Afaka Mandray Fanapahan-kevitra Hentitra ve ny Zanakao?
1 Fanapahan-kevitra hentitra momba ny inona? Momba ny fampidiran-dra. Mandray fanapahan-kevitra hentitra ireo tanora manao ny sitrapon’i Jehovah, mba hanaporofoany fa te hankatò ny lalàn’i Jehovah momba ny ra izy ireo. Zava-dehibe amin’izy ireo izany, ary toy izany koa amin’ny ray aman-dreniny. Tokony handray fanapahan-kevitra hentitra toy izany koa ve ny zanakao tsy ampy taona?
2 Inona no lazain’ny lalàna momba izany? Namoaka didy ny Fitsarana Tampon’i Illinois, any Etazonia, fa manana zo handa fampidiran-dra ny ankizy tsy ampy taona nefa matotra. Nandinika raharaha momba ny anabavy iray 17 taona ilay fitsarana, ka namoaka izao didy izao: “Raha mazava ny porofo, ka mampiaiky fa matotra sy mahatakatra ny vokatry ny fanapahan-keviny ilay ankizy, ary mahay mieritreritra tsara toy ny olon-dehibe, dia manome alalana azy hanana zo hanaiky na handa fitsaboana iray ny lalàna momba ny ankizy tsy ampy taona nefa matotra.” Mety hanontanian’ny dokotera na manam-pahefana àry ny ankizy iray marary, mba hahazoany antoka fa hentitra tokoa ny fanapahan-keviny handa hampidiran-dra. Tokony ho takatr’ilay tanora tsara ny halehiben’ny aretiny sy ny vokatry ny safidy ataony eo amin’ny fitsaboana. Tokony holazainy mazava sy hentitra koa ny zavatra inoany momba ny lalàn’Andriamanitra mahakasika ny ra.
3 Inona no holazain’ny zanakao? Afaka manazava ny heviny momba io raharaha io ve ny zanakao? Mino amin’ny fony rehetra ve izy fa didin’Andriamanitra ny hoe ‘fadio ny ra’? (Asa. 15:29; 21:25) Hainy ve ny manaporofo ny zavatra inoany avy ao amin’ny Soratra Masina? Ho sahy hiaro ny fanapahan-keviny hentitra momba ny ra ve izy, raha tsy eo ianareo ray aman-dreniny, nefa milaza ny dokotera fa mety ho faty izy? Mety ‘hahazo antsika rehetra ny fotoana sy ny sampona.’ Ahoana àry no anomananao ny zanakao ho amin’izay mety ho fitsapana ny tsy fivadihany?—Mpit. 9:11; Efes. 6:4.
4 Inona no azonareo ray aman-dreny atao? Andraikitrareo ny mampianatra ny zanakareo ny fiheveran’Andriamanitra momba ny ra. (2 Tim. 3:14, 15) Misy fanazavana tsara ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 356-359. Iaraho mianatra tsara amin’ny fianakavianareo izy io. Ampiasao ilay hoe “Raha misy milaza aminao hoe”, eo amin’ny pejy 359-361, ka manaova fanazarana miaraka amin’ny zanakareo, mba hahaizany hanazava ny zavatra inoany sy ny anton’izany. (1 Pet. 3:15) Anisan’ny fitaovana ampianarana antsika momba ny ra, ny bokikely Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao? sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2004, pejy 14-24. Eo koa ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra. Manazava tsara izy io fa tena mety sy mahomby ny fitsaboana sy fandidiana tsy ampiasana ra. Efa nijery an’io video io sy niresaka momba azy io ve ny fianakavianareo tato ho ato? Aza hadinoina koa ny mijery ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1990 sy Septambra 1992. Tokony hahazo amin’ireo ny mpitory vao vita batisa rehetra.
5 Ampio ny zanakao ‘hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’ Anisan’izany ny momba ny ra. Ho afaka handray fanapahan-kevitra hentitra izy amin’izay, ka hahazo ny fitahian’i Jehovah.—Rom. 12:2.
[Fanontaniana]
1. Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelona tanora ny fampiasana ny ra? Manomeza ohatra.
2. Inona no fitsipika ara-dalàna nampiharin’ny fitsarana tamin’ny ankizy iray tsy nety nampidiran-dra? Inona no ianaran’ny ray aman-dreny kristianina sy ny zanany tsy ampy taona avy amin’izany?
3. Inona avy no fanontaniana tokony hodinihin’ny ray aman-dreny, ary nahoana?
4, 5. a) Inona no andraikitry ny ray aman-dreny, ary ahoana no anatontosan’izy ireo izany? b) Inona avy no fitaovana manampy ny ray aman-dreny?