FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ssb hira 173
  • Fatorana Mampiray Tonga Lafatra ny Fitiavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fatorana Mampiray Tonga Lafatra ny Fitiavana
  • Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka Hampiorina Anao ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Aoka isika hitafy fitiavana sy hampiseho izany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Miezaha Hifankatia Be Foana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • “Miezaha Foana Haneho Fitiavana”
    Manatòna An’i Jehovah
Hijery Hafa
Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
Ssb hira 173

Hira 173

Fatorana Mampiray Tonga Lafatra ny Fitiavana

(Kolosianina 3:14)

1. Nihena ny fitiavana,

Fa tsy toy ny taloha.

Isika kosa hiezaka

Hifankatia kokoa.

Manahaka an’i Jehovah

Isika rehetra,

Raha toa maneho fitiavana

Madio sy lalina.

2. Tsy mihatsaravelatsihy

Ireo ’zay tena tia.

Aoka ny fitiavantsika

Mba tsy hisy tsiny.

Koa halalaho ny fontsika,

Ho an’ireo rahalahy.

Ireo ’zay tian’i Jehovah

Dia hotiavintsika.

3. Tsy maintsy hamafisina

Ny fitiavana,

Satria io no fatorana,

’Zay mampiray saina.

Miezaha mba hifandray am-po

Sy ho tsara fanahy.

Hanampy antsika izany

Mba hifandray tsara.

4. Ny fifandraisana tsara

Amin’i Jehovah,

Manampy mba ho tia ny hafa

Toy ny tenantsika.

Ho tena vokatry ny fo

Ny fitiavantsika,

Fatorana ’zay mampiray

Sy tonga lafatra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara