FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/03 p. 3-4
  • Aoka Isika Hazoto Hitory

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Isika Hazoto Hitory
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hilaza ny voninahitry ny fiandrianan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Vonona ny Hitory Tsy Ara-potoana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Ho Vitanao ny Hitory Tsy Ara-potoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Handray anjara amin’ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana ve ianao amin’izao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 6/03 p. 3-4

Aoka Isika Hazoto Hitory

1 Nanahaka an’i Jesosy sy ireo mpanompo nahatoky fahiny i Paoly, ka nazoto nitory ny vaovao tsara, na inona na inona tarehin-javatra nisy azy. Na dia nambenana tao amin’ny trano nitokana aza izy, dia ‘nandray tsara izay rehetra nankeo aminy, ary nitory ny fanjakan’Andriamanitra, ka nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo tamin’ny fahasahiana be.’​—Asa. 28:16-31.

2 Tokony hazoto hitory koa isika, amin’ny fotoana rehetra. Tafiditra amin’izany ny fitoriana amin’ireo olona mifanena amintsika, rehefa manao dia mandroso sy miverina avy any amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Omeo Voninahitra Andriamanitra.”​—Asa. 28:23; Sal. 145:10-13.

3 Fitoriana tampotampoka sa fitoriana tsy ara-potoana? Inona tokoa moa no mahasamy hafa an’izany? Tampotampoka ny fisehoan-javatra iray, rehefa mitranga noho ny kisendrasendra na tsy nokendrena hatao, toy ny hoe tsy nomanina na tsy dia zava-dehibe loatra. Tsy toy izany mihitsy anefa ny fanompoantsika. Manahaka an’i Paoly isika, ka mihevitra ny fanompoantsika ho zava-dehibe. Tokony hataontsika zava-kendrena ny hitory, raha vao afaka manao izany isika, mandritra ireo dia ataontsika. Fitoriana tsy ara-potoana anefa no tsara iantsoana ny fanambarana ataontsika, rehefa tsy amin’ny fomba na fotoana voafaritra mialoha no anaovantsika azy, fa toy ny resadresaka tsotra fotsiny. Mety hahitana vokatra tsara io fomba fitory io.

4 Miomàna hanao fanambarana: Tsy maintsy nitady fomba hitoriana i Paoly rehefa nambenana tany amin’ny trano nitokana iray tany Roma. Nanapa-kevitra ny hanasa ireo mpitarika Jiosy hankany an-tranony izy. (Asa. 28:17) Na dia nisy fiangonana kristianina aza tany Roma, dia fantatr’i Paoly fa kely ihany ny zavatra fantatr’ireo Jiosy nipetraka tany, momba ny finoana kristianina. (Asa. 28:22; Rom. 1:7) Tapa-kevitra àry izy fa hitory momba an’i Jesosy Kristy sy ny Fanjakan’Andriamanitra.

5 Eritrereto mialoha ireo olona rehetra mety ho tafaresaka aminao, rehefa manao dia lavitra ianao. Mety ho zavatra kely fotsiny no fantatr’izy ireo momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Angamba aza tsy fantatr’izy ireo akory hoe afaka mampianatra Baiboly maimaim-poana any an-trano isika. Aoka àry ianao hitady izay fomba hitoriana, rehefa manao dia lavitra, miantsena, misakafo any amin’ny hotely, any anaty fitateram-bahoaka, sy ny toy izany. Omano izay holazainao mba hanombohana resaka, sy hanaovana fitoriana fohy. Izao angamba ianao dia efa afaka mizatra manao fitoriana tsy ara-potoana amin’ireo mpiara-monina, havana, mpiara-miasa, na olom-pantatrao hafa.

6 Mila mitondra zavatra hovakin’ny olona koa ianao, rehefa hitory tsy ara-potoana. Inona avy izany? Azonao ampiasaina, ohatra, ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly? Asongadino ny antony tokony hamakiana ny Baiboly, araka ny voalaza eo amin’ireo fehintsoratra dimy voalohany. Asehoy an’ireo maniry hianatra Baiboly ilay tapakila any amin’ny farany. Manolora bokikely Takina raha liana ilay olona. Ento koa ny bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra (frantsay), raha manampo hahita olona miteny vahiny ianao. Hazavaina eo amin’ny pejy 2 ny fomba fampiasa an’io bokikely io. Raha mandeha fitateram-bahoaka ianao, dia mety hila boky sy gazety hafa, mba homena an’ireo olona tena liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana.

7 Tandremo ny fisehoanao ivelany sy ny fitondran-tenanao: Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hahatonga ny hafa hanana fiheverana diso, na koa hitondra ‘laza ratsy’ ho an’ny fandaminan’i Jehovah, ny fitondran-tenantsika sy fitafiantsika ary fisehoantsika ankapobe. (Asa. 28:22) Tsy mandritra ny fivoriambe ihany no ilana izany, fa mandritra ny dia lavitra, sy aorian’ny fandaharana amin’ny andro ihany koa. Nampitandrina toy izao ny Tilikambo 1 Aogositra 2002, pejy 18, fehintsoratra 14: “Tsy tokony ho marevaka loatra [ny fomba fitafintsika], na ho sampontsampona, manaitaitra ny filana, mampihanjahanja, na ara-damaody tafahoatra. Tokony hanome taratry ny ‘fivavahana amin’Andriamanitra’ koa ny fomba fitafintsika. Mampieritreritra izany, sa tsy izany? Tsy hoe rehefa mandeha mivory ihany isika vao mitafy tsara, fa manao an-tsirambina amin’ny fotoana hafa. Kristianina sy mpitory isika andro aman’alina. Tokony ho hita amin’ny fisehoantsika ivelany foana àry fa mpivavaka amin’Andriamanitra isika sady manaja ny fanompoana.”​—1 Tim. 2:9, 10.

8 Tokony ho maotina sy mendrika ny fomba fitafintsika. Raha ahitana taratry ny finoantsika an’Andriamanitra foana ny akanjontsika, dia tsy hiahotra mihitsy isika hitory tsy ara-potoana, satria tsy mahamenatra ny fisehoantsika ivelany.​—1 Pet. 3:15.

9 Ahitam-bokatra ny fitoriana tsy ara-potoana: Nahita vokatra tsara i Paoly, tamin’ny fitoriana nataony nandritra ireo roa taona niambenana azy tao amin’ny trano mitokana, tany Roma. Nilaza i Lioka fa nisy “sasany nino izay nolazainy.” (Asa. 28:24) I Paoly mihitsy aza no nilaza fa nahita vokatra izy tamin’ny fitoriana nataony. Nanoratra izy hoe: “Izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa; ka ao amin’i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ny olona hafa rehetra; ary ny ankabiazan’ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin’ny tahotra.”​—Fil. 1:12-14.

10 Nahita vokatra tsara ny mpivady iray tamin’ny herintaona, rehefa nirava ny fivoriambe. Nanontany momba ny karatry ny fivoriambe teny amin’izy ireo ny vehivavy iray mpandroso sakafo, ka nanaovany fitoriana tsy ara-potoana. Nolazain’izy ireo taminy ny momba ny fivoriambe, sy ny fanantenana omen’ny Baiboly momba ny hoavin’ny olombelona. Nomen’izy ireo azy ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?, ary nohazavainy fa azo atao ny mianatra Baiboly maimaim-poana any an-trano. Naniry ny hotsidihina ilay vehivavy. Nosoratany teo amin’ny faran’ilay taratasy mivalona ny anarany sy ny adiresiny, ary nasainy nokarakarain’izy mivady. Inona no vokatra tsara mety ho hitanao amin’ity taona ity, raha mazoto mitory ianao?

11 Mazotoa mitory ny vaovao tsara: Eritrereto ny fifaliana tsapan’i Paoly, rehefa nandre hoe nanahaka ny zotom-pony ireo Kristianina namany! Enga anie isika hanana zotom-po, ka hanao izay rehetra mety ho vitantsika mba hitoriana ny vaovao tsara. Hiezaka isika mba hitory tsy ara-potoana ireo zavatra inoantsika miorina amin’ny Baiboly, mandritra ny fotoana handraisantsika soa amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ity taona ity.

[Fanontaniana]

1, 2. Inona no nanaitra anao tamin’ny fomba fiheveran’i Paoly ny fitoriana ny vaovao tsara, ary ahoana no hanahafantsika azy?

3. Inona no tokony hataontsika mba tsy ho lasa fitoriana tampotampoka fotsiny ny fitoriana tsy ara-potoana ataontsika?

4. Ahoana no nahafahan’i Paoly nitory tao amin’ilay trano niambenana azy?

5, 6. Rahoviana isika no afaka mitory tsy ara-potoana, ary inona no fiomanana azontsika atao mba handaitra ny fitoriantsika?

7, 8. Inona no fampitandremana tokony harahintsika momba ny fisehoana ivelany sy ny fitondran-tena, rehefa manao dia lavitra sy aorian’ny fandaharana amin’ny fivoriambe?

9. Inona no vokatra hitan’i Paoly tamin’ny fitoriany tany Roma?

10. Inona no vokatra tsara tamin’ny fitoriana nataon’ny mpivady iray, tamin’ny herintaona?

11. Inona no toetra tokony hananantsika, mba hitoriana ny vaovao tsara amin-jotom-po, mandritra ireo volana ho avy?

[Efajoro, pejy 3]

Zavatra Ilaina mba Hitoriana Tsy Ara-potoana

■ Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly? (taratasy mivalona)

■ Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? (bokikely)

■ Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra (frantsay, bokikely)

■ Boky sy gazety hafa

[Efajoro, pejy 4]

Aza Hadinoina Izy Ireo!

Iza moa izany? Ny olona liana rehetra nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy na ny lahateny manokana. Efa nasaintsika ve izy ireo, mba hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ity taona ity? Angamba maro amin’izy ireo no hanatrika raha ampaherezintsika kely. Ho voatosika hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah sy ny fandaminany izy ireo, rehefa mahazo fampaherezana avy amin’ny fiarahana amin’ireo mpanatrika hafa sy ny fandaharana ara-panahy mampahery. Nahoana àry raha asaina izy ireo, dia ho hita eo izay holazainy? Hazavao aminy izay tsipiriany tiany ho fantatra, toy ny datin’ny fivoriambe, ny fomba hahatongavana any amin’ilay toerana, ny fotoana fidirana sy firavana, ary ny santionan’ny fandaharana hatao any, araka ny voalaza eo amin’ny pejy farany amin’ny Mifohaza! 8 Jona 2003.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara