Manontany ny Tanora—Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana? (Fizarana 2)
Rehefa mandefa an’ilay video hoe Manontany ny Tanora—Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana? ianao dia fidio ilay hoe Fanadinadinana, ary avy eo ilay hoe Ampahany. Valio ireo fanontaniana eo amin’ny fehintsoratra faharoa rehefa avy mijery ny ampahany tsirairay ianao. Fidio avy eo ilay hoe Fanampiny eo amin’ny Fizarana Lehibe, jereo ireo fanadinadinana dimy fanampiny, ary valio ireo fanontaniana eo amin’ny fehintsoratra fahatelo.
Ampahany—Hikatsaka Zava-poana sa Hanokan-tena ho An’Andriamanitra: 1) Terena hanatratra tanjona manao ahoana ny tanora? 2) Nahoana ny 1 Jaona 2:17 no manampy ny tanora hanapa-kevitra hoe hatraiza ny fianarana hataony? 3) Nahoana ny tahotra no tsy tokony havelantsika hisakana antsika tsy hatao batisa? 4) Inona no hanampy antsika hanapa-kevitra hatao batisa? Mianara Mankafy ny Fanompoanao: 5) Nahoana no misy tsy mankafy ny fanompoana? 6) Inona avy no hanampy antsika hankafy ny fanompoana? 7) Inona no mampahatahotra kokoa ny tanora sasany noho ny miresaka amin’ny olona tsy fantany? Nahoana? 8) Ahoana no ahafahantsika mandresy ny tahotra ka hananantsika herim-po hitoriana? 9) Nahoana koa no ilaina ny miezaka hahay hitory rehefa manompo? Fahafahana Hanompo Bebe Kokoa: 10) Nahoana ianao no ho afaka handroso tsara raha manao ny asan’ny mpisava lalana? (Fil. 3:16) 11) Nahoana no misy misalasala ny ho mpisava lalana? 12) Inona avy ny toro lalan’ny Baiboly hanampy antsika tsy hanahy ny amin’ny fivelomana? 13) Inona no nataon’ny mpisava lalana sasany mba hameloman-tena? 14) Inona no azonao atao raha tsy afaka ny ho mpisava lalana ianao noho ny toe-javatra misy anao?
Fanampiny—Ny Hasarobidin’ny Fianarana Samirery: 15) Nahoana no ilaina ny mianatra samirery tsy tapaka? Lafiny Samihafa Amin’ny Fanompoana: 16) Nahoana no ho faly kokoa isika rehefa mandray anjara amin’ny lafiny samihafa amin’ny fanompoana? Fanompoana ao Amin’ny Betela: 17) Inona ny zavatra sasany mahafinaritra amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela? Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana: 18) Inona ny soa noraisin’ireo efa nanatrika an’io sekoly io (antsoina ankehitriny hoe Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo)? Fampiofanana ho Misioneran’i Gileada: 19) Ahoana no nataon’i Peter sy Fiona mba hiomanana hanao misionera, ary inona ny soa noraisin’izy ireo avy tamin’ny Sekolin’i Gileada?