FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/05 p. 1
  • Mitoria Hatrany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitoria Hatrany
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hanohy hitory ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Aza Mitsahatra Mitory!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • ‘Mandehana, Ataovy Mpianatra ny Olona any Amin’ny Firenena Rehetra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Tatitra Maneran-tany Tontalibeny 2004
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 4/05 p. 1

Mitoria Hatrany

1 Mandalo fotoan-tsarotra isika izao. Fahita ny ady an-trano, adim-poko, loza voajanahary, ary ny zava-mitranga mampihoron-koditra hafa. Vao mainka àry mila vaovao tsara noho ny hatramin’izay ny olona. Be dia be anefa ny tsy tia miresaka momba ny Baiboly. Mety ho sarotra ny mahita olona ao an-tranony, any amin’ny faritra sasany. Mety ho sarotra noho izany aza ny mahita olona vonona hihaino antsika, na maniry hianatra Baiboly. Mila mitory hatrany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina anefa isika.—Matio 24:14.

2 Fitiavana ny olona: Mampiseho ny fitiavan’i Jehovah ny olona ny fitoriantsika. “Tsy iriny hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2 Pet. 3:9; Ezek. 33:11) Nanome baiko tamin’ny alalan’i Jesosy àry izy fa “tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.” (Marka 13:10) Miangavy ny olona Andriamanitra mba hanatona azy, raha tian’izy ireo ny ho afa-mandositra ilay didim-pitsarana hampiharina tsy ho ela amin’ny tontolon’i Satana. (Joela 3:1, 2, 5; Zef. 2:2, 3) Tsy velom-pisaorana an’i Jehovah ve isika, satria anisan’ireo nasainy hanatona azy?—1 Tim. 1:12, 13.

3 Nisy fampianarana Baiboly 6 085 387 teo ho eo isam-bolana notarihina nandritra ny taom-panompoana 2004, araka ny tatitra maneran-tany. Efa ho 5 000 isan-kerinandro koa ny mpianatra vaovao natao batisa! Olona hitan’ny mpitory teny amin’ny faritany nanendrena azy ny sasany tamin’izy ireo. Niezaka nitory hatrany tamin’izay rehetra hitany ireny mpitory ireny, ka notahin’i Jehovah. Tena faly ny fiangonana! Voninahitra tokoa ny miara-miasa amin’Andriamanitra amin’io asa mamonjy aina io!—1 Kor. 3:5, 6, 9.

4 Fiderana ny anaran’Andriamanitra: Mitory hatrany isika mba hiderana an’i Jehovah ampahibemaso, sy hanamasinana ny anarany eo anatrehan’ny olon-drehetra. (Heb. 13:15) Mamitaka ny “tany rehetra misy mponina” i Satana. Ataony izay hinoan’ny olona fa tsy misy Andriamanitra, na tsy manan-kery handamina ny olana mianjady amin’izy ireo, na tsy miraharaha ny fijaliany. (Apok. 12:9) Miaro ny fahamarinana momba ilay Raintsika be voninahitra any an-danitra isika, rehefa mitory. Enga anie àry isika hidera hatrany ny anarany, dieny izao sy mandrakizay.—Sal. 145:1, 2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara