FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/05 p. 1
  • Manampy Antsika Hiaritra ny Fitoriana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manampy Antsika Hiaritra ny Fitoriana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Miaraha Hatrany Amin’ny Fandaminan’i Jehovah
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • ‘Avelao Hamita ny Asany ny Fiaretana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Fiaretana — Tena Ilaina ho An’ny Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ny Fiaretana Izay Mahazo ny Fandresena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 6/05 p. 1

Manampy Antsika Hiaritra ny Fitoriana

1 Mampirisika antsika ny Tenin’Andriamanitra, mba “hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika.” (Heb. 12:1) Mila miaritra ny mpihazakazaka mba handreseny. Mila miaritra koa isika mba hahazoana ny lokan’ny fiainana mandrakizay. (Heb. 10:36) Ahoana no hanampian’ny fanompoana kristianina antsika hiaritra sy hahatoky hatramin’ny farany?—Matio 24:13.

2 Mihamatanjaka ny finoantsika: Mamelombelona ny fanantenantsika foana, ny miresaka ny fampanantenana kanto ao amin’ny Baiboly, momba ny tontolo vaovao sy marina. (1 Tes. 5:8) Afaka mampahafantatra ny fahamarinana ianarantsika ao amin’ny Baiboly isika, rehefa mitory tsy tapaka. Afaka miaro ny finoantsika koa isika, ka hihamatanjaka izy io.

3 Tsy maintsy azontsika tsara aloha ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, vao hahay hampianatra ny hafa isika. Tsy maintsy manao fikarohana sy misaintsaina an’ilay zavatra horesahina isika. Mampitombo ny fahalalana sy manatanjaka ny finoana, ary mamelombelona antsika ny ezaka mafy ataontsika. (Ohab. 2:3-5) Mahazo hery àry isika, rehefa miezaka manampy ny hafa.—1 Tim. 4:15, 16.

4 Tena mila ny “fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra” isika, mba ho mafy orina ka hahatohitra ny Devoly sy ireo demonia. Iray amin’io fiadiana io ny fahazotoana mitory. (Efes. 6:10-13, 15) Hifantoka amin-javatra mampahery ny saintsika ary tsy ho voataonan’ny tontolon’i Satana hanao ratsy isika, raha be atao amin’ny fanompoana. (Kol. 3:2) Rehefa mampianatra ny hafa ny lalan’i Jehovah isika, dia mampahatsiahy ny tenantsika tsy tapaka, fa ilaintsika koa ny hadio fitondran-tena foana.—1 Pet. 2:12.

5 Omen’Andriamanitra hery: Farany, mampianatra antsika hiantehitra amin’i Jehovah ny fitoriana ny vaovao tsara. (2 Kor. 4:1, 7) Mahasoa tokoa izany! Ho vonona hiatrika izay rehetra mety hitranga eo amin’ny fiainana isika, sady hahavita ny fanompoantsika, raha mampitombo izany fatokiana izany. (Fil. 4:11-13) Ny fianarana mitoky tanteraka amin’i Jehovah no tena hanampy antsika hiaritra. (Sal. 55:22) Manampy antsika hiaritra tokoa ny fitoriana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara