FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/9 p. 10-15
  • Tsy Maintsy Ampamoahin’Andriamanitra ny Rehetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Maintsy Ampamoahin’Andriamanitra ny Rehetra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampamoahina ireo anjely
  • Ampamoahina ny Zanak’Andriamanitra
  • Ampamoahina amin’ny maha-firenena
  • Ohatra ny amin’ny fampamoahana olona tsirairay
  • Fampamoahana ao amin’ny kongregasiona kristiana
  • Enga Anie i Jehovah Hilaza hoe Tsara ny Tatitra Momba Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Moaba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mila ny Mpiray Finoana Aminy ny Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/9 p. 10-15

Tsy Maintsy Ampamoahin’Andriamanitra ny Rehetra

“Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.” — ROMANA 14:12.

1. Nasiana fetra inona avy ny fahafahan’i Adama sy i Eva?

NAMORONA an’ireo ray aman-drenintsika voalohany, i Adama sy i Eva, ho olona afaka nanao izay tiany hatao, i Jehovah Andriamanitra. Na dia ambany kokoa noho ny anjely aza izy ireo, dia zavaboary nanan-tsaina nahay nandray fanapahan-kevitra feno fahendrena. (Salamo 8:4, 5). Kanefa, tsy nanome lalana hanapa-tena samirery izany fahafahana nomen’Andriamanitra izany. Nampamoahina teo anatrehan’ilay Mpamorona azy izy ireo, ary niitatra tamin’ny taranany rehetra izany fampamoahana izany.

2. Ampamoaka inona no hataon’i Jehovah tsy ho ela, ary nahoana?

2 Amin’izao anakekezantsika ny fiafaran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ izao, i Jehovah dia hanao ampamoaka eto an-tany. (Ampitahao amin’ny Romana 9:28.) Tsy ho ela, dia tsy maintsy hampamoahin’i Jehovah Andriamanitra ireo olona tsy tia an’Andriamanitra, noho ny fandrobany ny haren’ny tany, sy ny fandringanany ain’olombelona, ary indrindra indrindra noho ny fanenjehan’izy ireo ny mpanompony. — Apokalypsy 6:10; 11:18.

3. Fanontaniana inona avy no hodinihintsika?

3 Eo anatrehan’izany fahatsinjovan-javatra manjombona izany, dia mahasoa antsika ny misaintsaina ireo fifampiraharahana ara-drariny nifanaovan’i Jehovah tamin’ireo zavaboariny tamin’ny lasa. Ahoana no azon’ny Soratra Masina anampiana antsika manokana mba hanome tatitra azon’ilay Mpamorona antsika ekena? Ohatra inona avy no mety hanampy, ary ohatra inona avy no tsy tokony hotahafintsika?

Ampamoahina ireo anjely

4. Ahoana no ahafantarantsika fa azon’Andriamanitra nampamoahina noho ny asany ireo anjely?

4 Azon’i Jehovah ampamoahina tahaka antsika koa ireo zavaboariny anjely any an-danitra. Talohan’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, dia naka vatana ara-nofo ny anjely sasany tsy nankato mba hananana firaisana tamim-behivavy. Tamin’ny naha-persona afaka nanao izay tiany hatao azy ireo, ireo zavaboary ara-panahy ireo dia afaka nandray izany fanapahan-kevitra izany, kanefa dia azon’Andriamanitra nampamoahina izy ireo. Rehefa niverina tany amin’ny faritra ara-panahy ireo anjely tsy nankato, dia tsy navelan’i Jehovah handray ny toerany tany am-boalohany indray. Milaza amintsika i Joda mpianatra fa ‘voahazona amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe’ izy ireo. — Joda 6.

5. Fahalavoana inona no nanjo an’i Satana sy ireo demoniany, ary ahoana no handaminana ny ampamoaka noho ny fikomian’izy ireo?

5 Manana an’i Satana Devoly ho lohany ireny anjely tsy nankato, na demonia, ireny. (Matio 12:24-26). Nikomy tamin’ny Mpamorona azy io anjely ratsy fanahy io, ary nihaika ny maha-ara-drariny ny fiandrianan’i Jehovah. Nitarika an’ireo ray aman-drenintsika voalohany hanota i Satana, ary izany dia nahatonga ny fahafatesan’izy ireo, tamin’ny farany. (Genesisy 3:1-7, 17-19). Na dia namela an’i Satana hiditra tao amin’ny kianjan’ny lanitra nandritra ny fe-potoana sasany taorian’izay aza i Jehovah, ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia nanambara mialoha fa hazera etỳ amin’ny manodidina ny tany io ratsy fanahy io, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Misy porofo manambara fa nitranga izany, fotoana fohy taorian’ny nandraisan’i Jesosy Kristy ny fahefana tao amin’ilay Fanjakana tamin’ny 1914. Amin’ny farany, dia ho any amin’ny fandringanana mandrakizay ny Devoly sy ireo demoniany. Rehefa ho voalamina amin’ny farany ilay raharaha niadian-kevitra ny amin’ny fiandrianana, dia efa ho voalamina araka ny rariny ilay ampamoaka noho ny fikomiana. — Joba 1:6-12; 2:1-7; Apokalypsy 12:7-9; 20:10.

Ampamoahina ny Zanak’Andriamanitra

6. Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny amin’ny maha-azon’ny Rainy ampamoahina ny tenany?

6 Ohatra tsara dia tsara toy inona moa no navelan’ny Zanak’Andriamanitra, i Jesosy Kristy! Tamin’ny naha-lehilahy lavorary tahaka an’i Adama azy, i Jesosy dia finaritra nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Faly koa izy fa azo nampamoahina noho ny fankatoavana ny lalàn’i Jehovah. Momba azy, dia tena nifanentana ny naminanian’ny mpanao salamo hoe: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.” — Salamo 40:8; Hebreo 10:6-9.

7. Fony izy nivavaka tamin’ny alina talohan’ny nahafatesany, nahoana i Jesosy no afaka nilaza ny teny voarakitra ao amin’ny Jaona 17:4, 5?

7 Na dia teo aza ny fanoherana feno fankahalana nahazo an’i Jesosy, dia nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy, ary nihazona tsy fivadihana hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Tamin’izany no nandoavany ny vidin’ny sorona mba hanavotana ny olombelona tamin’ny vokatra mahafatin’ny fahotan’i Adama. (Matio 20:28). Noho izany, tamin’ny alina talohan’ny nahafatesany, i Jesosy dia afaka nivavaka tamim-patokiana toy izao: “Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.” (Jaona 17:4, 5). Afaka nilaza ireo teny ireo tamin’ny Rainy any an-danitra i Jesosy, satria tafita soa tamin’ilay fitsapana ho fampamoahana, ary azon’Andriamanitra nekena izy.

8. a) Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa tsy maintsy hampamoahin’i Jehovah Andriamanitra ny amin’ny tenantsika isika? b) Inona no hanampy antsika hahazo sitraka amin’Andriamanitra?

8 Tsy lavorary isika, tsy mba tahaka an’i Jesosy Kristy, lehilahy lavorary. Kanefa dia ampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra isika. Hoy ny apostoly Paoly: “Fa nahoana hianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa hianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra. Fa voasoratra hoe: ‘Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra’. Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.” (Romana 14:10-12). Mba hahafahantsika hanome tatitra tsara, ka hahazo sitraka amin’i Jehovah, dia samy nomeny antsika tamim-pitiavana, na ny feon’ny fieritreretana na ny Teniny ara-tsindrimandry, ny Baiboly, mba hitari-dalana antsika amin’izay lazaintsika sy ataontsika. (Romana 2:14, 15; 2 Timoty 3:16, 17). Hanampy antsika hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny fanararaotantsika amin’ny fomba feno ireo fandaharana ara-panahy ataon’i Jehovah sy ny fanarahantsika ny feon’ny fieritreretantsika voavolavolan’ny Baiboly. (Matio 24:45-47). Loharanon-kery sy loharanon’ny tari-dalana fanampiny ny fanahy masina, na hery miasan’i Jehovah. Raha manao asa mifanaraka amin’ny fitarihan’ny fanahy, sy ny tari-dalana omen’ny feon’ny fieritreretantsika voavolavolan’ny Baiboly isika, dia hasehontsika fa tsy ‘mandà an’Andriamanitra’ izay tsy maintsy hampamoaka antsika noho ireo asantsika rehetra, isika. — 1 Tesaloniana 4:3-8; 1 Petera 3:16, 21.

Ampamoahina amin’ny maha-firenena

9. Iza moa ny Edomita, ary inona no nanjo azy ireo noho ny fitondrany ny Isiraely?

9 Azon’i Jehovah ampamoahina ireo firenena. (Jeremia 25:12-14; Zefania 3:6, 7). Hevero ny fanjakan’i Edoma fahiny, izay tany atsimon’ny Ranomasina Maty ary tany avaratry ny Helodranomasin’i Aqaba. Vahoaka semitika ny Edomita, mpihavana akaiky tamin’ny Isiraelita. Na dia i Esao, zafikelin’i Abrahama, aza no razamben’ny Edomita, dia tsy navela hamakivaky an’i Edoma teo amin’ny “lalan’andriana” ny Isiraelita, fony nizotra ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. (Nomery 20:14-21). Nandritra ireo taonjato, ny fandrafian’i Edoma dia nitombo ka nanjary fankahalana tsy nisy indrafo ny Isiraely. Tamin’ny farany, ny Edomita dia tsy maintsy nampamoahina noho ny nampirisihany ny Babyloniana handrava an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. (Salamo 137:7). Tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., ireo andian-tafika babyloniana teo ambany fitarihan’i Nabonida Mpanjaka, dia nandresy an’i Edoma izay tonga lao, araka ny didy navoakan’i Jehovah. — Jeremia 49:20; Obadia 9-11.

10. Nanao ahoana ny fihetsiky ny Moabita tamin’ny Isiraelita, ary nahoana i Moaba no nampamoahin’Andriamanitra?

10 Tsy tsara kokoa noho izany ny nanjo an’i Moaba. Ny fanjakana moabita dia tany avaratr’i Edoma ary tany atsinanan’ny Ranomasina Maty. Talohan’ny nidiran’ny Isiraelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia tsy nampiseho fitiavana mandray vahiny tamin’izy ireo ny Moabita, izay niharihary fa nanome mofo sy rano azy ireo mba hahazoam-bola fotsiny. (Deoteronomia 23:4, 5). Nanakarama an’i Balama mpaminany mba hanozona ny Isiraely i Balaka Mpanjakan’i Moaba, ary nampiasaina ireo vehivavy moabita mba hanangoly ireo lehilahy isiraelita ka hanaovany fahalotoam-pitondran-tena sy fanompoan-tsampy. (Nomery 22:2-8; 25:1-9). Kanefa, tsy navelan’i Jehovah handalo fotsiny ny fankahalan’i Moaba ny Isiraely. Araka ny faminaniana dia natao lao teo an-tanan’ny Babyloniana i Moaba. (Jeremia 9:24, 25; Zefania 2:8-11). Eny, nampamoahin’Andriamanitra i Moaba.

11. Tonga tahaka ireo tanàna iza avy i Moaba sy i Amona, ary inona no ambaran’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly momba izao fandehan-javatra ratsy izao?

11 Tsy i Moaba ihany, fa i Amona koa dia tsy maintsy nampamoahin’Andriamanitra. Efa nanambara mialoha i Jehovah hoe: “Ho tahaka an’i Sodoma tokoa Moaba, ary ny taranak’i Amona ho tahaka an’i Gomora, dia ho alan’amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay”. (Zefania 2:9). Foana ny tany Moaba sy Amona, dia tahaka ny nandravan’Andriamanitra ny tanànan’i Sodoma sy i Gomora. Araka ilay Fikambanana Misahana ny Jeolojia any Londres, ireo mpikaroka dia milaza fa nahita ny toerana misy an’i Sodoma sy i Gomora rava, any amin’ny moron-tsiraka atsinanan’ny Ranomasina Maty. Izay porofo azo antoka mbola mety hipoitra momba an’io, dia vao maika manohana ireo faminanian’ny Baiboly milaza fa hampamoahin’i Jehovah Andriamanitra koa ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. — 2 Petera 3:6-12.

12. Na dia tsy maintsy nampamoahin’Andriamanitra noho ny fahotany aza ny Isiraely, inona no voambara mialoha momba ny sisa jiosy?

12 Na dia nankasitrahan’i Jehovah fatratra aza ny Isiraely, dia tsy maintsy nampamoahin’Andriamanitra izy noho ny fahotany. Rehefa tonga teo amin’ny firenena Isiraely i Jesosy Kristy, dia nolavin’ny ankamaroany. Ny sisa tamin’izany ihany no naneho finoana sy tonga mpanara-dia azy. Nampihatra faminaniana sasany tamin’io sisa jiosy io i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Ary Isaia milaza ny amin’ny Isiraely hoe: ‘Na dia toy ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Zanak’Isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena; fa amin’ny fahatanterahana faingana no [hanaovan’i Jehovah ampamoaka, NW ] ambonin’ny tany’; ary araka izay nolazain’Isaia fahiny hoe: ‘Raha tsy Jehovah, Tompon’ny maro no namela taranaka ho antsika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma sy tonga tahaka an’i Gomora isika’ .” (Romana 9:27-29; Isaia 1:9; 10:22, 23). Nanonona ny ohatra ny amin’ireo 7 000 lahy tamin’ny andron’i Elia izay tsy niankohoka tamin’i Bala ilay apostoly, ary avy eo dia hoy izy: “Dia toy izany koa amin’izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin’ny fahasoavana.” (Romana 11:5). Voaforona olona nampamoahina tsirairay teo anatrehan’Andriamanitra, io sisa io.

Ohatra ny amin’ny fampamoahana olona tsirairay

13. Inona no nanjo an’i Kaina rehefa nampamoahin’Andriamanitra noho ny namonoany an’i Abela rahalahiny, izy?

13 Manonona ohatra maro ny amin’ny fampamoahana olona tsirairay teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra ny Baiboly. Raiso, ohatra, ny amin’i Kaina, lahimatoan’i Adama. Samy nanao fanatitra ho an’i Jehovah izy sy i Abela rahalahiny. Azon’Andriamanitra nekena ny fanatitr’i Abela, fa tsy mba toy izany kosa ny an’i Kaina. Rehefa nampamoahina noho ny namonoany tamin-kabibiana ny rahalahiny i Kaina, dia nilaza tsy nisy antra tamin’Andriamanitra hoe: “Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?” Noho ny fahotany, dia noroahina ho any amin’ny “tany Noda tandrifin’i Edena” i Kaina. Tsy nampiseho fibebahana tamim-pahatsoram-po noho ilay heloka bevava nataony izy, fa nalahelo fotsiny noho ilay sazy mendrika azy. — Genesisy 4:3-16.

14. Ahoana no nampisehoan’ny ohatra ny amin’i Ely, mpisoronabe, sy ireo zanany lahy ny amin’ny fampamoahana olona tsirairay?

14 Miseho amin’ny ohatra ny amin’i Ely, mpisoronaben’ny Isiraely koa, ny fampamoahana ny olona tsirairay eo anatrehan’Andriamanitra. I Hofinia sy i Finehasa, zanany lahy, dia mpisorona teo am-perinasa, kanefa “meloka ho nanao ny tsy rariny teo anatrehan’ny olona, ho tsy naneho fanajana ara-pivavahana an’Andriamanitra, ary ho tsy nifady izay nety ho karazana haratsiam-panahy”, hoy i Josèphe, mpanoratra tantara. Ireo lehilahy “tena ratsy fanahy” ireo dia tsy nanaiky an’i Jehovah, sady nanaraka fitondran-tena nametaveta zava-masina, ary meloka ho nanao fahalotoam-pitondran-tena lehibe. (1 Samoela 1:3; 2:12-17, 22-25). Tamin’ny naha-rain’izy ireo sady mpisoronaben’ny Isiraely an’i Ely, dia nanana adidy hifehy azy ireo izy, kanefa tsy nanao afa-tsy ny nananatra azy ireo tamim-pahalemem-panahy. ‘Ny zanany no nomen’i Ely voninahitra nihoatra noho i Jehovah.’ (1 Samoela 2:29). Tonga tamin’ny ankohonan’i Ely ny famaliana. Andro iray ihany no nahafatesan’ireo zanaka roa lahy ireo mbamin’ny rainy, ary nofongorana tanteraka tamin’ny farany ny fianakavian’ny mpisorona nisy azy ireo. Toy izany no nandaminana ilay ampamoaka. — 1 Samoela 3:13, 14; 4:11, 17, 18.

15. Nahoana no novalian-tsoa i Jonatana, zanakalahin’i Saoly Mpanjaka?

15 Ohatra hafa tanteraka no navelan’i Jonatana, zanakalahin’i Saoly Mpanjaka. Tsy ela taorian’ny namonoan’i Davida an’i Goliata, “dia raiki-pitia tamin’i Davida ny fanahin’i Jonatana”, ary nanao fanekem-pisakaizana izy ireo. (1 Samoela 18:1, 3). Azo inoana fa hitan’i Jonatana mazava hoe efa niala tamin’i Saoly ny fanahin’Andriamanitra, kanefa nitoetra ho tsy nihena ny zotom-pony ho an’ny fanompoam-pivavahana marina. (1 Samoela 16:14). Tsy nihozongozona mihitsy ny fankasitrahan’i Jonatana ny fahefana nomen’Andriamanitra an’i Davida. Takatr’i Jonatana fa azon’Andriamanitra nampamoahina izy, ary dia novalian’i Jehovah soa izy noho ny lalana mendri-kaja narahiny, tamin’ny fanaovana izay hitohizan’ny fianakaviany nandritra ny taranaka maro. — 1 Tantara 8:33-40.

Fampamoahana ao amin’ny kongregasiona kristiana

16. Iza moa i Titosy, ary nahoana no azo lazaina fa nanome tatitra tsara momba ny tenany ho an’Andriamanitra izy?

16 Ny Soratra Grika Kristiana dia miresaka amim-pankasitrahana ny amin’ny lehilahy sy vehivavy maro nanao izay hahazoana laza tsara ho an’ny tenany. Teo, ohatra, ilay Kristiana grika nantsoina hoe Titosy. Toa voalaza fa tonga Kristiana izy nandritra ny dia misionera voalohany nataon’i Paoly tany Kyprosy. Koa satria nety ho tany Jerosalema ireo Jiosy sy proselyta avy tany Kyprosy nandritra ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nety ho nahatratra ilay nosy ny Kristianisma, fotoana fohy taorian’izay. (Asan’ny Apostoly 11:19). Na dia izany aza, dia voaporofo fa iray tamin’ireo mpiara-miasa nahatoky tamin’i Paoly i Titosy. Niaraka tamin’i Paoly sy i Barnabasy izy tamin’ilay dia tany Jerosalema, tokony ho tamin’ny 49 am.f.i., rehefa nalamina ilay raharaha lehibe niadian-kevitra momba ny famorana. Ny tsy naha-voafora an’i Titosy dia nanavesa-danja ny fanaporofoan-kevitr’i Paoly fa tsy tokony ho teo ambany Lalàn’i Mosesy ireo olona niova ho amin’ny Kristianisma. (Galatiana 2:1-3). Voamarina ao amin’ny Soratra Masina ny fanompoana tsara dia tsara nataon’i Titosy, ary i Paoly mihitsy aza dia nanoratra taratasy ara-tsindrimandr’Andriamanitra ho azy. (2 Korintiana 7:6; Titosy 1:1-4). Niharihary hatramin’ny faran’ny fihazakazahany teto an-tany, fa nanohy nanome ho an’Andriamanitra tatitra tsara dia tsara momba ny tenany, i Titosy.

17. Laza inona no nataon’i Timoty ho an’ny tenany, ary amin’ny ahoana io ohatra io no mahakasika antsika?

17 I Timoty dia olona iray hafa be zotom-po nanome tatitra azon’i Jehovah Andriamanitra nekena momba ny tenany. Na dia nanan-java-nanahirana ara-pahasalamana sasany aza i Timoty, dia nampiseho ‘finoana tsy nihatsaravelatsihy’ izy, ary ‘niara-nanompo tamin’i Paoly teo amin’ny filazantsara’. Noho izany, dia afaka nilaza tamin’ireo Kristiana tahaka azy tany Filipy ilay apostoly hoe: “Fa tsy manana olona mitovy fanahy [amin’i Timoty] aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.” (2 Timoty 1:5; Filipiana 2:20-22; 1 Timoty 5:23). Manoloana ny maha-mora lavon’ny fakam-panahy ny olombelona sy ny fitsapana hafa, isika koa dia afaka manana finoana tsy mihatsaravelatsihy, ary afaka manome tatitra azon’Andriamanitra ekena momba ny tenantsika.

18. Iza moa i Lydia, ary inona no toe-tsaina nasehony?

18 I Lydia dia vehivavy iray tia an’Andriamanitra ary niharihary fa nanome tatitra tsara dia tsara momba ny tenany ho azy. Izy sy ny ankohonany no anisan’ny olona voalohany tany Eoropa nanaiky ny Kristianisma, noho ny asa nataon’i Paoly tany Filipy tokony ho tamin’ny 50 am.f.i. Tera-tanin’i Tyatira i Lydia, ary azo inoana fa proselyta jiosy izy, kanefa nety ho vitsy ny Jiosy tany Filipy ka tsy nisy synagoga tany. Nivory teny amoron’ny ony izy mbamin’ny vehivavy hafa tia fivavahana, fony i Paoly niresaka tamin’izy ireo. Vokatr’izany dia tonga Kristiana i Lydia, ary nanao izay haneken’i Paoly sy ireo namany hitoetra tao aminy izy. (Asan’ny Apostoly 16:12-15). Ny fitiavana mandray vahiny nasehon’i Lydia dia mbola toetra mampiavaka ny Kristiana marina foana.

19. Tamin’ny asa soa inona avy no nanomezan’i Dorkasy tatitra tsara dia tsara momba ny tenany ho an’Andriamanitra?

19 I Dorkasy dia vehivavy iray hafa izay nanome tatitra tsara dia tsara momba ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa maty izy, dia nandeha tany Jopa i Petera ho valin’ny fangatahan’ireo mpianatra nonina tany. Izy roa lahy nitsena an’i Petera dia ‘nitondra azy tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy ny lamba izay nozairin’i Dorkasy fony fahavelony’. Naverina ho amin’ny fiainana indray i Dorkasy. Noho ny fahalalahan-tanany feno fitiavana ihany ve anefa no tokony hahatsiarovana azy? Tsia. “Mpianatra” izy, ary azo antoka fa ny tenany dia nirotsaka tamin’ny asa fanaovana mpianatra. Toy izany koa amin’izao andro izao, ny vehivavy kristiana dia ‘manao asa soa sy fiantrana be’. Finaritra koa izy ireo mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fanambarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra. — Asan’ny Apostoly 9:36-42; Matio 24:14, NW; 28:19, 20.

20 Mampiseho mazava ny Baiboly fa tsy maintsy hampamoahin’i Jehovah, ilay Tompo Manam-piandrianana, ireo firenena sy ny isam-batan’olona. (Zefania 1:7, NW ). Raha nanolo-tena ho an’Andriamanitra isika, dia mety hanontany tena àry isika hoe: ‘Ahoana ny fiheverako ireo tombontsoa sy andraikitra nomen’Andriamanitra ahy? Tatitra manao ahoana momba ny tenako no omeko an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy?’

Inona no Valin-teninao?

◻ Ahoana no hanaporofoanao fa ampamoahina eo anatrehan’i Jehovah ny anjely sy ilay Zanak’Andriamanitra?

◻ Inona avy ireo ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho fa azon’Andriamanitra ampamoahina ireo firenena?

◻ Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fampamoahan’Andriamanitra olona tsirairay?

◻ Iza avy ireo olona sasantsasany ao amin’ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly nanome tatitra tsara dia tsara ho an’i Jehovah Andriamanitra?

20. Fanontaniana inona avy no mety hapetratsika amin’ny tenantsika?

[Sary, pejy 10]

Nanome tatitra tsara dia tsara momba ny tenany ho an’ilay Rainy any an-danitra, i Jesosy Kristy

[Sary, pejy 15]

Tahaka an’i Dorkasy, ny vehivavy kristiana amin’izao andro izao dia manome tatitra tsara momba ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Ny Fahafatesan’i Abela/The Doré Bible Illustrations/Dover Publications, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara