FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/9 p. 25-28
  • Safononoky ny Fankasitrahana ny Foko

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Safononoky ny Fankasitrahana ny Foko
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Velom-pankasitrahana noho ny ohatra tsara dia tsara
  • Ny niandaniako tamin’ny fahamarinana
  • Velom-pankasitrahana noho ny fanompoako
  • Fahazoana namana mahatoky
  • Velom-pankasitrahana noho ny fiarahanay miaina
  • Fitopolo Taona Izay no ‘Nihazonako ny Akanjon’ilay Jiosy Iray’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mifikitra hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitondra Fitahiana ny Fanaovana Safidy Tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mianatra Foana Aho Hatramin’izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/9 p. 25-28

Safononoky ny Fankasitrahana ny Foko

NOTANTARAIN’I JOHN WYNN

Impiry impiry moa aho no nitokozihitra tsy nety nandeha tany amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah! Nodiako narary kibo na narary andoha — na inona na inona mba tsy hanatrehana. Ny nisehoan’ny reniko ho hentitra mandrakariva anefa dia nahatonga ny tsy netinety toy izany ho afaka teo no ho eo, ary dia iny aho fa nandeha an-tongotra telo kilaometatra niaraka taminy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana, nihaino azy niresaka ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny namana iray be taona.

NANOME ahy lesona sarobidy izany: Tsy tokony hatsahatry ny ray aman-dreny na oviana na oviana ny fisehoany ho hentitra, amim-pitiavana, raha ny amin’izay mahitsy eo imason’Andriamanitra. (Ohabolana 29:15, 17). Tsy tokony hohadinoin’izy ireo na oviana na oviana ny didin’Andriamanitra, dia ny ‘tsy hahafoizana ny fiarahantsika mivory’. (Hebreo 10:25, NW ). Rehefa manao jery todika ny fiainako aho, dia velom-pankasitrahana tokoa satria izay tsara indrindra ho ahy no nampanaovin’ny reniko ahy!

Velom-pankasitrahana noho ny ohatra tsara dia tsara

Na dia tsy mpino aza ny raiko, dia nilefitra tamin’ny zavatra ninoan’i Neny izy, fony i Neny tonga Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Tamin’ny 1913 izy dia nandeha nihaino ilay lahateny hoe “Any Ankoatra ny Fasana”, nataon’i Charles T. Russell, izay prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower. Tara anefa ny fahatongavany ka efa feno avokoa ny toerana rehetra. Nasaina hiara-mipetraka tamin’olon-kafa tonga tara àry izy, izany hoe teo akaikin’ny lampihazo, teo anilan’ny Pastora Russell indrindra. Nisy heriny lalina teo aminy ilay lahateny. Navoaka tao amin’ny gazety iray teo an-toerana ilay izy ny ampitson’iny, ary nitahiry kopia iray tamin’io izy ka namerimberina namaky azy io.

Nanolotra sombin-taratasy nisy ny anarany i Neny taorian’ilay fivoriana, ary tsy ela dia nisy Mpianatra ny Baiboly nifandray taminy. Tatỳ aoriana, dia nanomboka nizara taratasy mivalona ara-baiboly isan-trano tao amin’ilay tanàna niavianay izy, izany hoe tao Gloucester, eto Angletera. Nanomboka tamin’ny fotoana mbola naha-tena kely anay sy ireo anabaviko roa, dia nandray anjara tamin’ny asa fitoriana niaraka tamin’i Neny izahay.

Rehefa nifindra tao Gloucester i Harry Francis, Mpianatra ny Baiboly be zotom-po iray, dia nandray azy tamin-kafanana i Neny. Tsy ela izy io dia naneho fahalianana manokana tamiko, ary ny fampaherezana nomeny no anton-javatra lehibe iray nahatonga ahy ho mpisava lalana tatỳ aoriana, araka ny iantsoana ny mpanompo manontolo andro. Nanome ahy lesona lehibe ny ohatry ny Rahalahy Francis: Ireo zokiny kokoa dia tokony hitady fomba hampaherezana ireo zandriny kokoa.

Rehefa tonga Mpianatra ny Baiboly ny reniko dia nanao toy izany koa ny hafa tao Gloucester. Nanomboka nihevi-tena ho zavatra anefa ny loholona sasany tao amin’ny kongregasiona, ary nanomboka nanaraka olona ireo mpikambana tamin’ny kilasy — araka ny niantsoana ny kongregasiona tamin’izany. Tamin’ny fivoriana iray, dia tsy nitsahatra nikitika an’i Neny tao andamosiny ny sasany mba hampirisihana azy hanangan-tanana ho fanohanana loholona sasany. Fantatr’i Neny anefa fa tsy namela ohatra tsara izy ireo, ka tsy nanaiky hampitahorina izy. Tamin’izany fotoana izany, tany amin’ny faramparan’ireo taona 1920, dia maro no raraka ka tsy nandeha intsony tamin’ny lalan’ny fahamarinana. (2 Petera 2:2). I Neny kosa anefa dia tsy niala na oviana na oviana tamin’ny fanehoana tsy fivadihana teo amin’ny fanohanana ny fandaminana, ka namela ohatra tsara dia tsara ho ahy.

Ny niandaniako tamin’ny fahamarinana

Tatỳ aoriana, tamin’ny Jona 1939, fony aho 18 taona, dia natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Severn aho. Tamin’io taona io ihany koa no nanendrena ahy ho mpikarakara ny fanamafisam-peo. Tamin’izany andro izany izahay dia nampiasa grafofaonina ngezabe izay nampanakoako teny an-kalamanjana ilay hafatra hoe “Ny Fivavahana dia Fandrika sy Fanambakana”. Ny famakiana bantsilana ny fihatsarambelatsihy sy ny fampianaran-dison’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no nantitranterina tamin’izany fotoana izany.

Indray mandeha, dia teny amin’ny lohan’ny filaharana aho, nitondra sora-baventy. Ny lafiny iray tamin’izy io dia nanambara hoe “Ny Fivavahana dia Fandrika sy Fanambakana”, ary ilay lafiny hafa kosa nanambara hoe “Manompoa An’Andriamanitra sy i Kristy Mpanjaka”. Nanaraka anay avy tao aoriana ny soavaly kely iray izay nampilanjaina sora-baventy teo amin’ny ilany roa tamin’ny lamosiny, ho fampahafantarana ny lahateny ampahibemaso. Tsy maintsy nanintona ny maso toy inona moa izany filaharana izany tao Gloucester, izay tanàna mpivavaka be!

Na dia teo aza ny fahasahiranana ara-bola tao an-tokantrano, dia nampirisika ahy ho tonga mpisava lalana i Neny. Noho izany, tamin’ny Septambra 1939, teo am-piandohan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia tonga tany amin’ny toerana voalohany nanendrena ahy ho mpisava lalana aho, dia tao Leamington, vohitra iray any Warwickshire. Toeram-ponenan’ny klerjy maromaro efa nisotro ronono ilay tanàna.

Nampiasa grafofaonina maivana iray izahay teo amin’ny fanompoana isan-trano, ka nandefa ireo lahatenin’i Joseph F. Rutherford, izay prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izany. Navesatra lavitra kosa anefa ilay grafofaonina nampiasainay (izay azo nampiasaina ho an’ny mpanatrika maro kokoa), ka nentinay tamin’ny posiposin-jaza. Indraindray, ireo anisan’ny klerjy, izay tezitra noho ilay hafatra namaky bantsilana ny fivavahan-diso, dia nandroaka anay hiala an’ireo faritra nisy ny fananany. Tsy kivy anefa izahay. Nitahy ny asanay i Jehovah, ka amin’izao andro izao dia ahitana kongregasiona iray misy Vavolombelona zato mahery ao Leamington.

Tamin’ny 1941, raha mbola nafotaka ny Ady Lehibe Faharoa, dia nifindra nankany Pays de Galles aho. Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany aho, dia tao amin’ny tanànan’i Haverfordwest sy i Carmarthen ary i Wrexham. Tamin’ny naha-mpanompo manontolo andro ahy, dia afaka tamin’ny raharaha miaramila aho, saingy tsy nankasitraka ny tsy fombanay ny atsy na aroa ny olona. Noho izany, dia nampangaina ho mpitsikilo na antokon’olona miafina miray tsikombakomba amin’ny fahavalo izahay sy ilay namako. Indray alina, dia nohodidinin’ny polisy ilay tranofiara fonenanay. Nitsirika mba hijery izay tao alatrano ilay namako, izay vao tonga avy niasa, avy nihady arintany. Rakotry ny vovoka arintany ny tavany, ary ny fahitan’ny polisy azy dia toy ny hoe commando efa vonona ny hanafika. Nilana fanazavana izany!

Tondraka ny fitahiana azonay tamin’ny asa nanendrena anay. Indray mandeha, raha mbola tany Carmarthen izahay, dia nanao fitsidihana nampahery anay i John Barr avy tany amin’ny biraon’ny sampan’i Londres (mpikambana amin’ny Fitambara-mpitantana ankehitriny). Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy afa-tsy mpitory roa tao Carmarthen; maherin’ny zato kosa anefa amin’izao fotoana izao. Misy kongregasiona telo ankehitriny ao Wrexham, ary tsy ela izay dia nanana tombontsoa hitokana Efitrano Fanjakana tsara dia tsara iray tao Haverfordwest, aho. — 1 Korintiana 3:6.

Velom-pankasitrahana noho ny fanompoako

Fony izahay tany Swansea, any Galles du Sud, dia tsy nomena fanafahana tamin’ny raharaha miaramila i Don Rendell namako. Naiditra am-ponja izy na dia teo aza ny fanazavany fa tsy namela azy handeha hiady amin’ny Kristiana tahaka azy any an-tany hafa ny feon’ny fieritreretany. (Isaia 2:2-4; Jaona 13:34, 35). Mba hampaherezana azy, ary koa mba hanaovana fanambarana tamin’ny mpiara-monina, dia napetrako teo akaikin’ny fonja ilay grafofaonina ka nalefako ireo lahateny ara-baiboly.

Tsy tian’ireo vehivavy teo an-toerana anefa izany ka nanao famoriam-bola izy ireo mba hanakaramana miaramila mba hikapoka ahy sy ilay namako. Nitsoaka izahay, nihazakazaka mafy araka izay azonay natao — nanosika an’ilay posiposin-jaza nisy ilay grafofaonina koa aho — nitady fiarovana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nony tonga teo anefa izahay, dia nihidy lakile ilay efitrano! Ny fidiran’ny polisy an-tsehatra ara-potoana ihany no namonjy anay tsy ho voakapoka mafy.

Niharihary fa nanjary fantatra hatraiza hatraiza iny zava-nitranga iny. Rehefa nitory tany ambanivohitra akaikin’i Swansea aho taoriana kelin’izay, dia hoy ny lehilahy iray tamiko tamim-pankasitrahana: “Ny Kristianisma no ijoroanareo, tahaka an’ilay tovolahy tany Swansea izay nitory tamim-pahasahiana ny zavatra inoany ary tsy maintsy nandositra mba hahazoana fiarovana.” Akory ny hagagany nahafantatra fa izaho ilay tovolahy!

Tsy mora akory ny asan’ny mpisava lalana tamin’ireo taona nisian’ny ady ireo. Tsy nanan-javatra firy izahay raha ny amin’ny fananana teo amin’izao tontolo izao, kanefa kosa dia nankasitrahanay sy nifalianay izay nanananay. Nahazo vatsin-tsakafo ara-panahy tsy tapaka foana izahay, ary tsy nanapaka fivoriana mihitsy, raha tsy hoe rehefa narary angaha izahay. Nividy bisikileta tonta iray aho, ary nanana harona be napetraka teo amboniny izahay mba hitondrana grafofaonina iray sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Indraindray dia nandeha bisikileta 80 kilaometatra isan’andro aho! Nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny fito taona teo ho eo aho ary fahatsiarovana tsara ho ahy ireny fotoana ireny.

Tamin’ny 1946, taorian’ny nifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nasaina hiasa teto amin’ny Betela aho, araka ny iantsoana ireo trano lehiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny taniny avy. Teo amin’ny 34 Craven Terrace, teo anilan’ny London Tabernacle, ny Betelanay tamin’izany. Nankafiziko ny fifaneraserana tamin’ireo be taona kokoa tao, toa an’i Alice Hart, zanaka naterak’i Tom Hart, izay heverina ho ny Vavolombelona voalohany indrindra teto Angletera.

Fahazoana namana mahatoky

Tamin’ny 1956, dia nandao ny Betela aho mba hanambady an’i Etty, mpisava lalana izay nanjary fantatro rehefa tonga avy tany Holandy izy mba hitsidika ny rahavaviny izay nipetraka tao Londres tamin’izany. Tany amin’ny faramparan’ny ady, i Etty dia nampianatra fitendrena milina fanoratana sy sorapohy tao amin’ny sekoly ambony momba ny varotra tany Tilburg, any atsimo amin’i Holandy. Indray andro, dia nilaza ny hiara-mandeha bisikileta taminy nody ny mpampianatra hafa iray mba hahazoana antoka fa tonga soa aman-tsara izy. Katolika izy io. Rehefa tonga izy ireo, dia velona ny resaka tamin’ireo ray aman-drenin’i Etty. Protestanta ny ray aman-drenin’i Etty. Nitombo ny fisakaizana, ary tonga nitsidika matetika tao an-tranon-dry zareo ilay mpampianatra.

Tsy ela taorian’ny nifaranan’ny ady, dia tonga tao an-tranon-dry Etty io mpampianatra io, nihiaka hoe: “Hitako ny fahamarinana!”

“Nataoko fa nilaza àry ianao hoe nanana ny fahamarinana ianao tamin’ny naha-Katolika anao!” hoy ny navalin’ny rain’i Etty.

“An an an!” hoy ny navaliny tamim-pientanentanana. “Ny Vavolombelon’i Jehovah no manana ny fahamarinana!”

Lany tamin’ny resadresaka nafana ara-baiboly iny alina iny sy ny maro hafa taorian’io. Tsy ela taorian’izay, dia lasa mpisava lalana i Etty. Tojo fanoherana mafy koa izy teo amin’ny fanompoany. Tany Holandy, dia avy tamin’ny Eglizy Katolika izany fanoherana izany. Nisy ankizy nampirisihin’ny mompera, nanelingelina ny resadresaka nataony rehefa nandeha isan-trano izy, ary indray mandeha dia nosimban’izy ireo ny bisikiletany. Nentiny tany amin’ny mpanamboatra bisikileta iray izay efa nandray bokikely taminy, ilay bisikiletany. “Jereo ange ny nataon’ireny ankizy ireny e!” hoy izy tamin-dranomaso.

“Eny e! Aza kivy”, hoy ny navalin’ilay lehilahy tamin-katsaram-panahy. “Asa tsara dia tsara ny ataonao. Hamboariko maimaim-poana ny bisikiletanao.” Ary dia izany tokoa no nataony.

Hitan’i Etty fa tsy niahy firy ny andian’ondriny ireo mompera raha tsy tamin’ny fotoana nanombohany nianatra ny Baiboly niaraka tamin’izy ireo. Tamin’izay dia tonga nitsidika ireo mompera sy masera mba handemena ny finoan’ny olona ny Baiboly sy ny finoany an’i Jehovah. Na dia izany aza, dia nanana fampianarana Baiboly maro nahitam-bokatra izy.

Velom-pankasitrahana noho ny fiarahanay miaina

Taorian’ny fampakaram-badinay, dia notendrena ho amin’ny asa fitetezam-paritany teto Angletera izahay sy i Etty, ary nandritra ny dimy taona latsaka kely dia nitsidika ireo kongregasiona izahay mba hanatanjahana azy ireo ara-panahy. Avy eo aho dia nahazo fanasana hanatrika ny kilasin’i Gileada faha-36, izay natao tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York. Natao indrindra mba hanofanana lehilahy hanao ny asa ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fianarana naharitra folo volana, izay nifarana tamin’ny Novambra 1961. Tamin’ny tsy naha-teo ahy, dia nitoetra teto Angletera tao amin’ny Betelan’i Londres i Etty. Rehefa nahazo ny diplaomako aho, dia niara-notendrena ho eto amin’ny Betela izahay.

Nandritra ny 16 taona nanaraka, dia niasa tao amin’ny biraon’ny fanompoana aho, nikarakara raharaha mahakasika ny asan’ny kongregasiona. Avy eo, tamin’ny 1978, rehefa nindaosin’ny fahafatesana i Pryce Hughes, mpiandraikitra ny Trano Betela, dia notendrena hisolo azy aho. Fanendrena mahafa-po nandritra izay taona maro izay ny hoe tompon’andraikitra ny amin’izay hahasoa sy hahatsara an’ireo mpikambana amin’ny fianakavian’ny Betelanay mihamitombo — maherin’ny 260 izao izahay ato amin’ny fianakavianay.

Tamin’ny 1971, dia maty teo amin’ny faha-85 taonany ilay reniko tsy foiko. Niverina nankany Gloucester izahay sy i Etty mba hamonjy ny fandevenana, izay nanasoritan’ny rahalahy iray tamin’ny fomba tsara ny fanantenana ho any an-danitra nananan’i Neny. (Filipiana 3:14). Velom-pankasitrahana an’i Doris sy i Grace anabaviko aho noho ny nikarakarany tamim-pitiavana an’i Neny tamin’ny fahanterany, ka nanampy anay sy i Etty hanohy ny fanompoana manontolo andro.

Matetika izahay sy i Etty no mieritreritra ireo ray aman-dreninay sy ny fomba nitaizan’izy ireo anay tamim-pitiavana sy tamin’ny fomba hentitra aoka izany. Ananan’izy ireo trosa tsy hita pesipesenina izahay! Tena namela ohatra mahatalanjona ho an’ny tenako sy ireo anabaviko i Neny, tamin’ny fanorenana tao aminay, fankasitrahana an’i Jehovah sy ny fandaminany.

Marina tokoa fa safononoky ny fankasitrahana ny fonay rehefa mieritreritra ny andro vaovao tsirairay anompoanay an’i Jehovah, ilay Rainay any an-danitra, izahay. Andriamanitra mahatalanjona sy be fitiavana tokoa lahy izy! Naneho ny fihetseham-ponay ny mpanao salamo ao amin’ny Baiboly rehefa nanoratra hoe: “Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. Hankalaza Anao isan-andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.” — Salamo 145:1, 2.

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’i Etty vadiko

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara