Modely ho An’ny Rehetra
Niraiki-po tamin’Andriamanitra izy, ka nifandray tsara taminy. Natokany hanaovana ny sitrapon’i Jehovah ny fiainany. “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra” izy, ka notahiny. Iza àry izany? I Noa. Modely mendrika hotahafin’ny tanora sy antitra izy. (Gen. 6:9) Hanampy anao hahita ny fiainan’i Noa ilay video hoe Noa: Ilay Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra. Ho hitanao koa hoe nahoana izy no mendrika hotahin’i Jehovah, ary ahoana no azonao anahafana ny toetrany.
Ahitana ilay hoe: “Hainao ve?” ao amin’ilay DVD Noa. Jereo àry izy io ary valio ireto fanontaniana ireto: 1) Inona no ratsy nataon’ny anjely sasany, ary iza ireo Nefilima? (Gen. 6:1, 2, 4) 2) Nahoana no lasa ratsy toetra be ny olona, ary inona no tsapan’Andriamanitra tamin’izany? (Gen. 6:4-6) 3) Inona no nampiavaka an’i Noa? (Gen. 6:22) 4) Tamin’ny fomba ahoana no nandringanana ny ratsy fanahy? (Gen. 6:17) 5) Nanao ahoana ny haben’ilay sambofiara? (Gen. 6:15) 6) Inona koa no nataon’i Noa, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny olona? (Matio 24:38, 39; 2 Pet. 2:5) 7) Firy isaky ny karazam-biby no nampidirina tao anaty sambofiara? (Gen. 7:2, 3, 8, 9) 8) Firy andro no avy ny orana, ary firy andro no difotry ny rano tanteraka ny tany? (Gen. 7:11, 12; 8:3, 4) 9) Nahoana no tsy maty i Noa sy ny fianakaviany? (Gen. 6:18, 22; 7:5) 10) Taiza no nipetrahan’ilay sambofiara? (Gen. 8:4) 11) Ahoana no nahafantaran’i Noa fa afaka mivoaka ny sambofiara amin’izay izy ireo? (Gen. 8:6-12) 12) Inona no nataon’i Noa rehefa nivoaka avy tao amin’ny sambofiara? (Gen. 8:20-22) 13) Inona no dikan’ilay avana? (Gen. 9:8-16) 14) Inona no dikan’ny hoe ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra’? (Gen. 6:9, 22; 7:5) 15) Inona no tokony hataontsika raha te hahita an’i Noa isika any amin’ny Paradisa? (Matio 28:19, 20; 1 Pet. 2:21)
Tantarain’ny Baiboly fa lehilahy nahatoky sy nankatò an’Andriamanitra i Noa. Inona no ianaranao avy amin’ny tantarany, ka hahatonga anao hiara-mandeha amin’Andriamanitra, ary hatoky fa mahay mamonjy ny vahoakany izy?—Gen. 7:1; Ohab. 10:16; Heb. 11:7; 2 Pet. 2:9.