Fanafainganana ny Fanorenana Efitrano Fanjakana eto Madagasikara
Ny Efitrano Fanjakana no toeram-pivoriana lehibe indrindra ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandray anjara lehibe amin’ny fitomboan’ny fivavahana marina àry izy io. Mivory tsy tapaka mba “hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara” isika mpanompon’i Jehovah nanolo-tena ho azy sy ampianariny. (Heb. 10:24) Mahafinaritra tokoa ny mahita olona mihamaro hatrany miaraka amintsika, satria maniry ny hampianarin’i Jehovah sy handeha amin’ny lalany koa izy ireo! (Isaia 2:3) Mitaky fanorenana Efitrano Fanjakana maro kokoa izany fitomboana tsy mitsahatra izany.
Tsapan’ny Fikambanana fa sarotra ho an’ny fiangonana sasany ny mahazo trano mety hivoriana, noho ny zava-misy ara-toe-karena ankehitriny. Tena ilaina maika ny manampy ireny fiangonana ireny. Izany no anisan’ny antony nananganana ny Tahirim-bolan’ny Fikambanana ho An’ny Efitrano Fanjakana, mba hanampiana ny fiangonana hahazo vola hanorenana Efitrano Fanjakana.
Voamarika fa manome betsaka ho an’ny Tahirim-bolan’ny Fikambanana ho An’ny Efitrano Fanjakana ireo rahalahy. Mariky ny fitiavan-drahalahy izany fanomezana izany, sady manaporofo fa miahy ny “mpianakavin’ny finoana” isika ary maniry hifanasoa. Mirohotra ho ao amin’ny fandaminan’i Jehovah hatrany tokoa ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra, ka manana tombontsoa isika hampiseho ny finoantsika amin’ny zavatra ataontsika ho azy ireny.—Hagay 2:7.
Fanafainganana ny fanorenana Efitrano Fanjakana: Nahafinaritra fa notsidihin’ny solontenan’ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika mikarakara ny Efitrano Fanjakana isika. Mila Efitrano Fanjakana 200 izao isika eto Madagasikara. Mila hafainganina, araka izany, ilay fandaharana. Nisy Efitrano 30 mahery vita tao anatin’ireo taona vitsivitsy farany. Hitanareo ato ny sarin’ny sasany amin’ireo Efitrano Fanjakana manome voninahitra an’i Jehovah ireo. Tsy manome voninahitra an’i Jehovah tokoa ve ireo trano ireo?
Noresahin’ilay solontenan’ny Fikambanana tonga nitsidika ny fomba fiasa, ary nisy fanampiana mba handrindrana an’io fandaharana io. Nitady fomba fiasa ny Fikambanana, nandritra ny taona maro, mba hanaovana Efitrano Fanjakana tsy mandany vola loatra nefa mety sy manome voninahitra ny fivavahantsika. Ho tianareo ve ny hamantatra ny sasany amin’izany?
An’iza ny tetik’asa fanorenana efitrano fanjakana?: Tetik’asan’ny fiangonana ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Andraikiny ny manao izay azony atao mba hanohanana sy handraisana anjara amin’ilay fanorenana. Tokony hahatsapa izany andraikitra izany ny rehetra ao amin’ny fiangonana. Koa na dia manohana antsika ara-bola amin’ny alalan’ny fandaminany aza i Jehovah, dia antsika ilay fanorenana ka tokony hahatsapa ny andraikitsika isika.
Inona avy ny dingana tokony hatao?
1. Manoratra taratasy mampahafantatra ny Fikambanana fa mila Efitrano ny fiangonana. Hohazavaina amin’ny an-tsipiriany, raha efa misy tany azo.
2. Hisy solontena halefan’ny Fikambanana hiresaka amin’ny anti-panahy ao amin’ireo fiangonana rehetra voakasik’ilay izy. Atao izany mba hamantarana izay zavatra ilaina sy mba hanomezana tari-dalana momba ny tetik’asa fanorenana Efitrano Fanjakana. Horesahina amin’ireo anti-panahy ny fanazavana rehetra tokony ho fantany, ka izy ireo indray no hampita izany amin’ny fiangonana. Hisy planina modely hofidina. Hiara-miasa akaiky amin’ny fiangonana ny Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana, aorian’izay, rehefa mitady tany mety amin’ilay planina nofidina.
3. Hisy solontena hihaona amin’ny anti-panahy indray, rehefa hita ilay tany mety hanorenana Efitrano Fanjakana. Hisy fanazavana homena azy ireo. Handroso izao fanapahan-kevitra izao amin’ny fiangonana kosa ireo anti-panahy:
● Manaiky an’ilay toerana nofidina ny fiangonana.
● Manaiky an’ilay planina tsy asiana fanovana ny fiangonana.
● Manaiky ny fiangonana fa handray anjara araka izay azony atao isam-bolana amin’ny saran’ny fanorenana. (Alohan’ny hanaovana ilay fanapahan-kevitra, dia hofaritana ny habetsahan’io vola io, ka izao no hatao: Asaina manoratra amin’ny taratasy kely tsy asiana anarana ny mpitory vita batisa rehetra. Soratany ao ny fanomezana azony atao isam-bolana ho an’ny Efitrano Fanjakana.)
● Manaiky ny hikojakoja an’ilay Efitrano ny fiangonana, sady handoa ny fandaniana rehetra mifandray amin’izany.
● Manaiky ny fiangonana fa hanohana an’ilay tetik’asa amin’ireto fomba ireto: Handefa mpiasa an-tsitrapo hanao fanorenana sy hikarakara ireo Mpiasa An-tsitrapo sy Mpanompo Amin’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana, ary hanaiky ny fandaharana apetraky ny Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana.
4. Hodinihin’ny Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana ireo fanapahan-kevitra ireo, ary halefany any amin’ny Komitin’ny Sampana.
5. Raha ekena ilay izy, dia hovidina ilay tany ary hokarakaraina ny taratasiny. Tadidio fa tsy hovidina ilay tany raha tsy efa nekena ireo fanapahan-kevitra. Hampahafantarina ny fiangonana avy hatrany ny mety ho daty hanombohan’ny fanorenana, rehefa azo ny taratasin’ny tany rehetra. Misy Efitrano maro haorina, ka ny Fikambanana no mifidy izay hatao aloha.
Inona no azontsika tsirairay atao?: Izao no lazain’ny Salamo 110:3 amin’i Jesosy Mpanjaka: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao.” Tsy eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ihany izany no mitranga, fa eo amin’ny tetik’asa fanorenana koa. Mazava ho azy fa miantehitra amin’ny fitahian’i Jehovah isika amin’izany rehetra izany. Hoy tokoa ny Salamo 127:1: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.”
Ho vonona handray anjara amin’ny fanorenana àry ve isika? Ireto avy ny fandaharana natao ho an’ireo maniry handray anjara amin’izany:
1. Afaka miresaka amin’ny anti-panahy ny mpitory, ka ireo anti-panahy no mijery izay hekena hiasa amin’ny fanorenana ny Efitrano Fanjakanan’ilay fiangonana.
2. Afaka manitatra ny fanompoantsika koa isika, ka hangataka ho Mpiasa An-tsitrapo Manao Efitrano Fanjakana. Ny atao hoe Mpiasa An-tsitrapo eto, dia ireo rahalahy manolo-tena hiasa amin’ny Efitrano tsy an’ny fiangonany, mandritra ny tapa-bolana, na iray volana, na mandritra ny fotoana voafetra. Mila mameno Fangatahana Hiditra ao Amin’ny Fandaharan’asa An-tsitrapo Fanorenana Efitrano Fanjakana (A-25) izy ireo. Homeny ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana izy io, mba halefa any amin’ny Komitin’ny Sampana, izay hanao ny fanapahan-kevitra farany. Raha ekena ilay izy, dia hampiasain’ny Fikambanana any amin’izay toerana ilany azy ilay rahalahy. (Tsy mila mamerina mangataka amin’ny A-25 vaovao ireo rahalahy efa nameno ny F-12 taloha.) Hahazo vola fanonerana toy ny an’ny Betelita ireo Mpiasa An-tsitrapo nekena.
3. Mety hahazo tombontsoa ho Mpanompo Amin’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana ireo Mpiasa An-tsitrapo. Hasaina hameno Fangatahana ho Mpikambana ao Amin’ny Laharan’ireo Mpanompo Manontolo Andro Manokana sy Ireo Mpanompo Amin’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana (A-12) izy ireo. Hanompo manontolo andro amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana izy ireny, ka halefan’ny Fikambanana any amin’ny toeram-panorenana samihafa. Hahazo vola fanonerana toy ny an’ny Betelita koa izy ireo. Ny tsy mampitovy ny Mpiasa An-tsitrapo sy ny Mpanompo, dia ny hoe miasa mandritra ny fotoana mety aminy ny Mpiasa An-tsitrapo, fa manontolo andro kosa ny Mpanompo.
Mbola afaka manampy ny fiangonana mba hanafainganana ny asa: Maro no azon’ny fiangonana tsirairay atao mba hanohanana ny fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana. Afaka miara-miasa tsara amin’ny Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana atỳ amin’ny Sampana, ohatra, ny fiangonana tsirairay maniry hanorina Efitrano, satria io birao io no tompon’andraikitra amin’izany eto Madagasikara. Efitrano tsotra tsy andaniam-bola be sy tsy mila asa be no nofidina voalohany. (Ampitahao amin’ny Filipiana 1:10) Manana planina Efitrano Fanjakana maromaro ny Fikambanana, ka mety amin’ny fomba fanorenana ampiasaina izy ireny, mba ho vita haingana araka izay azo atao ilay Efitrano. Takina, araka izany, ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny fiangonana. Mila Efitrano Fanjakana 15 000 ireo tany 74 ampiana amin’ny alalan’ny Antokona Mpanorina Efitrano Fanjakana. Tena ilaina ny fampiasana planina modely hanaovana Efitrano tsotra, mba hamitana izany asa rehetra izany. Hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah eo amin’ilay faritra ireny efitrano tsotra sy nampiasana ny fitaovana sy fomba fiasa teo an-toerana ireny. Ho mora sady tsy andaniam-bola koa ny fikojakojana ireo efitrano hivorian’ny fiangonana. Manantena ny hitahian’i Jehovah ny fiangonantsika isika, nefa koa tsy maintsy mijery planina mora atao mba hahavitana ireo Efitrano ilaina, sady tsy ho enta-mavesatra ho an’ireo rahalahy na handany loatra ny Tahirim-bolan’ny Fikambanana ho An’ny Efitrano Fanjakana.
Nanao ahoana ny vokatr’io fandaharana io tany an-toeran-kafa?: Nanoratra ireo fiangonana mba hankasitrahana ny Tahirim-bolan’ny Fikambanana ho An’ny Efitrano Fanjakana. Maneho ny fihetseham-pon’izy ireo izao nolazain’ny fiangonana iray izao: “Tena hafakely ho anay rehetra izy iny. Misaotra ny Fikambanana koa izahay, noho ny fanohanana tamin’ny alalan’ny tahirim-bola ho an’ny fanorenana. Noho io fanampiana io no nahafahanay nanorina Efitrano Fanjakana mahazaka tsara ny fitomboanay.”
Nivory tao amin’ny trano kely sady tery ny fiangonana iray, nandritra ny taona maro. Nanoratra toy izao izy ireo, rehefa nahavita Efitrano, noho ilay Tahirim-bolan’ny Fikambanana ho An’ny Efitrano Fanjakana: “Feno tokoa ny fonay misaotra anareo. Gaga tanteraka ny olona eto amin’ny faritaninay mahita ny zavatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny mahafinaritra dia hoe miresaka momba an’i Jehovah izy ireo. Misy tonga ao am-pivoriana, ary misy mandalo mba hitazana fotsiny an’ilay Efitrano Fanjakana. Nisy fampianarana Baiboly mahafinaritra natomboka, ary efa hatao batisa ny iray aminy.”
Izao no baikon’i Jehovah ho an’ny Isiraelita, tamin’ny alalan’i Mosesy: “Manalà ao aminareo fanatitra ho an’i Jehovah: izay rehetra amporisihin’ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an’i Jehovah.” Inona avy izany fanatitra, na fanomezana izany? Anisan’ny notononin’i Mosesy ny volamena, volafotsy, varahina, lamba, hodi-biby, hazo ary vatosoa.—Eks. 35:5-9.
Nanam-be ny Isiraelita mba hanaovana izany fanomezana be dia be izany. Tadidio fa nitondra firavaka volamena sy volafotsy ary fitafiana maro izy ireo, rehefa nandao an’i Ejipta. Tena ‘nofoanan’izy ireo’ tokoa ny Ejipsianina. (Eks. 12:35, 36) Nanome an-tsitrapo ny firavaka teny aminy ny Isiraelita, talohan’io, mba hanaovana sampy ho an’ny fivavahana diso. Ho mailaka toy izany koa ve izy ireo izao mba hampandrosoana ny fivavahana marina?
Mariho fa tsy noferan’i Mosesy ny habetsahan’ny fanomezana tokony hataon’ny tsirairay, sady tsy nanao izay hahatsiarovan’izy ireo ho meloka na menatra izy, mba handrisihana azy hanome. ‘Izay rehetra nampirisihin’ny fony’ kosa no nasainy nanome. Hitan’i Mosesy fa tsy nilaina noterena ny vahoakan’Andriamanitra. Natoky izy fa hanome izay azony omena ny tsirairay.—Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 8:10-12.
Tsy fanomezana fitaovana ihany anefa no nilaina tamin’ilay tetik’asa fanorenana. Hoy koa i Jehovah tamin’ny Isiraelita: “Aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian’i Jehovah.” (Eks. 35:10) Nila olona nanam-pahaizana tokoa ilay tetik’asa fanorenana.
Tena mailaka nanome ny fananany sy ny fahaizany, araka ny nanasana azy, ny Isiraelita. Hoy ny Baiboly: “Samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina. Dia nanatona ny lehilahy mbamin’ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ny fony.”—Eks. 35:21, 22.
Mivavaka isika mba hitahy hatrany ny fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana amin’ny hoavy i Jehovah. Rehefa manohana amin’ny fontsika manontolo isika, dia mampiseho fa mankasitraka ny Efitrano Fanjakana sy ny anjara raisiny mba hifampaherezana sy ‘hampandrosoana ny fitiavana sy ny asa tsara.’ (Heb. 10:24, 25) Anisan’izany ny fikarakarana ny Efitrano Fanjakanantsika sy ny fanampiana ny hafa amin’ny alalan’ny fanomezana sy ny fiasana ary ny fanohanana hafa mety ho vitantsika. Efitrano Fanjakana 200 no kasaintsika haorina ato anatin’ny dimy taona. Andeha àry isika rehetra hanao ny anjarantsika amin’ny fanafainganana ny fanorenana Efitrano Fanjakana eto Madagasikara.
[Sary, pejy 3]
Antsirabe
[Sary, pejy 4]
Ambatolampy
[Sary, pejy 5]
Andoharanofotsy
[Sary, pejy 6]
Ampitatafika