HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 45-51
Tsy Hataon’i Jehovah Tsinontsinona ny Fo Torotoro
Nanoratra ny Salamo 51 i Davida rehefa avy nanarin’i Natana mpaminany, noho izy nijangajanga tamin’i Batseba. Nenjehin’ny eritreriny i Davida, ka nanetry tena sy nitsotra hoe diso.—2Sa 12:1-14.
Nanota i Davida nefa mbola afaka nihavana tamin’i Jehovah indray
Niady saina be i Davida tamin’izy mbola tsy nibebaka satria nenjehin’ny eritreriny
Nijaly be izy rehefa nieritreritra hoe tsy ankasitrahan’i Jehovah, ka hoatran’ny hoe nopotipotehina mihitsy ny taolany
Tena tiany raha mba avelan’i Jehovah ny fahotany, ka hihavana aminy indray izy, ary ho falifaly hoatran’ny taloha
Nanetry tena izy ka niangavy mafy an’i Jehovah mba hampiany ho tia mankatò
Natoky izy fa hamela azy i Jehovah