FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jr toko 15 p. 182-192
  • “Tsy Afaka ny Hangina Aho”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tsy Afaka ny Hangina Aho”
  • Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MITORIA FOANA NA TSY MIRAIKA AZA NY OLONA
  • VOAFETRA NY HERIN’NY MPANOHITRA
  • “AZA MATAHOTRA”
  • DIDY NATAO HO ANAO KOA
  • “Lazao Amin’izy Ireo Izao Teny Izao”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • Iza no Namana Fidinao?
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • “Hamelombelona ny Reraka Aho”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • “Efa Nataoko ao Am-bavanao ny Teniko”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
Hijery Hafa
Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
jr toko 15 p. 182-192

TOKO FAHA-15

“Tsy Afaka ny Hangina Aho”

1. Nahoana i Jeremia sy ireo mpaminany hafa no tsy nangina mihitsy?

“HENOY ny tenin’i Jehovah.” Tsy nitsahatra nanambara an’ireo teny ireo eran’i Jerosalema i Jeremia mpaminany, nanomboka tamin’ny 647 T.K. Mbola nanambara an’izany izy na dia rehefa rava aza i Jerosalema, 40 taona taorian’izay. (Jer. 2:4; 42:15) Naniraka mpaminany samihafa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra mba hahafahan’ny Jiosy handre ny toroheviny, ka hibebaka. Efa hitantsika tato amin’ity boky ity anefa fa niavaka i Jeremia raha oharina amin’ny mpaminany hafa. Nilaza toy izao Andriamanitra rehefa naniraka azy: “Mitsangàna ka ambarao amin’izy ireo izay rehetra andidiako anao. Aza mihorohoro.” (Jer. 1:17) Sarotra ilay asa. Nisy fotoana i Jeremia nijaly sady kivy. Te hanohy foana an’ilay asa nanendrena azy anefa izy. Hoy izy: “Midobodoboka ny foko ato anatiko. Tsy afaka ny hangina aho.”—Jer. 4:19.

2, 3. a) Ahoana no nanahafan’ny mpianatr’i Jesosy an’i Jeremia? b) Nahoana ianao no tokony hanahaka an’i Jeremia?

2 Modely ho an’ireo mpanompon’i Jehovah tatỳ aoriana i Jeremia. (Jak. 5:10) Rehefa nisambotra ny apostoly Petera sy Jaona, ohatra, ny manam-pahefana jiosy, taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33, ary nandidy azy ireo tsy hitory intsony, dia namaly izy ireo hoe: “Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.” (Asa. 4:19, 20) Navelan’ireo manam-pahefana handeha izy ireo rehefa avy norahonany. Fantatsika anefa fa tsy nitsahatra nitory ireo lehilahy tsy nivadika ireo.

3 Hita amin’ireo tenin’i Paoly sy Jaona ireo, fa be zotom-po toa an’i Jeremia izy ireo. Ary ianao? Mpanompon’i Jehovah ianao ary miaina amin’ny andro farany, ka tokony ho tapa-kevitra ny ‘tsy hangina’ toa an’i Jeremia. Andeha isika handinika hoe inona no hanampy antsika ho be herim-po toa an’i Jeremia, ka hitory foana ny vaovao tsara na dia miharatsy aza ny toe-piainana.

MITORIA FOANA NA TSY MIRAIKA AZA NY OLONA

4. Nanao ahoana ny toe-tsain’ny olona maro tao Jerosalema?

4 Nampanantena Andriamanitra fa hisy hoavy mahafinaritra rehefa ny Zanany no hitondra. Tsy miaiky ve ianao fa izany no vaovao tsara indrindra? Maro amin’ny olona itoriantsika anefa no milaza toy izao nolazain’ny Jiosy tamin’i Jeremia izao: “Tsy hihaino ny teny nolazainao taminay izahay, na dia nolazainao tamin’ny anaran’i Jehovah aza izany.” (Jer. 29:19; 44:16) Imbetsaka i Jeremia no nandre an’izany. Maro koa ankehitriny ny olona tsy liana amin’ny hafatra entintsika. Mety hampihena ny zotom-pontsika anefa izany. Inona àry no azo atao raha izany no manjo anao na manjo ny mpitory sasany?

5. a) Inona no nanampy an’i Jeremia hanana toe-tsaina tsara, rehefa tsy niraika ny olona? b) Nahoana ireo tsy miraharaha ny vaovao tsara no tandindomin-doza?

5 Nahazo fahitana momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra hihatra amin’ny Joda i Jeremia, teo am-piandohan’ny fanompoany. (Vakio ny Jeremia 4:23-26.) Tsapany avy tamin’ilay fahitana fa olona an’arivony no mila mandre ny hafatra nentiny sy mampihatra an’izany, mba tsy ho faty. Nanampy azy hanana toe-tsaina tsara izany rehefa tsy niraika ny olona tao Joda. Tandindomin-doza koa ny olona maro ankehitriny, anisan’izany ireo ao amin’ny faritaninao. Izao mantsy no nolazain’i Jesosy momba ny “andro” fitsaran’Andriamanitra an’ity tontolo ratsy ity: “Ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany. Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:34-36) Hita amin’ireo tenin’i Jesosy ireo fa tandindomin-doza ny ain’ireo mandà ny vaovao tsara.

METY HIOVA IREO TSY MIRAIKA

Nilaza tamin’ireo mpitory tonga tao aminy ny vehivavy iray any Nouvelle-Zélande fa tsy nihaino ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy taloha. Notantarainy fa niova izy rehefa nanatrika fandevenana anabavy iray. Mpiara-miasa tamin’ny vadiny ny vadin’io anabavy io. Hitany hoe maro tamin’ny mpamangy no nanatona mitokana an’ilay lehilahy maty vady mba hampahery azy. Nilaza koa izy fa mitombina tsara sady mazava ny fanazavana ara-baiboly reny tany, momba ny fitsanganana amin’ny maty.

Nohazavain’ilay vehivavy fa mampiofana mpitsabo mpanampy mikarakara marary efa ho faty izy. Noho izy nanatrika ilay fandevenana, dia nampirisihiny ireo mpianany ireo mba hanatrika fandevenana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nolazainy tamin’izy ireo fa hazavaina any hoe manao ahoana marina ny maty. Nolazainy koa fa miresaka momba ny fanantenana kanto amin’ny hoavy ny Vavolombelona. Nino izy fa azon’ireo mpitsabo mpanampy ampiasaina ireo hevitra ireo mba hampaherezana ny marary.

Na dia tsy miraika aza ny olona iray hatramin’izay, dia tsy midika izany hoe tsy hiova mihitsy izy. Afaka ‘manome’ an’ilay olona ‘fo mahalala azy’ i Jehovah. (Jer. 24:7) Mety mbola handray tsara ny vaovao tsara àry ny olona tsy miraika ao amin’ny faritaninareo.

Sary, pejy 184

6. Nahoana ianao no tokony hitory foana amin’ireo olona tsy dia liana?

6 Handray soa be dia be anefa ireo tsy miraika, raha miova ka mihaino sy mandray tsara ny tenin’i Jehovah. Manampy ny olona tsy ho ringana mantsy Andriamanitra, fa mba hiditra ao amin’ny tontolo vaovao. Toy izany koa ny Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia. Tsy voatery ho ringana izy ireo. (Vakio ny Jeremia 26:2, 3.) Nampirisika azy ireo nandritra ny taona maro i Jeremia, mba ‘hihaino ka hiala amin’ny lalan-dratsiny’, izany hoe hankatò ny tenin’ilay tena Andriamanitra. Azo antoka fa nisy olona nibebaka sy niova vokatr’izany, na dia tsy fantatsika aza ny isany. Olona maro koa no manao toy izany ankehitriny. Matetika isika no mandre hoe misy olona tsy liana taloha nefa lasa mandray tsara. (Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy faha-184.) Tsy vao mainka ve izany mandrisika antsika hazoto foana amin’ilay fanompoana mamonjy aina?

Nahoana ianao no tapa-kevitra hitory ny vaovao tsara na dia tsy miraika aza ny olona?

VOAFETRA NY HERIN’NY MPANOHITRA

7. Inona no nataon’ny fahavalon’i Jeremia mba hampitsaharana ny asany?

7 Imbetsaka ny mpanohitra no nampijaly an’i Jeremia sy nanandrana nampitsahatra ny asany. Nanohitra azy ampahibemaso ny mpaminany sandoka. (Jer. 14:13-16) Nanozona sy naneso azy izay nahita azy, rehefa nandeha teny amin’ny lalamben’i Jerosalema izy. (Jer. 15:10) Nanao tetika maro hanalana baraka azy koa ny olona sasany. (Jer. 18:18) Ny hafa indray ‘nibitsibitsika’, izany hoe nanely tsaho foana, mba tsy hinoan’ny olona tso-po ny zavatra marina notoriny. (Fitom. 3:61, 62) Tsy kivy anefa i Jeremia fa nitory foana. Ahoana no nahavitany izany?

8. Inona no nataon’i Jeremia rehefa nihamafy ny fanoherana?

8 Inona no fiadiana tena nampiasain’i Jeremia mba hiatrehany ny fanoherana rehetra? Ny fatokisana an’i Jehovah. Nampanantena azy Andriamanitra, teo am-piandohan’ny fanompoany, hoe hanampy sy hiaro azy. (Vakio ny Jeremia 1:18, 19.) Natoky an’izany izy, ary tsy nanary azy tokoa i Jehovah. Vao mainka izy nampiseho fahasahiana sy herim-po ary nahay niaritra, rehefa nihamafy ny fanoheran’ireo mpanohitra. Tena nanampy an’i Jeremia ireo toetra ireo.

9, 10. Inona avy no nataon’i Jeremia ka tokony handrisika anao hanana fahasahiana?

9 Nentin’ireo mpisorona sy mpaminany teo anatrehan’ny andrianan’ny Joda i Jeremia, indray mandeha, mba hovonoina ho faty. Nampangain’izy ireo izy sady norahonany. Natahotra ve i Jeremia ka tsy nahavita na inona na inona? Tsia. Namaly ny tenin’izy ireo izy, ka voaporofo fa diso ny fiampangan’ireo mpivadi-pinoana ireo. Voatsimbina ny ainy vokatr’izany.—Vakio ny Jeremia 26:11-16; Lioka 21:12-15.

10 Nangeja an’i Jeremia tamin’ny boloky hazo koa i Pasora, mpiandraikitra tao amin’ny tempoly, rehefa nandre ny hafatra mafonja nambarany. Nanantena angamba i Pasora fa ho fay sy hangina amin’izay i Jeremia, ka nafahany izy ny ampitson’iny. Tonga dia nanatona an’i Pasora anefa i Jeremia rehefa nafahana, na dia mbola nanaintaina mafy aza. Nambarany tamin’i Pasora ny didim-pitsaran’i Jehovah momba azy. Tsy nampangina azy na dia ny fampijaliana aza! (Jer. 20:1-6) Nahoana? Hoy izy: ‘Momba ahy toy ny lehilahy mahery sy mampahatahotra i Jehovah, ka ho tafintohina sy tsy haharesy ireo mpanenjika ahy.’ (Jer. 20:11) Na dia ny mpanohitra lozabe aza tsy natahoran’i Jeremia. Tena natoky an’i Jehovah izy, ary afaka manahaka azy ianao.

11, 12. a) Inona no mampiseho fa nahay nandanjalanja i Jeremia, rehefa nanohitra azy i Hanania? b) Inona no ho vokany raha ‘mahafehy tena’ ianao “rehefa misy mahasosotra”?

11 Tadidio anefa fa tsy nafana fo tafahoatra i Jeremia. Nahay nandanjalanja izy rehefa tojo mpanohitra, ka fantany hoe rahoviana no tokony hiala. Diniho ny nataony rehefa tojo an’i Hanania, mpaminany sandoka. Rehefa nanohitra ampahibemaso ny faminaniana nambarany i Hanania, dia nahitsiny. Nohazavainy koa ny fomba hamantarana ny tena mpaminany. Lasa nasiaka be anefa i Hanania, ka nesoriny ny zioga teny am-bozon’i Jeremia ary notapahiny. Io ilay zioga nampiseho fa hanompo ny Babylonianina ny Jiosy. Tsy fantatra raha mbola saika hanao zavatra hafa i Hanania. Ahoana àry no nataon’i Jeremia tamin’izay? Hoy ny Baiboly: “Lasa nandeha i Jeremia mpaminany.” Niverina tany amin’i Hanania anefa izy tatỳ aoriana, ary nilaza izay hataon’Andriamanitra. Nambarany fa ho lasa mpanompon’ny Babylonianina ny Jiosy ary ho faty i Hanania.—Jer. 28:1-17.

12 Hita amin’izany fa tokony hahay handanjalanja isika rehefa mitory, na dia manana fahasahiana aza. Mety tsy hanaiky ny fanazavana avy ao amin’ny Soratra Masina ny olona ao amin’ny trano itoriantsika, ary mety ho tezitra ka handrahona hamono mihitsy. Raha izany no mitranga, dia hiala amim-pahalalam-pomba isika, ary hifindra amin’ny trano hafa. Tsy tokony hiadiana hevitra be ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Raha ‘mahafehy tena’ isika “rehefa misy mahasosotra”, dia mety ho azo atao ny hanampy indray an’ilay olona amin’ny fotoana mety kokoa.—Vakio ny 2 Timoty 2:23-25; Ohab. 17:14.

Sary, pejy 187

Nahoana no tena zava-dehibe ny hoe matoky an’i Jehovah rehefa mitory ny vaovao tsara? Nahoana isika no tokony hahay handanjalanja na dia manana fahasahiana aza?

“AZA MATAHOTRA”

13. Nahoana i Jehovah no nilaza tamin’i Jeremia hoe: “Aza matahotra”, ary nahoana izany no tokony hahaliana antsika?

13 Nisy fiantraikany tamin’ireo mpanompon’i Jehovah ny toe-piainana ratsy talohan’ny naharavan’i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K. Izay no nahatonga an’Andriamanitra hilaza tamin’i Jeremia hoe: “Aza matahotra.” (Jer. 1:8; Fitom. 3:57) Nasainy nolazain’i Jeremia tamin’ny olon-kafa koa izany teny mampahery izany. (Vakio ny Jeremia 46:27.) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Miaina amin’ny andro farany mampidi-doza isika, ka mety hatahotra koa. Rehefa mitranga izany, moa ve ianao hihaino an’ilay tenin’i Jehovah hoe: “Aza matahotra”? Efa nodinihintsika tato amin’ity boky ity ny fomba nanampian’Andriamanitra an’i Jeremia, nandritra ireny fotoana nampatahotra ireny. Hiverenantsika kely anefa izany mba hakantsika lesona.

14, 15. a) Inona no nanjo an’i Jeremia? b) Inona no nataon’i Jehovah mba hanatanterahany an’ilay fampanantenany hoe hiaro an’i Jeremia izy?

14 Nihena ny sakafo tao Jerosalema rehefa nihamafy ny fahirano nataon’ny Babylonianina. Tsy nanana sakafo intsony ny olona maro tsy ela taorian’izay. (Jer. 37:21) Ary nanao ahoana i Jeremia? Tsy vitan’ny hoe nisy mosary tamin’izay, fa tafahitsoka tao anaty lavaka koa izy ka mety ho faty tao. Nanao izay hamonoana azy mantsy ny andriana tao Joda. Nandresy lahatra an’i Zedekia, mpanjaka kanosa, izy ireo, ka nalefa tao anatin’ny lavaka fanangonan-drano lalina be i Jeremia. Tsy nisy rano tao nefa feno fotaka. Nanomboka nilentika i Jeremia, nefa tsy nahita fomba hivoahana tao. Raha ianao no tratran’izany, tsy ho natahotra ve ianao?—Jer. 38:4-6.

15 Olombelona mety maty toa antsika i Jeremia. Natoky anefa izy fa hitana ny teniny i Jehovah ka tsy handao azy mihitsy. (Vakio ny Jeremia 15:20, 21.) Inona no valisoa azony noho izany? Nandrisika an’i Ebeda-meleka i Jehovah mba handrava ny tetik’ireo andriana, ka hanavotra an’i Jeremia. Nampakatra an’i Jeremia avy tao anatin’ilay lavaka àry i Ebeda-meleka, rehefa nahazo alalana tamin’ny mpanjaka. Avotra ihany i Jeremia.—Jer. 38:7-13.

16. Narovan’i Jehovah tamin’ny inona ireo lehilahy roa tsy nivadika taminy?

16 Tsy hoe afa-doza tanteraka i Jeremia, rehefa afaka tao an-davaka. Mbola nisy mosary mantsy tamin’izay. Izany no nahatonga an’i Ebeda-meleka hiteny toy izao tamin’ny mpanjaka, rehefa hanafaka an’i Jeremia: ‘Ho faty ao izy. Tsy misy mofo intsony mantsy ato an-tanàna.’ (Jer. 38:9) Zara raha nisy sakafo tao Jerosalema ka nihinan’olona ny mponina tao. Namonjy an’ilay mpaminany indray anefa i Jehovah. Tsy izay ihany fa nirahiny koa io mpaminany io mba hanome toky an’i Ebeda-meleka hoe harovany izy. (Jer. 39:16-18) Efa nampanantena an’i Jeremia i Jehovah taloha hoe ‘homba azy izy, mba hanafaka azy’, ka tsy hadinon’i Jeremia izany. (Jer. 1:8) Niaro an’ireo lehilahy tsy nivadika ireo tokoa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, ka tsy maty izy ireo na teo aza ny mosary sy ny fahavalo. Tafavoaka velona tao amin’ilay tanàna noravana izy ireo. Hitantsika àry fa notanterahin’i Jehovah ny fampanantenany hiaro azy ireo.—Jer. 40:1-4.

17. Nahoana ianao no tokony hatoky an’ilay fampanantenana hoe hiaro ny mpanompony i Jehovah?

17 Ho tanteraka daholo ny faminanian’i Jesosy momba ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Tsy ho ela, dia hisy ‘famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ho ory ireo firenena etỳ ambonin’ny tany satria ho very hevitra. Ary hisy ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana.’ (Lioka 21:25, 26) Tsy maintsy miandry isika vao hahafantatra hoe hoatran’ny ahoana ireo famantarana ireo, ary inona no hatahoran’ny olona. Kanefa na inona na inona mitranga, dia tsy tokony hisalasala mihitsy ianao hoe mahay mamonjy ny vahoakany i Jehovah sady maniry hanao izany. Tsy ho voavonjy kosa ireo olona tsy ankasitrahan’Andriamanitra. (Vakio ny Jeremia 8:20; 14:9.) Afaka mamonjy ny vahoakany i Jehovah, na dia toa tsy misy antenaina intsony aza, toy ny ao anatin’ny lavaka fanangonan-drano maizim-be sy feno fotaka. Hihatra amin’ny vahoakany ny teniny tamin’i Ebeda-meleka hoe: “Hataoko afa-mandositra ianao, ka tsy ho lavon-tsabatra. Ary ny ainao no ho babonao, satria natoky ahy ianao.”—Jer. 39:18.

Sary, pejy 190

DIDY NATAO HO ANAO KOA

18. a) Inona ny teny nanova ny fiainan’i Jeremia? b) Inona no lesona tsoahanao avy amin’ilay didin’Andriamanitra ao amin’ny Jeremia 1:7?

18 Hoy Andriamanitra tamin’i Jeremia: “Mandehana any amin’izay rehetra hanirahako anao, ary izay rehetra handidiako anao no ambarao.” (Jer. 1:7) Nanova tanteraka ny fiainan’i Jeremia izany didy izany. Ny hanambara “ny tenin’i Jehovah” no zava-dehibe indrindra taminy, nanomboka teo. Miverimberina ao amin’ny bokin’i Jeremia io teny hoe “tenin’i Jehovah” io. Tantarainy ao amin’ny toko farany amin’io boky io fa natao fahirano i Jerosalema ary natao sesitany i Zedekia, mpanjaka farany tao. Tsy nitsahatra nampianatra ny mponin’i Joda i Jeremia sady nampirisika azy ireo hankatò an’i Jehovah, mandra-pahitany mazava tsara hoe vita ny asa nanendrena azy.

19, 20. a) Nahoana ianao no tokony hanahaka an’i Jeremia? b) Inona no soa raisinao rehefa manao ny asa fitoriana? d) Inona no soa noraisinao tamin’ny fandinihana ny bokin’i Jeremia sy ny Fitomaniana?

19 Misy lafiny maro mampitovy ny asan’i Jeremia sy ny fanompoana ataontsika. Manompo an’ilay tena Andriamanitra ao anatin’ny fotoana fitsarana isika, toa an’i Jeremia. Mitaky fotoana sy hery ny andraikitra samihafa sahanintsika, nefa ny fitoriana ny vaovao tsara no asa lehibe indrindra ataontsika. Manandratra ny anaran’Andriamanitra ianao rehefa mitory, ary manaiky fa manana fahefana fara tampony izy amin’ny maha Mpanjakan’izao Rehetra Izao azy. (Vakio ny Fitomaniana 5:19.) Asehonao koa fa tena tia ny mpiara-belona aminao ianao, rehefa manampy azy ireo hahalala an’ilay tena Andriamanitra sy mampahafantatra azy ireo hoe inona no takiny mba hahazoantsika ny fiainana.—Jer. 25:3-6.

20 Hoy i Jeremia momba ny asa nasain’i Jehovah nataony: “Maharavoravo ahy ny teninao sady mahafaly ny foko. Fa antsoina amin’ny anaranao aho, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!” (Jer. 15:16) Afaka ny ho faly sy ho afa-po toy izany koa izay rehetra atosiky ny fony hiresaka momba an’ilay tena Andriamanitra. Tokony handrisika anao hanambara foana ny hafatr’i Jehovah izany, toy ny nataon’i Jeremia.

Nahoana ny ohatr’i Jeremia sy Ebeda-meleka no manampy anao ho be herim-po? Inona no toetran’i Jeremia tianao hotahafina rehefa mitory ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara