Ry Ray Aman-dreny — Ampianaro Tsikelikely Hanana Fahazarana Mahasoa ny Zanakareo
1 Tsy azo ho azy, na noho ny kisendrasendra ny fahazarana mahasoa. Ambonin’izany, dia mitaky fotoana ny fampianarana tsikelikely ny ankizy mba hanana fahazarana mahasoa. Ilay teny hoe “tsikelikely” dia mitaky ny hanohizan’ny ray aman-dreny manao zavatra amin’ny fomba tsy miovaova mba ‘hitaizany ny zanany amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo’. — Efes. 6:4.
2 Atombohy dieny mbola zazakely: Manana fahaizana miavaka mianatra sy manao zavatra vaovao ny ankizy tena mbola madinika. Na dia sarotra amin’ny olon-dehibe aza ny mianatra fiteny vaovao, dia afaka mianatra fiteny roa na telo indray miaraka kosa ny ankizy mbola tsy mandeha any am-pianarana. Aza mihevitra mihitsy hoe mbola kely loatra ny zanakareo ka tsy afaka mampitombo fahazarana mahasoa. Raha atomboka aloha sy tohizina ny fampianarana azy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia ho feno fahalalana hahatonga azy ho ‘hendry ho amin’ny famonjena’ sahady ny sain’ilay ankizy, raha mbola kely izy. — 2 Tim. 3:15.
3 Ataovy fahazarana ny fanompoana eny amin’ny saha: Fahazarana mahasoa tokony hampianarina tsikelikely ny ankizy, mandritra ireo taona voalohany amin’ny fiainany, ny fahazarana mitory tsy tapaka ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ray aman-dreny maro no manomboka izany amin’ny fitondrana ny zanany eny amin’ny fanompoana isan-trano, raha mbola zazakely ny zanany. Raha mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana ny ray aman-dreny, dia manampy ny zanany hankasitraka kokoa ny fanompoana sy hazoto kokoa amin’izany. Azon’ny ray aman-dreny atao ny mampiseho amin’ny zanany ny fomba fandraisana anjara amin’ny fitoriana, amin’ny lafiny tsirairay amin’ny fanompoana eny amin’ny saha.
4 Manampy ny ankizy koa ny fisoratana anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Sady mampianatra azy hanana fahazarana tsara mianatra izany no mampianatra azy ny fomba hamakian-teny mba hahazoana izay vakina. Ianarany ny miresaka momba ny Baiboly sy manao fiverenana mitsidika ary mitarika fampianarana Baiboly. Mety handrisika azy ireo hanao ny asan’ny mpisava lalana sy hiezaka hahazo tombontsoam-panompoana manokana, ny fampiofanana toy izany. Betelita sy misionera maro no faly erỳ mahatsiaro ny fotoana nanombohany nanao ilay sekoly ary mihevitra azy io ho fandaharana nanampy azy hampitombo fahazarana mahasoa.
5 Toy ny tanimanga eo an-tanan’i Jehovah, ilay Mpanefy Tanimanga lehibe, isika rehetra. (Isaia 64:7). Arakaraka ny mampahalemy ilay tanimanga no mahamora volavolaina azy. Arakaraka ny mahamaina azy no mahamafy azy. Toy izany koa ny olona. Raha mbola kely izy dia mora ahitsy, ary arakaraka ny maha mbola kely azy no mahatsara ny vokatra azo. Taona fampiofanana ny ankizy ireo taona maha zaza azy, fotoana famolavolana azy ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy. Amin’ny maha ray na reny feno fiahiana anareo, dia atombohy aloha ny fampianarana tsikelikely ny zanakareo hanana fahazarana mahasoa eo amin’ny fanompoana kristianina.