Toromarika ho An’ny Mpiandraikitra ny Sekoly
MISY anti-panahy iray tendrena ho mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana, eo anivon’ny fiangonana tsirairay. Raha nanankinana io andraikitra io ianao, dia miankina amin’ny hafanam-ponao ho an’ilay sekoly sy ny fanehoanao fiheverana ny fandrosoana ataon’ny mpianatra tsirairay ny fahombiazan’ilay izy.
Anisan’ny andraikitrao ny mitarika ny Sekolin’ny Fanompoana isan-kerinandro eo anivon’ny fiangonanao. Tadidio fa tsy ireo mpianatra manana anjara ihany no eo, fa ny mpanatrika koa. Tokony handrisika ny fiangonana manontolo àry ny fomba fitarihanao ilay sekoly, mba hampiharany iray, fara fahakeliny, amin’ireo zava-kendren’ilay sekoly hita ao amin’ny pejy faha-5-8 amin’ity boky ity.
Asio fiheverana ny mpianatra rehetra, na famakian-teny no anjarany, na fifampiresahana, na lahateny. Ampio izy ireo tsy hihevitra azy io ho toy ny anjara asaina ataony fotsiny, fa ho toy ny fahafahana handroso eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mazava ho azy fa miankina voalohany indrindra amin’ny ezaka ataony ny fandrosoany. Tena ilaina koa anefa ny hanehoanao fiheverana sy hatsaram-panahy aminy, sy ny hanampianao azy hahatakatra fa ilaina ireo lafin-javatra asaina tandremany, ary ny hanazavanao ny fomba hampiharana izany. Henoy tsara àry ny anjara tsirairay, mba hisy vidiny ny fanamarihana hataonao.
Atombohy sy farano ara-potoana ilay sekoly. Manomeza ohatra tsara, ka aza avela hihoatra ny fotoana omena anao ireo fanamarihana ataonao. Tokony hampahafantarinao na ny mpanampy anao, raha mihoatra ny fotoana ny mpianatra iray. Tokony hamarana ny fehezanteniny ilay mpianatra amin’izay, ary hiala eo amin’ny lampihazo. Raha mihoatra ny fotoana ny anjara hafa amin’ny fandaharana, dia ataovy fohy kokoa ny fanamarihana ataonao, ary miresaha amin’ilay rahalahy, aorian’ny fivoriana.
Tokony ho ianao no hitarika ilay sekoly, raha eo ianao. Raha tsy afaka ny ho tonga ianao, dia anti-panahy iray hafa efa voatendrin’ireo anti-panahy no tokony hitarika azy io. Raha mila fanampiana ianao, mba hanomanana ny fandaharana, hanoratana sy hizarana ireo taratasy fanendrena, na hitadiavana mpisolo toerana, dia mpanampy amin’ny fanompoana efa voatendrin’ireo anti-panahy no mahazo manao izany.
Fisoratana anarana amin’ny Sekoly. Ampirisiho hisoratra anarana amin’ny sekoly ny mpitory rehetra. Mahazo misoratra anarana koa ny hafa efa mifanerasera tsy tapaka amin’ny fiangonana, raha manaiky ny fampianaran’ny Baiboly, ary miaina mifanaraka amin’ny fitsipika kristianina. Derao amin-katsaram-panahy ny olona milaza fa te hisoratra anarana. Raha mbola tsy mpitory izy, dia tokony hiresaka aminy momba ireo fepetra takina amin’izany ianao mpiandraikitra ny sekoly. Tsara kokoa raha manatrika eo koa ilay olona miara-mianatra ny Baiboly aminy (na ny rainy na ny reniny izay mpino). Mitovy amin’izay takina amin’ny mpitory tsy vita batisa ireo fepetra ireo, ary hita ao amin’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka ny Fanompoantsika, pejy 97-99. Havaozy foana ny lisitry ny anaran’ireo rehetra misoratra anarana ao amin’ny sekoly.
Ny taratasin-torohevitra. Ao amin’ny bokiny manokana, eo amin’ny pejy 79-81, no ahitan’ny mpianatra tsirairay ny taratasin-toroheviny. Araka ny asehon’ny lokony, ny torohevitra hotandremana voalohany ka hatramin’ny faha-17 dia natao ho an’ny anjara famakian-teny. Amin’ny anjara misy fifampiresahana, dia azo ampiharina ny torohevitra rehetra, afa-tsy ny faha-7 sy faha-52 ary faha-53. Ny anjara lahateny kosa dia azo ampiharana ny torohevitra rehetra, afa-tsy ny faha-7 sy faha-18 ary faha-30.
Rehefa asaina mitandrina lafin-javatra iray ilay mpianatra, dia hasian’ny mpiandraikitra ny sekoly marika amin’ny pensilihazo ny faritra malalaka eo ambanin’ny hoe “Daty Nanendrena” ka mifanandrify amin’ilay torohevitra, eo amin’ilay taratasin-torohevitra ao amin’ny bokin’ilay mpianatra. Rehefa vitany ny anjarany, dia anontanio mitokana izy raha nanao ilay (ireo) fanazaran-tena eo amin’ny faran’ilay lesona momba ilay zavatra notandremany. Raha eny, dia asio marika ilay faritra momba izany eo amin’ny taratasin-toroheviny. Raha heverinao fa tokony hanohy hitandrina io lafin-javatra io ihany izy, dia tsy mila manoratra na inona na inona ianao; aza fenoina fotsiny ilay faritra malalaka eo amin’ny hoe “Daty Nahavitana.” Tsy tokony hasiana marika eo, raha tsy efa vonona hitandrina lafin-javatra hafa izy. Ankoatra izany, dia tokony hosoratana eo amin’ny pejy faha-82 amin’ny bokin’ilay mpianatra, eo ankavian’ilay faritra nofidiny, ny daty nanaovany ny anjarany tsirairay. Ampy ny toerana eo amin’ny taratasin-torohevitra sy eo amin’ny lisitr’ireo faritra, mba hampiasana ny tsirairay aminy indroa. Tokony hitondra ny bokiny any amin’ny sekoly ireo mpianatra.
Lafin-javatra iray ihany asaina tandreman’ny mpianatra isaky ny anjara. Ny tsara indrindra dia ny manaraka ny filaharany ao amin’ilay lisitra. Kanefa raha hitanao fa tena mahay ny mpianatra sasany, dia ampirisiho hianatra sy hampihatra samirery ny lesona sasany. Ireo lafin-javatra sasany izay heverinao fa tena hanampy azy handroso mba ho mpandahateny sy mpampianatra mahay no asaivo tandremany.
Hahazo fanampiana be dia be ny mpianatra iray, na dia efa an-taonany maro aza no nanaovany anjara, raha mianatra sy mampihatra ny lesona tsirairay. Ho an’ireo mpianatra mila fanampiana manokana, dia fidio izay lafin-javatra ilainy hotandremana, fa aza manaraka fotsiny ilay filaharana ao amin’ny taratasin-torohevitra.
Fanomezana torohevitra. Ampiasao tsara ireo ohatra sy toro lalana ao amin’ny Baiboly, rehefa manome torohevitra. Tokony ho tsapan’ireo mpianatra fa ireo fitsipika ambony ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no iorenan’ilay torohevitra omena sy ny fomba anomezana azy.
Tadidio fa “mpiara-miasa” amin’ireo rahalahinao sy anabavinao ianao. (2 Kor. 1:24) Mila miezaka toa azy ireo koa ny tenanao mba hanatsara ny fahaizanao mandaha-teny sy mampianatra. Ianaro manokana ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ampiharo ny torohevitra ao, ary aoka ny ohatra omen’ny tenanao hanosika ny hafa hanao toy izany koa.
Sady manao izany ianao, no manampy ireo mpianatra mba ho tonga mpamaky teny sy mpandahateny ary mpampianatra mahay. Ampio àry izy ireo hahazo tsara izay tiana holazaina amin’ireo lafin-javatra samihafa tokony hotandremana sy ny antony ilana azy ary ny fomba hahaizana azy. Natao manokana mba hanampiana anao hanao izany ity boky ity. Kanefa, tsy ny hamaky fotsiny ny teny voasoratra ato akory no angatahina aminao. Hazavao ilay hevitra tiany hampitaina, sy ny fomba hampiharana azy.
Derao ilay mpianatra raha nitandrina tsara ny lafin-javatra iray. Resaho vetivety izay nahatonga azy io hety tsara, na ny antony tena ilana ilay zavatra nataony. Raha mbola mety hanampy azy ny mamerina mitandrina lafin-javatra iray, dia ataovy azony tsara ny antony. Hazavao ny fomba hanatsarana ilay izy. Zavatra voafaritra tsara lazaina, nefa lazao amin-katsaram-panahy.
Tadidio fa tena sarotra amin’ny olona maro ny hitsangana sy hiteny eo imason’olona maro. Raha mihevitra ny olona iray fa tsy nety ny nataony, dia mety hanontany tena izy raha mbola tokony hanohy. Manahafa àry an’i Jesosy, izay tsy nanapaka ny “volotara torotoro” na namono ny “lahin-jiro manetona.” (Matio 12:20) Aza hadinoina ny fahatahotahorana tsapan’ilay mpianatra. Rehefa manome torohevitra ianao, dia eritrereto raha mbola vaovao ilay mpianatra, na mpitory efa za-draharaha. Hampahery ny olona hanohy hanao araka izay fara heriny ny teny fiderana amin-katsaram-panahy sy avy amin’ny fo.
Ento amim-panajana ny mpianatra tsirairay. Hoy ny Romana 12:10 amintsika: “Mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” Izany ka torohevitra tena mety ho an’ny mpanome torohevitra ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana! Raha be taona kokoa noho ianao ilay mpianatra, dia ampiharo tsara ny toromarika ao amin’ny 1 Timoty 5:1, 2. Na firy taona na firy taona anefa ny olona iray, rehefa mila torohevitra izy mba hanatsara zavatra iray, ka ataonao amin-katsaram-panahy izany, dia matetika no horaisiny an-tanan-droa izany.—Ohab. 25:11.
Antitrantero amin’ilay mpianatra ny zava-kendren’ilay fampiofanana, rehefa manome torohevitra ianao. Tsy mba hahazoana teny fiderana akory no anaovana anjara tsara, na mba hifindrana ho amin’ny lafin-javatra hotandremana manaraka. Tsy mba hahatongavana ho mpandahateny sy mpampianatra hoderain’ny hafa akory no tanjona. (Ohab. 25:27) Irintsika kosa ny hampiasa ny fahaizantsika miteny mba hiderana an’i Jehovah sy hanampiana ny hafa hahafantatra sy ho tia azy. Ampiofanina isika mba hahay hanatanteraka tsara ilay asa voalaza ao amin’ny Matio 24:14 sy 28:19, 20. Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hasaina ho mpandahateny sy mpampianatra ampahibemaso ireo rahalahy vita batisa mahay, ka hitandrina ny “ondrin’Andriamanitra.”—1 Pet. 5:2, 3.
Asaivo vakin’ny mpianatra ao anatin’ny andro vitsivitsy aorian’ny ahazoany ilay anjara, ny lesona momba ilay lafin-javatra hotandremany. Ampirisiho izy ireo hampihatra izay nianarany tao amin’ny fanomanany, rehefa miresaka andavanandro sy manome valin-teny any am-pivoriana, ary manao fanompoana.
Fizarana ireo anjara. Tokony hatao telo herinandro mialoha, fara fahakeliny, izany mazàna. Tokony hatao an-tsoratra ny fanendrena rehetra, raha azo atao.
Anti-panahy no tokony homena ireo anjara misy fampianarana ny fiangonana, ary tsara kokoa raha anti-panahy mahay manao izany, sy mpanampy amin’ny fanompoana mahay mampianatra.
Araho ny toromarika ao amin’ny fandaharana amin’ny sekoly, mba hamantarana izay anjaran’ny mpianatra homena ny rahalahy sy izay homena ny anabavy. Raha vitsy ny rahalahy nefa maro kosa ny anabavy manao anjaran’ny mpianatra, dia tandremo sao famakiana Baiboly foana no anjara azon’ireo rahalahy.
Hevero ny toe-javatra misy ny tsirairay, rehefa manome anjara. Ohatra, tsy maintsy omena anjara amin’ny sekoly ve ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana iray, izay efa manana anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana na lahateny ho an’ny besinimaro, amin’io herinandro io? Tsy maintsy omena anjara ve ny anabavy iray, raha manana anjara amin’io fivoriana io koa ny zanany mbola kely izay mety hila ny fanampiany? Mety amin’ny ankizy iray na amin’ny mpianatra ny Baiboly mbola tsy vita batisa ve ilay foto-kevitra? Jereo koa raha mety amin’ilay lafin-javatra hotandreman’ilay mpianatra ilay anjara.
Ireo anabavy manao anjara misy fifampiresahana dia hifidy ny faritra hanaovany azy, araka ny torohevitra eo amin’ny pejy faha-78 sy 82. Tokony hisy mpanampy iray hotendrena, nefa azo atao koa ny mampiasa olona iray fanampiny. Raha mangataka mpanampy izay tena mety amin’ny faritra nofidiny ilay mpianatra, dia tokony hasiana fiheverana ny fangatahany.
Kilasy fanampiny. Raha maherin’ny 50 ny mpianatra misoratra anarana, dia mety hihevitra ny hampiasa kilasy fanampiny ianao. Na ny anjaran’ny mpianatra rehetra no hatao any, na ny an’ireo mpianatra roa farany ihany, arakaraka izay ilaina eo an-toerana.
Tokony hanana mpanome torohevitra mahay ny kilasy fanampiny tsirairay, ary tsara kokoa raha anti-panahy izany. Mahazo misolo toerana amin’izany ny mpanampy amin’ny fanompoana mahay tsara, raha ilaina. Tokony heken’ny anti-panahy rehetra ny fanendrena ireny mpanome torohevitra ireny. Tokony hisy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo mpanome torohevitra rehetra, mba ho voaraka tsara ny mpianatra rehetra, na aiza na aiza kilasy hanaovany ny anjarany manaraka.
Kilasy fianarana mamaky teny. Mety hanapa-kevitra ireo anti-panahy fa maromaro no mila hampiana hamaky teny amin’ny fiteny ampiasain’ilay fiangonana. Amin’izay ianao dia mety handamina kilasy izay hampiarahinao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Mety ho tena fampianarana hamaky teny mihitsy izany, na fanampiana mba hanatsara ny fahaiza-mamaky teny.
Tsy voatery hatao amin’ny fotoana hanaovana ireo anjaran’ny mpianatra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireo kilasy ireo. Mety haharitra ela kokoa noho ilay sekoly ilay kilasy, mba ho ampy tsara ny fanampiana omena. Ireo anti-panahy eo an-toerana no hamaritra izay ilaina sy ny fotoana hanaovana izany fampianarana izany. Mety ho olona maromaro no hampianarina miaraka, na olona mitokana, arakaraka izay ilaina.
Mpampianatra mahay no ilaina. Tsara kokoa raha rahalahy mahay mamaky teny sy mahalala tsara ilay fiteny no tendrena ho amin’izany. Raha tsy misy rahalahy, dia mahazo mangataka anabavy iray mahay sy fakan-tahaka mba hanao izany ireo anti-panahy. Tokony hisaron-doha izy, rehefa mampianatra ilay kilasy.—1 Kor. 11:3-10; 1 Tim. 2:11, 12.
Natonta amin’ny fiteny maro ny bokikely Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra, izay natao mba hampianarana hamaky teny sy hanoratra. Azo atao koa ny mampiasa fitaovana hafa, arakaraka ny fahaizan’ireo mpianatra misoratra anarana. Rehefa mandroso tsara izy ireo, dia tokony hampirisihina handray anjara amin’ny fandaharan’ny Sekolin’ny Fanompoana.
Tena afaka manampy ny fiangonana ianao mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana. Miomàna tsara, ary hevero ho toy ny zava-tsarobidy nankinin’Andriamanitra taminao ny andraikitrao, araka ny Romana 12:6-8.