Ampio sy Anehoy Fitiavana ny “Kamboty”
1 I Jehovah no “rain’ny kamboty.” (Sal. 68:5) Nitady izay hahasoa azy ireo izy, ka nanome izao lalàna izao ho an’ny Isiraelita fahiny: “Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory hianareo. Fa raha mampahory azy na amin’inona na amin’inona hianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho.” (Eks. 22:21, 22) Ankoatra izany, dia nisy fandaharana natao hanampiana ny olona toy izany tao amin’ny Lalàn’Andriamanitra. (Deot. 24:19-21) Asaina “mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany” koa ny Kristianina marina. (Jak. 1:27) Tia sy manampy an’ireo ankizy tsy manana afa-tsy ray na reny, na manana ray aman-dreny tsy mitovy finoana, i Jehovah. Ahoana no hanahafantsika azy?
2 Fitaizana ara-panahy: Raha mitaiza irery ny zanakao ianao, na raha tsy Vavolombelona ny vadinao, dia mety ho sarotra aminao ny mampianatra Baiboly tsy tapaka ny zanakao. Tena ilaina anefa ny mianatra tsara ny Baiboly tsy tapaka, raha tiana ho matotra sy hahalala tsara ny tokony hataony ny ankizy rehefa lehibe. (Ohab. 22:6) Zava-dehibe koa ny miresaka zavatra ara-panahy amin’izy ireo isan’andro. (Deot. 6:6-9) Mety ho kivy ianao indraindray, kanefa aza manary toky. Miantehera amin’i Jehovah mba hahazoana tanjaka sy tari-dalana, hitaizana ny zanakao “amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo.”—Efes. 6:4.
3 Miresaha amin’ny anti-panahy, raha mila fanampiana ianao mba hiantsorohana ny andraikitra nomen’i Jehovah anao. Hanome anao torohevitra azo ampiharina izy ireo, na hanampy ny fianakavianao hanaraka fandaharana ara-panahy tsara.
4 Afaka manampy koa ny hafa: Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanjary mpanompon’i Jehovah be zotom-po i Timoty, nefa tsy Kristianina ny rainy. Nanampy be dia be tamin’izany ny reniny sy ny renibeny, izay niezaka mafy hampianatra azy ny Soratra Masina nandritra ny fahazazany. (Asa. 16:1, 2; 2 Tim. 1:5; 3:15) Nahasoa azy koa anefa ny fiarahana tamin’ny Kristianina hafa, toy ny apostoly Paoly, izay nilaza fa ‘zanany malalany sy mahatoky ao amin’ny Tompo’ i Timoty.—1 Kor. 4:17.
5 Ankehitriny koa, dia tena manampy an’ireo ankizy kamboty eo anivontsika ny fitiavana asehon’ny rahalahy sy anabavy matotra! Fantatrao ve ny anaran’ny tsirairay amin’izy ireo? Miresaka aminy ve ianao any am-pivoriana na amin’ny fotoana hafa? Asao hiaraka aminao eny amin’ny fanompoana izy. Azonao asaina tsindraindray koa izy, miaraka amin’ilay rainy na reniny, rehefa manao fianaram-pianakaviana na miala voly ianareo. Ho mora kokoa aminy ny hanahaka ny ohatrao sy hanaiky ny fampirisihanao, raha mandray anao ho namana izy.—Fil. 2:4.
6 Tian’i Jehovah ireo kamboty tezain’ny rainy na reniny irery, na manana ray aman-dreny tsy mitovy finoana. Tahiny àry ny ezaka ataontsika amim-pitiavana mba hanampiana azy ireny hanaiky sy ho tia ary hanaraka ny fahamarinana. Maro amin’izy ireny no lasa mpisava lalana, mpanampy amin’ny fanompoana, anti-panahy, mpiandraikitra mpitety faritany, na Betelita, ary mbola mahatoky hatramin’izao. Enga anie isika rehetra hiezaka “hihamalalaka”, ka ho tia an’ireo kamboty koa, sahala amin’ilay Raintsika any an-danitra.—2 Kor. 6:11-13.