Asa Mitaky Fanetren-tena
1 Mananatra antsika ny Tenin’Andriamanitra mba ‘hanetry tena, tsy hamaly ratsy ny ratsy, fa hisaotra kosa.’ (1 Pet. 3:8, 9) Tena mihatra io torohevitra io eo amin’ny asa fitoriana. Mety hotsapaina tokoa mantsy ny fanetren-tenantsika eo amin’ny fanompoana ataontsika.
2 Hanampy antsika hiaritra zava-tsarotra ny fanetren-tena. Manatona olon-tsy fantatra isika rehefa mitory ary fantatsika fa tsy ho tsara fanahy amintsika daholo izy ireny. Mila manetry tena isika raha te hitory hatrany na eo aza izany fihetsika izany. Nisy anabavy mpisava lalana roa, ohatra, nitory isan’andro nandritra ny roa taona tamin’ny faritany iray tena sarotra, nefa tsy nisy olona nandray na dia iray aza! Nikiry ihany anefa izy ireo, ka misy fiangonana roa izao ao amin’io tanàna io.
3 Miatrika tsy fahalalam-pomba: Hanampy antsika hanahaka an’i Jesosy ny fanetren-tena, rehefa tsy tsara fanahy na tsy mahalala fomba ny hafa. (1 Pet. 2:21-23) Nahazo teny henjana ny anabavy iray tao amin’ny trano iray, avy tamin’ilay ramatoa aloha, ary avy eo tamin’ny vadiny izay nandroaka azy. Nitsiky fotsiny ilay anabavy ary nilaza fa manantena hiresaka amin’izy ireo amin’ny manaraka. Nanohina aoka izany an’ilay mpivady ny fihetsiny, hany ka nihaino ny Vavolombelona nitsidika nanaraka izy. Nekeny koa ny fanasana hamonjy fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Tany ilay anabavy nolaviny tamin’ny voalohany. Niarahaba azy mivady izy, ary nitory tamin’izy ireo bebe kokoa. Mety hanalefaka ny olona tsy vonon-kandray koa isika raha maneho ‘fahalemem-panahy sy fanajana.’—1 Pet. 3:15; Ohab. 25:15.
4 Halaviro ny fizahozahoana: Tsy antony hanaovana tsinontsinona ny olona na hanambaniana azy ireo, ny fahalalantsika ny Baiboly. (Jaona 7:49) Manoro hevitra antsika kosa ny Tenin’Andriamanitra mba “tsy hiteny ratsy olona.” (Tit. 3:2) Hamelombelona ny hafa isika raha tsy miavona am-po toa an’i Jesosy. (Matio 11:28, 29) Manintona kokoa ny hafatra entintsika raha maneho fanetren-tena isika.
5 Eny, manampy antsika haharitra amin’ny faritany sarotra ny fanetren-tena. Afaka manalefaka ireo tsy vonon-kandray sy hisarika ny olona amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana izany. Ambonin’ny zavatra rehetra, izany dia mampifaly an’i Jehovah, izay “manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.”—1 Pet. 5:5.