Fanampiana ny Hafa Hianatra Ireo Zavatra Takin’Andriamanitra
“Tsy maintsy manao izany [aho]; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!” — 1 KORINTIANA 9:16.
1, 2. a) Asa misy lafiny roa inona avy no takin’i Jehovah handraisantsika anjara? b) Inona no tsy maintsy hianaran’ireo olona tso-po mba hahatongavana ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra?
I JEHOVAH dia manana vaovao tsara ho an’ny taranak’olombelona. Manana Fanjakana iray izy, ary tiany ny handrenesan’ny olona hatraiza hatraiza ny momba azy io! Raha vao mandre an’io vaovao tsara io isika, Andriamanitra dia mitaky ny hizarantsika azy io amin’ny hafa. Asa misy lafiny roa izy io. Voalohany, isika dia tsy maintsy manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tao amin’ny faminaniany momba ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia hoy i Jesosy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” — Matio 24:3, 14, NW.
2 Ny lafiny faharoa amin’io asa io, dia mahafaoka ny fampianarana an’ireo izay mandray tsara ny fanambarana ilay Fanjakana. Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, i Jesosy dia nilaza toy izao tamin’ny antokona mpianany maro: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidi[ak]o anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19, 20). Tsy avy taminy ‘izay nandidian’i Kristy’; izy dia nampianatra ny hafa hitandrina ireo didy, na zavatra takin’Andriamanitra. (Jaona 14:23, 24; 15:10). Ny fampianarana ny hafa ‘hitandrina izay nandidian’i Kristy’, araka izany, dia mahafaoka ny fanampiana ny hafa hianatra ireo zavatra takin’Andriamanitra. Ireo olona tso-po dia tsy maintsy mahafeno ireo zavatra takin’Andriamanitra mba hahatongavana ho olom-pehezin’ilay Fanjakany.
3. Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra, ary inona no hotontosain’izy io ka mahatonga ny hafatra momba ilay Fanjakana ho vaovao tsara?
3 Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra? Ary inona no hotanterahin’izy io ka mahatonga ny hafatra momba ilay Fanjakana ho vaovao tsara? Ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitondram-panjakana iray any an-danitra. Tena sarobidy ho an’ny fon’i Jehovah izy io, satria amin’ny alalan’izy io no hanamasinany ny anarany, ka hanadiovany azy amin’ny fanomezan-tsiny rehetra. Ilay Fanjakana no fitaovana hampiasain’i Jehovah mba hanaovana ny sitrapony eto an-tany toy ny any an-danitra. Izany no antony nampianaran’i Jesosy antsika hivavaka ho amin’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy nampirisihany mafy antsika mba hametraka azy io eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika. (Matio 6:9, 10, 33, NW ). Hitanao ve ny antony maha-zava-dehibe aoka izany amin’i Jehovah ny hampianarantsika ny hafa momba ny Fanjakany?
Zava-tsarotra fa tsy enta-mavesatra
4. Ahoana no azo anazavana amin’ny ohatra fa tsy enta-mavesatra ny adidintsika hitory ny vaovao tsara?
4 Enta-mavesatra ve ny mitory io vaovao tsara io? Tsy izany mihitsy! Indro misy ohatra: Ny raim-pianakaviana dia manana adidy hamelona ny fianakaviany, eo amin’ny ara-nofo. Ny tsy fanaovany an’izany dia mitovy amin’ny fandavana ny finoana kristiana. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8). Enta-mavesatra ho an’ny lehilahy kristiana ve anefa izany adidy izany? Tsia, raha tiany ny fianakaviany, satria amin’izay izy dia maniry hamelona azy ireo.
5. Na dia adidy aza ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, nahoana isika no tokony ho finaritra mandray anjara amin’izy io?
5 Toy izany koa, ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra dia adidy, zavatra takina, izay iankinan’ny aintsika mihitsy. Toy izao no nilazan’i Paoly izany: “Tsy maintsy manao izany [aho]; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!” (1 Korintiana 9:16; ampitahao amin’ny Ezekiela 33:7-9.) Kanefa, ny antony manosika antsika hitory dia ny fitiavana, fa tsy ny adidy fotsiny akory. Alohan’ny zavatra rehetra, dia tia an’Andriamanitra isika, nefa tia an’ireo mpiara-belona amintsika koa, ary mahafantatra fa zava-dehibe ny handrenesan’izy ireo ny vaovao tsara. (Matio 22:37-39). Izy io dia manome azy ireo fanantenana ny amin’ny hoavy. Tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanitsy ny tsy rariny, hanesotra ny fampahoriana rehetra, ary hamerina ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina — ka izany rehetra izany dia ho fitahiana mandrakizay ho an’ireo izay manaiky hofehezin’io fanapahany marina io. Moa ve isika tsy finaritra, eny mientan-kafaliana, mizara vaovao tsara toy izany amin’ny hafa? — Salamo 110:3.
6. Nahoana no tena manolotra zava-tsarotra ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra?
6 Etsy an-danin’izany, dia tena manolotra zava-tsarotra io asa fitoriana sy fanaovana mpianatra io. Tsy mitovy ny olona. Tsy mitovy ny zavatra mahaliana ny rehetra, na ny fahaizan’ny rehetra. Ny sasany nahita fianarana tsara, fa ny hafa kosa tsy nahita fianarana firy. Ny famakiam-boky — izay fandaniam-potoana be mpitia taloha — dia heverina matetika ho zavatra manorisory ankehitriny. Ny hakamoana mamaky teny izay faritana ho “ny toetra na hoe toetoetran’izay mahay mamaky teny kanefa tsy liana amin’ny fanaovana izany”, dia zava-manahirana mitombo, na dia any amin’ny tany mirehareha ho manana taha-pahaiza-mamaky teny sy manoratra ambony aza. Amin’ny fomba ahoana àry no azontsika anampiana ny olona samy hafa fiaviana sy zava-mahaliana toy izany, hianatra izay takin’Andriamanitra? — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 9:20-23.
Nomena ny fitaovana mety mba hanampiana ny hafa
7. Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” fitaovana antsika hanampiana ny hafa mba hianatra ireo zavatra takin’Andriamanitra?
7 Mora atao kokoa ny asa sarotra iray raha manana ny fiasana, na ny fitaovana mety, ianao. Ny fitaovana izay mifanentana amin’ny asa manokana iray androany, dia mety hovana, na hosoloana mihitsy aza rahampitso, noho ireo zavatra miovaova ilaina. Izany dia mitovy amin’ny asa anirahana antsika hanambara ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nandritra ireo taona, ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia nanome antsika ny fitaovana nety indrindra, dia ireo zavatra vita an-tsoratra natao manokana mba hampiasaina eo amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano. (Matio 24:45, NW ). Araka izany, isika dia nomena fitaovana mba hanampiana olona “avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena (...) ary ny samy hafa fiteny” hianatra ireo zavatra takin’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:9). Indraindray dia nisy fitaovana fanampiny nomena mba hanomezana fahafaham-po an’ireo zavatra niovaova nilain’ny sahan’izao tontolo izao. Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy
8. a) Inona no anjara noraisin’ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” teo amin’ny fampandrosoana ny fampianarana Baiboly? b) Inona no fitaovana ho amin’ny asa fampianarana Baiboly nomena tamin’ny 1968, ary ahoana no nanaovana azy io tamin’ny fomba manokana? d) Ahoana no nanampian’ny boky Fahamarinana teo amin’ny asa fanaovana mpianatra?
8 Nanomboka tamin’ny 1946 ka hatramin’ny 1968, ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” dia nampiasaina ho toy ny fitaovana mahery ho amin’ny fampianarana Baiboly, ary nisy 19 250 000 teo ho eo natonta tamin’ny fiteny 54. Navoaka tamin’ny 1968, ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ary nampiasaina tamin’ny fomba nandaitra nandritra ny taona maro, teo amin’ny fampianarana Baiboly niaraka tamin’ny olona liana. Teo aloha, dia nahazatra ny sasany ihany ny niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny taona maro kanefa tsy natao batisa. Io fitaovana io anefa dia natao mba hampandraisana anjara an’ilay mpianatra, ka hampirisihana azy hampihatra izay nianarany. Ny vokany? Milaza toy izao ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu: “Nandritra ny taom-panompoana telo, nanomboka tamin’ny 1 Septambra 1968 ka nifarana tamin’ny 31 Aogositra 1971, dia nisy olona 434 906 tamin’ny fitambarany natao batisa — maherin’ny avo roa heny noho ny isan’ny natao batisa nandritra ireo taom-panompoana telo teo aloha!” Hatramin’ny namoahana azy, ny boky Fahamarinana dia nahatratra fanelezana nahatalanjona — maherin’ny 107 000 000 tamin’ny fiteny 117.
9. Inona no lafin-javatra manokana ananan’ny boky Hiaina Mandrakizay, ary inona no herin’izy io teo amin’ny laharan’ny mpitory ilay Fanjakana?
9 Tamin’ny 1982, dia ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany no tonga ny boky lehibe indrindra nampiasaina mba hitarihana fampianarana Baiboly. Io fitaovana io dia mirakitra sary maherin’ny 150. Ny tsirairay amin’ireny sary ireny dia ampiarahina amin’ny fanazavana misy heviny, izay manasongadina amin’ny fomba voafintina ny hevitra ahitana fianarana amin’ireo sary. Nilaza toy izao Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana (anglisy) tamin’ny Oktobra 1982: “Tao anatin’ny 20 taona teo ho eo (nanomboka tamin’ny 1946 ka hatramin’ny antenatenan’ireo taona 1960), izay naha-boky fampianarantsika lehibe indrindra ny ‘Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina’, dia nisy mpitory ilay Fanjakana vaovao maherin’ny 1 000 000 nanatevin-daharana antsika. Avy eo, dia nisy mpitory 1 000 000 hafa koa nanampy, rehefa Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay no nanjary ny boky fianarantsika lehibe indrindra, taorian’ny famoahana azy io tamin’ny 1968. Amin’ny fampiasana ilay boky fianarantsika vaovao hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, moa ve isika hahita fitarana mitovy amin’izany eo amin’ny laharan’ny mpitory ilay Fanjakana? Azo antoka izany raha sitrapon’i Jehovah!” Niharihary fa sitrapon’i Jehovah izany, satria nanomboka tamin’ny 1982 ka hatramin’ny 1995, dia nisy maherin’ny 2 700 000 no nanatevin-daharana ny mpitory ilay Fanjakana!
10. Inona ny fitaovana vaovao nomena tamin’ny 1995, ary nahoana izy io no tokony hahatonga ireo mpianatra Baiboly hanao fandrosoana ara-panahy haingankaingana ihany?
10 “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy”, hoy i Jesosy. (Matio 9:38). Eny, be tokoa ny vokatra. Mbola misy asa betsaka tokony hatao. Any amin’ny tany sasany ny olona dia voatery hatao eo amin’ny lisitr’ireo ampiandrasina vao mahazo fampianarana Baiboly. Koa noho ny fikendrena ny hampiely ny fahalalana an’Andriamanitra amin’ny fomba haingana kokoa, tamin’ny 1995, ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia nanome fitaovana vaovao iray, ilay boky 192 pejy mitondra ny lohateny hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Tsy mifantoka amin’ny foto-pampianarana diso io fitaovana sarobidy io. Mampiseho ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny fomba manorina izy io. Antenaina fa izy io dia hahatonga ireo mpianatra ny Baiboly hanao fandrosoana ara-panahy haingankaingana ihany. Ny boky Fahalalana dia efa misy heriny eo amin’ny sahan’izao tontolo izao, noho ireo 45 500 000 efa natonta tamin’ny fiteny 125, ary ny fandikana ho amin’ny fiteny 21 fanampiny eo am-panaovana azy.
11. Inona ny fitaovana nandaitra nomena mba hanampiana amin’ny fampianarana an’ireo tsy mahay taratasy, na tsy mahay mamaky teny tsara, ary tamin’ny fomba ahoana no nandraisan’izy io anjara lehibe tamin’ny fandaharam-pampianarantsika maneran-tany?
11 Indraindray, “ny mpanompo mahatoky” dia nanome fitaovana natao ho an’ny karazan’olona voafetra, na hoe voafaritra tsara. Ohatra, ahoana ny amin’ny olona izay mety hila fanampiana manokana noho ny fiaviany ara-kolontsaina, na ara-pivavahana? Ahoana no azontsika anampiana azy ireo hianatra ireo zavatra takin’Andriamanitra? Tamin’ny 1982, isika dia nahazo izay nilaintsika indrindra — ilay bokikely 32 pejy hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! Io zavatra vita an-tsoratra misy sary be dia be io, dia fitaovana nandaitra teo amin’ny fampianarana an’ireo tsy mahay taratasy, na ireo tsy mahay mamaky teny tsara. Izy io dia mirakitra fomba fampiseho ireo fampianarana fototra araka ny Soratra Masina, amin’ny fomba tena tsotra sy mora azo. Hatramin’ny namoahana azy, ny bokikely Fiainana eto An-tany dia nandray anjara lehibe tamin’ny fandaharam-pampianarantsika maneran-tany. Nisy maherin’ny 105 100 000 no natao pirinty tamin’ny fiteny 239, ka nahatonga azy io ho ny zavatra vita an-tsoratra novokarin’ny Fikambanana Watch Tower voadika amin’ny fiteny maro indrindra hatramin’izao!
12, 13. a) Nanomboka tamin’ny 1990, inona no fomba hafa nomen’ny “mpanompo mahatoky” mba hanatratrarana ireo karazan’olona niely patrana? b) Ahoana no azontsika ampiasana ny vidéo-n’ny Fikambanana eo amin’ny fanompoantsika eny amin’ny saha? d) Inona ny fitaovana vaovao nomena vao haingana mba hanampiana eo amin’ny asa fanaovantsika mpianatra?
12 Ho fanampin’ireo zavatra vita an-tsoratra natao pirinty, nanomboka tamin’ny 1990, ny “mpanompo mahatoky” dia nanome antsika fitaovam-pianarana izay manolotra fomba hafa hahatratrarana karazan’olona miely patrana — ny vidéocassette. Ny Oktobra tamin’io taona io, dia navoaka ilay vidéo maharitra 55 minitra hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana — ny vidéo voalohany navoakan’ny Fikambanana Watch Tower. Io fampisehoana kanto sy ahitam-panazavana io, izay azo raisina amin’ny fiteny 35, dia mampiseho ny fandaminana maneran-tanin’ny vahoakan’i Jehovah be fandavan-tena, eo am-panatanterahana ny didin’i Jesosy hanambara ny vaovao tsara amin’ny tany manontolo. Ilay vidéo dia natao manokana mba hanampiana eo amin’ny asa fanaovantsika mpianatra. Tsy nangataka andro ireo mpitory ilay Fanjakana teo amin’ny fampiasana io fitaovana vaovao io teny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Nisy nitondra azy io tany anatin’ny kitapony, vonona hatrany hampiseho, na hampindrana azy io tamin’ny olona liana. Tsy ela taorian’ny namoahana azy io, dia nanoratra toy izao ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Nanjary fitaovana iray hampiasaina amin’ny taonjato faha-21 ny vidéo, mba hanohinana ny saina sy ny fon’ny olona an-tapitrisany maro, koa ny fanantenanay dia hoe itỳ vidéo itỳ no ho santatr’ireo vidéo maro be izay hampiasain’ny Fikambanana mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany.” Eny, nisy tokoa vidéo fanampiny nomena, ka tafiditra amin’izany ilay fitohitohizana vidéo misy fizarana telo hoe La Bible: un livre historique et prophétique sy ilay hoe Jehovah’s Witnesses Stand Firm Against Nazi Assault (Miorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah eo Anoloan’ny Fanafihan’ny Nazia). Raha azo raisina amin’ny fiteninao ny vidéo-n’ny Fikambanana, efa mba nampiasainao ve izy ireo teo amin’ny fanompoanao eny amin’ny saha ?a
13 Tsy ela izay, dia nisy fitaovana vaovao iray, dia ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, nomena mba hanampy eo amin’ny asa fanaovantsika mpianatra. Nahoana no navoaka izy io? Ahoana no azo ampiasana azy io?
Fandinihana fitaovana vaovao iray
14, 15. Ho an’iza no nanaovana ny bokikely Takina, ary inona no raketin’izy io?
14 Ilay zavatra vita an-tsoratra vaovao hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? dia natao ho an’ny olona efa mino an’Andriamanitra sy manaja ny Baiboly. Nisy mpiandraikitra mpitety faritany ary koa misionera nahazo fampiofanana tany Gileada sady manana fanandraman-javatra an-taonany maro any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, nanampy tamin’ny fanomanana an’io bokikely io. Izy io dia mirakitra fandaharam-pianarana feno iray, ka mandinika ireo fampianarana fototry ny Baiboly. Ny fomba filaza zavatra ao anatiny dia feno hafanana sy tsotra ary mivantana. Kanefa, tsy notsorina tafahoatra ilay izy. Tsy manolotra “ronono” fotsiny izy io, fa “ventin-kanina” avy amin’ny Tenin’Andriamanitra koa, amin’ny fomba izay tokony ho mora azon’ny ankamaroan’ny olona. — Hebreo 5:12-14.
15 Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nangataka zavatra vita an-tsoratra toy izany indrindra ireo mpitory ilay Fanjakana any amin’ny tany maro samihafa. Ohatra, nanoratra toy izao ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Papouasie-Nouvelle-Guinée: “Mampisafotofoto ny sain’ny olona ireo fampianarana ara-pivavahana mifanipaka. Mila fanambarana fahamarinana fohy izy ireo, tohanan’ny andinin-teny ara-baiboly maromaro izay azony hamarinina ao amin’ny Baiboliny. Mila ny hampisehoana amin’ny fomba mazava sy voafaritra tsara ny amin’izay takin’Andriamanitra amin’ny Kristiana marina, sy ny amin’ireo fomba amam-panao tsy azon’Andriamanitra ekena, izy ireo.” Ny bokikely Takina indrindra no ilaintsika mba hanampiana ny olona toy izany hianatra ireo zavatra takin’Andriamanitra.
16. a) Iza indrindra no mety handray soa avy amin’ny fanazavana tsotra ao amin’ilay bokikely vaovao? b) Ahoana no mety handraisan’ny olona ao amin’ny faritaninao soa avy amin’ny bokikely Takina?
16 Ahoana no azonao ampiasana io fitaovana vaovao io? Voalohany, izy io dia azo ampiasaina mba hianarana miaraka amin’ny olona izay sahirana amin’ny famakian-teny, na ireo izay mety tsy ho tia mamaky teny firy.b Ny olona toy izany dia mety handray soa avy amin’ny fanazavana tsotra ao amin’ilay bokikely. Rehefa avy nijery iray tamin’io bokikely io nalefa mialoha ireo sampan’ny Watch Tower, dia nanoratra izao manaraka izao: “Ilay bokikely dia tena hilaina any amin’ny faritra maro eto Brezila izay ahitana olona tsy tia mamaky teny firy.” (Brezila). “Misy mpiavy maromaro ihany izay tsy mahay mamaky ny tenin-drazany, kanefa koa somary sahirana amin’ny famakiana ny teny frantsay. Azo ampiasaina ho toy ny fanampiana eo amin’ny fiaraha-mianatra amin’ny olona toy izany itỳ bokikely itỳ.” (Frantsa). Azonao an-tsaina ve hoe olona iza ao amin’ny faritaninao no mety handray soa avy amin’ny bokikely Takina?
17. Amin’ny ahoana no mety hahasoa any amin’ny tany maro ilay bokikely vaovao, ary nahoana?
17 Faharoa, any amin’ny tany maro, ilay bokikely dia mety hahasoa eo amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly miaraka amin’ny olona matahotra an’Andriamanitra, na toy inona na toy inona fianarana hitany. Mazava ho azy, fa tokony hatao ny ezaka mba hanombohana fampianarana amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Amin’ny toe-javatra sasany anefa, dia mety ho mora kokoa ny manomboka fampianarana amin’ny bokikely iray. Avy eo, amin’ny fotoana mety, ilay fampianarana dia tokony hafindra amin’ny boky Fahalalana, ilay fitaovana fianarana lehibe indrindra ampiasaintsika sy tiantsika kokoa. Mahakasika io fampiasana ny bokikely Takina io, dia nanoratra toy izao ireo sampan’ny Watch Tower: “Sarotra ny manomboka fampianarana Baiboly, ary toa manana fahafahana tsara kokoa hanomboka fampianarana ny mpitory rehefa manomboka amin’ny bokikely iray.” (Alemaina). “Ny bokikely sahala amin’itỳ dia faran’izay handaitra eo amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly vaovao, izay ho azo tohizina amin’ny boky Fahalalana avy eo.” (Italia). “Na dia manana fari-pahaizana ambony aza ny Japoney, dia tena voafetra ny fahalalana ny Baiboly sy ireo fampianarana fototra raketiny, ananan’ny ankamaroany. Tokony ho fitaovana tsara dia tsara hiampitana ho amin’ny boky Fahalalana, ilay bokikely.” — Japon.
18. Inona no tokony hotadidintsika momba ny fanatratrarana ireo zavatra takin’Andriamanitra?
18 Ireo sampan’ny Fikambanana maneran-tany dia nangataka ny hahazo an’io bokikely io, ary efa nomena ny fanekena mba handikana azy io amin’ny fiteny 221. Enga anie io zavatra vita an-tsoratra vaovao io hiharihary ho sarobidy eo amin’ny fanampiantsika ny hafa hianatra ireo zavatra takin’i Jehovah Andriamanitra amin’izy ireo. Raha ny amintsika kosa, dia aoka hotadidintsika fa ny fanatratrarana ireo zavatra takin’Andriamanitra, voafaoka amin’izany ilay didy hitory sy hanao mpianatra, dia manome antsika fahafahana sarobidy hampiseho amin’i Jehovah ny haben’ny fitiavantsika azy. Eny, tsy enta-mavesatra izay takin’Andriamanitra amintsika. Izany no fomba fiaina tsara indrindra! — Salamo 19:7-11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Milaza toy izao ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu: “Ny vidéocassette dia tsy mahasolo velively ireo zavatra vita pirinty, na ny fanambarana ataon’ny tena manokana. Mbola manohy mandray anjara tena lehibe eo amin’ny fampielezana ny vaovao tsara ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Ny asa isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitoetra ho lafim-panompoan’izy ireo, miorina mafy amin’ny Soratra Masina. Kanefa, ny vidéocassette ankehitriny dia manampy an’ireny amin’ny maha-fitaovana sarobidy azy mba hambolena finoana an’ireo fampanantenana sarobidy nataon’i Jehovah, sy handrisihana ny fankasitrahana noho izay ampanaoviny eto an-tany amin’izao androntsika izao.”
b Mba hahazoana fanazavana mikasika ny fomba hitarihana fampianarana amin’ny bokikely Takina, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Fitaovana Vaovao Iray Hanampiana ny Olona mba Hianatra Ireo Zavatra Takin’Andriamanitra” eo amin’ny pejy faha-16-17.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Asa misy lafiny roa inona avy no takin’i Jehovah handraisan’ny mpanompony anjara?
◻ Nahoana no tsy enta-mavesatra amintsika ny adidintsika hitory sy hanao mpianatra?
◻ Inona avy ireo fitaovana ampiasaina eo amin’ny asa fitoriana sy fanaovantsika mpianatra nomen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”?
◻ Ho an’iza no nanaovana ny bokikely Takina, ary ahoana no azontsika ampiasana azy io eo amin’ny fanompoantsika?
[Sary, pejy 24]
Tsy enta-mavesatra ny asa fitoriana sy fanaovantsika mpianatra
[Sary, pejy 26]
“Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” (1946, nahitsy tamin’ny 1952): 19 250 000 tamin’ny fiteny 54
“Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay” (1968): 107 000 000 tamin’ny fiteny 117 (aseho amin’ny teny frantsay eto)
“Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany” (1982): 80 900 000 tamin’ny fiteny 130 (aseho amin’ny teny rosiana eto)
“Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay” (1995): 45 500 000 amin’ny fiteny 125 (aseho amin’ny teny alemà eto)