Oha-panetren-tena Tokony Hotahafina
“Ny fanetren-tenanao no hahalehibe ahy.” — SALAMO 18:35, NW.
1. Porofon’ny fananana fanetren-tena inona no azo natao ny nahita azy teo amin’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower iray taloha?
I JOSEPH F. RUTHERFORD dia nanana tsanganana nanaitra, satria 1,80 metatra mahery ny halavany ary nihoatra ny 90 kilao ny lanjany. Izy koa dia nanana feo nahery, izay nampiasainy, tsy hoe mba hampahafantarana ny anaran’i Jehovah fotsiny, toy ny mbola tsy nampahafantarana mihitsy azy teo aloha, fa mba hanalana sarona koa ny fihatsarambelatsihin’ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, tamin’ny fiantsoana ny fivavahan’izy ireo hoe “fandrika sy fanambakana”. Na dia nahery aza anefa ireo lahateniny, rehefa niara-nivavaka tamin’ny fianakavian’ny Betela tao amin’ny foibem-pitantanana izy, dia niteny toy ny ankizilahy kely iray niresaka tamin’ny dadany, ka tamin’izany fomba izany dia nanome porofon’ny fifandraisany akaiky tamin’ilay Mpanao azy sy ny fananany fanetren-tena. Eny, nanetry tena toy ny ankizikely iray izy. — Matio 18:3, 4.
2. Amin’ny lafiny manokana inona no mampiseho fifanoherana manaitra amin’ireo olona eo amin’izao tontolo izao ireo mpanompon’i Jehovah?
2 Tsy isalasalana fa samy manetry tena daholo ny tena mpanompon’i Jehovah Andriamanitra. Amin’io lafiny io izy ireo dia mampiseho fifanoherana manaitra amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Amin’izao andro izao, izy io dia feno olona miavonavona, mihoatra noho ny teo aloha rehetra. Ireo olona ambony sy manam-pahefana, ireo olona manankarena sy nahita fianarana, ary na dia ireo mahantra sy ireo tsy nambinina tamin’ny lafiny hafa aza, dia miavonavona.
3. Inona no azo lazaina momba ireo vokatra nentin’ny avonavona?
3 Miteraka fifandirana sy fahoriana be dia be ny avonavona. Ireo loza rehetra teo amin’izao rehetra izao tokoa dia niantomboka satria nanjary niavonavona ny anjely iray, rehefa naniry ny hotompoina tamin’ny fomba izay mendrika ny Mpamorona, dia i Jehovah Andriamanitra irery ihany. (Matio 4:9, 10). Ankoatra izany, ilay nanao ny tenany ho Devoly sy Satana dia nahomby rehefa nanangoly an’i Eva, ilay vehivavy voalohany, tamin’ny fanairana ny hambony. Nampanantena azy izy fa raha nihinana ilay voankazo voarara i Eva, dia mety ho tonga tahaka an’Andriamanitra mihitsy, hahafantatra ny tsara sy ny ratsy. Raha mba nanetry tena izy, dia ho nilaza toy izao: ‘Nahoana aho no tokony haniry hitovy amin’Andriamanitra?’ (Genesisy 3:4, 5). Rehefa dinihintsika ny toetra ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pitondran-tena faran’izay ratsy misy ny taranak’olombelona, dia tena tsy azo alan-tsiny tokoa ny fanehoan’ny olombelona avonavona! Tsy mahagaga raha vakintsika fa mankahala “ny fiavonavonana sy ny fireharehana” i Jehovah! (Ohabolana 8:13). Mifanohitra amin’ny fomba manaitra amin’ireo olona miavonavona rehetra ny oha-panetren-tena hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly.
Manetry tena i Jehovah Andriamanitra
4. Andinin-teny inona avy no mampiseho fa manetry tena i Jehovah?
4 I Jehovah Andriamanitra — ilay Avo Indrindra, ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao, ilay Mpanjaka Mandrakizay — dia manetry tena. (Genesisy 14:22). Mety hety ve izany? Eny, izany tokoa! Nilaza toy izao i Davida Mpanjaka, araka izay voasoratra ao amin’ny Salamo 18:35 (NW ): “Homenao ahy ny ampingan’ny famonjenao, ary ny tananao ankavanana no hanohana ahy, ary ny fanetren-tenanao no hahalehibe ahy.” Avy eo indray, dia vakintsika ao amin’ny Salamo 113:6 (NW ) fa “mampietry ny tenany mba hijery ny lanitra sy ny tany” i Jehovah. Nilaza mazava i Davida Mpanjaka fa ny fanetren-tenan’i Jehovah no naha-lehibe azy, dia izy, Davida. Ny fandikan-teny hafa dia mampiasa ny teny hoe “miondrika mijery” (Fandikan-teny Malagasy), “manaiky ny hijery ambany be”. — The New English Bible.
5. Zavatra sendra nitranga inona avy no manamarina ny fanehoan’i Jehovah fanetren-tena?
5 Nampietry ny tenany tokoa i Jehovah Andriamanitra tamin’ny fomba nifandraisany tamin’i Abrahama, tamin’ny famelana an’i Abrahama hiady hevitra ny amin’ny fahamarinany rehefa nikasa ny handrava an’i Sodoma sy i Gomora, tanàna feno faharatsiana, Izy.a (Genesisy 18:23-32). Ary rehefa nilaza ny fikasany handrava ny firenen’Isiraely i Jehovah — tamin’ny fotoana iray noho ny fanompoan-tsampy, ary tamin’ny fotoana hafa noho ny fikomiana — dia niara-nanjohy hevitra tamin’i Jehovah i Mosesy tamin’ny tarehin-javatra tsirairay avy, toy ny hoe niresaka tamin’ny olombelona hafa iray izy. Tamin’ny fotoana tsirairay, dia namaly tamim-pankasitrahana i Jehovah. Fisehoan’ny fanetren-tenany ny fanomezana izay nangatahin’i Mosesy raha ny amin’ny Isiraely olony. (Eksodosy 32:9-14; Nomery 14:11-20). Ireo ohatra hafa ny amin’ny nifandraisan’i Jehovah tamim-panetren-tena tamin’olombelona toy ny amin’ny olona nitovy, raha azo atao ny milaza izany, dia hita tamin’ny nifandraisany tamin’i Gideona sy i Jona, araka izay voatantara ao amin’ny Mpitsara 6:36-40 sy Jona 4:9-11.
6. Toetra mampiavaka an’i Jehovah inona no mbola mampiseho koa ny fanetren-tenany?
6 Raha ny marina, dia intsivy fara fahakeliny no lazaina ao amin’ny Fandikan-Tenin’izao Tontolo Izao Vaovao fa “tsy mora tezitra”b i Jehovah. Ny naha-nahari-po sy ny tsy naha-mora tezitra an’i Jehovah tamin’ny fifandraisany tamin’ny zavaboary olombelona tsy tanteraka nandritra ny an’arivony taona maro, dia porofo fanampiny ny amin’ny fanetren-tenany. Ireo olona miavonavona dia tsy maharitra, mora mampiseho hatezerana, samy hafa tanteraka amin’ny olona mahari-po. Tena mahatonga ny avonavon’ny olombelona tsy tanteraka ho hadalana tokoa ny fanetren-tenan’i Jehovah! Koa satria ilazana isika mba ‘hanahaka an’Andriamanitra tahaka ny zanaka malala’, dia tsy maintsy manetry tena tahaka azy mihitsy isika. — Efesiana 5:1.
Ny oha-panetren-tenan’i Kristy
7, 8. Inona no ambaran’ny Soratra Masina momba ny fanetren-tena nasehon’i Jesosy Kristy?
7 Ny oha-panetren-tena faharoa manaitra indrindra tokony hotahafintsika dia resahina ao amin’ny 1 Petera 2:21: “Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.” Ela be talohan’ny nahatongavany teto an-tany tamin’ny naha-olombelona, dia toy izao no naminaniana momba azy ao amin’ny Zakaria 9:9: “Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy [“manetry tena”, NW ] sady mitaingina boriky dia zana-boriky tanora.” Raha niavonavona i Jesosy Kristy, dia nety ho nanana antony tsara nanekena ny fanoloran’ny Devoly azy ny fanjakana rehetra teo amin’izao tontolo izao, ho solon’ny asa fanompoam-pivavahana indray mandeha, izy. (Matio 4:9, 10, NW ). Naneho ny fanetren-tenany koa izy tamin’ny filazana fa avy amin’i Jehovah ny fampianarany, rehefa nilaza toy izao: “Rehefa asandratrareo ny Zanak’olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” — Jaona 8:28.
8 Afaka nilaza tamin’ny fomba nety tamin’ireo mpihaino azy toy izao izy: “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” (Matio 11:29). Ary oha-panetren-tena tsara dia tsara toy inona moa no nomeny tamin’ny fanasana ny tongotr’ireo apostoliny, ny takariva farany niarahany tamin’izy ireo tamin’ny naha-olombelona azy! (Jaona 13:3-15). Mety indrindra raha manoro hevitra ny Kristiana ny apostoly Paoly ao amin’ny Filipiana 2:3-8 (NW ) mba hanana “saina tsy manambony tena”, rehefa manonona an’i Jesosy Kristy ho ohatra toy izao: “Tazony ao aminareo izany toe-tsaina izany, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, izay, na dia nisy araka ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nihevitra akory ny fakana an-keriny, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra. Tsia, fa nanafoana ny tenany izy ary naka ny endriky ny mpanompo ka nanjary nanana fitoviana tamin’ny olona. Mihoatra noho izany, rehefa hita fa nanana ny fomba fanaon’ny olona ny tenany, dia nanetry tena sy nankato hatramin’ny fahafatesana izy, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.” Rehefa niatrika ny fisehoan-javatra ratsy indrindra teo amin’ny fiainany izy, dia nivavaka tamim-panetren-tena toy izao tamin’ny Rainy: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Matio 26:39). Tsy isalasalana fa amintsika ny hoe manahaka an’i Jesosy Kristy, amin’ny fanarahana akaiky ny diany, dia midika hoe tsy maintsy manetry tena isika.
Oha-panetren-tena tsara dia tsara iray ny apostoly Paoly
9-12. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanomezan’ny apostoly Paoly oha-panetren-tena tsara dia tsara?
9 Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Korintiana 11:1). Moa ve nanahaka an’i Jesosy Kristy ny apostoly Paoly tamin’ny fananana saina tsy nanambony tena, ka tamin’izany fomba izany dia nanome oha-panetren-tena hafa mba hotahafina? Azo antoka tokoa fa izany no nataony. Ho fanombohana dia niaiky tamim-panetren-tena izy fa mpanompon’i Jesosy Kristy. (Filipiana 1:1). Nilaza tamin’ireo loholona tany Efesosy momba ny ‘nanompoany ny Tompo tamin’ny fananana indrindra saina tsy nanambony tena sy tamin’ny ranomaso ary ny fitsapana izay tonga taminy noho ny fiokoan’ny Jiosy’ izy. (Asan’ny Apostoly 20:17-19, NW ). Raha tsy nanetry tena izy dia tsy ho nanoratra velively ireo teny hita ao amin’ny Romana 7:18, 19 manao hoe: “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko (...) Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.”
10 Mampiseho ny fanetren-tenan’i Paoly koa izay nosoratany ho an’ny Kristiana tany Korinto, araka izay voasoratra ao amin’ny 1 Korintiana 2:3 manao hoe: “Ary izaho, raha tany aminareo, dia azon’ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be”. Rehefa niresaka tamim-panetren-tena ny amin’ny fitondran-tenany tamin’ny lasa, talohan’ny nahatongavany ho Kristiana izy, dia nanoratra toy izao: “Izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory (...) Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany.” — 1 Timoty 1:13, 15.
11 Ambonin’izany, dia nasehony ny fanetren-tenany tamin’ny filazana fa avy tamin’i Jehovah Andriamanitra ny fahombiazana rehetra teo amin’ny fiezahana nataony. Nanoratra toy izao momba ny fanompoany izy: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.” (1 Korintiana 3:6, 7). Nangataka ny rahalahiny koa izy mba hivavahan’izy ireo ho azy, mba hahafahany hanao fanambarana tsara, araka ny vakintsika ao amin’ny Efesiana 6:18-20 toy izao: “Mivavaha mandrakariva (...) ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava (...) mba hiteny [ny zava-miafina momba ny filazantsara] amin’ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.”
12 Nampiseho ny fanetren-tenany koa i Paoly tamin’ny fomba niarahany niasa tamin’ireo apostoly hafa: ‘Ry Jakoba sy Kefasy ary Jaona (...) dia nanolotra tamiko sy Barnabasy ny tànana ankavanan’ny fihavanana, mba hankany amin’ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin’ny voafora.’ (Galatiana 2:9). Ankoatra izany izy dia nampiseho ny fahavononany hiara-miasa tamin’ireo loholona tao amin’ny kongregasionan’i Jerosalema, rehefa niaraka tamin’ireo lehilahy tanora efatra nankany amin’ny tempoly sy rehefa nanaiky handoa ny vola lanin’izy ireo raha teo am-panatanterahana voady iray izy ireo. — Asan’ny Apostoly 21:23-26.
13. Inona no tena nampiavaka ny fanetren-tena nasehon’i Paoly?
13 Mbola miavaka kokoa ny fanetren-tena nasehon’i Paoly rehefa marihintsika ny fomba nampiasan’i Jehovah Andriamanitra azy tamin-kery. Ohatra, vakintsika fa “ny tànan’i Paoly no nanaovan’Andriamanitra fahagagana lehibe maro”. (Asan’ny Apostoly 19:11, 12). Mihoatra noho izany, dia nomena fahitana sy fanambarana hafa dia hafa izy. (2 Korintiana 12:1-7). Tsy tokony hodiantsika tsy hita koa ny nahazoany tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra mba hanoratra ny 14 amin’ireo boky 27 (taratasy raha ny marina) mahaforona ny Soratra Grika Kristiana. Tsy nahatonga azy ho nieboebo izany rehetra izany. Nanetry tena hatrany izy.
Ohatra amin’ny andro ankehitriny
14-16. a) Tamin’ny ahoana no oha-panetren-tena tsara dia tsara ny prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower? b) Mampiseho fifanoherana manaitra amin’ny an’iza moa ny ohatra nomeny?
14 Ao amin’ny Hebreo 13:7, dia vakintsika toy izao ny torohevitry ny apostoly Paoly: “Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.” Amin’ny fanarahana io fotopoto-pitsipika io, isika dia afaka maka ho ohatra amin’ny andro ankehitriny, ny an’ny prezidà voalohan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, i Charles Taze Russell, izay azontsika tahafina ny finoany. Lehilahy nanetry tena ve izy? Izany marina tokoa izy! Araka ny voamarika tsara tao amin’ny Études des Écritures, boky enina nosoratany misy pejy 3 000 eo ho eo, dia tsy misy na dia indray mandeha aza firesahana nataony momba ny tenany. Manaraka izany fotopoto-pitsipika izany amin’izao andro izao ireo zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, amin’ny tsy fanintonana ny saina ho amin’ny olona, amin’ny alalan’ny fampahafantarana ireo mpanoratra ireo lahatsoratra.
15 Nanoratra tao amin’ny Watch Tower i Russell indray mandeha fa tsy nahafantatra mihitsy izay atao hoe “Russellisme” sy hoe “Russelliste” izy, fitenenana nampiasain’ireo mpanohitra azy, nefa nolaviny tanteraka. Izao no nosoratany: “Ny asanay (...) dia ny manambatra ireo sombintsombim-pahamarinana nihahaka efa hatry ny ela ary ny manolotra azy ireny amin’ny olon’ny Tompo — tsy amin’ny maha-vaovao, tsy amin’ny maha-anay azy, fa amin’ny maha-an’ny Tompo azy. (...) Ny asa izay nankasitrahan’ny Tompo ny nampiasana ny fahaizanay kely dia kely dia tsy inona akory fa asa iray fanorenana indray sy fanitsiana ary fampirindrana fotsiny fa tsy hoe asa fanombohana iray.” Nanambara tokoa ny fihetseham-pon’ny apostoly Paoly izy, araka izay hita ao amin’ny 1 Korintiana 3:5-7.
16 Ny fihetsiny dia nifanohitra tanteraka tamin’ny an’i Charles Darwin. Tamin’ny 1859, tao amin’ny fanontana voalohany tamin’ilay bokiny hoe L’Origine des espèces, dia niresaka foana ny amin’ny hoe “tsangan-kevitro” i Darwin, tamin’ny finiavana tsy hahalala izay nolazain’ny olon-kafa teo alohany momba ny fivoarana miandalana. I Samuel Butler, mpanoratra nalaza iray tamin’izany taonjato izany, dia nanameloka an’i Darwin rehefa nampahatsiahy fa olona hafa maro no efa nanolotra ny petra-kevitra ny amin’ny fivoarana miandalana teo aloha; tsy avy amin’i Darwin velively izy io.
17. Inona avy no ohatra fanampiny ny amin’ny fananan’ny Rahalahy Rutherford fanetren-tena?
17 Mpanompo hafa iray nahatoky izay nampiasain’i Jehovah Andriamanitra imbetsaka tamin’ny andro ankehitriny, i Joseph F. Rutherford voalaza teo am-piandohana. Izy dia mpiaro feno fahasahiana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ary indrindra ny anaran’i Jehovah. Na dia hoe i Rutherford Mpitsara aza no nahalalan’ny maro azy, dia lehilahy nanetry tena izy raha ny marina. Ohatra, nanao fanambarana feno fitompoan-teny fantatra izy indray mandeha momba izay azon’ny Kristiana nandrasana tamin’ny 1925. Rehefa hita fa tsy nanohana ny fiandrasany ireo fisehoan-javatra, dia nilaza tamim-panetren-tena tamin’ny fianakavian’ny Betelan’i Brooklyn izy fa naneho tsy fahaiza-nitsara zavatra ny tenany. Ny Kristiana voahosotra iray izay tena nifandray akaiky taminy dia nanamarina fa imbetsaka izy no nandre ny Rahalahy Rutherford niala tsiny ampahibemaso sy manokana, tamin’ny toe-tsaina nifanaraka tamin’izay voalaza ao amin’ny Matio 5:23, 24, noho ny nandratrana Kristiana iray tamin’ny fitenenana tsy voahevitra sasany. Mila fanetren-tena ny olona iray manana toerana misy fahefana mba hialana tsiny amin’ireo izay eo ambany fifehezany. Ny Rahalahy Rutherford dia nanome ohatra tsara dia tsara ho an’ireo mpiandraikitra rehetra, na ao amin’ny kongregasiona iray izy, na ao amin’ny asa fitetezam-paritany, na ao amin’ny iray amin’ireo sampan’ny Fikambanana.
18. Fitenenana mampiseho toe-tsaina manetry tena inona moa no nataon’ny prezidà fahatelon’ny Fikambanana?
18 I Nathan H. Knorr, ny prezidà fahatelon’ny Watch Tower Bible and Tract Society koa dia nampiseho fa na dia niavaka aza izy teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, dia tsy nihevi-tena ho ambony noho ny toerany. Na dia nanan-tombo aza izy tamin’ny fahaiza-mandamin-javatra sy ny fitenenana ampahibemaso, dia nanana fanajana lehibe izay nataon’ny hafa izy. Ohatra, indray mandeha izy dia nitsidika tao amin’ny biraon’ny mpikambana iray tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana ka nilaza toy izao: “Eto no toerana lehibe indrindra ary koa ny toerana anaovana ny asa sarotra indrindra. Izany no antony tsy nanaovako firy tamin’izy io.” Eny, nampihariny tamim-panetren-tena ny torohevitra ao amin’ny Filipiana 2:3 (NW ), izay milaza fa ‘amin’ny fananana saina tsy manambony tena, dia tokony hihevitra ny hafa ho ambony noho ny tenany ny olona iray’. Takany fa na dia zava-dehibe aza ny nanompoana tamin’ny naha-prezidàn’ny Fikambanana, dia zava-dehibe koa ireo asa hafa. Nila fanetren-tena avy taminy ny fahatsapana sy ny filazana izany tamin’ny teny mazava erỳ. Ohatra tsara dia tsara hafa tokony hotahafin’ny rehetra izy, indrindra fa ireo izay mety hanana toeram-piandraiketana miavaka.
19, 20. a) Oha-panetren-tena inona moa no nomen’ny prezidà fahefatry ny Fikambanana? b) Fanampiana inona moa no homen’ny lahatsoratra manaraka ho antsika mba hanehoana fanetren-tena?
19 I Fred W. Franz, ny prezidà fahefatry ny Fikambanana koa dia oha-panetren-tena iray tsara dia tsara. Tamin’ny naha-prezidà lefitry ny Fikambanana azy nandritra ny 32 taona teo ho eo, dia nandray anjara betsaka tamin’ny fanoratana ireo gazety sy ny fandaharan’ireo fivoriamben’ny distrika izy; kanefa, dia nitana lalandava toerana tsy nisehoseho izy tamin’io lafiny io ary tsy nitady velively ny hahazo ny fiheverana. Azo tononina ny ohatra tranainy iray mitovy amin’izany. Rehefa nandresy ny Amonita tao Raba i Joaba, dia nataony izay hahazoana antoka fa i Davida Mpanjaka no hahazo ny voninahitra noho izany fandresena izany. — 2 Samoela 12:26-28.
20 Marina tokoa fa maro ireo ohatra tsara dia tsara, tamin’ny lasa sy ankehitriny, manome antsika antony mahery mba hanetren-tena. Kanefa, isika dia manana antony fanampiny maro tokony hanetren-tena, ka ireny ary koa ireo fanampiana mba hahafahantsika hanetry tena dia hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny hoe “mampietry tena” dia matetika ampiasaina miaraka amin’ny heviny hoe “miseho ho ambony”. Nefa ny heviny voalohany — ary ny heviny ao amin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao — dia hoe “milefitra”, “mahafoy an-tsitrapo ny tombontsoa raha ny amin’ny laharana”. — Jereo ny Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary.
b Eksodosy 34:6; Nomery 14:18; Nehemia 9:17; Salamo 86:15; 103:8; 145:8; Joela 2:13; Jona 4:2; Nahoma 1:3.
Tadidinao Ve?
◻ Inona no nanjary vokatry ny avonavona?
◻ Iza no nanome ny oha-panetren-tena tsara dia tsara indrindra?
◻ Inona no mampiseho hoe iza no oha-panetren-tena lehibe indrindra faharoa?
◻ Oha-panetren-tena tsara dia tsara inona no nomen’ny apostoly Paoly?
◻ Oha-panetren-tena miavaka lehibe amin’ny andro ankehitriny inona avy no ananantsika?
[Sary, pejy 15]
Nanome porofo tsara dia tsaran’ny fananana fanetren-tena i Jesosy
[Sary, pejy 16]
Nanome oha-panetren-tena tsara dia tsara i Paoly
[Sary, pejy 17]
Tsy naka ny voninahitra ho an’ny tenany ny Rahalahy Russell noho ireo zavatra nosoratany