Nahoana Isika no Miverimberina?
1. Inona no fanontaniana mipetraka momba ny asa fitoriana ataontsika?
1 Iasana matetika ny faritanintsika any amin’ny toerana maro. Miverimberina any amin’ireo trano efa nandehanantsika isika, na dia mety ho efa nilaza aza ilay tompon-trano fa tsy liana. Nahoana isika no mbola mitsidika an’ireo olona tsy nandray tsara?
2. Inona no antony lehibe indrindra mahatonga antsika haneho fikirizana eo amin’ny fanompoana?
2 Tia an’i Jehovah sy ny olona: Ny fitiavantsika an’i Jehovah no antony lehibe indrindra mahatonga antsika haneho fikirizana eo amin’ny fanompoana. Atosiky ny fontsika isika mba hanohy hiresaka amin’ny hafa momba ilay Andriamanitsika lehibe. (Lioka 6:45) Mandrisika antsika hankatò ny didin’i Jehovah, sy hanampy ny hafa hanao toy izany koa ny fitiavantsika azy. (Ohab. 27:11; 1 Jaona 5:3) Tsy miankina amin’ny fihetsiky ny olona ny faharetantsika amin’io asa io. Tsy “nitsahatra” nitory ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany na dia nenjehina aza. (Asa. 5:42) Tsy tokony ho kivy isika rehefa tsy mihaino ny olona. Tsy hivadika kosa isika fa hampiseho ny fitiavantsika lalina an’i Jehovah sy ny fahafoizan-tenantsika ho azy.
3. Nahoana no manampy antsika hitory hatrany ny fitiavana ny olona?
3 Maneho fikirizana koa isika satria tia ny mpiara-belona amintsika. (Lioka 10:27) Tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana mihitsy ny olona. (2 Pet. 3:9) Mahita olona maniry hanompo an’i Jehovah foana isika, na dia eo amin’ny faritany voasa matetika aza. Olona 1 amin’ny 56, ohatra, no Vavolombelon’i Jehovah any Goadelopy, ary 214 no natao batisa tamin’ny taon-dasa. Efa ho 20 000, izany hoe olona 1 amin’ny 22, no nanatrika Fahatsiarovana!
4. Nahoana no azo lazaina fa miova foana ny faritanintsika?
4 Miova ny faritany: Misy fiovana foana eo amin’ny faritanintsika. Aoka hatao hoe miverina mitsidika olona tsy nandray tsara ny hafatra isika. Mety ho mpianakaviny hafa mbola tsy nandre ny hafatra entintsika mihitsy no hanokatra varavarana sy hihaino antsika. Na mety hahita olona vaovao vao nifindra tao koa isika, ary tena liana izy io. Tsy miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny intsony koa ny zanaky ny olona nanohitra, rehefa lehibe. Mety ho vonona hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona toy ireny.
5. Inona no mety hahatonga ny olona handray ny fahamarinana?
5 Miova koa ny olona. ‘Mpanevateva an’Andriamanitra sy mpanenjika ary mpanambany olona’ ny apostoly Paoly taloha. (1 Tim. 1:13) Maro amin’ny mpanompon’i Jehovah koa no tsy liana tamin’ny fahamarinana taloha. Mety ho efa nanohitra ny vaovao tsara aza ny sasany. Mety ho vonona hihaino ny mpanohitra sasany na ireo tsy niraika taloha, rehefa mahita ny fiovan’ny toe-piainana eran-tany. Ny hafa indray mety hanjary handray ny fahamarinana, rehefa nandalo fotoan-tsarotra, toy ny fahafatesan’ny havana, ny famoizana asa, ny fahasahiranana ara-bola, na ny tsy fahasalamana.
6. Nahoana isika no tsy maintsy mitory amin-kafanam-po hatrany?
6 Efa hifarana ny rafitr’ity tontolo ity, fa mandroso haingana kosa ny asa fitoriana sy fampianarana ataontsika. (Isaia 60:22) Mitory amin-kafanam-po hatrany àry isika, sady miezaka foana hijery ny lafy tsaran-javatra. Mety hihaino ny olona hiresahantsika manaraka. Mila mitory foana isika! ‘Raha manao izany isika, dia hamonjy ny tenantsika sy ireo mihaino antsika.’—1 Tim. 4:16.