“Fanompoana Masina Amin’ny Fahaizanareo Manjohy Hevitra”
‘Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, azon’Andriamanitra ekena, ho fanompoana masina amin’ny fahaizanareo manjohy hevitra.’ — ROMANA 12:1, NW.
1, 2. Amin’ny ahoana ny fianarana mampihatra fotopoto-pitsipiky ny Baiboly no mitovy amin’ny fahaizana tsara fiteny vaovao iray?
EFA mba nanandrana nianatra fiteny vaovao iray ve ianao? Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa hanaiky ianao fa asa mafy izany. Raha dinihina tokoa, dia misy zavatra bebe kokoa tafiditra amin’izany noho ny hoe mianatra teny vaovao fotsiny. Ny fahaizana mampiasa fiteny iray dia mitaky koa ny fahaizana tsara ny fitsipi-pitenenana. Tsy maintsy takatrao ny fomba ifandraisan’ireo teny eo amin’izy samy izy sy ny fomba ikambanan’izy ireo mba hahaforona hevitra feno.
2 Izany dia mitovy amin’ny fahazoantsika fahalalana ny Tenin’Andriamanitra. Misy zavatra bebe kokoa tafiditra amin’izany noho ny hoe mianatra andinin-teny mitokantokana ao amin’ny Soratra Masina fotsiny. Tsy maintsy mianatra ny fitsipi-pitenenan’ny Baiboly koa isika, raha azo atao ny milaza izany. Ilaintsika ny mahatakatra ny fomba ifandraisan’ireo andinin-teny eo amin’izy samy izy sy ny fomba iasany ho fotopoto-pitsipika izay azo ampiharina eo amin’ny fiainana andavanandro. Amin’izay isika dia ho afaka hanjary “hanana fahaizana feno, ho tena ampy fitaovana ho amin’ny asa tsara rehetra”. — 2 Timoty 3:17, NW.
3. Mahakasika ny fanompoana an’Andriamanitra, fiovana inona no nitranga tamin’ny taona 33 am.f.i.?
3 Teo ambanin’ilay fandaharana nisy ny fehezan-dalàna momba ny Lalàn’i Mosesy dia azo naseho tamin’ny ampahany lehibe ny fahatokiana, tamin’ny fifikirana amin’ireo fitsipika voafaritra tsara. Tamin’ny taona 33 am.f.i. anefa, dia nofoanan’i Jehovah ny Lalàna, raha ny marina dia “nohomboany tamin’ny hazofijaliana” izay namonoana ny Zanany. (Kolosiana 2:13, 14). Taorian’izay ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy nomena lisitra lava be ny amin’ireo fanatitra tokony hatolotra sy ireo fitsipika tokony harahina. Nilazana toy izao kosa izy ireo: ‘Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, azon’Andriamanitra ekena, ho fanompoana masina amin’ny fahaizanareo manjohy hevitra.’ (Romana 12:1, NW ). Eny, ny Kristiana dia tokony hanome avy amin’ny tenany, amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny heriny rehetra eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Marka 12:30; ampitahao amin’ny Salamo 110:3.) Inona no dikan’ny hoe manolotra “fanompoana masina amin’ny fahaizanareo manjohy hevitra”?
4, 5. Inona no tafiditra amin’ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fahaizantsika manjohy hevitra?
4 Ilay fitenenana hoe ‘fahaizana manjohy hevitra’ dia nadika avy amin’ilay teny grika hoe lo·gi·kosʹ, izay midika hoe “mahay manjohy hevitra” na “marani-tsaina”. Takina mba hampiasa ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy mampiorina ny fanapahan-keviny amin’ny fitsipika maro be natao mialoha ny Kristiana, fa maka ambony maka ambany amim-pitandremana kosa ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Mila ny mahatakatra ny “fitsipi-pitenenana” ao amin’ny Baiboly sy ny fomba ifandraisan’ireo fotopoto-pitsipika maro samihafa eo amin’izy samy izy, izy ireo. Amin’izay izy ireo dia afaka manao fanapahan-kevitra voalanjalanja amin’ny fahaizany manjohy hevitra.
5 Midika ve izany fa tsy manan-dalàna ny Kristiana? Azo antoka fa tsy izany. Ny Soratra Grika Kristiana dia mandrara mazava tsara ny fanompoan-tsampy sy ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny famonoana olona, ny lainga, ny spiritisma sy ny fampiasana ny ra amin’ny fomba ratsy ary ota hafa maro samihafa. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 1 Korintiana 6:9, 10; Apokalypsy 21:8). Amin’ny ambaratonga lehibe lavitra noho izay notakina tamin’ireo Isiraelita anefa, dia tsy maintsy mampiasa ny fahaizantsika manjohy hevitra isika mba hianarana sy hampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Be itoviana amin’ny fahatakarana fiteny vaovao iray, izany dia mitaky fotoana sy ezaka. Ahoana no azo anatsarana ny fahaizantsika manjohy hevitra?
Fanatsarana ny fahaizanareo manjohy hevitra
6. Mahatafiditra inona ny fianarana ny Baiboly?
6 Voalohany, dia tsy maintsy mpianatra ny Baiboly mafana fo isika. Ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry dia “mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny”. (2 Timoty 3:16, NW ). Tsy tokony hanantena valin’ny zava-manahirana iray hisongadina ao amin’ny andinin-teny tokana ao amin’ny Baiboly foana isika. Mety ho voatery kosa isika hanjohy hevitra avy amin’ny andinin-teny maromaro izay manazava toe-javatra manokana iray na zava-manahirana manokana iray. Hila ny hanao fikarohana amim-paharisihana ny fiheveran’Andriamanitra an’ilay raharaha isika. (Ohabolana 2:3-5). Mila fahazoana hevi-javatra koa isika, satria “ny olona mahazo hevi-javatra no mahazo fitarihana mampiseho fahaizana”. (Ohabolana 1:5, NW ). Ny olona iray mahazo hevi-javatra dia afaka mampisaraka ireo anton-javatra manokana amin’ny raharaha iray, ary avy eo dia mahatakatra ny fifandraisany eo amin’izy samy izy. Toy ny amin’ny lalao piozila, ny olona iray mahazo hevi-javatra dia hanambatra ireo tapatapa-tsary mba hahitany ilay sary manontolo.
7. Ahoana no azon’ireo ray aman-dreny anjohian-kevitra amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly momba ny fifehezana?
7 Ohatra, raiso ny raharaha momba ny maha-ray aman-dreny. Milaza ny Ohabolana 13:24 fa ny ray tia ny zanany dia “manafay azy”. Raha raisina amin’izao fotsiny io andinin-teny io dia azo ampiharina amin’ny fomba diso mba hanamarinana fanasaziana henjana sy tsy misy antra. Ny Kolosiana 3:21 anefa dia manome fananarana mampifandanja izany: “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” Ireo ray aman-dreny izay mampiasa ny fahaizany manjohy hevitra ka mampifanaraka ireo fotopoto-pitsipika ireo dia tsy hampiasa fifehezana izay azo lazaina hoe “mampijalijaly”. Hitondra ireo zanany amin-kafanana sy amin’ny fahazoana ny fiheviny ary amim-pahamendrehana, izy ireo. (Efesiana 6:4). Araka izany, amin’ny raharaha momba ny ray aman-dreny na amin’izay mety ho raharaha hafa mahatafiditra fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, dia afaka mampitombo ny fahaizantsika manjohy hevitra isika amin’ny fakana ambony fakana ambany ireo anton-javatra mifandray rehetra. Amin’izany fomba izany isika dia afaka mahatakatra ny “fitsipi-pitenenan’ireo” fotopoto-pitsipiky ny Baiboly sy izay nokasain’Andriamanitra ary ny fomba anatanterahana izany.
8. Ahoana no azontsika analavirana fomba fijery henjana sy mitompo teny fantatra raha ny amin’ny fanarian-dia?
8 Ny fomba faharoa ahafahantsika manatsara ny fahaizantsika manjohy hevitra dia ny fanalavirana ireo fomba fijery henjana sy mitompo teny fantatra. Ny fomba fijery tsy milefitra dia manakantsakana ny fitomboan’ny fahaizantsika manjohy hevitra. Diniho ny raharaha momba ny fanarian-dia. Hoy ny Baiboly: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Milaza ve izany fa izay boky rehetra, na sary mihetsika rehetra, na fandaharana ao amin’ny televiziona rehetra avoakan’izao tontolo izao dia mikororosy sy araka an’i Satana avokoa? Tsy mahalala ny antonona velively ny fiheverana toy izany. Mazava ho azy fa ny sasany dia mety hifidy ny hanalavitra tanteraka ny televiziona na ny sary mihetsika na ny zavatra vita an-tsoratra tsy ara-pivavahana. Zon’izy ireo izany, ary tsy tokony hokianina noho izany izy ireo. Kanefa dia tsy tokony hanandrana hanery ny hafa hanana fiheverana hentitra toy izany koa izy ireo. Ny Fikambanana dia namoaka lahatsoratra milaza ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izay tokony hahatonga antsika hahay hifantina amim-pahendrena ny fialam-bolintsika na ny fanarian-diantsika. Faran’izay tsy mampiseho fahendrena ny fihoarana ireny toro lalana ireny sy ny fampisetrana loza ny tenantsika amin’ny fisainana maloto ara-pitondran-tena, na amin’ny herisetra miharihary, na amin’ny spiritisma izay ao amin’ny maro amin’ny fanarian-dian’itỳ tontolo itỳ. Marina tokoa fa ny safidy mampiseho fahendrena eo amin’ny fanarian-dia dia mitaky ny hampiasantsika ny fahaizantsika manjohy hevitra mba hampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ka hananana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona. — 1 Korintiana 10:31-33.
9. Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “fahaiza-manavaka feno”?
9 Maro amin’ireo fanarian-dia amin’izao andro izao no miharihary fa tsy mety ho an’ny Kristiana.a Noho izany, dia tsy maintsy mampiofana ny fontsika ‘hankahala ny ratsy’ isika mba tsy hahatonga antsika ho sahala amin’ny sasany tamin’ny taonjato voalohany izay ‘tsy nahalala henatra intsony’. (Salamo 97:10; Efesiana 4:17-19). Mba hanjohian-kevitra amin’ny raharaha toy izany, dia mila “fahalalana araka ny marina sy fahaiza-manavaka feno” isika. (Filipiana 1:9, NW ). Ilay teny grika nadika hoe “fahaiza-manavaka” dia midika hoe “fahatakarana mora tohina ny amin’ny tsara sy ny ratsy”. Io teny io dia manisy fitenenana ny amin’ny vavahadin-tsain’olombelona ara-bakiteny, toy ny fahitana. Raha ny amin’ny fanarian-dia na ny amin’izay mety ho raharaha hafa mitaky fanapahan-kevitra manokana, ny fahalalantsika ny tsara sy ny ratsy dia tokony hamboarina tsara mba hahafahantsika hahatakatra, tsy ireo zavatra voafaritra miavaka tsara, izay mibaribary fa ratsy na tsara ihany, fa ireo eo anelanelan’izany koa. Amin’izay fotoana izay ihany, dia tokony hohalavirintsika ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly amin’ny fomba tafahoatra tsy amin’ny antonona, sy ny fanantitranterana ny hanaovan’ireo rahalahintsika rehetra toy izany. — Filipiana 4:5, NW .
10. Ahoana no ahafahantsika ho tonga amin’ny fahatakarana ny toetra maha-izy an’i Jehovah araka ny hita taratra ao amin’ny Salamo faha-15?
10 Ny fomba fahatelo hanatsarana ny fahaizantsika manjohy hevitra dia ny fahafantarana ny fisainan’i Jehovah sy ny fandentehana izany lalina ao am-pontsika. Ao amin’ny Teniny, i Jehovah dia mampiharihary ny toetra maha-izy azy sy ny fari-pitsipiny. Ao amin’ny Salamo faha-15, ohatra, dia vakintsika ny amin’ny karazan’olona asain’i Jehovah hivahiny ao amin’ny tabernakeliny. Ny olona toy izany dia manao izay mahitsy sy misaintsaina ny marina ny fony, mitana ny fampanantenany, ary tsy manararaotra amim-pitiavan-tena ny hafa. Eo am-pamakiana io salamo io, dia manontania tena hoe: ‘Milazalaza ny tenako ve ireo toetra ireo? Hanasa ahy hivahiny ao amin’ny tabernakeliny ve i Jehovah?’ Hatanjahina ny fahaizantsika mahatakatra hevi-javatra arakaraka ny manjary ifanarahantsika amin’ireo fomba sy fisainan’i Jehovah. — Ohabolana 3:5, 6; Hebreo 5:14.
11. Tamin’ny ahoana ny Fariseo no ‘nandalo ny fitsarana sy ny fitiavana an’Andriamanitra’?
11 Tamin’io lafiny manokana io ny Fariseo no nahitana lesoka be. Fantatry ny Fariseo ny rafitra teknikan’ny Lalàna saingy tsy afaka nahatakatra ny “fitsipi-pitenenany” izy ireo. Afaka nanao tsianjery tsipirian’ny Lalàna tsy toko tsy forohana izy ireo, saingy tsy nahatakatra ny toetra maha-izy an’ilay Persona tao ambadik’izany. Izao no nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo: “Mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra hianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’Andriamanitra”. (Lioka 11:42). Noho ny sainy henjana sy ny fony mafy, dia tsy nampiasa ny fahaizany manjohy hevitra ny Fariseo. Nanjary niharihary ny fanjohian-keviny niovaova rehefa nanakiana ny mpianatr’i Jesosy ho nioty vary ka nihinana ny voany tamin’ny Sabata izy ireo; kanefa taoriana kokoa tamin’iny andro iny, dia tsy nenjehin’ny feon’ny fieritreretany akory izy ireo rehefa nitetika ny hamono an’i Jesosy! — Matio 12:1, 2, 14.
12. Ahoana no hahafahantsika hanjary hifanaraka kokoa amin’i Jehovah amin’ny maha-Persona azy?
12 Maniry ny tsy hitovy amin’ny Fariseo isika. Ny fahalalantsika ny Tenin’Andriamanitra dia tsy maintsy manampy antsika hanjary hifanaraka kokoa amin’i Jehovah amin’ny maha-Persona azy. Ahoana no ahafahantsika manao izany? Rehefa avy namaky tapany iray tao amin’ny Baiboly na zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly ny olona sasany dia nahazo fanampiana tamin’ny fisaintsainana fanontaniana toy ireto: ‘Inona no ampianarin’itỳ filazana itỳ amiko momba an’i Jehovah sy ny toetrany? Ahoana no ahafahako mampiseho ireo toetran’i Jehovah eo amin’ny fifampiraharahako amin’ny hafa?’ Ny fisaintsainana fanontaniana toy izany dia mampitombo ny fahaizantsika manjohy hevitra ary mahatonga antsika hanjary ‘mpanahaka an’Andriamanitra’. — Efesiana 5:1.
Mpanompon’Andriamanitra sy i Kristy, fa tsy olona
13. Tamin’ny ahoana ny Fariseo no niasa nitovitovy tamin’ny mpandidy ny amin’izay tsara sy izay ratsy?
13 Ireo loholona dia tokony hamela ireo izay eo ambany fikarakarany hampiasa ny fahaizany manjohy hevitra. Tsy mpanompon’olona akory ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona. “Raha mbola mila sitraka amin’olona aho”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “dia tsy mpanompon’i Kristy.” (Galatiana 1:10; Kolosiana 3:23, 24). Mifanohitra amin’izany fa nirin’ny Fariseo ny hinoan’ny olona fa zava-dehibe kokoa ny fahazoana ny fankasitrahan’olona noho ny an’Andriamanitra. (Matio 23:2-7; Jaona 12:42, 43). Nanendry ny tenany ho tonga mpandidy ny amin’izay tsara sy izay ratsy ny Fariseo, dia mpandidy izay nanao ny fitsipiny manokana ary avy eo dia nitsara ny hafa arakaraka ny nananan’izy ireny ireo toetra nifanentana tamin’izany. Ireo izay nanaraka ny Fariseo dia nihaosa teo amin’ny fampiasany ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly, tonga mpanompon’olona raha ny marina.
14, 15. a) Ahoana no ahafahan’ireo loholona miseho ho mpiara-miasa amin’ny andian’ondry? b) Ahoana no tokony hikarakaran’ny loholona ireo raharaha mahakasika ny feon’ny fieritreretana?
14 Fantatr’ireo loholona kristiana amin’izao andro izao fa tsy eo anatrehan’izy ireo voalohany indrindra akory no ampamoahana ny andian’ondry. Tsy maintsy mitondra ny entany avy ny Kristiana tsirairay. (Romana 14:4; 2 Korintiana 1:24; Galatiana 6:5). Izany no tokony ho izy. Raha tokony ho mpanompon’olona tokoa ireo anisan’ny andian’ondry, ka mankato fotsiny satria misy manara-maso, dia inona no hataon’izy ireo rehefa tsy eo ireny olona ireny? Nanana antony nifaliana ny amin’ireo Filipiana i Paoly: “Tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.” Tena mpanompon’i Kristy marina izy ireo fa tsy mpanompon’i Paoly. — Filipiana 2:12.
15 Noho izany, eo amin’ireo raharaha mahakasika ny feon’ny fieritreretana, ireo loholona dia tsy manao fanapahan-kevitra ho an’ireo izay eo ambany fikarakarany. Manazava ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly tafiditra amin’ny raharaha iray izy ireo, ary avy eo dia mamela ny isam-batan’olona tafiditra amin’izany hampiasa ny fahaizany manjohy hevitra mba hanaovana fanapahan-kevitra. Andraikitra lehibe izany, kanefa dia andraikitra iray tsy maintsy zakain’ny tenan’ilay olona.
16. Rafitra inona no nisy teo amin’ny Isiraely mba handaminana ireo zava-nanahirana?
16 Hevero ilay fe-potoana nampiasan’i Jehovah mpitsara mba hitarika ny Isiraely. Milaza amintsika toy izao ny Baiboly: “Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Isiraely tamin’izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.” (Mpitsara 21:25). Kanefa dia tena nanome ho an’ny vahoakany fomba hahazoana fitarihana i Jehovah. Ny tanàna rehetra dia samy nanana loholona izay afaka nanome fanampiana matotra momba ireo fanontaniana sy zava-nanahirana. Fanampin’izany, ireo mpisorona levita dia niasa ho hery ho amin’ny tsara tamin’ny fampianarana ny vahoaka ny lalàn’Andriamanitra. Rehefa nisy raharaha sarotra manokana nipoitra, dia afaka nanontany an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima ny mpisoronabe. Manazava toy izao ny Insight on the Scriptures: “Ny isam-batan’olona izay nanararaotra ireny fandaharana ireny, izay nahazo fahalalana momba ny lalàn’Andriamanitra ka nampihatra izany, dia nanana fitarihana marim-pototra ho an’ny feon’ny fieritreretany. Ny fanaovany izay ‘nataony ho marina’ tamin’ny toe-javatra toy izany dia tsy ho nitarika ho amin’ny ratsy. Navelan’i Jehovah ny olona hampiseho fihetsika sy fiainana feno fahavononana na feno tsy fahavononana.” — Boky faha-2, pejy faha-162-163.b
17. Ahoana no ahafahan’ireo loholona mampiseho fa manome torohevitra araka ny fari-pitsipik’Andriamanitra izy fa tsy araka ny azy ireo manokana?
17 Sahala amin’ireo mpitsara sy mpisorona isiraelita, ireo loholon’ny kongregasiona dia manome fanampiana matotra momba ireo zava-manahirana ary manome torohevitra sarobidy. Indraindray aza izy ireo dia ‘mandresy lahatra, mampirisika, mananatra mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra’ mihitsy. (2 Timoty 4:2). Manao izany izy ireo, araka ny fari-pitsipik’Andriamanitra fa tsy ny azy manokana. Mandaitra toy inona moa izany rehefa mamela ohatra sy miezaka manohina ny fo ireo loholona!
18. Nahoana no mandaitra indrindra ny anohinan’ireo loholona ny fo?
18 Ny fo no “maotera” ho an’ny asa kristiana ataontsika. Noho izany, dia hoy ny Baiboly: “Avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23). Ireo loholona izay manentana ny fo dia hahita fa, avy amin’izany ireo izay ao amin’ny kongregasiona dia voatosika hanao izay rehetra azony atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Izy ireo ihany no hampandeha ny tenany, fa tsy mila foana ny hatosiky ny hafa. Tsy maniry fankatoavana an-tery i Jehovah. Mitady fankatoavana izay avy amin’ny fo feno fitiavana izy. Ireo loholona dia afaka mampirisika hanao fanompoana vokatry ny fanosehan’ny fo toy izany amin’ny fanampiana ireo ao anatin’ny andian’ondry mba hampitombo ny fahaizany manjohy hevitra.
Fambolena ny “sain’i Kristy”
19, 20. Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mamboly ny sain’i Kristy?
19 Araka ny nomarihina, dia tsy ampy ny mahafantatra fotsiny ny lalàn’Andriamanitra. “Ataovy izay hahazoako hevi-javatra”, hoy ny fitalahoan’ny mpanao salamo, “mba hanarahako ny lalànao sy mba hitandremako azy io amin’ny foko manontolo.” (Salamo 119:34, NW ). Nahariharin’i Jehovah tao amin’ny Teniny ny “sain’i Kristy”. (1 Korintiana 2:16). Namela ohatra tonga lafatra ho antsika i Jesosy, tamin’ny naha-olona iray nanompo an’i Jehovah tamin’ny fahaizany manjohy hevitra. Nahazo ny hevitry ny lalàna sy ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra izy, ary nampihatra azy ireny tamin’ny fomba tsy azo nokianina. Amin’ny fianarana ny ohatra navelany, isika dia ‘hahay (...) hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana’. (Efesiana 3:17-19). Eny, izay ianarantsika avy ao amin’ny Baiboly momba an’i Jesosy dia mihoatra lavitra noho ny fahafantarana zavatra maro be fotsiny; izany dia manome antsika sary mazava ny amin’ny hoe toy inona moa i Jehovah mihitsy. — Jaona 14:9, 10.
20 Araka izany, eo am-pianarantsika ny Tenin’Andriamanitra, dia afaka manavaka ny fisainan’i Jehovah momba ireo raharaha isika ary tonga amin’ny fanapahan-kevitra voalanjalanja. Hitaky ezaka izany. Tsy maintsy tonga mpianatra ny Tenin’Andriamanitra mafana fo isika, manao izay hahatonga ny tenantsika ho mora andairan’ny toetra maha-izy an’i Jehovah sy ny fari-pitsipiny. Eo am-pianarana fitsipi-pitenenana vaovao isika, raha azo atao ny milaza izany. Ireo izay manao izany anefa dia hanaraka ny fananaran’i Paoly mba ‘hanolotra ny tenany ho fanatitra velona, masina, eken’Andriamanitra, ho fanompoana masina amin’ny fahaizany manjohy hevitra.’ — Romana 12:1, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Izany dia manilika ny fanarian-dia izay mirakitra zavatra araka ny demonia sy vetaveta na feno halozana, mbamin’ilay antsoina hoe fanarian-dian’ny fianakaviana izay mampirisika hevitra momba ny fananana firaisana amin’olona samihafa, na momba ny fileferana loatra, dia hevitra izay tsy azon’ny Kristiana ankasitrahana.
b Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Inona no Nianaranao?
◻ Fiovana inona nahakasika ny fanompoana an’Andriamanitra no nitranga tamin’ny taona 33 am.f.i.?
◻ Ahoana no ahafahantsika manatsara ny fahaizantsika manjohy hevitra?
◻ Ahoana no ahafahan’ireo loholona manampy an’ireo ao amin’ny andian’ondry ho tonga mpanompon’Andriamanitra sy i Kristy?
◻ Nahoana isika no tokony hamboly “ny sain’i Kristy”?
[Sary, pejy 23]
Manampy ny hafa hampiasa ny fahaizany manjohy hevitra, ireo loholona