Nanosika Azy Hanao Zavatra ny Finoana
REHEFA naniraka an’i Mosesy hitondra ny firenen’ny Isiraely hivoaka avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta i Jehovah, dia niala tsiny i Mosesy tamin’ny voalohany, nanao hoe: “Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.” (Eksodosy 4:10). Eny, i Mosesy dia tsy nahatsapa ho nahafeno fepetra ho amin’izany fanendrena mavesatra izany.
Tahaka izany koa amin’izao andro izao, maro amin’ireo mpanompon’i Jehovah indraindray no mahatsiaro ho tsy ampy fahaizana mba hanatontosa ny adidy nanendrena azy. Ohatra, mitantara toy izao ny mpiandraikitra kristiana iray antsoina hoe Théodore: “Amin’ny zavatra rehetra angatahin’i Jehovah mba hataoko, dia ny fanompoana eny amin’ny saha no mafy indrindra. Fony aho tanora, dia nankeo am-baravarana haingana aho, mody nampaneno ny sonnerie ary nitsaitsaika niala, nanantena fa tsy hisy olona handre na hahita ahy. Rehefa nihalehibe aho dia nitsahatra nanao izany, nefa ny fieritreretana hoe handeha isam-baravarana dia nankarary ahy. Na dia hatramin’izao aza, dia misalebolebo aho alohan’ny hivoahana eny amin’ny fanompoana, kanefa na ahoana na ahoana dia mandeha ihany aho.”
Inona no nahatonga an’i Mosesy sy ireo Vavolombelona amin’ny andro ankehitriny, tahaka an’i Théodore, ho afaka handresy ny tahotra toy izany? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Finoana no nandaozany [i Mosesy] an’i Egypta, (...) fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.” — Hebreo 11:27.
Eny tokoa, tamin’ny fanehoana finoana an’i Jehovah, dia afaka nandresy ny fahatsapany ho tsy ampy fahaizana i Mosesy ka nanatontosa ny adidy nanendrena azy tamin’ny naha-mpitsara, mpaminany, mpitarika firenena, mpanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna, mpifehy, mpanoratra tantara, sy mpanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tahaka izany koa, rehefa manana finoana tahaka an’i Mosesy isika, dia handeha toy ny hoe ‘mahita Ilay tsy hita’. Ny finoana toy izany dia mamelona herim-po ao amintsika, ka mahatonga antsika ho afaka hiantsoroka ireo andraikitsika kristiana — na dia rehefa mety hahatsapa aza isika fa tsy ampy fahaizana.