Tsy Misy ny Diary 2000 ve ny Fitahirizam-bokinao?
Sarobidy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay ary mahafinaritra ny mamaky azy. Manatanjaka ny fatokiantsika ny fitarihan’i Jehovah sy ny fiarovany ary ny fitahiany ny fitantarana mampahery momba ny fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany. Mbola misy Diary 2000 amin’ny teny malagasy ao amin’ny tahiry. Misy fitantarana mampientam-po momba ny asan’ilay Fanjakana tany Grande-Bretagne sy teto Madagasikara ary tany amin’ny Repoblika Tseky ao amin’izy io. Nahoana raha jerena sao tsy misy an’io Diary io ny fitahirizam-bokinao? Tokony hijery ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana koa ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana. Afaka manafatra any amin’ny mpikarakara ny bokin’ny kongregasiona ny mpitory rehetra maniry hahazo io Diary io.