Mitondra Soa ho An’ny Tanora Ireo Fivoriana
1 Hoy ny zatovovavy iray: “Indraindray aho dia mieritreritra fa ny fiainan’ny tanora no mafy indrindra. Voahodidin’olona mijangajanga sy mampiasa zava-mahadomelina ary misotro, izahay.” Izany koa ve no tsapanao? Raha izany no izy, inona no heverinao fa hanampy anao mba hiadiana amin’ireo fitaoman-dratsy ireo? Mila finoana ianao, dia finoana matanjaka fa tsara sady marina ny lalan’i Jehovah, raha tsy izany, dia “tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy”. (Heb. 11:6). Ny fanatrehanao ireo fivorian’ny kongregasiona dia hanampy anao hanatanjaka ny finoanao kristianina sy ny fahatapahan-kevitrao hanalavitra ny fanaovan-dratsy.
2 Be dia be no atolotr’ireo fivoriana ho anao: Inona no mahatonga ny fiaraha-mihinana sakafo matsiro amin’ny mpinamana akaiky, hahafinaritra? Moa ve izany tsy ny fitambaran’ireo zavatra roa ireo, dia ny sakafo tsara sy ny namana mahafinaritra, ao anatin’ny rivo-piainana tony? Ireo fivoriantsika dia manolotra fotoana mahafinaritra toy izany koa, saingy amin’ny heviny ara-panahy.
3 Mampahery ireo zavatra resahina any amin’ny fivoriana, ary mahakasika foto-kevitra maro samy hafa, toy ny fandaminana zava-manahirana eo amin’ny fiainana andavanandro, na ny fianarana faminaniana ara-baiboly mahaliana. Misy toromarika azo ampiharina atolotra any, mba hampianarana anao hanaraka ny fomba fiaina tsara indrindra, sy hiatrika ireo zava-tsarotra tojo anao. Ireo mpiara-mamonjy fivoriana aminao no namana tsara indrindra, ary ny rivo-piainana ara-panahy any dia sady mahafinaritra no tsy misy atahorana. (Sal. 133:1). Tsy mahagaga raha nilaza toy izao ny tanora iray: “Any am-pianarana aho tontolon’ny andro, ary tena mandreraka ahy ilay izy. Ireo fivoriana anefa dia toy ny tany lonaka any an’efitra, izay ahazoako famelombelomana indray hizakako ny andro manaraka any am-pianarana.” Hoy ny tanora iray hafa: “Hitako fa ny fifaneraserako akaiky amin’ny olon-kafa tia an’i Jehovah dia manampy ahy ho akaiky Azy foana.”
4 Noho ianao misoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, dia mianatra manangona fanazavana ara-baiboly ianao, sy mamelabelatra izany ho lahateny, ary avy eo dia manolotra azy toy ny raha miresaka eo anatrehan’ny mpanatrika ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Alao sary an-tsaina ny soa entin’ny fampiofanana azo mba hampianarana amim-pahakingana ireo fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay mamonjy ain’olona! Aiza ianao no hahita fampiofanana sarobidy toy izany ho an’ny tanora?
5 Ny fomba hanovozana soa be indrindra avy amin’ireo fivoriana: Zavatra tena lehibe telo no ilaina mba hanovozana soa be indrindra avy amin’ireo fivoriana. Izany dia ny fanaovana fanomanana sy ny fandraisana anjara ary ny fampiharana.
6 Omano ireo fivoriana: Mandamìna fotoana mba hanomanana ireo fivoriana tsy tapaka. Aza avela haka ny fotoana ilainao mba hijerena mialoha ilay fanazavana hodinihina any amin’ny fivoriana tsirairay, ny entimodinao, na ny asa fanampiny ataonao, na ny fialam-bolinao. Hanampy anao ny fanananao fahazarana tsara. Ny zavatra voalohany, sady lehibe indrindra, tokony harahina dia ny fandaharana famakiana Baiboly isan-kerinandro, amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Tsy maka afa-tsy minitra vitsivitsy isan’andro ny famakiana sy ny fisaintsainana ireo toko nasaina hovakina. Manokàna fotoana hanomanana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Misy manao izany, fara fahakeliny, iray na roa andro alohan’ireo fivoriana ireo. Araka izay azo atao, dia izany koa no ataovy momba ireo anjara ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isan-kerinandro.
7 Mandraisa anjara amin’ireo fivoriana: Milaza ny Baiboly fa fony izy 12 taona, dia hita tao amin’ny tempoly i Jesosy, nihaino sy nametraka fanontaniana ary nanome valin-teny. (Lioka 2:46, 47). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe nandray anjara feno izy. Handray soa bebe kokoa avy amin’ireo fivoriana ianao, rehefa manao ezaka mba handray anjara amin’izy ireny. — Ohab. 15:23.
8 Mila mifantoka tsara amin’izay ampianarina any amin’ireo fivoriana ianao. Indraindray dia sarotra kokoa noho ny manao lahateny ny mihaino lahateny. Nahoana? Mety hiriorio ny sainao, rehefa olon-kafa no miteny. Ahoana no ahafahanao miady amin’izany? Amin’ny fandraisana an-tsoratra. Raiso an-tsoratra ireo hevi-dehibe izay tianao hojerena any aoriana. Ny fandraisana an-tsoratra dia hanampy anao hampifantoka ny sainao amin’ny fandaharana. Afa-tsy izany koa, dia jereo ireo andinin-teny, ary araho, rehefa vakin’ilay mpandahateny.
9 Fanampin’izany, dia ataovy ho zava-kendrenao ny handray anjara amin’ny fiaraha-midinika tsirairay misy fanontaniana sy valiny, any amin’ny fivoriana. Vao mainka hitombo ny soa horaisinao, raha mieritreritra amim-pitandremana ny amin’izay tianao holazaina ianao. Hoy ny Ohabolana 15:28: “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly”.
10 Ampiharo izay ianaranao: Ny dingana farany dia ny fahazoana antoka fa ‘miasa ao anatinao’ izay ianaranao. (1 Tes. 2:13). Rehefa mampihatra ireo hevitra tsara dia tsara ianaranao any amin’ny fivoriana tsirairay ianao, dia hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah Andriamanitra. Ho tena misy izy aminao, ary hahatsapa fifaliana sy fahafaham-po lehibe ianao ‘eo am-pandehanana araka ny fahamarinana’, izay raisinao ho an’ny tenanao. — 3 Jaona 4.
11 Ry rahalahy sy anabavy tanora, rehefa manomana ireo fivoriana tsy tapaka ianareo, sy mandray anjara amin’izy ireny, ary mampihatra izay nianaranareo, dia hankafy an’ireo fivoriana amin’ny fomba feno. Ankoatra izany, dia handray ny soa rehetra azonareo raisina avy amin’izy ireny ianareo. Hihamatanjaka ny finoanareo, raha mbola tapa-kevitra ny hitoetra ho marina eo anatrehan’i Jehovah, ilay Rainareo any an-danitra, koa ianareo. — Sal. 145:18.