FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/11 p. 4-7
  • Mpanompo tanora tamin’ny andron’ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpanompo tanora tamin’ny andron’ny Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mosesy sy ireo olo-nahatoky hafa tamin’ny fahatanorany
  • Davida, Josia, ary Jeremia
  • Daniela, Jesosy, ary Timoty
  • Karazana hoavy manao ahoana no tianao?
  • Tanora sambatra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mosesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fantaro ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Fantatrao Tsara ve i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/11 p. 4-7

Mpanompo tanora tamin’ny andron’ny Baiboly

NY Baiboly dia miresaka ny amin’ny tanora maro mahafinaritra tokoa, izay nihevitra ho zava-dehibe ny asa ataony ho an’Andriamanitra, ary voatahy be dia be tamin’ny nanaovany izany. Na tanora isika na antitra sy fotsy volo, dia afaka mahazo fampaherezana lehibe avy amin’ireo ohatra tsara dia tsara ao amin’ny Baiboly ireo.

Vao 17 taona monja i Josefa rehefa namidy ho andevo tany Egypta. Tany, lavitra ny fianakaviany sy tsy tazan’izay nahalala azy, dia nampiseho ny tsy fivadihany i Josefa. Rehefa nanandrana nanangoly an’i Josefa ny vadin’i Potifara, dia hoy izy: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Na dia teo anatrehan’ny Farao nahery, ny mpanjaka nanam-pahefana indrindra tamin’ny androny, aza i Josefa dia nanararaotra ny fahafahana hilaza an’Andriamanitra ho fototry ny fandikana ny hevitr’ireo nofin’i Farao. Nahazo fitahiana tondraka izy tamin’izany. Nampiasa azy Andriamanitra mba hamonjy ny Egyptiana sy ny fianakaviany tsy ho fatin’ny mosary ka hitondra an’i Jakoba rainy sy ny ankohonany ho any Egypta. — Genesisy 37:2; 39:7-9; 41:15, 16, 32.

Mosesy sy ireo olo-nahatoky hafa tamin’ny fahatanorany

Noraisin’ny zanakavavin’i Farao ho zanany i Mosesy, nefa azon’ny renin’i Mosesy sy ny rainy natao ny nampianatra azy ny amin’ilay Andriamanitra marina. Resahin’ny Baiboly fa rehefa tonga olon-dehibe i Mosesy dia ‘nanda tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, tamin’ny fifidianana ny hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana.’ Nampiasa an’i Mosesy Andriamanitra mba hitondra ny vahoakany hiala tany Egypta, handray ny Lalàna tao Sinay, ary hanoratra ampahany lehibe amin’ny Baiboly. Na firy taona ianao na firy taona, moa ve ianao mamboly fahavononana ny hanompo an’Andriamanitra toy ny nataon’i Mosesy? — Hebreo 11:23-29; Eksodosy 2:1-10.

Ampahafantarin’ny Soratra masina antsika ny amin’ny “ankizy madinika” izay niara-nihaino tamin’ny hafa rehetra anisan’ilay firenena rehefa novakina tamin’ny Isiraely ny Lalàn’Andriamanitra. (Deoteronomia 31:10-13) “Izay rehetra efa mahahaino” dia nitsangana “hatramin’ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ny andro” mba hihaino ny Lalàna tamin’ny andron’i Nehemia. (Nehemia 8:1-8) Na dia tsy nahazo an-tsaina ny zavatra rehetra aza ny ankizy madinika dia afaka nahatakatra fa tokony ho tia, hanompo, ary hankatò an’i Jehovah Andriamanitra izy. Na firy taona ianao na firy taona, moa ve ianao nihaino tany amin’ireo fivoriana sy fivoriambe izay niresahana ny amin’ny Tenin’Andriamanitra? Moa ve ianao nianatra ny maha-zava-dehibe ny hankatoavana azy, tahaka ny nataon’ireo tanora Isiraelita?

Davida, Josia, ary Jeremia

Nifidy an’i Davida, ny zandriny indrindra tamin’izy valo mirahalahy, Andriamanitra ho amin’ny asa manokana, ary niteny taminy hoe: “Izaho nahita an’i Davida, zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.” Nifidy azy ho ‘mpiandry’ ny olony Andriamanitra, ary nanao izany asa izany i Davida, tamin’ny fanehoany ny fitiavany an’i Jehovah nandritra ny taona maro. Nanoratra mihoatra ny 70 tamin’ny Salamo izy ary tonga iray tamin’ireo razamben’i Jesosy Kristy. Na tanora ianao na antitra, moa ve ianao mankasitraka ny lalan’Andriamanitra ka manao izay sitrany, toy ny nataon’i Davida? — Asan’ny Apostoly 13:22; Salamo 78:70, 71; 1 Samoela 16:10, 11; Lioka 3:23, 31.

Tonga mpanjaka i Josia fony izy vao valo taona monja. Teo amin’ny faha-15 taonany teo, “raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an’Andriamanitr’i Davida rainy.” Talohan’ny faha-20 taonany, dia nanomboka fampielezan-kevitra iray hanoherana ny fanompoam-pivavahan-diso i Josia. Tatỳ aoriana, dia nampanamboariny indray ny tempoly ary namerina ny fanompoam-pivavahana madio tao amin’ilay tany izy. Izao no vakintsika: “Tamin’ny andro rehetra niainan’i Josia dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.” Tsy afaka ny ho mpanjaka sahala amin’i Josia ny rehetra, nefa afaka manompo an’Andriamanitra sy manohitra mafy ny fanompoam-pivavahan-diso isika, na firy taona isika na firy taona. — 2 Tantara 34:3, 8, 33.

Hoy ilay Andriamanitra Tsitoha tamin’i Jeremia: “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.” Nanda i Jeremia tamin’ny filazana fa mbola tanora loatra izy ka tsy afaka ny ho mpaminany: “Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.” Namaly i Jehovah hoe: “Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.” Tsy nanao afa-tsy izany i Jeremia nandritra ny 40 taona mahery, ka na dia te hiala aza izy dia tsy afaka nitsahatra. Ny Tenin’Andriamanitra dia ‘tonga toy ny afo nirehitra tao am-pony, voahidy tao amin’ny taolany.’ Voatery niteny izy! Na firy taona ianao na firy taona, moa ve ianao mamboly ny karazana finoana nananan’i Jeremia, mandroso eo amin’ny asan’Andriamanitra toy ny nataony? — Jeremia 1:4-8; 20:9.

Daniela, Jesosy, ary Timoty

Tsy mbola nandre ny amin’i Daniela ve ianao? Nety ho latsaka lavitra ny faha-20 taonany izy rehefa nentina niaraka tamin’ny “ankizy” hafa ho babo tany an-dapan’i Nebokadnezara nahery, mpanjakan’i Babylona. Na dia teo aza ny fahatanoran’i Daniela dia tapa-kevitra ny hankatò an’Andriamanitra izy. Nanda ny handoto ny tenany tamin’ny sakafo izay nety ho nandika ny Lalàn’Andriamanitra na voaloton’ny fomba amin’ny fanompoan-tsampy ry Daniela sy ny namany. Tsy nangozohozo mihitsy i Daniela nandritra ny 80 taona mahery, nihazona ny tsy fivadihany hatramin’ny fandavana ny hitsahatra tsy hivavaka tamin’Andriamanitra, na dia hitarika ny fanipazana azy tany amin’ny liona aza izany. Heverinao ho zava-dehibe tahaka izany ve ny asa ataonao ho an’Andriamanitra sy ny vavaka ataonao? Tokony ho izany. — Daniela 1:3, 4, 8; 6:11, 17, 23 [6:10, 16, 22, MN ].

Fony izy 12 taona, dia hita nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ara-pivavahana tao amin’ny tempolin’i Jerosalema i Jesosy, “nihaino sady nanontany azy. Ary talanjona izay rehetra nandre Azy [Jesosy tanora] noho ny fahalalany sy ny famaliany.” Moa ve ny fifanakalozan-kevitra momba ny Soratra masina nataon’ny lehilahy be taona tao amin’ny tempoly ho nahaliana anao toy ny nahaliana an’i Jesosy ny amin’izany? Moa ve ny hafa ho talanjona noho ny fahalalanao sy ny famalinao? Amin’izao andro izao, dia Vavolombelona tanora maro be izay mianatra, mihaino amim-pitandremana, ary mandray anjara amin’ireo fivoriana kristiana, no manana fahalalana ny Soratra masina mampitolagaga ny olon-dehibe. — Lioka 2:42, 46, 47.

Moa ve ianao toa an’i Timoty, izay fony mbola zaza dia efa nianatra “ny Soratra Masina”? Fony izy tanora dia “tsara laza teo amin’ny rahalahy” tao amin’ny kongregasiona roa fara fahakeliny i Timoty. Nifidy an’i Timoty ny apostoly Paoly hanao dia lavitra niaraka taminy, tsy ho mpitondra entana fotsiny fa hanampy an’i Paoly tamin’ny fampianarana ny hafa. Ho voafidy ho amin’ny tombontsoa toy izany ve ianao? Moa ve ny asanao “tsara laza”, tsy eo amin’ny kongregasiona misy anao ihany fa any amin’ny hafa koa? — 2 Timoty 3:15; Asan’ny Apostoly 16:1-4.

Karazana hoavy manao ahoana no tianao?

Moa ve ny tanora amin’izao andro izao afaka ho mahatoky toa an-dry Josefa, Mosesy, Davida, ary ny hafa? Izany tokoa. Marina fa tanora maro no tsy maniry afa-tsy ny hanao izay mahafinaritra azy. Nefa, ny hafa kosa mampiasa ny fahatanorany amim-pahendrena, amin’ny fanaovana izay hahalalana an’Andriamanitra sy ny sitrapony ny amin’izy ireo. Manatanteraka ity faminanian’ny Baiboly ity izy ireo: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao. (. . .) Tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.” — Salamo 110:3.

Ny tanora mahafinaritra tokoa toy izany dia mampiseho fahendrena mihoatra noho ny taonany, satria Andriamanitra afaka manampy azy hanao izay hahombiazan’ny fiainany ankehitriny, ary koa hanome azy hoavy mahatalanjona ao amin’izao tontolo izao ho avy. (1 Timoty 4:8) Ahoana anefa no ahafahan’ny tanora amin’ny andro ankehitriny hampitombo finoana tahaka ireo zatovo resahina ao amin’ny Baiboly? Raha maniry hahafantatra ianao, dia manasa anao izahay hamaky ny lahatsoratra hoe “Tanora sambatra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah”, manomboka eo amin’ny pejy faha-11 amin’ity gazety ity.

[Sary, pejy 5]

Tsy voataonan’ny haren’i Egypta i Mosesy tanora

Araka ny fon’i Jehovah i Davida tanora

[Sary, pejy 6]

Na dia nahatsapa aza i Jeremia fa “mbola zaza”, dia nitory hafatra tsy tiam-bahoaka tamin-kerimpo izy.

Fony Jesosy 12 taona, dia nahatalanjona ireo loholony izy noho ny fahalalany ny Tenin’Andriamanitra

[Sary, pejy 7]

Teo amin’ny Isiraely, na dia ny ankizy madinika aza dia nihaino rehefa novakina ny Lalàn’Andriamanitra. Manao izany ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara