FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/10 p. 1-2
  • Efa Masaka Hojinjaina ny Vokatra!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Masaka Hojinjaina ny Vokatra!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Manohiza Mijinja!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mifalia eo Am-pijinjana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ilaina maika dia maika ny mpiasa betsaka kokoa hanao ny fijinjana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Inona no Vokatr’ilay Asa Fijinjana?
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 11/10 p. 1-2

Efa Masaka Hojinjaina ny Vokatra!

1. Inona no asa lehibe tontosaina ankehitriny?

1 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, rehefa avy nitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray: “Atopazo ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.” (Jaona 4:35, 36) Nampitovin’i Jesosy tamin’ny asa fijinjana ny asa fitoriana, ary efa tsinjony fa hitatra haneran-tany izy io. Mbola manara-maso akaiky an’io asa fijinjana io izy any an-danitra. (Mat. 28:19, 20) Mbola betsaka ny asa fijinjana miandry antsika, na dia efa hifarana aza izy io. Nahoana?

2. Inona no porofo fa mbola betsaka ny asa fijinjana miandry antsika?

2 Fijinjana maneran-tany: Nitombo 3,2 isan-jato ny isan’ny mpitory naneran-tany, tamin’ny taom-panompoana 2009, ary 14 isan-jato tany amin’ny tany nisy fandrarana. Nahatratra 7 619 000 mahery ny fampianarana Baiboly natao isam-bolana. Mbola betsaka noho ny isan’ny mpitory izany, ary nitombo 500 000 latsaka kely raha oharina amin’ny tamin’ny taom-panompoana 2008. Mitombo haingana be ny asa any amin’ny tany maro, ka mihabetsaka ireo mangataka misionera niofana tany Gileada. Mamokatra be koa ny faritany miteny vahiny any amin’ny tany maro. Hita mihitsy fa manafaingana ny asa i Jehovah amin’izao faran’ny fotoam-pijinjana izao. (Isaia 60:22) Miezaka tsy hanakiana ny faritaninareo àry ve ianao?

3. Inona no mety holazain’ny sasany momba ny fijinjana eo an-toerana?

3 Fijinjana eo an-toerana: Mety hisy hilaza hoe: “Tsy dia misy olona liana intsony ao amin’ny faritaninay.” Marina fa toa tsy toy ny taloha intsony ny faritany sasany, na tsy dia mamokatra raha oharina amin’ny hafa. Mety hisy Vavolombelona àry hilaza fa efa tsisy tsy nandre ny olona ao amin’ireny faritra ireny, ka tsy antenaina hisy olona liana intsony. Manangona ny ambinambiny, hono, sisa no ataony. Marina ve izany?

4. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanompoantsika, ary nahoana?

4 Miasa mafy foana ny olona amin’ny fotoam-pijinjana na vao manomboka ny asa na efa hifarana. Asa maika izy io, satria hoy i Jesosy: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Mat. 9:37, 38) I Jehovah, ilay Tompon’ny vokatra, no tena mahalala ny fotoana sy ny toerana hijinjana ny vokatra. (Jaona 6:44; 1 Kor. 3:6-8) Inona kosa no anjarantsika? Hoy ny Baiboly: “Mamafaza voa amin’ny maraina, ary aza atsahatra ny tananao mandra-paharivan’ny andro.” (Mpito. 11:4-6) Amin’izao fifaranan’ny fotoam-pijinjana izao àry isika no tsy tokony hitsahatra hiasa mafy!

5. Nahoana isika no tokony hazoto hitory foana, na dia toa tsy mandray firy aza ny olona?

5 Aza mitsahatra mijinja: Voasa matetika ve ny faritaninareo, ary tsy dia mandray ny olona? Tokony hazoto foana isika na izany aza, ary tsy hanadino fa maika ilay asa. (2 Tim. 4:2) Miova hevitra mantsy ny olona rehefa mahita ny korontana eran-tany, ka mety handinika lalina momba ny hoavy. Mety hitady filaminan-tsaina koa ny tanora rehefa mihalehibe. Ny hafa indray mety ho tonga saina mahita antsika mikiry mitory foana. Mety hihaino àry ny olona tsy nandray antsika taloha. Mila ampitandremana koa, na dia ireo minia tsy mandray aza.—Ezek. 2:4, 5; 3:19.

6. Inona no hanampy antsika hazoto foana na dia sarotra itoriana aza ny faritanintsika?

6 Inona no azontsika atao mba hazoto foana, na dia sarotra itoriana aza ny faritanintsika? Azo atao, ohatra, ny mitory an-telefaonina na any amin’ny faritany be toeram-piasana, fa tsy isan-trano fotsiny. Ovaovao sy hatsarao koa ny fomba fitory. Afaka mitory amin’ny fotoana hafa koa isika, ohatra hoe amin’ny takariva na amin’ny fotoana maha ao an-trano ny olona. Azo atao koa ny mianatra fiteny hafa mba ho afaka hitory amin’ny olona maro kokoa. Afaka manao mpisava lalana koa isika mba hanitarana ny fanompoantsika, na mifindra any amin’ny toerana vitsy mpitory. Hiezaka handray anjara feno amin’ilay asa fijinjana isika raha mihevitra azy io ho zava-dehibe.

7. Mandra-pahoviana isika no manao ilay asa fijinjana?

7 Voafetra ihany ny fotoana anangonana ny vokatra, ka tsy milalao asa ny tantsaha fa izay hahavita azy io no imasoany. Tokony hovitaina maika koa ilay asa fijinjana ataontsika. Mandritra ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” izy io no atao, ary tsy ajanona raha tsy rehefa tonga “ny farany.” (Mat. 24:14; 28:20) Manahaka an’ilay Mpanompon’i Jehovah lehibe indrindra isika, ka mamita ilay asa nankinina tamintsika. (Jaona 4:34; 17:4) Aoka àry isika hazoto sy ho faly rehefa mitory, ary hihevitra ilay asa ho zava-dehibe foana mandra-pahatongan’ny farany. (Mat. 24:13) Mbola tsy vita ny fijinjana!

[Teny notsongaina, pejy 2]

Miasa mafy foana ny olona amin’ny fotoam-pijinjana na vao manomboka ny asa na efa hifarana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara