FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/5 p. 21-23
  • Fanohinana ny Fo Amin’ny Fahaiza-mandresy Lahatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanohinana ny Fo Amin’ny Fahaiza-mandresy Lahatra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampiasana fandresen-dahatra eny amin’ny fanompoana
  • Fiatrehana ny fihetseham-po
  • Ny Fomba Handresen-dahatra ny Hafa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Tandremo Tsara ny ‘Fahaizanao Mampianatra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ahoana no Hanampiana ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Tohino ny Fon’ny Olona Miara-Mianatra Baiboly Aminao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/5 p. 21-23

Fanohinana ny Fo Amin’ny Fahaiza-mandresy Lahatra

OLONA maro no maodimaody rehefa ilay teny hoe “fandresen-dahatra” no asian-teny. Izy io dia mety hahatonga ny olona iray hieritreritra ny amin’ny mpivarotra mahay mandahatra iray, na ny dokam-barotra iray natao hamitahana na hanararaotana ny mpividy. Na ao amin’ny Baiboly aza, dia misy dikany ratsy ny hevitra ny amin’ny fandresen-dahatra indraindray, mampiseho fanimbana na fitaomana hivily. Ohatra, i Paoly, apostoly kristiana dia nanoratra toy izao ho an’ny Galatiana: “Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? Izany fitaomana [“karazana fandresen-dahatra”, NW ] izany dia tsy avy tamin’Ilay miantso anareo.” (Galatiana 5:7, 8). I Paoly koa dia nampitandrina ny Kolosiana mba tsy hamela olona na iza na iza ‘hampahadiso hevitra azy ireo amin’ny teny toa marina [“fanaporofoan-kevitra mandresy lahatra”, NW ]’. (Kolosiana 2:4). Izany fandresen-dahatra izany dia miankina amin’ny fanaporofoan-kevitra feno hafetsena miorina amin-javatra diso.

Nampiasa ny hevitry ny fandresen-dahatra tamin’ny heviny hafa kosa anefa ny apostoly Paoly, tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty. Hoy ny nosoratany: “Manohiza amin’izay zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao mba hinoana, fa fantatrao izay olona nianaranao an’izany”. (2 Timoty 3:14, NW ). Rehefa ‘noresen-dahatra mba hino’ i Timoty, dia tsy hoe nohararaotin’ny reniny sy ny renibeny, izay nampianatra azy ny fahamarinana ara-tsoratra masina akory izy. — 2 Timoty 1:5.a

Raha mbola tao amin’ny trano nanagadrana azy tany Roma i Paoly, dia nanao fanambarana feno tamin’olona maro, “hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, ary ny teny eo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany no [nandreseny lahatra, NW ] azy hino an’i Jesosy”. (Asan’ny Apostoly 28:23). Namitaka ny mpihaino azy ve i Paoly? Tsy izany velively! Mazava àry, fa tsy zavatra ratsy foana akory ny fandresen-dahatra.

Raha ampiasaina amin’ny heviny tsara ilay fototeny grika nadika hoe “mandresy lahatra”, dia midika hoe mampiaiky, mitondra fiovana eo amin’ny saina, amin’ny alalan’ny fanjohian-kevitra marim-pototra sy lojika. Noho izany, ny mpampianatra iray dia afaka mampiasa ny Soratra Masina ho fototra, ka ny fandresen-dahatra no entiny mandentika tsikelikely ao amin’ny hafa ny fiekena mafy an’ireo fahamarinana ara-baiboly. (2 Timoty 2:15). Tena namantarana ny fanompoan’i Paoly tokoa izany. Na dia i Demetrio mpanefy volafotsy, izay nihevitra ny fampianarana kristiana ho diso, aza, dia nanamarika hoe: “Tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an’i Asia rehetra dia mitaona [“mandresy lahatra”, NW ] olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny sainy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tànana.” — Asan’ny Apostoly 19:26.

Fampiasana fandresen-dahatra eny amin’ny fanompoana

Nanome toromarika ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy Kristy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19, 20). Mankatò io baiko io ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maherin’ny 230. Isam-bolana, tamin’ny taom-panompoany 1997, dia nitarika fampianarana Baiboly 4 552 589 izy ireo, naneran-tany.

Raha manana tombontsoa hitarika fampianarana Baiboly ianao, dia mety ho afaka hiomana ho amin’ny zava-tsarotra izay hitaky ny fahaiza-mandresy lahatra. Ohatra, aoka hatao hoe hisy fanontaniana hipetraka momba ny Trinite amin’ny fotoam-pianaranareo manaraka. Ahoana raha fantatrao fa mino an’io foto-pampianarana io ilay mpianatrao? Mety hanome azy boky miresaka an’io foto-kevitra io ianao. Rehefa voavakiny izany, dia mety ho hitanao fa resy lahatra izy hoe tsy mitovy Andriamanitra sy i Jesosy. Ahoana anefa no hataonao raha mbola misy fanontaniana tavela?

Mihainoa amim-pitandremana. Izany dia hanampy anao hahita izay zavatra efa inoan’ilay mpianatrao momba ny foto-kevitra iray. Raha milaza, ohatra, ilay mpianatrao hoe “Mino ny Trinite aho”, dia mety hanomboka haingana dinidinika iray miorina amin’ny Soratra Masina ianao, mba hanaporofoana fa diso io foto-pampianarana io. Samy hafa anefa ny zavatra inoana mahakasika ny Trinite. Mety hino zavatra hafa tanteraka noho izay hamaritanao ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite ilay mpianatrao. Marina koa izany raha ny amin’ny zavatra inoana hafa, toy ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao sy ny tsy fetezan-ko fatin’ny fanahy ary ny famonjena. Noho izany, dia mihainoa amim-pitandremana, alohan’ny hitenenana. Aza miseho ho mahafantatra mialoha izay inoan’ilay mpianatra. — Ohabolana 18:13.

Mametraha fanontaniana. Mety ho anisan’izany ny hoe: ‘Efa nino ny Trinite foana ve ianao? Efa mba nianatra tamin’ny fomba feno izay lazain’ny Baiboly momba an’io foto-kevitra io ve ianao? Raha anisan’ny trinite iray Andriamanitra, tsy hilaza izany mazava sy mivantana amintsika ve ny Teniny, dia ny Baiboly?’ Rehefa mampianatra an’ilay mpianatra ianao, dia mametraha fanontaniana tsy tapaka toy ny hoe: ‘Hitanao ho azon’ny saina ekena ve ireo zavatra nianarantsika hatreto?’ ‘Miray hevitra amin’izany fanazavana izany ve ianao?’ Rehefa kinga ianao mampiasa fanontaniana, dia ampidirinao ao amin’ilay fomba fianatra ilay mpianatra. Tsy tokony hihaino anao fotsiny manazava an’ilay foto-kevitra izy.

Mampiasà fanjohian-kevitra marim-pototra. Rehefa mifanakalo hevitra mahakasika ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite amin’ny mpianatrao ianao, ohatra, dia afaka milaza hoe: ‘Rehefa natao batisa i Jesosy, dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe “Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.” Raha tena natao batisa teto an-tany tokoa Andriamanitra, ho nandefa ny feony tany an-danitra ve izy, avy eo dia namerina ireo teny ireo mba ho re teto an-tany? Tsy ho namitaka ve izany? Ho nanao izany zavatra feno fitaka izany ve ilay Andriamanitra, “tsy mahay mandainga”?’ — Lioka 3:21, 22; Titosy 1:1, 2.

Matetika no tena mahomby ny fanjohian-kevitra marim-pototra atao amim-pahaiza-mandanjalanja. Hevero ny ohatry ny vehivavy iray hantsointsika hoe Barbara. Nandritra ny fiainany manontolo, dia nino izy hoe i Jesosy dia Andriamanitra anisan’ny trinite iray misy ny fanahy masina. Avy eo anefa dia nisy Vavolombelon’i Jehovah nilaza taminy fa olona roa miavaka tsara Andriamanitra sy i Jesosy, ka nampiseho andinin-teny taminy, mba hanohanana izay nolazainy.b Tsy afaka nanda ny Baiboly i Barbara. Diso fanantenana koa anefa izy. Raha ny tena izy, dia tena nankafiziny ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite.

Nanjohy hevitra tamim-paharetana tamin’i Barbara ilay Vavolombelona. Hoy izy nanontany: “Raha manandrana mampianatra ahy ianao hoe mitovy ny olona roa, fifandraisan’ny mpianakavy inona no hampiasainao mba hanoharana izany?” Nieritreritra kely teo izy, ary avy eo dia namaly hoe: “Ny fifandraisan’ny mpirahalahy no mety hampiasaiko”. “Izay indrindra”, hoy ny navalin’ilay Vavolombelona. “Angamba aza kambana mitovy mihitsy. Rehefa nampianatra antsika mba hihevitra an’Andriamanitra ho toy ny Ray, sy ny tenany ho toy ny Zanaka anefa i Jesosy, hafatra inona no tiany hampitaina?” “Azoko”, hoy i Barbara namaly, no sady nihiratra ny masony. “Nilazalaza ny iray ho zokiny sy manam-pahefana kokoa izy”.

“Eny”, hoy ny navalin’ilay Vavolombelona, “ary ho izay indrindra ny fanatsoahan-kevitr’ireo mpihaino an’i Jesosy, izay Jiosy niaina teo anivon’ny fitambaran’olona nisy patriarka.” Mba hanamafisana ny heviny, dia namarana toy izao ilay Vavolombelona: “Raha isika aza nahay naka io fanoharana mety io mba hampianarana ny amin’ny fitoviana — ny amin’ny mpirahalahy na kambana mitovy — dia azo antoka fa ho afaka nanao toy izany koa i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Ny teny hoe ‘ray’ sy ‘zanaka’ anefa no nampiasainy mba hilazalazana ny fifandraisan’ny tenany sy Andriamanitra.”

Azon’i Barbara ilay hevitra nony farany, ka nekeny. Tohin’ny fahaiza-mandresy lahatra ny fony.

Fiatrehana ny fihetseham-po

Matetika ny zavatra inoana ara-pivavahana miorim-paka mafy dia mahatafiditra lafiny ara-pihetseham-po. Hevero ny amin’i Edna, Katolika mafana fo iray. Nampiseho porofo ara-tsoratra masina taminy ireo zafikeliny, fa olona tsy mitovy Andriamanitra sy i Jesosy. Azon’i Edna izay reny. Na izany aza, dia nilaza tamin-katsaram-panahy, nefa tamin’ny fomba hentitra, izy hoe: “Mino ny Trinite masina aho.”

Angamba efa nandia zavatra mitovy amin’izany ianao. Maro no mihevitra ny foto-pampianaran’ny fivavahany ho toy ny anisan’ny maha-izy azy. Mba handresen-dahatra ny mpianatra Baiboly toy izany, ny zavatra ilaina dia tsy vitan’ny hoe manaporofo fotsiny amin’ny lojika tsy misy fihetseham-po na amin’ny fitohitohizan’andinin-teny mihitsy aza, fa diso ny fomba fijerin’ilay olona. Azo alamina tsara ny tarehin-javatra toy izany rehefa ampifandanjaina ny fahaiza-mandresy lahatra sy ny fangoraham-po. (Ampitahao amin’ny Romana 12:15; Kolosiana 3:12.) Marina fa tokony hanana fiekena mafy ny mpampianatra mahomby iray. I Paoly, ohatra, dia nampiasa teny toy ny hoe “Miaiky mafy aho” sy ny hoe “Mahalala sady [resy lahatra, NW ] ao amin’i Jesosy Tompo aho”. (Romana 8:38, NW; 14:14). Rehefa manazava ny zavatra inoantsika anefa isika, dia sady tsy tokony hanao fiteny henjana na mihevi-tena ho marina no tsy hanao vazivazy mandratra na manambany, rehefa mampiseho ireo fahamarinana ara-baiboly. Azo antoka fa tsy maniry ny hahatezitra na handatsa mihitsy an’ilay mpianatra, isika. — Ohabolana 12:18.

Mandaitra lavitra ny manaja ireo zavatra inoan’ilay mpianatra sy manaiky ny zony hanana izany. Ny fanetren-tena no fanalahidiny. Ny mpampianatra manetry tena iray dia tsy mihevitra ny tenany ho ambony kokoa foana noho ny mpianany. (Lioka 18:9-14; Filipiana 2:3, 4). Ny fandresen-dahatra tsara dia ahitana fanetren-tena izay milaza toy izao, raha ny marina: ‘Nanampy ahy tamim-pamindram-po i Jehovah mba hahazo ny hevitr’itỳ zavatra itỳ. Mamelà ahy hizara izany aminao.’

Nanoratra toy izao tamin’ireo Kristiana namany tany Korinto i Paoly: “Tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava [zavatra miorim-paka mafy, NW ]; fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy.” (2 Korintiana 10:4, 5). Amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hanjerana foto-pampianaran-diso miorim-paka mafy, ary koa ireo fomba sy toetra tafalentika lalina izay tsy mampifaly an’Andriamanitra. (1 Korintiana 6:9-11). Rehefa manao izany ireo Vavolombelona, dia mahatsiaro fa naharitra sy naneho fitiavana taminy, i Jehovah. Tena faly izy ireo manana ny Teniny, ny Baiboly, sy mampiasa an’io fitaovana mahery io mba hamongorana fampianaran-diso, ka hanohina ny fo, amin’ny fahaiza-mandresy lahatra!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Eonika sy Loisa — Mpanabe Fakan-tahaka”, ao amin’ny pejy faha-7-9 amin’itỳ nomeraon’ny Tilikambo Fiambenana itỳ.

b Jereo ny Jaona 14:28; Filipiana 2:5, 6; Kolosiana 1:13-15. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay bokikely hoe Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Efajoro, pejy 23]

Fanohinana ny Fon’ny Mpianatrao

◻ Mivavaha mba hahazoana ny fitarihan’i Jehovah, mba hanohinana ny fon’ilay mpianatra ny Baiboly. — Nehemia 2:4, 5; Isaia 50:4.

◻ Fantaro izay inoan’ilay mpianatra, sy ny antony mety hahatonga azy ho voasariky ny fampianaran-diso iray. — Asan’ny Apostoly 17:22, 23.

◻ Amin’ny fomba feno hatsaram-panahy sy faharetana, dia manaova fanaporofoan-kevitra lojika sy araka ny Soratra Masina, nefa asio marimaritra iraisana. — Asan’ny Apostoly 17:24-34.

◻ Raha azo atao, dia hamafiso amin’ny fanoharana mandaitra ireo fahamarinana ara-baiboly. — Marka 4:33, 34.

◻ Asehoy an’ilay mpianatra ireo soa azo rehefa manaiky ny fahalalana marina avy ao amin’ny Baiboly. — 1 Timoty 2:3, 4; 2 Timoty 3:14, 15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara