FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/10 p. 28-31
  • Aza Mitsahatra Manao Fandrosoana Ara-panahy!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mitsahatra Manao Fandrosoana Ara-panahy!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandrosoana amin’ny alalan’ny fianarana manokana
  • Ny ilana hanatona an’Andriamanitra
  • Fambolena fifandraisana akaiky amin’i Jehovah
  • Fandrosoana ara-panahy eo amin’ny fanompoanao
  • Ry Tanora, Miezaha Handroso Foana na dia Aorian’ny Batisa Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Ataovy ho Tanjonao ny Hanompo An’Andriamanitra Mandrakizay
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny Fanaovana Dingana Hentitra mba Hitohizan’ny Fandrosoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Aza Mitsahatra Mandroso Amin’ny Fanarahana Fahazarana Milamina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/10 p. 28-31

Aza Mitsahatra Manao Fandrosoana Ara-panahy!

Andro iray tokony hankamamintsika sy hotadidintsika mandrakariva ny andro nanaovana batisa antsika. Rehefa dinihina tokoa, dia io no andro anambarantsika ampahibemaso fa nanolo-tena hanompo an’Andriamanitra isika.

HO AN’NY olona maro, dia ilana ezaka goavana ny fanatratrarana an’io dingana io: fialana amin’ny fahazaran-dratsy efa hatry ny ela, fanafahan-tena amin’ny fifaneraserana tsy mahasoa, fanovana fomba fisaina sy fomba fitondran-tena efa tena latsa-paka.

Na dia fisehoan-javatra mahafaly sy miavaka eo amin’ny fiainan’ny Kristianina iray aza ny batisa, dia vao fiandohana ihany izy io. Nilaza toy izao tamin’ireo Kristianina vita batisa tany Jodia ny apostoly Paoly: “Aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ny [fahamatorana, NW ] isika”. (Hebreo 6:1). Eny, ilain’ny Kristianina rehetra ny ho ‘tonga amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy’. (Efesiana 4:13). Rehefa mandroso ka tonga matotra ihany isika vao afaka ny ho tena “tafatoetra amin’ny finoana”. — Kolosiana 2:7.

Nandritra ireo taona vitsivitsy lasa, dia mpanompo vao avy nanolo-tena ana hetsiny maro no tonga tao amin’ny kôngregasiôna kristianina. Anisan’izy ireo angamba ianao. Sahala amin’ireo rahalahinao tamin’ny taonjato voalohany, dia tsy irinao ny hitoetra ho zaza ara-panahy. Maniry hitombo ianao, maniry handroso! Amin’ny fomba ahoana anefa? Ary inona no fomba sasany azonao anaovana fandrosoana toy izany?

Fandrosoana amin’ny alalan’ny fianarana manokana

Nilaza toy izao tamin’ireo Kristianina tany Filipy i Paoly: “Izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny [fahalalana araka ny marina, NW ] sy ny fahafantarana rehetra”. (Filipiana 1:9). Tena zava-dehibe eo amin’ny fandrosoanao ara-panahy ny fitomboana amin’ny “fahalalana araka ny marina”. Fanaovan-javatra mitohy ny ‘fandraisana fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy’ fa tsy zavatra mitsahatra aorian’ny batisa. — Jaona 17:3, NW.

Ny anabavy kristianina iray izay hantsointsika hoe Alexandra, dia nanjary nahatakatra izany, folo taona taorian’ny nanaovana batisa azy teo amin’ny faha-16 taonany. Nobeazina tao amin’ny fahamarinana izy ary tsy tapaka mihitsy teo amin’ny fanatrehana ireo fivoriana kristianina sy teo amin’ny fandraisana anjara tamin’ny asa fitoriana. Izao no nosoratany: “Nandritra ny volana vitsivitsy lasa izay, dia takatro fa nisy zavatra tena tsy nety mihitsy. Tapa-kevitra aho fa handinika lalina amim-pahatsorana ny tenako, raha ny amin’izay tsapako momba ny fahamarinana sy ny antony mbola mahao amin’ny fahamarinana ahy”. Inona no tsikariny? Manohy ny teniny toy izao izy: “Nampikorontan-tsaina ahy ireo antony izay hitako fa mahao amin’ny fahamarinana ahy. Tadidiko fa rehefa nihalehibe aho, dia ny fivoriana sy ny fanompoana eny amin’ny saha no noantitranterina. Toy ny hoe ho tonga ho azy eny ihany ny fahazarana mianatra manokana sy mivavaka. Rehefa namakafaka ny toe-javatra nisy ahy anefa aho, dia nahatakatra fa tsy izany no nitranga.”

Nananatra toy izao ny apostoly Paoly: “Na manao ahoana na manao ahoana fandrosoana vitantsika, dia aoka isika handeha amim-pilaminana hatrany araka izany fahazarana izany ihany.” (Filipiana 3:16, NW ). Azon’ny fahazarana iray soritana izay ho fizotran’ny fandrosoana. Tsy isalasalana fa nanana fahazarana isan-kerinandro nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny mpampianatra nahay tsara ianao, talohan’ny batisanao. Rehefa nitombo fahatakarana ianao, dia nataonao ho anisan’io fahazarana io ny fanomanana mialoha ny fianarana isan-kerinandro sy ny fijerena ao amin’ny Baiboly ireo andinin-teny voatonona ao, sy ny sisa. Izao ianao efa vita batisa izao, moa ve ianao nanohy ‘nandeha araka izany fahazarana izany ihany’?

Raha tsy izany no izy, dia mety hilainao ny mandinika indray izay omenao ny laharam-pahamehana, amin’ny ‘famantarana izay zavatra tsara indrindra’. (Filipiana 1:10). Mitaky fifehezan-tena, amin’izao fiainantsika feno zavatra atao izao, ny fanokanana fotoana hamakiana sy hianarana manokana ny Baiboly. Mendrika ny hanaovana ezaka toy izany anefa ny soa azo. Diniho indray ny zavatra niainan’i Alexandra. “Voatery milaza aho fa tsy nanao afa-tsy ny nandeha nivory sy nanompo teny amin’ny saha aho, nandritra ireo 20 taona teo ho eo nahatao amin’ny fahamarinana ahy”, hoy ny fiekeny. Manohy ny teniny toy izao anefa izy: “Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra aho hoe na dia lehibe aza ireo zavatra ireo, raha ireo fotsiny akory tsy ho afaka hanohana ahy rehefa manomboka mihasarotra ny raharaha. Nanjary nisongadina izany rehetra izany satria azo lazaina hoe tsy nisy mihitsy ny fahazarako nianatra manokana, ary tsindraindray aho vao nivavaka no sady tsy lasa lalina akory izany. Takatro ankehitriny fa voatery manitsy ny fisainako sy manomboka manao fandaharam-pianarana misy heviny aho, mba hahafahako ho tena hahalala an’i Jehovah sy hanjary ho tia azy ary hankasitraka izay nomen’ny Zanany antsika.”

Raha mila fanampiana ianao eo amin’ny fanorenana fahazarana mahasoa mahakasika ny fianarana manokana, dia ho faly hanampy anao ireo loholona sy ny Kristianina matotra hafa ao amin’ny kôngregasiôna misy anao. Ho fanampin’izany, dia ahitana fanoloran-kevitra mahasoa maromaro koa ao amin’ireo lahatsoratry Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May 1995; ny 15 Aogositra 1993; sy ny 15 Aogositra 1986.

Ny ilana hanatona an’Andriamanitra

Lafiny hafa iray tokony hiezahanao mafy mba handrosoana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho tena lehibe aza ny ilana hanao zavatra amin’io lafiny io. Hevero ny amin’i Anthony, izay natao batisa raha mbola vao herotrerony. “Izaho no ankizy voalohany natao batisa tao amin’ny fianakavianay”, hoy ny fitantarany. “Namihina ahy tamin-kafanana ny reniko, taorian’ny batisako. Mbola tsy nahita azy sambatra toy izany mihitsy aho. Be tokoa ny hafaliana, ary nahatsiaro ho natanjaka erỳ aho.” Nipoitra anefa ny lafy ratsin-javatra. “Nisy fotoana tsy nisian’ny tanora natao batisa tao amin’ny kôngregasiônanay”, hoy i Anthony nanohy ny teniny. “Koa nirehareha be ny amin’ny tenako aho. Nampirehareha ahy koa ny valin-teniko sy ny lahateniko tamin’ireo fivoriana. Ny hahazo dera sy sitraka avy amin’ny olona no nanjary zava-dehibe kokoa tamiko noho ny hoe hitondra fiderana ho an’i Jehovah. Tsy tena nanana fifandraisana akaiky taminy aho.”

Toa an’i Anthony, dia mety ho nanao fanoloran-tena ny sasany, tsy dia noho ny faniriana hampifaly an’i Jehovah loatra, fa noho ny faniriana hampifaly ny hafa fotsiny. Na izany aza, dia antenain’Andriamanitra ny hiainan’ny olona toy izany mifanaraka amin’ny fampanantenany hanompo azy. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 5:3.) Matetika anefa no sarotra amin’izy ireny ny hanao izany tsy misy fifikirana manokana amin’Andriamanitra. Izao no tsaroan’i Anthony: “Nihelina ihany ilay hafaliana be nananako tamin’ny batisako. Tsy niherina akory ny taona nanaovana batisa ahy, dia latsaka tao amin’ny fanaovan-dratsy lehibe aho ary voatery nanarin’ireo loholona tao amin’ny kôngregasiôna. Nitarika ho amin’ny fandroahana ahy tsy ho ao amin’ny kôngregasiôna ny fiverimberenan’ny fitondran-tena ratsy. Taorian’ny enin-taona nanolorako tena ho an’i Jehovah, dia voasambotra aho ary naiditra am-ponja noho ny vonoan’olona.”

Fambolena fifandraisana akaiky amin’i Jehovah

Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy anao, dia ny Kristianina rehetra no afaka mamaly izao fanasan’ny Baiboly izao: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” (Jakoba 4:8). Tsy isalasalana fa namboly fifandraisana akaiky tamin’Andriamanitra ihany ianao fony nianatra voalohany ny Baiboly. Nianaranao fa tsy ilay andriamanitra tsy manana ny mahaizy azy tompoina any amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina akory Andriamanitra, fa persona iray manana anarana hoe Jehovah. Nianaranao koa fa manana toetra manintona izy, ary “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo”. — Eksodosy 34:6.

Mba hiainanao mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao hanompo an’Andriamanitra anefa, dia tsy maintsy manatona akaiky azy kokoa ihany ianao! Amin’ny fomba ahoana? Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.” (Salamo 25:4). Afaka manampy anao hanjary hifankazatra tsara kokoa amin’i Jehovah ny fianarana manokana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Zava-dehibe koa ny fanaovana vavaka amim-pahatsoram-po tsy tapaka. “Loary eo anatrehany ny fonareo”, hoy ny fampirisihan’ny mpanao salamo. (Salamo 62:8). Rehefa hitanao fa mahazo valim-bavaka ianao, dia ho tsapanao fa mihevitra anao manokana Andriamanitra. Izany dia hanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa azy.

Mbola manome fahafahana hafa hanatona akaiky an’Andriamanitra koa anefa ireo fisedrana sy zava-manahirana. Mety hiatrika zava-tsarotra sy fitsapam-pinoana, toy ny aretina, fanerena any an-tsekoly sy any am-piasana, na fahasahiranana ara-bola, ianao. Mety ho sarotra aminao na dia ny fahazarana teôkratika ara-dalàna mihitsy aza, toy ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana, fanatrehana fivoriana, na fiaraha-mianatra ny Baiboly amin’ireo zanakao. Aza miady irery amin’ny fiatrehana zava-manahirana toy izany! Mitalahoa fanampiana amin’Andriamanitra, ary mangataha fitarihan-dalana avy aminy. (Ohabolana 3:5, 6). Mangataha mba hanomezany anao ny fanahiny masina! (Lioka 11:13). Rehefa mahazo fanampiana feno fitiavana avy amin’Andriamanitra ianao, dia hanatona azy akaiky kokoa ihany. Araka ny nilazan’i Davida mpanao salamo azy, dia: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.” — Salamo 34:8.

Ahoana ny amin’i Anthony? “Nanomboka nieritreritra ny fotoana izay nananako tanjona ara-panahy maro be niompana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah aho”, hoy ny tsaroany. “Nampanaintaina izany, nefa tamin’izany fanaintainana sy fahadisoam-panantenana rehetra izany no nahatsiarovako ny fitiavan’i Jehovah. Naka fotoana kely ihany vao afaka nivavaka tamin’i Jehovah aho, nefa dia nataoko izany, ary namboraka taminy ny tao am-poko aho, ka nangataka famelan-keloka taminy. Nanomboka namaky ny Baiboly koa aho, ary gaga fa betsaka no hadinoko nefa kely dia kely no tena fantatro momba an’i Jehovah.” Na dia mbola voatery manefa ny saziny any am-ponja noho ny heloka bevava nataony aza i Anthony, dia mandray fanampiana avy amin’ny kôngregasiôna eo an-toerana, ary efa eo an-dalam-pahasitranana ara-panahy. Nilaza toy izao tamim-pankasitrahana i Anthony: “Noho i Jehovah sy ny fandaminany, dia afaka nanaisotra ny toetra taloha aho ary miezaka mitafy ny toetra vaovao isan’andro. Tena faran’izay lehibe amiko ankehitriny ny fifandraisako amin’i Jehovah.”

Fandrosoana ara-panahy eo amin’ny fanompoanao

Nandidy ny mpanara-dia azy mba ho mpitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” i Jesosy Kristy. (Matio 24:14, NW ). Noho ianao somary mbola vaovao ihany eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, dia mety ho voafetra ny traikefa anananao eo amin’ny fanompoana. Ahoana àry no azonao anaovana fandrosoana mba ‘hanatanterahana ny fanompoanao’? — 2 Timoty 4:5.

Fomba iray ny fambolena toe-tsaina tsara. Mianara mihevitra ny asa fitoriana ho toy ny “harena sarobidy”, tombontsoa. (2 Korintiana 4:7, NW ). Manome antsika fahafahana hampiseho ny fitiavantsika, ny fahatokiantsika ary ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah, ny asa fitoriana. Mamela antsika haneho fiahiana ny mpiara-belona amintsika koa izy io. Mety ho loharanon’ny tena fahasambarana ny filofosana tsy misy fitiavan-tena, amin’io lafiny io. — Asan’ny Apostoly 20:35.

Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanana fomba fijery tsara momba ny asa fitoriana. Toy ny ‘hanina’ no fiheverany ny fizarana ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny hafa. (Jaona 4:34). Noho izany, dia mety ho azo fintinina tsara amin’ilay teniny hoe: “Mety Aho”, ny antony nanosika azy hanampy ny hafa. (Matio 8:3). Naneho fangoraham-po tamin’ny olona i Jesosy, indrindra fa tamin’ireo izay ‘nampahantraina sy nafoy’ noho ny nataon’ny tontolon’i Satana. (Matio 9:35, 36). Mba “mety” toy izany koa ve ianao rehefa hanampy ireo izay ao anatin’ny haizina ara-panahy sy mila fahazavana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Ho tsapanao amin’izay fa voatosika ianao hamaly ilay baikon’i Jesosy hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra”. (Matio 28:19). Eny tokoa, ho voatosika handray anjara feno amin’io asa io ianao, raha mbola mamela anao hanao izany koa ny fahasalamanao sy ny tarehin-javatra misy anao.

Fanalahidy hafa iray ho an’ny fandrosoana ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana — isan-kerinandro raha azo atao. Afaka manampy izany mba hampihenana ny fanahiana sy ny tahotra mety hanakana ny olona iray izay tsy mitory afa-tsy indraindray fotsiny. Hahasoa anao amin’ny fomba hafa koa ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Hampitombo ny fankasitrahanao ny fahamarinana izany, hamelombelona ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny mpiara-belona aminao, ary hanampy anao hifantoka hatrany amin’ny fanantenana momba ilay Fanjakana.

Ahoana anefa raha toa ny toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao ka mahatonga ny fandraisanao anjara amin’ny asa fitoriana ho tena voafetra? Raha tsy azo atao tsotra izao ny manao fanitsiana, dia mandraisa fampiononana amin’ny fahafantarana fa mankasitraka an’izay rehetra azonao atao Andriamanitra, raha mbola manao ny fanompoanao amin’ny fanahinao rehetra koa ianao. (Matio 13:23). Angamba ianao afaka mandroso amin’ny fomba hafa, toy ny fanatsarana ny fahaizanao mitory. Ao amin’ny kôngregasiôna, dia manome fampiofanana tsara dia tsara betsaka amin’io lafiny io ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Mazava ho azy fa arakaraka ny ananantsika fahaizana eo amin’ny fanompoana no ankafizantsika azy io sy ahitantsika vokatra.

Mazava àry, fa tsy tokony hitsahatra amin’ny andro anaovana batisa ny olona iray ny fandrosoana ara-panahy. Nanoratra toy izao momba ny fanantenany hahazo fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra ny apostoly Paoly: “Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy. Koa aoka isika rehetra izay [matotra, NW ] hihevitra izany; fa hasehon’Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa hianareo.” — Filipiana 3:13-15.

Eny, ny Kristianina rehetra — na ny tsy fahafatesana any an-danitra no fanantenany, na ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany — dia tsy maintsy “miezaka hanatratra”, na milofo mafy mba hanatratra ny tanjona, dia ny fiainana! Fiaingana tsara dia tsara ny batisanao, nefa vao fanombohana ihany izy io. Manohiza miezaka mafy manao fandrosoana ara-panahy. Aoka ianao ho ‘lehilahy tokoa amin’ny fahalalana’, amin’ny alalan’ireo fivoriana sy ny fianarana manokana. (1 Korintiana 14:20). Mahaiza ‘mamantatra tsara izay sakany sy lavany ary haavony sy halalin’ny’ fahamarinana. (Efesiana 3:18). Tsy vitan’ny hoe hanampy anao hihazona fifaliana sy fahasambarana dieny izao fotsiny ny fandrosoana ataonao, fa hanampy anao koa hahazo toeram-piarovana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, izay hahafahanao handroso mandrakizay eo ambany fitondran’ny Fanjakany any an-danitra!

[Sary, pejy 29]

Mitaky fifehezan-tena ny fahitana fotoana hanaovana fianarana manokana

[Sary, pejy 31]

Afaka manampy antsika hahita fifaliana eo amin’ny fanompoana ny fananana toe-tsaina tsara

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara