FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/02 p. 7
  • Ahoana no Hanampiana Zanaka “Adala”?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hanampiana Zanaka “Adala”?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 9/02 p. 7

Ahoana no Hanampiana Zanaka “Adala”?

1 “Hiala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony aho!” Toy ny nilatsaham-baratra ny ray aman-dreny mahare ny zanany miteny toy izany! Misy indray tanora hafa tsy tena milaza izay tiany hatao fa dia ‘miala’ fotsiny. (Heb. 2:1) Maro amin’izy ireny no mitovy amin’ilay zanaka adala ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Lioka 15:11-16) ‘Nody ny sain’ilay’ zanaka adala tamin’ny farany. Inona no azon’ny ray aman-dreny sy ny hafa eo anivon’ny fiangonana atao, mba hanampiana ny zanaka adala, ka ‘hody ny sainy’?—Lioka 15:17.

2 “Manatòna an’Andriamanitra”, hoy i Jakoba mpianatra. (Jak. 4:8) Tsy maintsy ampiana ho tia ny Tenin’Andriamanitra ny tanora mba hanaovany izany. (Sal. 34:8) Hila “ronono” ao amin’ny Baiboly aloha izy, ka rehefa mahafinaritra azy ny Tenin’Andriamanitra, dia hihamatotra ara-panahy amin’izay izy. (Heb. 5:11-14; Sal. 1:2) Nanomboka nankasitraka zavatra ara-panahy ny tanora iray variana tanteraka tamin’ny fiainan’izao tontolo izao. Inona no nampiova azy? Nanaiky ny torohevitra hamaky ny Baiboly manontolo izy, ka nanao izany tsy tapaka. Tena ilaina mba hananana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah ny famakiana Baiboly tsy tapaka.

3 Tena ilaina mihitsy ny hanampian’ny ray aman-dreny ny zanany ho tia ny Tenin’Andriamanitra! Ninamana tamin’ny ankizy maditra ny tovovavy iray, na dia nanao fianaram-pianakaviana tsy tapaka aza izy mianakavy. Hoy izy mahakasika ny fianaram-pianakaviany: “Rehefa nanontany i Dada, dia novakiko fotsiny ny valiny.” Tsy hanao izay hahavitana ilay fianaram-pianakaviana fotsiny ny ray aman-dreny hendry, fa haneho fahaiza-mampianatra kosa. (2 Tim. 4:2) Nahoana raha anontaniana ny hevitr’ilay tanora, ary ampirisihina izy hilaza ny fomba azony ampiharana ilay fianarana?

4 Ataovy velombelona koa ilay dinidinika ara-baiboly. Asaivo manao fampisehoana ireo tantara ao amin’ny Baiboly ny ankizy, rehefa mety izany. Ampio izy ireo hahita an’eritreritra ny toerana sy ny endrik’ilay tany nisehoan’ireo zavatra dinihina. Mety hanampy ny fampiasana sarintany. Eny, azo atao velombelona ny fianaram-pianakaviana rehefa mahay mamoron-kevitra kely.

5 Manampy ny olona hanatona an’Andriamanitra koa ny vavaka. Sahiran-tsaina ny zatovovavy iray satria samy tsy foiny na ny fomba fiaina kristianina na ny fiarahana tamin’ny namana tsy nitovy finoana taminy. (Jak. 4:4) Inona no nataony? Nilaza izy fa “nivavaka tamin’i Jehovah”, ary nanatsoaka hevitra izy fa voavaly ny vavaka nataony rehefa nahita namana azony namborahana ny tao am-pony izy teo anivon’ny fiangonana kristianina.

6 Maharitra nefa hentitra: Mety hitokantokana sy tsy hanaiky hiresadresaka zavatra ara-panahy ny tanora, rehefa manomboka miala amin’ny fahamarinana. Inona àry no azon’ny ray aman-dreny atao amin’izany? Diniho ny nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely fahiny. Nandefitra tamin’ireo Isiraelita “mafy hatoka” izy nandritra ny 900 taona mahery. (Eks. 34:9; 2 Tant. 36:17-21; Rom. 10:21) “Be famindrampo” tamin’izy ireo i Jehovah. Afaka ny ho be fahari-po sahala amin’i Jehovah koa ny ray aman-dreny, ka tsy halaky ho kivy, fa hanampy hatrany ilay zanany mania. Afaka manao ny dingana voalohany izy ireo, ka hifampiresaka tsara hatrany amin’ny zanany.

7 Mitaky faharetana ny mampody ny sain’ny zanaka “adala”, ary mety ho sarotra ho an’ny ray aman-dreny sy ny hafa izany. Aza manary toky anefa. Jehovah “mahari-po . . ., ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (2 Pet. 3:9) Nody ny sain’ny olona an-tapitrisa satria nahari-po izy.—Isaia 2:2, 3.

8 Aoka ianao ho be fahari-po toa an’i Jehovah, rehefa manao zavatra hentitra hanampiana ny zanakao hiverina aminy. Nisy mpikomy nikoizana maro nanaiky hiverina noho ny fanasan’i Jehovah tamim-pitiavana. Koa mba mety hiverina toy izany ao amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra koa ilay zanakao adala.—Lioka 15:6, 7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara