FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/02 p. 1
  • Lazao ny Marina Momba An’i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lazao ny Marina Momba An’i Jesosy
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Jaona 14:6: “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana”
    Fanazavana Andinin-teny
  • “Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
  • Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Nahoana Isika no Tokony Hanara-dia An’i “Kristy”?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 11/02 p. 1

Lazao ny Marina Momba An’i Jesosy

1 Notendrena ‘hitana ny filazana an’i Jesosy’ ireo Kristianina voahosotra, ampian’ny ondry hafa namany. (Apok. 12:17) Zava-dehibe izany fanendrena izany satria amin’ny alalan’i Jesosy ihany no hahazoantsika famonjena.—Jaona 17:3; Asa. 4:12.

2 “Làlana sy fahamarinana ary fiainana”: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”, hoy i Jesosy. “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) I Jesosy no “làlana”, ka amin’ny alalany irery ihany no ahafahantsika mivavaka sy mifandray amin’Andriamanitra. (Jaona 15:16) I Jesosy no “fahamarinana”, satria tanteraka taminy ireo faminaniana sy aloka noresahin’ny Soratra Hebreo. (Jaona 1:17; Kol. 2:16, 17) Ny tena nanaovana an’ireo faminaniana, dia mba hampiharihariana tsara fa manana anjara asa lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy. (Apok. 19:10) I Jesosy koa no “fiainana.” Midika izany fa tsy maintsy mino ny sorom-panavotany isika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.—Jaona 3:16, 36; Heb. 2:9.

3 Filoha sady Mpanjaka: Tsy maintsy manaiky ny fahefana lehibe nomen’i Jehovah an’ilay Zanany koa ny olona. Natao ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy ary “hanoa Azy ny firenena.” (Gen. 49:10) Notendren’i Jehovah ho Filohan’ny fiangonana koa izy. (Efes. 1:22, 23) Tokony hampiantsika ireo mpianatra Baiboly mba hahatakatra ny fomba itarihan’i Jesosy ny fiangonana, sy ny fomba ampiasany ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” hizarana ‘sakafo ara-panahy amin’ny fotoana.’—Matio 24:45-47.

4 Mpisoronabe be famindram-po: “Mahavonjy izay alaim-panahy koa” i Jesosy, noho izy niharan’ny fisedrana sy ny fijaliana toy ny olona. (Heb. 2:17, 18) Tena mampahery ny olombelona tsy tanteraka tokoa ny mahafantatra fa mahatsapa ny fahalemeny i Jesosy, ary mifona ho azy ireo! (Rom. 8:34) Noho ny soron’i Jesosy sy noho izy Mpisoronabe, dia afaka manatona an’i Jehovah “amin’ny fahasahiana” isika mba hahazoana “famonjena amin’izay andro mahory.”—Heb. 4:15, 16.

5 Miezaka mampahafantatra ny olona ny marina momba an’i Jesosy isika, ka enga anie izany hanosika azy ireo hankatò azy sy hiara-manompo amintsika.—Jaona 14:15, 21.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara