Ny Toeran’ny Mozika eo Amin’ny Fanompoam-pivavahana Ankehitriny
FANOMEZANA avy amin’Andriamanitra ny mihira. Afaka mitondra fahafinaretana ho antsika sy ho an’ny Mpamorona antsika ny fanandratana ny feontsika hihira. Amin’ny alalan’izy io no ahafahantsika maneho ny fihetseham-pontsika, na alahelo izany na fifaliana. Mbola mihoatra noho izany aza, fa afaka maneho ny fitiavantsika sy ny fankalazantsika ary ny fiderantsika an’ilay Mpamorona ny hira, dia i Jehovah, isika.
Mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ny ankamaroan’ireo firesahana intelonjato eo ho eo ao amin’ny Baiboly ny amin’ny mozika. Ampifandraisina amin’ny fifaliana koa ny fihirana — tsy ny fifalian’ireo mihira ihany, fa ny fifalian’i Jehovah koa. Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: ‘Aoka hankalaza Azy izy. Fa sitrak’i Jehovah ny olony’. — Salamo 149:3, 4.
Ahoana anefa no maha-zava-dehibe ny mihira eo amin’ny fanompoam-pivavahana ankehitriny? Ahoana no ahafahan’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao mampifaly azy amin’ny fanandratana ny feon’izy ireo hihira? Inona no toerana tokony hotanan’ny mozika eo amin’ny fanompoam-pivavahana marina? Hanampy antsika hamaly ireo fanontaniana ireo ny famakafakana ny tantaran’ny mozika teo amin’ny fanompoam-pivavahana.
Ny toeran’ny mozika ara-tantara teo amin’ny fanompoam-pivavahana
Tsy voamarika amin’ny fomba voafaritra tsara ho mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ny firesahan’ny Baiboly voalohany ny amin’ny mozika. Ao amin’ny Genesisy 4:21, dia lazaina fa i Jobala no nety ho namorona ny zavamaneno voalohany, na angamba ho nanorina karazana anton’asa tamin’ny alalan’ny mozika. Kanefa, tapany tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ny mozika, na dia talohan’ny namoronana ny olombelona aza. Fandikan-tenin’ny Baiboly maro no milazalaza ny anjely ho nihira. Miresaka ny amin’ny anjely niara-nihira sy “nihoby” ny Joba 38:7. Noho izany, dia misy antony araka ny Soratra Masina tokony hinoana fa fanao ela be talohan’ny nisian’ny olombelona ny fihirana teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah.
Nisy mpanoratra tantara sasany nandroso hevitra fa feon-kira ranofotsiny ny mozika hebreo fahiny, fa tsy nisy naoty niaraka taminy. Kanefa, azo namoahana naoty maherin’ny iray isaky ny nitendry, ny harpa, zavamaneno resahina amin’ny fomba miavaka ao amin’ny Baiboly. Tsy maintsy nahamarika ny firindram-peo azo navoaka tamin’ny fanakambanam-peo tamin’ilay zavamaneno ireo mpitendry harpa. Tsy hoe tsotra kely akory ny mozikan’izy ireo fa tsy isalasalana fa tena nandroso. Ary raha tsaraina amin’ny poezia sy ny tononkalo tsy mirindra ao amin’ny Soratra Hebreo, dia afaka manatsoaka hevitra isika fa ambony karazana ny mozikan’ny Isiraelita. Azo antoka fa mendri-kaja lavitra noho ny an’ny firenena teny amin’ny manodidina azy ny aingam-panahy nitarika ny famoronana ilay mozika.
Nametraka fandrindrana maty paika ny fandaharana ny zavamaneno sy ny feo tao amin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly ny fandaminana ny tempoly fahiny. (2 Tantara 29:27, 28). Nisy “mpitarika”, “nahay”, “mpianatra”, sy “lohan’ny mpihira”, tamin’izay. (1 Tantara 15:21; 25:7, 8; Nehemia 12:46). Nanazava momba ny fandrosoan’ny fahaizan’izy ireo mozika i Curt Sachs, mpanoratra tantara, ka nanoratra hoe: “Toa manondro fari-pahaizana ambony raha ny amin’ny fianarana sy ny fahaizana ary ny fahalalana mozika ireo amboarampeo sy orkestra nifandray tamin’ny Tempoly tao Jerosalema. (...) Na dia tsy fantatsika aza ny fanenon’izany mozika fahiny izany, dia manana porofo ampy isika ny amin’ny heriny sy ny fahamendrehany ary ny fahaizana azy tsara.” (The Rise of Music in the Ancient World: East and West, 1943, pejy 48, 101-102). Ohatra ny amin’ny fahaiza-mamorona sy ny hatsaran’ny feon-kira noforonina hebreo ny Tonon-kiran’i Solomona. Tantara an-kira izy io, mitovy amin’ny libretto, na tonon’ny opéra. Antsoina ao amin’ny soratra hebreo hoe “Hiran’ireo Hira”, izany hoe ny hira faran’izay tsara indrindra, io hira io. Ho an’ny Hebreo fahiny, dia tapany tsy azo nosarahina tamin’ny fanompoam-pivavahana ny fihirana. Ary namela ny hanehoana fihetseham-po tsara teo amin’ny fiderany an’i Jehovah izy io.
Fihiran’ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany
Nitohy ho tapany tsy niova tamin’ny fanompoam-pivavahana teo amin’ny Kristiana tany am-boalohany ny mozika. Ho fanampin’ny fananany ireo Salamo ara-tsindrimandry, dia toa namorona mozika sy tonon-kira ho an’ny fanompoam-pivavahana nataony mivantana izy ireo, ka namela ohatra ho an’ny famoronan-kira kristiana amin’ny andro maoderina. (Efesiana 5:19). Hoy ny fanazavan’ilay boky hoe The History of Music nataon’i Waldo Selden Pratt: “Fanao nahazatra ny Kristiana tany am-boalohany ny fihirana tamin’ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso sy nitokana. Ho an’ireo Jiosy niova finoana, izany dia tohin’ny fanao tany amin’ny synagoga. (...) Ho fanampin’ireo Salamo hebreo (...), ilay finoana vaovao dia nirona tsy an-kijanona hamokatra hira fiderana vaovao, izay toa tamin’ny endriky ny rapsodies aloha.”a
Nanasongadina ny hasarobidin’ny fihirana i Jesosy tamin’ny fotoana nanorenany ny Sakafo Harivan’ny Tompo, fony izy sy ireo apostoly nihira ny Hallel angamba. (Matio 26:26-30). Ny Hallel dia hira fiderana an’i Jehovah, voarakitra an-tsoratra ao amin’ireo Salamo ary nohiraina nifandray tamin’ny fankalazana ny Paska. — Salamo 113-118.
Ny fitaoman’ny fanompoam-pivavahan-diso
Tamin’ilay nantsoina hoe Vanim-potoan’ny Haizina, dia noferana ho hira malahelohelo ny mozika ara-pivavahana. Hoy i Clément avy any Aleksandria, tokony ho tamin’ny 200 am.f.i.: “Mila zavamaneno tokana isika: ny tenim-pankalazana milamina, fa tsy harpa na amponga na sodina na trompetra.” Napetraka ny fameperana, ka noferana ho hira am-bava ny mozikan’ny fiangonana. Nanjary fantatra hoe hiran-damesa io fomba fihira io. “Latsaka ny efapolo taona taorian’ny nanorenana an’i Constantinople, dia nandrara ny fananan’ny zavamaneno sy ny kongregasiona anjara tamin’ny litorjia ny Konsilin’i Laodikia (367 ar.J.K.). Nanjary nohiraina am-bava fotsiny ny mozika ortodoksa”, hoy ilay boky hoe Our Musical Heritage. (Izahay no manao sora-mandry.) Tsy nanana fototra tao amin’ny Kristianisma tany am-boalohany ireo fameperana ireo.
Nandritra ny Vanim-potoan’ny Haizina, dia boky nikombona tamin’ny sarambabem-bahoaka ny Baiboly. Nenjehina sy novonoina ho faty mihitsy aza ny Kristiana sahy nanana na namaky Baiboly. Tsy mahagaga àry raha saika nanjavona tanteraka ny fihirana fiderana an’Andriamanitra nandritra io fe-potoana maizina io. Rehefa heverina, raha tsy nahazo namaky ny Soratra Masina ny sarambabem-bahoaka, ahoana no hahafantarany fa hira avokoa ny ampahafolon’ny Baiboly manontolo? Iza no hampahafantatra azy fa nandidy ny mpivavaka taminy Andriamanitra mba ‘hihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah, ny fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina’? — Salamo 149:1.
Famerenana ny mozika ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy eo amin’ny fanompoam-pivavahana
Nanao zavatra betsaka ny fandaminan’i Jehovah mba hamerenana ny mozika sy ny fihirana ho eo amin’ny toerany ara-drariny eo amin’ny fanompoam-pivavahana. Ohatra, ny nomeraon’ny Zion’s Watch Tower tamin’ny 1 Febroary 1896 dia voaforona hira ranofotsiny. Nitondra ny lohateny hoe “Hiram-pifalian’i Ziona eo Am-piandohany” izy io.
Tamin’ny 1938, dia tsy nasiana fihirana firy tany amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Kanefa, tsy ela dia nahazo vahana ny maha-fahendrena ny hanarahana ny ohatra sy ny fitarihan-dalan’ny apostoly. Tamin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1944, dia nanao ilay lahateny hoe “Hiran’ny Fanompoana Ilay Fanjakana” i F. W. Franz. Nasehony fa nanolotra hira fiderana an’i Jehovah ny zavaboarin’Andriamanitra tany an-danitra, ela be talohan’ny namoronana ny olombelona, ka hoy izy: “Mety sy mampifaly an’Andriamanitra ny hanandratan’ireo mpanompony etỳ an-tany ny feony amin’ny hira ara-bakiteny.” Rehefa avy namelabelatra ilay fanaporofoan-kevitra nanohana ny fihirana eo amin’ny fanompoam-pivavahana izy, dia nanambara ny fivoahan’ilay hoe Fihirana Momba ny Fanompoana Ilay Fanjakana (anglisy) mba hampiasaina tany amin’ny fivoriana momba ny fanompoana fanao isan-kerinandro.b Avy eo, dia nambaran’ny Informateur (antsoina ankehitriny hoe Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana) tamin’ny Desambra 1944, fa hisy hira fanokafana sy famaranana koa any amin’ny fivoriana hafa. Nanjary tapany tamin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah indray ny fihirana.
‘Mihira ao am-pontsika ho an’i Jehovah’
Asehon’ny ohatra nomen’ireo rahalahintsika any Eoropa Atsinanana sy atsy Afrika, izay nandia taona maro tao anatin’ny fahoriana sy ny fanenjehana, ny hasarobidin’ny fihirana amim-pahatsorana. Natokan-toerana irery tany am-ponja nandritra ny fito taona i Lothar Wagner. Ahoana no nahazakany izany? “Nandritra ny herinandro maromaro aho dia nifantoka tamin’ny famenoana ny fitadidiako ireo hiran’ilay Fanjakana. Rehefa tsy fantatro tsara ny tonony, dia namorona andininy iray na roa fotsiny aho. (...) Toy inona moa ny fahatondrahan’ny hevitra mampahery sy mampandroso raketin’ireo hiran’ilay Fanjakana ananantsika!” — Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1974 (frantsay), pejy 225-227.
Nandritra ny dimy taona nanokanan-toerana azy ho irery tany am-ponja noho ny fijoroany tamim-pahatokiana, i Harold King dia nahita fampiononana tamin’ny famoronana sy ny fihirana hira fiderana an’i Jehovah. Maromaro amin’ireo hira noforoniny no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny eo amin’ny fanompoam-pivavahany. Manohana antsika ny fifaliana mifandray amin’ny fihirana. Tsy voatery ho ao anatin’ny fanenjehana anefa isika vao hiaiky ny amin’ny hasarobidin’ny fihirana fiderana an’Andriamanitra.
Afaka mahita fifaliana amin’ny hira ny vahoakan’i Jehovah manontolo. Na dia mety hiahotra aza isika haneho ny hevitsika amin’ny teny, dia afaka maneho malalaka ny fihetseham-po tsapantsika amin’i Jehovah isika rehefa maneho izany amin’ny hira. Notondroin’ny apostoly Paoly ny fomba ahitantsika fifaliana eo amin’ny fihirana fiderana, rehefa nananatra ny Kristiana izy mba tsy hitsahatra ‘hifampilaza amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia hihira sy hikalo ao am-ponareo ho an’[i Jehovah, NW ]’. (Efesiana 5:19). Rehefa feno zavatra ara-panahy ny fontsika, dia afaka maneho izany amin-kery amin’ny hira isika. Koa ny fanalahidin’ny fihirana mihatsara dia ny toe-po mety.
Mahatonga hanana toe-tsaina falifaly ny fananana fifandraisana tsara amin’i Jehovah, ka manosika antsika hilaza sy hihira ary hihoby fiderana an’i Jehovah. (Salamo 146:2, 5). Mihira amin’ny fo manontolo ny zavatra ankafizintsika isika. Ary raha tiantsika ilay hira na ny fihetseham-po entanin’ilay hira, dia azo inoana indrindra fa hihira azy io amim-pihetseham-po marina isika.
Tsy voatery hihira mafy ny olona iray mba hihirana amim-pihetseham-po. Tsy voatery hidika hoe fihirana tsara ny fihirana mafy; tsy fihirana tsara koa ny fihirana tsy andrenesana feo. Misy olona sasany manam-peo mikarantsana voajanahary izay mety hiavaka, na dia mety halefaka aza ilay fihirana. Anisan’ny zava-tsarotra amin’ny fihirana tsara ao anatin’ny antokon’olona iray ny fianarana mampiara-peo. Na mampirindra na mampiray ny feonao amin’ny an’ireo eo akaikinao ianao rehefa mihira, dia manome hira mahafinaritra sy miray ny haavon’ny feonao mifanentana amin’ny azy ireo. Ny fiheveran-tena araka ny antonona ananan’ny Kristiana sy ny sofina mahay mihaino dia manampy ny olona iray hahay handanjalanja ny fihirana amin-kafanam-po sady tsy hanarona ny feon’ny hafa amin’ny feon’ny tenany. Kanefa, tsy tokony hokivina mihitsy mba tsy hihira mafy ireo izay mahay mihira na ireo izay manga feo fatratra. Afaka manohana mafy ny fihiran’ny kongregasiona fiderana an’i Jehovah ny olona manga feo iray.
Manome toerana mifanentana koa mba hihirana ireo ampahany ampirindram-peo ao amin’ny hirantsika ny fihirana any amin’ireo fivoriantsika. Ireo izay mahay mihaino feon-kira na ireo izay mahay mamaky sady mamoaka ireo naotin’ny feo mirindra ao amin’ny boky fihirana dia ampirisihina mba hampiara-peo amin’ilay fihirana ka hampitombo ny hakanton’ilay mozika.c
Mety hisy hilaza hoe: ‘Tsy mahatafavoaka feon-kira aho’, na hoe: ‘Ratsy feo aho; mamalan-kira aho rehefa miakatra ny feo’. Noho izany, dia tsy sahy izy ireo rehefa mihira, na dia any amin’ny Efitrano Fanjakana aza. Izao no marina: Tsy misy feo ampiasaina amin’ny fiderana an’i Jehovah ka “ratsy” araka ny fomba fijeriny. Azo hatsaraina amin’ny alalan’ny fanazarana sy ny fanarahana ireo fanoloran-kevitra mahasoa omena ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ny feon’ny olona rehefa miteny. Tsy misy hafa amin’izany no azo anatsarana ny fihiran’ny olona iray. Nisy nanatsara ny feony tamin’ny fisamonimoninana fotsiny teo am-panaovany raharaha. Manampy hampisosa ny toe-peo ny fisamonimoninana. Ary amin’ny fotoana mety, rehefa irery isika na miasa eo amin’ny toerana tsy hanelingelenantsika ny hafa, dia fanazaran-tena faran’izay tsara ho an’ny feo ny fihirana hiran’ilay Fanjakana, sady fomba iray mahatonga hanana toe-tsaina falifaly sy tony.
Azo ampirisihana koa ny fihirana hiran’ilay Fanjakana vitsivitsy any amin’ny fiaraha-mikorana. Manome rivo-piainana ara-panahy ho an’ilay fiaraha-mikorana ny fihirana toy izany, ampiarahina amin’ny zavamaneno toy ny gitara na piano, na ireo mozikan’ny Fikambanana noraisim-peo. Manome fanampiana koa ho amin’ny fianarana ireo hira sy ho amin’ny fihirana azy ireo tsara any amin’ny fivorian’ny kongregasiona izany.
Mba hanampiana ny kongregasiona harisika hihira any amin’ireo fivoriana, dia nanome mozika noraisim-peo ampiarahina aminy ny Fikambanana. Rehefa alefa ilay mozika, dia tokony hahafantatra ny haavony ilay miandraikitra ny fandefasam-peo. Raha tsy antonona ny hamafin’ilay mozika, dia mety tsy ho sahy hihira mafy ny kongregasiona. Koa satria miara-mihira amin’ny kongregasiona ilay rahalahy mikarakara ny fandefasam-peo, dia ho afaka hamantatra izy raha mitarika tsara ilay mozika na tsia.
Manaova hira ho an’i Jehovah
Manome antsika fahafahana haneho ny fihetseham-po tsapantsika amin’ny Mpamorona antsika ny fihirana. (Salamo 149:1, 3). Tsy fivoahan’ny fihetseham-po fotsiny izy io, fa fanehoana voafehy sy araka ny antonona ary amim-pifaliana koa ny fiderantsika. Afaka mahatonga antsika hanana ny toe-tsaina sy ny toe-po mety ho amin’ny fandaharana hanaraka avy eo, ny fihirantsika amin’ny fo manontolo ao amin’ny kongregasiona. Afaka mandrisika antsika handray anjara bebe kokoa amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah koa izany. Na dia misy akony eo amin’ny fihetseham-po aza ny fihirana, dia afaka mampiana-javatra antsika koa ireo tonon-kira. Amin’ny fanehoantsika toy izany ny fihetseham-pontsika amin’ny feo iray ihany sy amin’ny feo mirindra no anomanantsika amim-pahalemem-panahy sy amim-panetren-tena ny fontsika mba hahafahantsika hiara-mianatra amin’ny maha-vahoaka tafavory. — Ampitahao amin’ny Salamo 10:17.
Ho anisan’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah foana ny fihirana. Noho izany, isika dia manana fahatsinjovana ny hiombom-pihetseham-po mandrakizay amin’ny mpanao salamo toy izao: “Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; eny, hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola velona koa.” — Salamo 146:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny rapsodie dia feon-kira foronina, miavaka noho ny toe-tsaina tia fahalalahana hita eo amin’ny fizarany samihafa. Matetika ny rapsodie no nanindrahindra fisehoan-javatra na olona feno herim-po.
b Toa manondro ny 1 Korintiana 14:15 fa lafiny nisongadina tsy tapaka tamin’ny fanompoam-pivavahan’ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany ny fihirana.
c Mitana ilay fomba fihira ampiasana feo efatra mirindra ny sasany amin’ireo hira ao amin’ilay boky fihiranantsika amin’izao fotoana izao hoe Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah. Natao ho an’izay mankafy ny fihirana ireo ampahany ampirindram-peo izany. Kanefa, maro amin’ireo hira no namboarina mba hampiarahina amin’ny piano ary nasiana karazana mozika izay miezaka hitana ny maha-niraisam-pirenena ny niandohan’ireo feon-kira. Mety hanatsara amin’ny fomba mahafinaritra ny fihirantsika any amin’ireo fivoriana ny famoronana naotina feo mirindra ho an’ireo hira nosoratana tsy misy ireo feo efatra mirindra araka ny tena izy.
[Efajoro, pejy 27]
Fanoloran-kevitra Sasany mba Hihirana Tsara Kokoa
1. Hazòny ho ambony ny boky fihirana rehefa mihira ianao. Manampy hiaina ara-dalàna kokoa izany.
2. Miainà tsara eo am-panombohan’ny andalana tsirairay.
3. Hampitombo ara-dalàna ny haavon’ny feo sy ny fikarantsany ny fanokafana ny vava bebe kokoa noho izay ahazoan’ny tena aina, eo am-boalohany.
4. Ambonin’ny zava-drehetra, dia mifantoha hatrany amin’ny fihetseham-po entanin’ilay hira hiraina.