Hoavy Manao Ahoana no Irinao ho An’ny Zanakao?
HEVERINAO ho toy ny lova sarobidy ve ireo zanakao? (Salamo 127:3). Sa kosa heverinao fa sady enta-mavesatra ara-bola no tsy azo antoka fa hahomby, ny fanabeazana azy ireo? Tsy ahazoana tombony ara-bola ny fitaizana zanaka, fa handaniana vola kosa mandra-pahatongan’izy ireo ho afaka hamelon-tena. Mitaky ny hanaovana tetika maty paika ny fitantanana lova iray, ary toy izany koa ny fitaizana zanaka ahitam-pahombiazana.
Maniry hanome fiaingana tsara eo amin’ny fiainana ho an’ny zanany, ny ray aman-dreny be fiahiana. Na dia eo aza ny mety hisian’ny zava-dratsy tena mampalahelo eto amin’itỳ tontolo itỳ, dia afaka manao zavatra betsaka ny ray aman-dreny mba hiarovana ireo zanany. Hevero ny amin’i Werner sy i Eva, voatonona tao amin’ny lahatsoratra teo aloha.a
Rehefa tena miahy ny ray aman-dreny
Nitantara i Werner fa tsy namela tamin’izao fotsiny ny toe-javatra, ny ray aman-dreniny. Tena naneho fahalianana marina ny amin’ny zava-niseho tany am-pianarana kosa izy ireo. “Nankasitrahako be dia be ny fanoloran-kevitra azo nampiharina nomen’izy ireo ahy, ary tsapako fa niahy sy nanohana ahy, izy ireo. Tamin’ny naha ray aman-dreny azy, dia tena hentitra izy ireo, nefa fantatro fa izy ireo no tena namako.” Ary rehefa nanjary nikorontan-tsaina aoka izany noho ny fianarany i Eva, ka azon’ny fahaketrahana, ary tsy nahita tory tsara, dia nandany fotoana be dia be koa mba hiresahana taminy sy hanampiana azy hahita indray ny fahaizany mandanjalanja ara-tsaina sy ara-panahy, i Francisco sy i Inez, ray aman-dreniny.
Ahoana no niezahan’i Francisco sy i Inez hiaro ireo zanany sy hanomana azy ireo ho amin’ny fiainan’olon-dehibe? Hatry ny fony mbola zazakely ireo ankizy, dia nampidirin’ireo ray aman-dreniny be fitiavana ireo foana tao amin’ny asa fanaony andavanandro. Tsy ireo olon-dehibe namany ihany no nifaneraseran’i Inez sy i Francisco, fa nentiny niaraka taminy koa ireo zanany, na taiza na taiza no nalehany. Tamin’ny naha ray aman-dreny be fitiavana azy ireo, dia nomeny tari-dalana mety koa izy mianadahy zanany. Hoy i Inez: “Nampianarinay hikarakara tokantrano, hitsitsy sy hikarakara ny fitafiany, izy ireo. Ary nampianay ny tsirairay taminy hifidy asa sy hampifandanja ireo andraikiny sy ireo tombontsoa ara-panahy.”
Zava-dehibe toy inona moa ny hahafantarana ireo zanakao sy hanomezana azy tari-dalan-dray aman-dreny! Andeha isika handinika lafin-javatra telo izay azonao anaovana izany: 1) Ampio ny zanakao hifidy izay karazan’asa mifanentana aminy; 2) omano izy hiatrika ny fihenjanana ara-pihetseham-po any an-tsekoly na any am-piasana; 3) asehoy azy ny fomba hahazoana fahafaham-po amin’izay ilainy ara-panahy.
Ampio izy ireo hifidy izay asa mifanentana aminy
Koa satria misy fiantraikany eo amin’ny toe-bolan’ny olona iray ny asany, sady maka betsaka amin’ny fotoanany, dia tafiditra amin’ny fitaizana tsara ny zanaka ny fanehoana fiheverana ny zavatra mahaliana sy hain’ny ankizy tsirairay. Koa satria tsy misy maniry ho enta-mavesatra ho an’ny hafa raha mbola olona mihaino ny feon’ny fieritreretany koa, dia tokony hieritreritra amim-pitandremana momba ny fomba azony anomanana ny zanany mba hamelon-tena sy hamelona ankohonana, ny ray aman-dreny. Moa ve mila mianatra asa iray mba hivelomany araka ny antonona ny zanakao lahy na ny zanakao vavy? Manaova ezaka mitohy amin’ny maha ray na reny tena be fiahiana marina anao, mba hanampiana ny zanakao hamboly toetra tsara toy ny faniriana hiasa amim-pahazotoana, sy ny fahavononana hianatra ary ny fahaizana mifandray tsara amin’ny hafa.
Hevero ny amin’i Nicole. Hoy izy: “Nasain’ireo ray aman-dreniko niara-niasa taminy tao amin’ny fanadiovan-damba izay fandraharahan’izy ireo aho. Nanipy hevitra izy ireo ny hanomezako ampahany tamin’ny vola azoko ho an’ny fisahanana ireo fandaniana tao an-tokantranonay, ary ny hihazonako ny ambiny ho an’ny fandaniako na ho tahiriko manokana. Nampitombo ny fahatsapako andraikitra izany, ary hita fa tena nahasoa teo amin’ny fiainako tatỳ aoriana.”
Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia tsy mamaritra hoe karazana asa inona no tokony hofidin’ny olona iray. Tena manome toro lalana marim-pototra anefa izy io. Izao, ohatra, no nolazain’ny apostoly Paoly: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” Hoy koa izy rehefa nanoratra ho an’ireo Kristianina tany Tesalonika: “Renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’olona. Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.” — 2 Tesaloniana 3:10-12.
Tsy ny fananana asa sy ny fahazoam-bola anefa no hany zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Ireo fatra-paniry laza, rehefa mandeha ny fotoana, dia azo inoana fa hanjary ho tsy afa-po ary mety hahita fa “misambo-drivotra” ny tenany. (Mpitoriteny 1:14). Tsy hampirisika ireo zanany hikatsaka laza sy fanambinana ara-nofo ireo ray aman-dreny, fa hanampy azy ireny kosa hahita ny fahendrena raketin’izao teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra azon’ny apostoly Jaona izao: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:15-17.
Ahoana no azonao anomezana fahafaham-po amin’izay ilainy ara-pihetseham-po?
Nahoana, amin’ny maha ray na reny anao, no tsy manao tahaka ny mpanazatra atleta? Izy dia tsy vitan’ny hoe mifantoka amin’ny fahaizan’ireo atletany mihazakazaka haingana kokoa na mitsambikina avo kokoa. Azo inoana fa miezaka koa izy hanampy azy ireo handresy izay mety ho toe-tsaina ratsy, ka amin’izay dia hanamafy ny tanjaka ara-pihetseham-pon’izy ireo. Raha ny aminao, ahoana no azonao ampirisihana sy ampaherezana ny zanakao? Ary inona no azonao atao mba hananany risi-po?
Hevero ny amin’i Rogério, tanora iray 13 taona. Ankoatra ny fisafotofotoana anaty vokatry ny fiovana ara-batana teo aminy, dia nahita fihenjanana ara-pihetseham-po koa izy noho ny fisarahan’ireo ray aman-dreniny sy ny tsy fahampiam-piheverana nasehon’izy ireo. Inona no azo atao ho an’ny tanora tahaka azy? Na dia tsy ho azo atao aza ny hiaro ireo zanakao amin’ny fanahiana sy ny fitaoman-dratsy rehetra, dia aza miala amin’ny andraikitrao amin’ny maha ray na reny anao. Aza mangeja loatra ireo zanakao fa miezaha mahatakatra ny fiheviny rehefa mifehy azy, amin’ny fitadidiana mandrakariva fa manana ny maha izy azy manokana ny ankizy tsirairay. Afaka manao zavatra betsaka ianao mba hahatsapan’ny tanora filaminan-tsaina, amin’ny fanehoanao hatsaram-panahy sy fitiavana. Izany koa dia hisoroka ny tsy hitomboany ao anatin’ny tsy fananana fatokian-tena sy hajan’ny tena.
Na nanao ahoana na nanao ahoana ny fahombiazan’ireo ray aman-dreninao teo amin’ny fanomezana fahafaham-po tamin’izay nilainao ara-pihetseham-po, dia misy zavatra telo ireto afaka manampy anao hahomby amin’ny maha ray na reny vonon-kanampy anao: 1) Halaviro ny ho revo loatra amin’ireo fahasahirananao manokana ka hinia tsy hahalala ireo zava-manahirana toa madinika hitan’ny zanakao; 2) ataovy izay hisian’ny fifampiresahana mahafinaritra sy misy heviny aminy, isan’andro; 3) ampitomboy ny fananana fihetsika tsara manoloana ny fomba handaminana zava-manahirana sy ny fomba hifampiraharahana amin’ny hafa.
Hoy i Birgit, rehefa nanao jery todika an’ireo taona naha zatovo azy: “Nanjary takatro fa tsy azo atao ny manova olona ho tahaka izay anirian’ny tena azy. Niara-nanjohy hevitra tamiko ny reniko ny amin’ny hoe raha misy zavatra tsy tiako, hitako amin’ny hafa, ny azoko atao dia ny manalavitra ny fitoviana amin’izy ireny. Nilaza koa izy fa ny fahatanorana no fotoana tsara indrindra hiovana famindra.”
Mihoatra noho ny asa sy ny filaminana ara-pihetseham-po anefa no ilain’ireo zanakao. Manontania tena hoe: ‘Moa ve aho mihevitra ny fitaizana zanaka ho toy ny andraikitra nomen’Andriamanitra?’ Raha izany no izy, dia hirinao ny haneho fiheverana ny zavatra ara-panahy ilain’ireo zanakao.
Fomba hanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’izy ireo ara-panahy
Tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, dia hoy i Jesosy Kristy: “Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy, satria azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:3, NW ). Inona no tafiditra amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilaina ara-panahy? Mandray soa betsaka ireo zanaka rehefa mamela ohatra tsara eo amin’ny fanehoana finoana an’i Jehovah Andriamanitra, ny ray aman-dreny. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka [amin’Andriamanitra]; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6). Mba tena hampisy heviny ny finoana anefa, dia ilaina ny vavaka. (Romana 12:12). Raha manaiky ianao fa mila zavatra ara-panahy, dia hitady ny fitarihan’Andriamanitra toy ny nataon’ny rain’ilay zaza izay nanjary Samsona, Mpitsara nalaza teo amin’ny Isiraely, ianao. (Mpitsara 13:8). Tsy vitan’ny hoe hivavaka ianao, fa hitady fanampiana koa ao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. — 2 Timoty 3: 16, 17.b
Afaka ny hitondra fahafaham-po ny fitaizana zanaka na dia eo aza ny ezaka mafy tafiditra amin’ny fanomezana tari-dalana marim-pototra, sy fanohanana ara-pihetseham-po, ary fanampiana ara-panahy. Nanazava toy izao ny raim-pianakaviana iray manan-janaka roa, any Brezila: “Tsy azoko alaina sary an-tsaina akory izany hoe tsy hanana ireo zanako ireo izany. Misy zava-tsoa maro aoka izany azonay zaraina aminy.” Rehefa nanazava ny antony naha hendry ireo ankizy ilay reny, dia nanampy teny toy izao: “Miaraka foana izahay, ary miezaka hanao izay hahatonga ny fiainana hahafaly sy hahafinaritra. Ary ny zava-dehibe indrindra, dia ny hoe mivavaka ho an’ireo ankizy foana izahay.”
Tsaroan’i Priscilla ny fitiavana sy ny faharetana nasehon’ny ray aman-dreniny taminy isaky ny nisy zava-nanahirana. “Izy ireo no tena namako ary nanampy ahy tamin’ny zava-drehetra”, hoy izy. “Fony aho mbola kely dia tena tsapako fa nentina toy ny ‘lova avy tamin’i Jehovah’ aho.” (Salamo 127:3). Toy ny ray aman-dreny hafa maro, nahoana raha miara-manao fandaharam-potoana amin’ireo zanakao mba hahafahanareo hiara-mamaky ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristianina? Afaka manampy ireo zanakao hanana fatokiana sy tena fanantenana ny amin’ny hoavy, ny fandinihana ireo fitantarana sy foto-pitsipika ara-baiboly, ao anatin’ny rivo-piainana mahafinaritra.
Rehefa hilamin-tsaina ny ankizy rehetra
Na dia toa manjombona aza ny hoavy ho an’ny ankizy maro amin’izao andro izao, ny Tenin’Andriamanitra dia manome antoka fa tsy ho ela dia ho tonga fonenana hahitana filaminan-tsaina ho an’ny olombelona ny tany. Alao sary an-tsaina ange ny fotoana ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, rehefa tsy ho voatery hanahy ny amin’ny loza mety hanjo ny zanany intsony ireo ray aman-dreny e! (2 Petera 3:13). Miezaha maka sary an-tsaina ny fahatanterahana lehiben’itỳ faminaniana itỳ: “Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy.” (Isaia 11:6). Na dia amin’izao andro izao aza, dia mahita fahatanterahany ara-panoharana eo anivon’ireo manompo an’i Jehovah ny filaminana ara-panahy voalazalaza ao amin’ireo teny ireo. Eo anivon’izy ireo no hahatsapanao ny fiahiana feno fitiavan’Andriamanitra. Raha maneho fitiavana an’Andriamanitra ianao, dia afaka matoky fa ho takany ny fihetseham-ponao amin’ny maha ray na reny anao, ary hanampy anao hiatrika ireo fanahiana sy fisedrana mety ho hitanao izy. Mianara ny Teniny, ary apetraho amin’ilay Fanjakany ny fanantenanao.
Ampio mba handeha eo amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay ireo zanakao, amin’ny famelana ohatra tsara. Raha mialoka amin’i Jehovah Andriamanitra ianao, dia ho tsara noho izay mety hampoizinao ny hoavinao sy ny an’ireo zanakao. Afaka ny hanana fatokiana sahala amin’ny an’ilay mpanao salamo izay nihira toy izao, ianao: “Miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” — Salamo 37:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Anarana novana no ampiasaina ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.
b Jereo ny toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7 ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.