saosisy vita amin’ny ra, ny Kristianina tompon’ny fivarotana iray. Izy no mifehy, amin’ny maha tompony azy. Mety hampirisihin’ny olona hivarotra sigara na sampy izy, ka hahazo tombony, nefa hanao zavatra mifanaraka amin’ny zavatra inoany araka ny Soratra Masina izy. Etsy an-danin’izany, ny mpiasa kristianina iray ao amin’ny magazay lehibe fivarotana sakafo dia mety hotendrena hampiasa ny milina fitadidiana ny vola miditra, hanadio trano, na hihazona bokim-bola. Tsy mifehy ny entana hafarana na amidy izy, na dia tsy azo ekena aza ny vitsivitsy amin’izy ireny, toy ny sigara na zavatra fampiasa amin’ny fety ara-pivavahana.a (Ampitahao amin’ny Lioka 7:8; 17:7, 8.) Mifandray amin’ilay hevitra manaraka izy io.

      3. Tafiditra hatraiza ilay olona? Andeha isika hiverina any amin’ilay ohatra ny amin’ny magazay iray. Azo inoana fa tsindraindray ihany vao mikarakara sigara na fitaovana ara-pivavahana ny mpiasa iray izay voatendry hampiasa milina fitadidiana ny vola miditra, na hameno ireo talantalana; tapany kely fotsiny amin’ny asany ankapobe izany. Tena mifanohitra mihitsy amin’ny mpiasa iray izay miasa ao amin’ny toerana fivarotana sigara na paraky fotsiny ao amin’io magazay io anefa izany! Mifantoka amin’ny zavatra mifanohitra amin’ny finoana kristianina, ny asany rehetra isan’andro isan’andro. (2 Korintiana 7:1). Izany dia manazava ny antony tsy maintsy hanombanana ny hoe hatraiza izy no tafiditra na mifandray amin’izany zavatra izany rehefa manao fanapahan-kevitra ny amin’ny asa atao.

      4. Iza no mandoa ilay karama na aiza ny toerana anaovana ilay asa? Diniho ireto toe-javatra roa ireto: Mba hanatsarana ny fahitan’ny olona azy, ny hopitaly fanalana zaza iray dia manapa-kevitra ny hanakarama olona iray mba hanadio ny arabe eo amin’ny manodidina azy. Avy amin’ilay hopitaly fanalana zaza ny karamany, nefa tsy miasa ao izy, ary tsy misy olona mahita azy ao amin’ilay hopitaly mandritra ny andro manontolo. Hitan’izy ireo kosa izy manao asa ho an’ny vahoaka izay tsy mifanohitra amin’ny Soratra Masina, na iza na iza manakarama azy. Mifanohitra amin’izany indray izao. Any amin’ny firenena anekena ny fivarotan-tena ho ara-dalàna, ny sampan-draharaha misahana ny fahasalamam-bahoaka dia manakarama mpitsabo mpanampy mba hiasa ao amin’ny trano fivarotan-tena, mba hanao fizaham-pahasalamana natao hampihenana ny fihanaky ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana. Na dia ilay sampan-draharaha misahana ny fahasalamam-bahoaka aza no mandoa ny karamany, dia ao amin’ny trano fivarotan-tena ny asany manontolo, ka mahatonga ny fahalotoam-pitondran-tena ho tsy ahitan-doza kokoa sy ho azo ekena kokoa. Ireo ohatra ireo dia mampiseho ny antony mahatonga ny mpandoa ny karaman’ny tena sy ny toerana iasana ho lafin-javatra tokony hodinihina.

      5. Inona no vokatry ny fanaovana ilay asa; hanimba ny feon’ny fieritreretan’ny tena manokana ve izany sa hanafintohina ny hafa? Tokony hoheverina ny feon’ny fieritreretana, na ny an’ny tenantsika izany na ny an’ny hafa. Na dia toa azo ekena ho an’ny ankamaroan’ny Kristianina aza ny asa iray (anisan’izany ny toerana iasana sy ny loharanon’ny karama), ny tsirairay dia mety hahatsapa fa hanakorontana ny feon’ny fieritreretany manokana izy io. Nilaza toy izao ny apostoly Paoly, izay namela ohatra tsara: “Matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra.” (Hebreo 13:18). Tsy tokony hanao asa izay hahatonga antsika hikorontan-tsaina isika; kanefa, tsy tokony hanakiana koa ny hafa izay manana feon’ny fieritreretana tsy mitovy amin’ny antsika. Mifanohitra amin’izany, ny Kristianina iray dia mety hahita fa tsy mifanohitra amin’ny Baiboly ny fanaovany asa iray, nefa takany fa tena hampikorontan-tsaina ny maro ao amin’ny kôngregasiôna sy eo amin’ny fiaraha-monina izy io. Nasehon’i Paoly tao amin’ny teniny izao fihetsika mety izao: “Tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana; fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay”. — 2 Korintiana 6:3, 4.

      Andeha isika izao hiverina any amin’ilay fanontaniana lehibe ny amin’ny fiasana ao amin’ny trano fiangonana iray, toy ny fametahana varavarankely vaovao, fanadiovana môkety, na fikojakojana ny fanafanana trano. Ahoana no mety hahatafiditra ireo anton-javatra etsy ambony?

      Tsarovy ilay lafiny ny amin’ny fahefana. Moa ve ilay Kristianina no tompony na mpitantana izay afaka manapa-kevitra na hanao izany asa any amin’ny fiangonana izany na tsia? Haniry hiaraka amin’i Babylona Lehibe amin’ny fanolorana hanao asa iray na amin’ny fanekena hanampy fivavahana iray mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana diso ve ny Kristianina iray manana izany fahefana izany? Tsy ho azo ampitahaina amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra ny hivarotra sigara na sampy ao amin’ny fivarotan’ny tena ve izany? — 2 Korintiana 6:14-16.

      Raha mpiasa tsy afaka manapa-kevitra ny amin’izay asa tokony hekena ilay Kristianina, dia misy lafin-javatra hafa tokony hodinihina, toy ny toerana sy ny haben’ny zavatra voafaoka. Angatahina hanatitra na hametraka seza vaovao fotsiny ve ilay mpiasa amin’ny fisehoan-javatra iray, sa angatahina hanao asa fanampiana olona, toy ny mpamonjy trano may izay mamono afo eo amin’ny fiangonana iray alohan’ny hielezany? Maro no hahita izany ho tsy mitovy amin’ny mpiasan’ny fandraharahana iray izay mandany fotoana lava amin’ny fandokoana ny fiangonana na manao tsy tapaka ny zaridaina mba hahatonga azy io hanintona. Ny fifandraisana tsy tapaka na miitatra toy izany dia hampitombo ny mety hampifandraisan’ny maro ilay Kristianina amin’ny fivavahana iray izay lazainy fa tsy ankasitrahany, ka mety hanafintohina azy ireo. — Matio 13:41; 18:6, 7.

      Noresahintsika ny hevitra lehibe maro eo amin’ny sehatry ny asa. Naseho tao amin’ilay fanontaniana voafaritra tsara mahafaoka ny fivavahan-diso ireo. Kanefa azo dinihina mifandray amin’ny karazan’asa hafa ihany koa ireo. Amin’ny toe-javatra tsirairay, dia tokony hisy ny famakafakana amim-pahatsorana, ka hanisy fiheverana ireo lafiny voafaritra tsara — ary angamba lafiny manokana — mampiavaka ilay toe-javatra misy. Efa nanampy sahady Kristianina tso-po maro mba hanao fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretana izay mampiseho taratry ny fanirian’izy ireo handeha mahitsy eo anatrehan’i Jehovah, ireo toe-javatra naseho tetsy ambony. — Ohabolana 3:5, 6; Isaia 2:3; Hebreo 12:12-14.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Tsy maintsy nandinika an’io anton-javatra ny amin’ny fahefana io ny Kristianina sasany miasa any amin’ny hopitaly. Mety hanana fahefana handidy ny hampiasana fanafody na fomba fitsaboana amin’ny marary iray, ny mpitsabo iray. Na dia tsy manohitra fampidiran-dra na fanalana zaza aza ny marary iray, ahoana moa no ahafahan’ny dokotera kristianina iray handidy ny hanaovana izany, kanefa fantany izay lazain’ny Baiboly momba izany zavatra izany? Mifanohitra amin’izany, fa mety tsy hanana izany fahefana izany ny mpitsabo mpanampy iray miasa ao amin’ny hopitaly. Eo am-panatanterahany ny asany mahazatra, dia mety hasain’ny dokotera manao fitsirihana ra noho ny zava-kendrena iray izy, na asain’ny dokotera mikarakara ny marary iray izay tonga mba hanala zaza. Mifanaraka amin’ilay ohatra voarakitra an-tsoratra ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:17-19, dia mety hanatsoaka hevitra izy fa satria tsy izy ilay manana fahefana hibaiko hanao fampidiran-dra, na hanao fanalana zaza, dia afaka manao asa fanampiana ho an’ny marary iray izy. Mazava ho azy, fa mbola tsy maintsy mandinika ny feon’ny fieritreretany ihany izy, mba ‘hanompoany an’Andriamanitra amin’ny fananana fieritreretana tsara’. — Asan’ny Apostoly 23:1.

  • Tadidinao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Aprily
    • Tadidinao Ve?

      Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

      ◻ Nahoana ny fitenenan’i Paoly hoe “ambasadôra solon’i Kristy” no tena mifanentana tsara amin’ny Kristianina voahosotra? (2 Korintiana 5:20, fanamarihana ambany pejy).

      Tamin’ny andro fahiny, dia nandritra ny fotoana nisian’ny fifandrafiana indrindra no nanirahana ireo ambasadaoro, mba hahitana raha azo nosorohina ny ady. (Lioka 14:31, 32). Koa satria lavitra an’Andriamanitra ilay tontolon’olombelona mpanota, dia maniraka ireo ambasadaorony voahosotra i Jehovah, mba hampahafantatra ny olona ny amin’ireo fepetra takina amin’ny fampihavanana, ka mampirisika azy ireo hitady fihavanana amin’Andriamanitra. — 15/12, pejy faha-18.

      ◻ Zavatra efatra inona avy no nanatanjaka ny finoan’i Abrahama?

      Voalohany, nasehony ny finoany an’i Jehovah tamin’ny nihainoany tsara rehefa niteny Andriamanitra (Hebreo 11:8); faharoa, nifamatotra akaiky tamin’ny fanantenany ny finoany (Romana 4:18); fahatelo, matetika i Abrahama no niresaka tamin’i Jehovah; ary fahefatra, nanome fanohanana an’i Abrahama i Jehovah rehefa nanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra izy. Afaka manatanjaka ny finoantsika koa ny zavatra toy izany, amin’izao andro izao. — 1/1, pejy faha-17, 18.

      ◻ Inona no dikan’ilay fitenenana hoe “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”? (Matio 6:13).

      Mangataka amin’Andriamanitra isika mba tsy hamelany antsika ho lavo, rehefa alaim-panahy tsy hankato azy isika. Afaka mitarika antsika i Jehovah mba tsy hahatonga antsika ho sodoka ka ho resin’ilay “ratsy”, dia i Satana. (1 Korintiana 10:13). — 15/1, pejy faha-14.

      ◻ Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahazoana famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, noho ny fanaovan-dratsy?

      Tsy maintsy arahina nenina mafy sy ‘voa mendrika ny fibebahana’, ny fieken-keloka. (Lioka 3:8). Hanosika ny olona iray hitady fanampiana ara-panahy any amin’ireo loholona kristianina ny toe-tsaina mibebaka sy ny faniriana hanitsy ny tsy nety. (Jakoba 5:13-15). — 15/1, pejy faha-19.

      ◻ Nahoana isika no tokony hiezaka mafy mba hanana fanetren-tena?

      Manana faharetana sy mahari-po ny olona iray manetry tena, ary tsy mihevi-tena ho zavatra loatra izy. Misarika ny tena namana izay tia anao ny fanetren-tena. Mihoatra noho izany aza fa mitondra fitahian’i Jehovah izy io. (Ohabolana 22:4). — 1/2, pejy faha-7.

      ◻ Fahasamihafana lehibe inona no misy eo amin’ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fahafatesan’i Adama?

      Mendrika ny ho faty i Adama, satria ninia tsy nankato ny Mpamorona azy izy. (Genesisy 2:16, 17). Mifanohitra amin’izany fa tena tsy mendrika ny ho faty velively i Jesosy, satria “tsy nanota akory” izy. (1 Petera 2:22). Koa rehefa maty àry i Jesosy, dia nanan-javatra sarobidy be izay tsy mba nananan’i Adama mpanota tamin’ny fotoana nahafatesany. Tsy inona akory izany fa ny zo hanana fiainan’olombelona lavorary. Mitovy vidy amin’ny sorona àry izany ny fahafatesan’i Jesosy ho fanavotana ny olombelona. — 15/2, pejy faha-15, 16.

      ◻ Sary mampiseho inona ilay tanàna, ao amin’ny fahitana ara-paminanian’i Ezekiela?

      Koa satria eo anivon’ny tany tsy masina no misy ilay tanàna, dia tsy maintsy ho zavatra etỳ an-tany izy io. Toa sary mampiseho ny fitantanan-draharaha etỳ an-tany àry ilay tanàna, ary hitondra soa ho an’ireo rehetra hahaforona ny fitambaran’olona marina eto an-tany izy io. — 1/3, pejy faha-18.

      ◻ Nahoana i Jesosy no nanasa ny tongotry ny mpianany rehefa nankalaza ny Paska tamin’ny 33 am.f.i.?

      Tsy nanorina fombafomba momba ny fanasan-tongotra akory i Jesosy. Nanampy ny apostoliny kosa izy mba hanana fomba fisaina vaovao, dia fomba fisaina tia manetry tena sy vonona hanao ny asa ambany indrindra ho an’ireo rahalahiny. — 1/3, pejy faha-30.

      ◻ Inona no zava-dehibe kokoa noho ny fahaizana voajanahary, eo amin’ny fampianarantsika ny hafa?

      Ny toetrantsika sy ny fahazarana ara-panahy nambolentsika, izay azon’ireo mpianatra tahafina. (Lioka 6:40; 2 Petera 3:11). — 15/3, pejy faha-11, 12.

      ◻ Ahoana no ahafahan’ny mpandahateny manatsara ny famakiany ny Soratra Masina?

      Amin’ny fanaovana fanazaran-tena. Eny, amin’ny famerimberenana mamaky amin’ny feo avo, mandra-pamakiny azy misosa tsara. Raha misy cassettes mirakitra famakiana Baiboly, dia fahendrena ny hihainoana ny fiovan’ny feon’ilay mpamaky, arakaraka ny hevitra asongadina sy ny votoatin-kevitra ambara, ary mariho ny fomba anononany ireo anarana sy teny tsy mahazatra. — 15/3, pejy faha-20.

      ◻ Amin’ny ahoana no ‘iverenan’ny fanahy [esprit] amin’Andriamanitra’ rehefa maty ny olona iray? (Mpitoriteny 12:7).

      Koa satria ny herim-piainana no atao hoe fanahy (esprit), dia ‘miverina amin’Andriamanitra’ izy io, amin’ny heviny hoe miankina tanteraka amin’Andriamanitra izao ny fanantenana fiainan-ko avy ho an’iny olona iny. Andriamanitra irery ihany no afaka mamerina amin’ny laoniny ny fanahy (esprit), na herim-piainana, ka hahatonga ny olona iray ho velona indray. (Salamo 104:30). — 1/4, pejy faha-17.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara